Nomery
6 Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 2 “Teneno ny Israelita hoe: ‘Raha misy lehilahy na vehivavy manao voady manokana ho Nazirita*+ ho an’i Jehovah, 3 dia tokony hifady divay sy toaka izy. Tsy hisotro vinaingitra vita amin’ny divay na vita amin’ny zava-pisotro misy alkaola+ izy. Tsy tokony hisotro ranon-javatra vita amin’ny voaloboka izy, na hihinana voaloboka lena na maina. 4 Tsy hihinana na inona na inona avy amin’ny voaloboka izy, na voaloboka manta izany, na ny hoditry ny voaloboka aza, amin’ny andro rehetra maha Nazirita azy.
5 “‘Tsy tokony hotapahina ny volony*+ amin’ny andro rehetra anefany ny voadiny ho Nazirita. Tokony ho masina foana izy ka havelany ho lava ny volon-dohany, mandra-pahatapitr’ireo andro anokanany tena ho an’i Jehovah. 6 Tsy tokony hanakaikikaiky faty izy mandritra ny andro rehetra anokanany tena ho an’i Jehovah. 7 Tsy mahazo mandoto ny tenany izy, na dia rehefa maty aza ny rainy na ny reniny na ny rahalahiny na ny anabaviny,+ satria ny volony lava no amantarana hoe Nazirita eo anatrehan’Andriamaniny izy.
8 “‘Masina eo anatrehan’i Jehovah izy amin’ny andro rehetra maha Nazirita azy. 9 Fa raha misy olona maty tampoka kosa eo akaikiny+ ka voaloto ilay volo famantarana hoe nanokan-tena ho an’Andriamanitra izy,* dia hosolainy ny lohany+ amin’ny andro hanekena azy hoe madio. Tokony hosolaina izy amin’ny andro fahafito. 10 Amin’ny andro fahavalo kosa izy hitondra domohina roa na zana-boromailala roa any amin’ny mpisorona, eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana. 11 Dia hokarakarain’ny mpisorona mba ho fanatitra noho ny ota ny iray, fa ny iray kosa ho fanatitra dorana. Izany no handrakofana ny fahotan’ilay+ olona nanota noho izy nikasika faty. Dia hanamasina ny lohany ilay olona amin’io andro io. 12 Dia ho Nazirita eo anatrehan’i Jehovah indray izy mandritra an’ireo andro maha Nazirita azy. Hitondra ondrilahy kely tsy mihoatra ny herintaona koa izy ho fanatitra noho ny heloka. Tsy hisaina anefa ireo andro teo aloha, satria nolotoiny ny maha Nazirita azy.
13 “‘Ary izao no lalàna momba ny Nazirita: Rehefa tapitra ny andro maha Nazirita azy,+ dia hoentina eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana izy. 14 Dia hatolony ho fanatitra ho an’i Jehovah ireto: Ondrilahy kely iray tsy misy kilema sady tsy mihoatra ny herintaona ho fanatitra dorana,+ ondrivavy kely iray tsy misy kilema sady tsy mihoatra ny herintaona ho fanatitra noho ny ota,+ ondrilahy iray tsy misy kilema ho sorona iombonana,+ 15 harona misy mofo boribory vita amin’ny lafarinina tsara toto tsy misy lalivay sady nafangaro menaka, mofo fisaka tsy misy lalivay sady nohosorana menaka, ary ny fanatitra varimbazaha+ sy ny fanatitra zava-pisotro.+ 16 Hoentin’ilay mpisorona eo anatrehan’i Jehovah daholo ireo. Dia hanolotra ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana aterin’ilay olona izy. 17 Hatolony ho an’i Jehovah mba ho sorona iombonana ilay ondrilahy, miaraka amin’ilay harona misy mofo tsy nasiana lalivay. Hatolony miaraka amin’ilay izy koa ny fanatitra varimbazaha+ sy ny fanatitra zava-pisotro.
18 “‘Ary hoharatan’ilay Nazirita eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana ny volon-dohany.*+ Dia halainy ilay volony lava nandritra ny naha Nazirita azy ka hataony ao anaty afo, eo ambanin’ilay sorona iombonana. 19 Ary halain’ny mpisorona ny sorok’ilay ondrilahy, dia ny sorony iray efa nandrahoina,+ sy ny mofo boribory iray tsy misy lalivay avy ao anatin’ilay harona, ary ny mofo fisaka iray tsy misy lalivay. Dia hataony eo am-pelatanan’ilay Nazirita ireo, rehefa avy nasain’ilay Nazirita noharatana ilay famantarana ny maha Nazirita azy. 20 Dia hahetsiketsiky* ny mpisorona ho fanatitra ahetsiketsika eo anatrehan’i Jehovah ireo.+ Zava-masina ho an’ny mpisorona ireo, ankoatra ny tratran’ilay ondrilahy atao fanatitra ahetsiketsika sy ny feny atao fanomezana.+ Aorian’izay dia mahazo misotro divay ilay Nazirita.
21 “‘Izao no lalàna momba ny Nazirita+ manao voady: Raha mivoady izy ka afaka manao fanatitra ho an’i Jehovah ankoatra an’izay efa takina aminy, dia tsy maintsy manefa ny voadiny izy mba hanarahany an’ilay lalàna momba ny Nazirita.’”
22 Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: 23 “Teneno i Arona sy ny zanany hoe: ‘Izao no tsodrano+ hataonareo amin’ny vahoakan’Israely:
24 “Enga anie i Jehovah hitahy anao+ sy hiaro anao!
25 Ho miramirana* aminao anie i Jehovah+ ka hankasitraka anao!
26 Ho tsara fanahy* aminao anie i Jehovah ka hanome fiadanana anao!”’+
27 Ary hampiasa ny anarako eo amin’ny vahoakan’Israely izy ireo,+ mba hitahiako azy.”+