Genesisy
5 Izao no tantaran’i Adama: Rehefa namorona an’i Adama Andriamanitra,* dia nataony nisy itovizana taminy+ izy. 2 Lahy sy vavy no namoronany azy ireo.+ Nitso-drano azy ireo izy, ary nataony hoe Olombelona* ny anaran’izy ireo, tamin’ny andro namoronana azy.+
3 Rehefa 130 taona i Adama, dia niteraka zazalahy nisy itovizana taminy, nitovy endrika taminy. Dia nataony hoe Seta ny anarany.+ 4 Mbola velona 800 taona i Adama, taorian’ny niterahany an’i Seta. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy. 5 Ary nahatratra 930 taona ny andro rehetra niainan’i Adama, dia maty izy.+
6 Rehefa 105 taona i Seta, dia niteraka an’i Enosa.+ 7 Mbola velona 807 taona i Seta, taorian’ny niterahany an’i Enosa. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy. 8 Ary nahatratra 912 taona ny andro rehetra niainan’i Seta, dia maty izy.
9 Rehefa 90 taona i Enosa, dia niteraka an’i Kenana. 10 Mbola velona 815 taona i Enosa, taorian’ny niterahany an’i Kenana. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy. 11 Ary nahatratra 905 taona ny andro rehetra niainan’i Enosa, dia maty izy.
12 Rehefa 70 taona i Kenana, dia niteraka an’i Mahalalila.+ 13 Mbola velona 840 taona i Kenana, taorian’ny niterahany an’i Mahalalila. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy. 14 Ary nahatratra 910 taona ny andro rehetra niainan’i Kenana, dia maty izy.
15 Rehefa 65 taona i Mahalalila, dia niteraka an’i Jareda.+ 16 Mbola velona 830 taona i Mahalalila, taorian’ny niterahany an’i Jareda. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy. 17 Ary nahatratra 895 taona ny andro rehetra niainan’i Mahalalila, dia maty izy.
18 Rehefa 162 taona i Jareda, dia niteraka an’i Enoka.+ 19 Mbola velona 800 taona i Jareda, taorian’ny niterahany an’i Enoka. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy. 20 Ary nahatratra 962 taona ny andro rehetra niainan’i Jareda, dia maty izy.
21 Rehefa 65 taona i Enoka, dia niteraka an’i Metosela.+ 22 Rehefa avy niteraka an’i Metosela i Enoka, dia mbola niara-nandeha tamin’ilay tena Andriamanitra* foana, nandritra ny 300 taona. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy. 23 Ary nahatratra 365 taona ny andro rehetra niainan’i Enoka. 24 Niara-nandeha tamin’ilay tena Andriamanitra foana i Enoka.+ Tsy hita intsony izy tatỳ aoriana, satria nalain’Andriamanitra.+
25 Rehefa 187 taona i Metosela, dia niteraka an’i Lameka.+ 26 Mbola velona 782 taona i Metosela, taorian’ny niterahany an’i Lameka. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy. 27 Ary nahatratra 969 taona ny andro rehetra niainan’i Metosela, dia maty izy.
28 Rehefa 182 taona i Lameka, dia niteraka zazalahy. 29 Dia nataony hoe Noa*+ ny anarany, satria hoy izy: “Izy no hanamaivana* antsika. Miasa mafy mantsy isika ka reraka be ny tanantsika satria nozonin’i Jehovah ny tany.”+ 30 Mbola velona 595 taona i Lameka, taorian’ny niterahany an’i Noa. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy. 31 Ary nahatratra 777 taona ny andro rehetra niainan’i Lameka, dia maty izy.
32 Ary feno 500 taona i Noa. Dia niteraka an’i Sema+ sy Hama+ ary Jafeta+ izy taorian’izay.