Genesisy
42 Rehefa fantatr’i Jakoba hoe nisy sakafo* tany Ejipta,+ dia hoy izy tamin’ny zanany lahy: “Fa maninona ianareo no mifampijerijery eo fotsiny?” 2 Hoy koa izy: “Henoko hoe misy sakafo any Ejipta. Mandehana midina any hividy sakafo ho antsika, mba tsy ho faty isika.”+ 3 Koa nidina tany Ejipta ny rahalahin’i Josefa folo lahy+ mba hividy sakafo. 4 I Benjamina+ rahalahin’i Josefa anefa tsy nalefan’i Jakoba niaraka tamin’ireo rahalahiny ireo, satria hoy izy: “Sao dia ho tratran’ny loza any izy dia ho faty.”+
5 Ary niaraka tamin’ny olon-kafa hividy sakafo ny zanakalahin’i Israely, satria nisy mosary koa tany Kanana.+ 6 I Josefa no nanam-pahefana tamin’i Ejipta manontolo,+ ary izy no nivarotra sakafo tamin’ny olona rehetra teto an-tany.+ Tonga àry ny rahalahin’i Josefa ka niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany.+ 7 Vao hitan’i Josefa ny rahalahiny dia fantany. Nataony anefa izay tsy hahafantaran’izy ireo azy.+ Dia nasiaka fiteny tamin’izy ireo izy, ka niteny hoe: “Avy aiza ianareo?” Dia hoy izy ireo: “Avy any Kanana izahay dia tonga mba hividy sakafo.”+
8 Fantatr’i Josefa àry ny rahalahiny, fa izy ireo kosa tsy nahafantatra azy. 9 Tonga dia tsaroan’i Josefa ny nofiny momba azy ireo,+ ka hoy izy taminy: “Mpitsikilo ianareo! Tonga eto ianareo mba hijery hoe aiza ho aiza ny faritra mora tafihina eto amin’ny taninay!” 10 Fa hoy izy ireo: “Tsy marina izany, tompoko, fa hividy sakafo no nahatongavanay mpanomponao. 11 Zanaky ny lehilahy iray ihany izahay rehetra, ary olo-marina. Tsy mpitsikilo mihitsy ny mpanomponao.” 12 Hoy anefa izy: “Hita fa tonga eto ianareo mba hijery an’izay faritra mora tafihina eto amin’ny taninay!” 13 Dia hoy izy ireo: “Misy 12 mirahalahy+ izahay mpanomponao, ary zanaky ny lehilahy iray ihany.+ Mipetraka any Kanana ny rainay,+ ary any aminy izao ny faralahy, fa ny iray efa tsy eo intsony.”+
14 Hoy anefa i Josefa taminy: “Efa hoe mpitsikilo ianareo! 15 Koa izao no hitsapana anareo: Raha mbola velona koa i Farao, dia tsy mahazo miala eto ianareo raha tsy tonga eto ny zandrinareo faralahy.+ 16 Iraho haka an’ilay rahalahinareo ny iray aminareo, fa ianareo kosa hafatotra. Raha manao an’izany ianareo, dia izay no hahitako hoe tena marina ny teninareo. Fa raha tsy izany, ary raha mbola velona koa i Farao, dia ho hita hoe mpitsikilo tokoa ianareo.” 17 Dia nataony tao am-ponja telo andro izy ireo.
18 Tamin’ny andro fahatelo, dia hoy i Josefa: “Matahotra an’Andriamanitra aho, ka izao atao dia ho velona ianareo: 19 Raha olo-marina ianareo, dia aleo ny iray aminareo hafatotra ato amin’ity fonja ity. Fa ny sisa kosa afaka mandeha mitondra sakafo ho an’izay mosarena amin’ny fianakavianareo.+ 20 Ary ento atỳ amiko ilay zandrinareo faralahy, mba ho hita hoe azo itokisana ny teninareo, dia tsy ho faty ianareo.” Dia nataon’izy ireo izany.
21 Ary nifampiresaka izy ireo hoe: “Tena voasazy isika noho ny nataontsika tamin’ny rahalahintsika.+ Efa hitantsika mantsy ny fahoriany tamin’izy nitalaho mafy tamintsika mba hangoraka azy, nefa tsy mba niantra azy isika. Izany no mahatonga an’izao fahoriana izao hitranga amintsika.” 22 Dia hoy i Robena: “Tsy efa niteny taminareo moa aho tamin’iny hoe: ‘Aza manisy ratsy an’io* zaza io’? Tsy nety nihaino anefa ianareo.+ Dia izao isika voasazy fa nandatsaka ny rany.”+ 23 Tsy fantatr’izy ireo anefa hoe azon’i Josefa ny resak’izy ireo, satria nampiasa mpandika teny izy rehefa niresaka taminy. 24 Niala teo amin’izy ireo àry izy dia nitomany.+ Rehefa niverina teo indray izy ka niresaka tamin’izy ireo, dia i Simeona+ no nalainy ka nofatorany teo imason’izy ireo.+ 25 Avy eo dia nasain’i Josefa nofenoina varimbazaha ny gonin’izy ireo. Nasainy naverina tao anaty gonin’ny tsirairay koa ny volany, ary nasainy nomena vatsy hohaniny eny an-dalana izy ireo. Dia natao tamin’izy ireo izany.
26 Ary nataingin’izy ireo teo amin’ny ampondrany ny sakafo novidiny, dia lasa izy ireo. 27 Rehefa nanokatra ny goniny ny iray tamin’izy ireo fa handeha hanome sakafo ny ampondrany teo amin’ny toeram-pilasiana, dia hitany teo am-bavan’ny goniny ny volany. 28 Dia hoy izy tamin’ny rahalahiny: “Nisy namerina ny volako! Io anaty goniko io ilay izy!” Dia natahotra be izy ireo sady nangovitra, ka nifampiresaka hoe: “Fa inona loatra re izao ataon’Andriamanitra amintsika izao e?”
29 Rehefa tonga tany amin’i Jakoba rainy tany Kanana izy ireo, dia notantarain’izy ireo taminy ny zava-drehetra nahazo azy. Hoy izy ireo: 30 “Nasiaka fiteny taminay+ ilay manam-pahefana ao amin’ilay tany, dia nolazainy fa mpitsikilo izahay. 31 Novalianay anefa izy hoe: ‘Olo-marina izahay, fa tsy mpitsikilo izany!+ 32 Misy 12 mirahalahy izahay+ no zanaky ny rainay. Ny iray efa tsy eo intsony,+ ary ny faralahy izao any amin’ny rainay any Kanana.’+ 33 Hoy anefa ilay manam-pahefana ao amin’ilay tany: ‘Izao no hahafantarako hoe olo-marina ianareo: Avelao eto amiko ny iray amin’ny rahalahinareo,+ dia mandehana mitondra sakafo ho an’izay mosarena amin’ny fianakavianareo.+ 34 Ento atỳ amiko ilay zandrinareo faralahy, mba hahafantarako hoe tsy mpitsikilo ianareo fa olo-marina. Dia haveriko aminareo ny rahalahinareo, ary mahazo mividy sakafo atỳ indray ianareo.’”
35 Rehefa nararak’izy ireo ny tao anaty goniny, dia io fa tao anaty gonin’ny tsirairay ny kitapom-bolany. Rehefa nahita an’izany izy mirahalahy avy sy ny rainy, dia natahotra be daholo. 36 Dia niantsoantso i Jakoba rainy hoe: “Lasa tsy manan-janaka intsony aho, noho ny nataonareo!+ I Josefa efa tsy eo intsony,+ i Simeona koa efa tsy eo intsony,+ dia izao indray i Benjamina koa mbola halainareo! Dia izaho daholo no mizaka an’izany rehetra izany!” 37 Hoy anefa i Robena tamin’ny rainy: “Raha tsy entiko miverina atỳ aminao izy, dia azonao vonoina ho faty ny zanako roa lahy.+ Ankino amiko izy, fa tsy maintsy hoentiko miverina atỳ aminao.”+ 38 Fa hoy i Jakoba: “Tsy mahazo miara-midina aminareo any ny zanako, satria efa maty ny rahalahiny dia izy irery sisa no tavela.+ Raha tratran’ny loza any amin’izay halehanareo any izy ka maty, dia ahoana? Dia hataonareo mihitsy izay hidinako amin’alahelo+ any amin’ny Fasana,*+ amin’izao izaho efa fotsy volo izao.”