Genesisy
11 Mbola nampiasa fiteny iray ihany ny tany manontolo, sady nitovy ny teny* nampiasainy. 2 Ary rehefa niantsinanana ny olona, dia nahita tany lemaka tany amin’ny faritr’i Sinara,+ dia nipetraka tao. 3 Ary nifampiresaka izy ireo hoe: “Andao isika hanao biriky dia hodorantsika ilay izy.” Biriky àry no nampiasainy fa tsy vato, ary godorao no nataony rihitra. 4 Dia hoy izy ireo: “Andao isika hanorina tanàna sy hanangana tilikambo, dia hataontsika manakatra ny lanitra ny tampony. Dia andao hataontsika izay hampahalaza ny anarantsika, amin’izay isika tsy hiparitaka manerana ny tany.”+
5 Dia nidina i Jehovah mba hijery an’ilay tanàna sy ilay tilikambo naorin’ny zanak’olombelona. 6 Ary hoy i Jehovah: “Jereo ange e! Vahoaka iray ihany izy ireo ary fiteny iray ihany no ampiasainy,+ dia efa izao no ataony! Dia ho vitany daholo izay eritreretiny hatao. 7 Andao isika+ hidina eny, dia hataontsika misafotofoto ny fitenin’izy ireo, amin’izay ry zareo tsy mifankahazo resaka.” 8 Koa naparitak’i Jehovah avy tao izy ireo ka niely nanerana ny tany.+ Dia najanon’izy ireo tsikelikely ny fanorenana an’ilay tanàna. 9 Izany no antony nanaovana ny anaran’ilay tanàna hoe Babela,*+ satria tao no nataon’i Jehovah nisafotofoto ny fitenin’ny tany rehetra. Ary naparitak’i Jehovah avy tao izy ireo ka niely nanerana ny tany.
Roa taona taorian’ny Safodrano, rehefa 100 taona i Sema, dia niteraka an’i Arpaksada+ izy. 11 Mbola velona 500 taona i Sema, taorian’ny niterahany an’i Arpaksada. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa+ koa izy.
12 Rehefa 35 taona i Arpaksada, dia niteraka an’i Sela.+ 13 Ary mbola velona 403 taona i Arpaksada, taorian’ny niterahany an’i Sela. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy.
14 Rehefa 30 taona i Sela, dia niteraka an’i Ebera.+ 15 Ary mbola velona 403 taona i Sela, taorian’ny niterahany an’i Ebera. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy.
16 Rehefa 34 taona i Ebera, dia niteraka an’i Palega.+ 17 Ary mbola velona 430 taona i Ebera, taorian’ny niterahany an’i Palega. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy.
18 Rehefa 30 taona i Palega, dia niteraka an’i Reo.+ 19 Ary mbola velona 209 taona i Palega, taorian’ny niterahany an’i Reo. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy.
20 Rehefa 32 taona i Reo, dia niteraka an’i Seroga. 21 Ary mbola velona 207 taona i Reo, taorian’ny niterahany an’i Seroga. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy.
22 Rehefa 30 taona i Seroga, dia niteraka an’i Nahora. 23 Ary mbola velona 200 taona i Seroga, taorian’ny niterahany an’i Nahora. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy.
24 Rehefa 29 taona i Nahora, dia niteraka an’i Tera.+ 25 Ary mbola velona 119 taona i Nahora, taorian’ny niterahany an’i Tera. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy.
26 Ary feno 70 taona i Tera. Dia niteraka an’i Abrama+ sy Nahora+ ary Harana izy taorian’izay.
27 Izao no tantaran’i Tera:
I Tera niteraka an’i Abrama sy Nahora ary Harana, ary Harana niteraka an’i Lota.+ 28 Maty tany Oran’ny+ Kaldeanina,+ tany amin’ny tany nahaterahany, i Harana tamin’i Tera rainy mbola velona. 29 Samy naka vady i Abrama sy Nahora: Saray+ no anaran’ny vadin’i Abrama, ary Milka,+ zanakavavin’i Harana, no anaran’ny vadin’i Nahora. Rain’i Milka sy Iska io Harana io. 30 Ary tsy nanan-janaka i Saray fa momba.+
31 Taorian’izay dia nentin’i Tera i Abrama zanany lahy sy Lota zafikeliny,+ zanakalahin’i Harana, ary Saray vinantovaviny, vadin’i Abrama zanany, ka niara-niala tao Oran’ny Kaldeanina izy ireo mba ho any Kanana.+ Dia tonga tao Harana+ izy ireo tamin’ny farany, ka nipetraka tao. 32 Rehefa 205 taona ny andro niainan’i Tera, dia maty tao Harana izy.