Nehemia
6 Henon’i Sanbala sy Tobia+ sy Gasema Arabo+ ary ny sisa tamin’ny fahavalonay fa voaoriko indray ny manda+ ka tsy misy gorobaka intsony, na dia mbola tsy voapetako aza ny vavahady.+ 2 Tonga àry dia nandefa an’izao hafatra izao tatỳ amiko i Sanbala sy Gasema: “Andao isika hifanao fotoana any amin’ny tanàna kely eo amin’ny Lohasahan’i Ono.”+ Niray tetika hanisy ratsy ahy anefa izy ireo. 3 Dia naniraka olona tany aminy aho mba hiteny hoe: “Mbola manao asa goavana be aho, ka tsy afaka midina any. Nahoana ny asa no hajanona ka havela eo, dia izaho ho any aminareo?” 4 Inefatra izy ireo no nandefa izany hafatra izany tatỳ amiko, fa tsy niova mihitsy ny valin-teniko.
5 Dia nirahin’i Sanbala tatỳ amiko hilaza an’izany hafatra izany fanindiminy ny mpanompony, sady nampitondrainy taratasy tsy misy tombo-kase. 6 Izao no voasoratra tao: “Malaza any amin’ireo firenena fa miray tetika ny hikomy+ ianao sy ny Jiosy, ary izany koa no nolazain’i Gasema.+ Izany, hono, no antony anorenanao ny manda. Dia ho lasa mpanjakan’izy ireo, hono, ianao. 7 Dia nanendry mpaminany mihitsy aza, hono, ianao mba hiresaka momba anao eran’i Jerosalema hoe: ‘Misy mpanjaka eto Joda!’ Tsy maintsy hisy hitantara amin’ny mpanjaka anefa izany. Tongava àry atỳ, dia andao isika handinika an’izany.”
8 Nandefa hafatra tany aminy anefa aho hoe: “Tsy misy akory izany, fa mamoromporona fotsiny ianao.”* 9 Te hampitahotra anay mantsy izy rehetra, ka nilaza hoe: “Tsy hazoto hiasa intsony ireo, dia tsy ho vita ilay asa.”+ Dia nivavaka aho hoe: “Mba ampaherezo aho, Andriamanitra ô!”+
10 Ary nankany an-tranon’i Semaia zanak’i Delaia, zanak’i Mehetebela, aho tamin’izy nihiboka tao an-tranony. Dia hoy izy: “Andao isika hifanao fotoana ao an-tranon’ilay tena Andriamanitra, ao amin’ny tempoly, ka hohidiantsika ny varavarana. Ho avy hamono anao mantsy ry zareo. Sady amin’ny alina mihitsy ry zareo no ho avy.” 11 Hoy anefa aho: “Lehilahy hoatran’ahy izao ve dia handositra? Olona hoatran’ahy izao ve no miditra ao amin’ny tempoly dia ho velona?+ Izaho tsy ho any!” 12 Dia fantatro hoe hay tsy Andriamanitra no naniraka an’io mpaminany io, fa nokaramain’i Tobia sy Sanbala+ izy mba hamitaka ahy. 13 Nokaramain-dry zareo izy hampitahotra ahy ka hahatonga ahy hanota. Ho afaka hanaratsy laza ahy izy ireo amin’izay, mba hanalana baraka ahy.
14 “Tsarovy izany nataon’i Tobia+ sy Sanbala izany, ry Andriamanitro ô! Tsarovy koa ny nataon’i Noadia mpaminanivavy sy ny mpaminany hafa izay nitady hampitahotra ahy foana.”
15 Dia vita ilay manda tamin’ny andro faha-25 amin’ny volana Elola,* izany hoe tao anatin’ny 52 andro.
16 Raha vao henon’ny fahavalonay rehetra izany sady hitan’ny firenena rehetra nanodidina anay, dia menatra be* izy ireo.+ Dia fantany fa nanampy anay ny Andriamanitray matoa vitanay ilay asa. 17 Nandefa taratasy maro be tany amin’i Tobia ny olona ambony+ tao Joda, tamin’izany andro izany. Dia namaly azy ireo koa i Tobia. 18 Betsaka ny olona tao Joda no efa nianiana fa hanohana azy, noho izy vinantolahin’i Sekania zanak’i Ara.+ I Johanana zanany lahy koa efa nanambady ny zanakavavin’i Mesolama+ zanak’i Berekia. 19 Nanatsaratsara an’i Tobia foana koa izy ireo rehefa niresaka tamiko, dia notantarainy tamin’i Tobia avy eo ny zavatra noteneniko. Nandefasan’i Tobia taratasy be dia be àry aho mba hampitahorana ahy.+