Josoa
14 Dia naka ny lovany tao amin’ny tany Kanana ny Israelita. I Eleazara mpisorona sy Josoa zanak’i Nona ary ireo lohan’ny fianakaviamben’ireo fokon’ny Israely no nanome azy ireo an’izany.+ 2 Tamin’ny antsapaka no nizarana ny lovan’izy ireo,+ araka ny didy nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy momba an’ireo foko sivy sy ny antsasaky ny foko iray.+ 3 Efa nomen’i Mosesy an’ireo foko roa hafa sy ny antsasaky ny fokon’i Manase ny lovan’izy ireo, teny ampitan’ny* Reniranon’i Jordana.+ Tsy nomeny lova teo amin’izy ireo kosa ny Levita.+ 4 Nisaina ho foko roa ny taranak’i Josefa,+ dia i Manase sy Efraima.+ Tsy nomena anjara tao amin’ilay tany kosa ny Levita, afa-tsy tanàna+ honenana sy kijana ho an’ny biby fiompiny sy ny fananany.+ 5 Dia nozarain’ny Israelita ilay tany, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.
6 Dia nanatona an’i Josoa tao Gilgala ny fokon’i Joda,+ ary hoy i Kaleba+ zanak’i Jefone Kenizita taminy: “Fantatrao tsara izay nolazain’i Jehovah+ tamin’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra,+ momba ahy sy ianao tany Kadesi-barnea.+ 7 Tamin’izaho 40 taona no nirahin’i Mosesy mpanompon’i Jehovah, avy tao Kadesi-barnea, mba hitsikilo an’ity tany ity.+ Dia nanao tatitra marina tsara* aho rehefa niverina.+ 8 Nanaraka an’i Jehovah Andriamanitro tamin’ny foko manontolo aho, na dia nampatahotra ny vahoaka* aza ny tenin’ireo rahalahiko niara-niakatra tamiko.+ 9 Nianiana i Mosesy tamin’izay andro izay hoe: ‘Ho lasa lovanao sy ny taranakao foana ny tany nohitsahin’ny tongotrao, satria ianao nanaraka an’i Jehovah Andriamanitro tamin’ny fonao manontolo.’+ 10 Araka ny nampanantenainy,+ dia nitsimbina ny aiko i Jehovah+ nandritra izay 45 taona izay, nanomboka tamin’ny nilazan’i Jehovah an’izany fampanantenana izany tamin’i Mosesy, rehefa nandeha namakivaky ny tany efitra ny Israely.+ Mbola velona aho izao, ary efa 85 taona. 11 Mbola matanjaka aho, hoatran’ny tamin’ilay andro nanirahan’i Mosesy ahy ihany. Sahala amin’ny heriko tamin’izany ihany ny heriko amin’izao, na rehefa miady aho na rehefa manao zavatra hafa. 12 Omeo ahy àry irỳ faritra be tendrombohitra irỳ, izay nampanantenain’i Jehovah tamin’iny andro iny. Marina fa efa henonao tamin’iny andro iny fa nisy Anakita+ tao, sady nisy tanàna lehibe voaro mafy.+ Tena* hanampy ahy anefa i Jehovah+ ka horoahiko izy ireo, araka ny nampanantenain’i Jehovah.”+
13 Nitso-drano an’i Kaleba zanak’i Jefone àry i Josoa, ka nomeny ho lovany i Hebrona.+ 14 Izany no nahatonga an’i Hebrona ho lovan’i Kaleba zanak’i Jefone Kenizita hatramin’izao. Nanaraka an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely tamin’ny fony manontolo mantsy izy.+ 15 Kiriata-arba no anaran’i Hebrona talohan’izay.+—Lehilahy niavaka indrindra teo amin’ny Anakita izany Arba izany.—Dia nilamina ilay tany, ary tsy nisy ady intsony.+