Joba
37 “Koa midobodoboka be ny foko,
Sady mitepotepo mitady hiala amin’ny toerany.
3 Alefany ho etỳ ambanin’ny lanitra rehetra izany,
Ary ataony tonga hatrany amin’ny faran’ny tany ny tselatra.+
4 Misy feo mirohondrohona aorian’izany;
Mampikotrokotroka ny feony matanjaka be izy,+
Ka tsy sakanany ny tselatra rehefa heno izany feony izany.
5 Mampikotrokotroka ny feony+ amin’ny fomba mahatalanjona Andriamanitra;
Manao zavatra miavaka tsy takatry ny saintsika izy.+
6 Fa hoy izy amin’ny lanezy: ‘Milatsaha eny ambonin’ny tany,’+
Ary hoy izy amin’ny oram-be mivatravatra: ‘Manaova be fiavy.’+
7 Atsahatr’Andriamanitra ny asa rehetra ataon’ny olona,*
Mba ho fantatry ny olombelona rehetra mety maty ny asany.
8 Miditra ao anaty lavaka fonenany ny bibidia,
Ary mijanona ao amin’ny toerana ipetrahany.
9 Mitsoka avy any amin’ny efitrano misy azy ny tafio-drivotra,+
Ary entin’ny rivotra avy any avaratra ny hatsiaka.+
11 Vesarany hamandoana ny rahona;
Aparitany eny amin’ny rahona ny tselatra;+
12 Mihodinkodina eny amin’izay asainy aleha ireny;
Tanterahin’ireny daholo izay asainy atao+ etỳ ambonin’ny tany misy mponina.*
13 Mampiasa an’ireny izy rehefa manasazy+ na mandena ny tany,
Na rehefa maneho fitiavana sy tsy fivadihana.+
14 Henoy izao, ry Joba,
Dia miatoa kely ary diniho tsara ny zavatra mahatalanjona nataon’Andriamanitra:+
15 Fantatrao ve hoe ahoana no ifehezan’Andriamanitra* ny rahona,
Ary ahoana no ataony mba hahatonga ny tselatra hanazava eny amin’ny rahona?
16 Fantatrao ve hoe ahoana no mahatonga ny rahona hihevaheva?+
Zavatra mahatalanjona nataon’Ilay fara tampony amin’ny fahalalana+ izany rehetra izany.
18 Ianao angaha afaka manampy azy hamelatra* ny lanitra,+
Izay mafy toy ny fitaratra vita amin’ny metaly?
19 Teneno anay izay tokony holazainay aminy;
Tsy mahita havaly izahay satria ao anaty haizina.
20 Tokony holazaina aminy ve fa te hiteny aho?
Sa nisy nilaza zavatra tokony horesahina aminy?+
21 Tsy hitan’ny olona hatramin’ny hazavana,*
Na dia mamiratra eny amin’ny lanitra aza izany,
Raha tsy efa misy rivotra mandalo ka mampisava ny rahona.
22 Avy any avaratra no iavian’ny taratra mivolombolamena;
Faran’izay mahavariana ny voninahitr’Andriamanitra.+
23 Tsy takatry ny saintsika ny momba an’ilay Mahery Indrindra;+
Tena mahery izy,+
Tsy mba mamadika ny rariny mihitsy izy+ sady tena tia manao ny marina foana.+
24 Koa tokony hatahotra azy ny olona,+
Satria tsy mankasitraka an’izay mihevi-tena ho hendry*+ izy.”