Mpitsara
16 Nankany Gaza i Samsona indray mandeha. Nahita vehivavy mpivaro-tena izy tany, ka nankao an-tranony. 2 Ary nisy nilaza tamin’ny Gazita hoe: “Tonga eto i Samsona.” Dia nohodidinin’izy ireo ilay toerana, ary niafina teo am-bavahadin’ny tanàna izy ireo nandritra ny alina mba hamely azy. Tsy nikotaba anefa izy ireo nandritra ny alina, fa hoy izy ireo: “Raha vao mangiran-dratsy ny andro, dia hovonointsika izy.”
3 Natory tao i Samsona mandra-pisasaky ny alina. Ary nifoha izy rehefa nisasaka ny alina, dia noraisiny ny vavahadin’ny tanàna sy ny andry roa tamin’ny sisiny, ka nongotany niaraka tamin’ny bara hidin’ilay vavahady. Nataony teny an-tsorony izany, ary nentiny niakatra ho any an-tampon’ilay tendrombohitra tandrifin’i Hebrona.
4 Raiki-pitia tamin’ny vehivavy iray tany amin’ny Lohasahan’i* Soreka izy, taorian’izay. Delila+ no anaran’ilay vehivavy. 5 Koa nankao aminy ireo andrianan’ny Filistinina, dia niteny taminy hoe: “Fetseo* izy+ ka fantaro hoe inona no mahatonga azy hatanjaka be. Ezaho fantarina koa hoe ahoana no handresenay sy hamatoranay azy mba ho voafehinay izy. Dia samy hanome anao volafotsy 1 100 sekely avy izahay.”
6 Taorian’izay, dia hoy i Delila tamin’i Samsona: “Eo moa mba lazao amiko hoe inona no mahatonga anao hatanjaka be hoatr’izao e, dia inona no azo amatorana anao mba hahafahana mifehy anao.” 7 Dia hoy i Samsona: “Raha fatorana amin’ny tady* fito mbola tsy nohamainina aho, dia halemy hoatran’ny olon-drehetra ihany.” 8 Dia niakatra nankany amin’ilay vehivavy ireo andrianan’ny Filistinina, ka nitondra tady fito mbola tsy nohamainina. Ary nofatoran’ilay vehivavy tamin’ireny i Samsona. 9 Efa nisy olona niafina mba hamely an’i Samsona tao amin’ny efitra anatiny tamin’izay. Dia niantsoantso i Delila hoe: “Tonga hamely anao ny Filistinina, ry Samsona!” Dia notapahin’i Samsona ireo tady, ka tonga dia tapaka hoatran’ny kofehy rongony tratry ny afo.+ Ary tsy nisy nahafantatra hoe ahoana no nahatonga azy hatanjaka.
10 Ary hoy i Delila tamin’i Samsona: “Sady namitaka ahy* ianao no nandainga tamiko. Mba lazao ahy amin’izay moa izay azo amatorana anao e!” 11 Dia hoy i Samsona: “Raha fatorana amin’ny tady vaovao mbola tsy nampiasaina aho, dia halemy hoatran’ny olon-drehetra ihany.” 12 Naka tady vaovao àry i Delila, ka namatotra an’i Samsona. Dia niantsoantso izy hoe: “Tonga hamely anao ny Filistinina, ry Samsona!”—Efa nisy olona niafina tao amin’ilay efitra anatiny tamin’izay.—Dia notapahin’i Samsona hiala teo amin’ny sandriny ireo tady, hoatran’ny manapaka kofehy.+
13 Taorian’izay, dia hoy i Delila tamin’i Samsona: “Mbola namitaka ahy foana ianao hatramin’izao, sady nandainga tamiko.+ Lazao ahy moa izay azo amatorana anao e!” Dia hoy i Samsona: “Mila tenominao miaraka amin’ny kofehy atao tenany ny randrana fito eo amin’ny lohako.” 14 Ary nataon’ilay vehivavy nifatratra tsara tamin’ny alalan’ny hazo fisaka ireo randran’i Samsona, dia niantsoantso izy hoe: “Tonga hamely anao ny Filistinina, ry Samsona!” Dia nifoha i Samsona, ka nosintoniny hiala ilay hazon-tenona sy ilay kofehy natao tenany.
15 Dia hoy i Delila taminy: “Ahoana no ilazanao hoe: ‘Tena tiako ianao’,+ nefa ianao tsy matoky* ahy akory? Intelo izay ianao no namitaka ahy, dia tsy nilaza tamiko hoe inona no mahatonga anao hatanjaka be.”+ 16 Tsy namelan’i Delila i Samsona fa nosokiriny foana isan’andro, dia leo be i Samsona ka te ho faty mihitsy.+ 17 Namboraka ny tao am-pony tamin’i Delila àry izy tamin’ny farany. Hoy izy: “Mbola tsy notapahina mihitsy ny volon-dohako,* satria vao teraka* aho dia efa Nazirita ho an’Andriamanitra.+ Fa raha tapahina ny voloko, dia tsy hatanjaka be intsony aho fa halemy, ary ho lasa hoatran’ny olon-drehetra ihany.”
18 Rehefa hitan’i Delila fa namboraka ny tao am-pony taminy i Samsona, dia tonga dia nampiantso an’ireo andrianan’ny Filistinina+ izy. Dia hoy izy: “Tongava amin’izay amin’ity indray mandeha ity, fa efa namboraka ny tao am-pony tamiko izy.” Dia niakatra ho any aminy ireo andrianan’ny Filistinina, sady nitondra an’ilay vola. 19 Ary nampatorin’ilay vehivavy teo ambony lohaliny i Samsona. Dia niantso lehilahy iray izy, ka nasainy notapahiny ny randrana fito teo amin’ny lohan’i Samsona. Lasa nahavita nifehy azy izy taorian’izay, satria nihena ny tanjak’i Samsona. 20 Dia niantsoantso ilay vehivavy hoe: “Tonga hamely anao ny Filistinina, ry Samsona!” Dia nifoha i Samsona, ka niteny hoe: “Ho tafavoaka hoatran’ny teo aloha ihany aho.+ Hikofokofoka aho, dia ho afaka.” Tsy fantany anefa fa efa niala taminy i Jehovah. 21 Koa nosamborin’ny Filistinina izy, dia nopotsirin’izy ireo ny masony roa. Ary nentin’izy ireo nidina nankany Gaza izy, ka nofatorany tamin’ny gadra varahina roa. Dia lasa mpanodina vato lehibe fikosoham-bary tao am-ponja izy. 22 Nanomboka naniry indray anefa ilay volon-dohany notapahina.+
23 Ary nivory ireo andrianan’ny Filistinina mba hanao sorona lehibe ho an’i Dagona+ andriamaniny sy hanao fety. Fa hoy izy ireo: “Efa nataon’ilay andriamanitsika resintsika i Samsona fahavalontsika!” 24 Rehefa nahita azy ny olona, dia nidera ny andriamaniny. Hoy izy ireo: “Efa nataon’ilay andriamanitsika resintsika ilay fahavalontsika, izay nanimba ny tanintsika+ sy namono olona be dia be teto amintsika.”+
25 Ary falifaly izy ireo, ka niteny hoe: “Alaivo i Samsona mba hampiala voly antsika.” Dia nalainy avy tao am-ponja i Samsona mba hampiala voly azy ireo. Ary nasainy nitsangana teo anelanelan’ny andry izy. 26 Dia hoy i Samsona tamin’ilay zazalahy nitantana azy: “Mba avelao aho hikasika an’ireo andry manohana an’ity trano ity, mba hiankinako aminy.” 27 Feno lehilahy sy vehivavy ilay trano tamin’izay. Tao daholo ireo andrianan’ny Filistinina ary nisy lehilahy sy vehivavy 3 000 teo ho eo tany an-tampon-trano. Nijery an’i Samsona nampiala voly azy izy ireo.
28 Dia niantso an’i Jehovah i Samsona+ hoe: “Ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Mba tsarovy re aho ka omeo hery+ azafady indrindra e! Mba amin’ity indray mandeha ity fotsiny, ry Andriamanitra ô! Avelao aho hamaly faty ny Filistinina noho ny anankiray amin’ny masoko roa.”+
29 Dia nitehenan’i Samsona ireo andry roa teo afovoany izay nanohana an’ilay trano. Ny tanany havanana nitehina tamin’ny andry iray ary ny tanany havia nitehina tamin’ilay iray. 30 Dia niteny mafy be i Samsona hoe: “Avelao aho ho faty miaraka amin’ny Filistinina!” Dia natosiny araka izay fara heriny ireo andry, ka nianjeran’ilay trano ireo andriana sy ny olona rehetra tao anatiny.+ Betsaka kokoa àry ny olona matiny tamin’ny andro nahafatesany, raha oharina amin’ny olona matiny nandritra ny androm-piainany.+
31 Taorian’izay, dia nidina mba haka azy ny rahalahiny sy ny fianakavian-drainy manontolo. Nentin’izy ireo niakatra izy, ary naleviny teo anelanelan’i Zora+ sy Estaola, tao amin’ny fasan’i Manoa+ rainy. Ary efa nitsara ny Israely nandritra ny 20 taona izy.+