Joba
2 Mahavita manisy tady* eo amin’ny vavorony ve ianao,
Na managorobaka ny valanoranony amin’ny faraingo?*
3 Hitalaholaho imbetsaka aminao ve izy,
Sa hanao teny malefaka aminao?
4 Hanao fifanekena aminao ve izy,
Mba hataonao mpanompo mandrakizay?
5 Hilalao azy tahaka ny filalao vorona ve ianao,
Sa hamatotra azy holalaovin’ny zanakao vavikely?
6 Hanakalo azy amin-javatra hafa ve ny mpivarotra?
Hifampizara azy amin’ny mpivarotra hafa ve izy ireo?
7 Ho vitanao ve ny hanatsatoka vy maranitra+ be dia be eny amin’ny hodiny,
Na ny hanatrobaka ny lohany amin’ny lefona fihazana trondro?
8 Kasiho amin’ny tananao ange izy e!
Dia hotsaroanao tsara ilay ady nataonao taminy, ka tsy hamerina intsony ianao!
9 Ho diso fanantenana izay mitady hamolaka azy.
Vao mahita azy fotsiny ianao dia efa tsy mahahetsika.*
10 Tsy misy sahy mila ady aminy.
Koa iza no hahavita hanohitra ahy?+
11 Iza no nanome ahy, ka tokony homeko valisoa koa avy eo?+
Fa ahy daholo izay rehetra eny ambanin’ny lanitra.+
12 Tsy hangina aho fa hiresaka momba ny rantsambatany,
Sy ny heriny ary ny hakanton’ny firafitry ny vatany.
13 Iza no mahavita manala ny fitafiany ivelany?
Iza no ho sahy hiditra eo anelanelan’ny valanoranony?
14 Iza no mahasokatra ny vavany?*
Mampihoron-koditra ny nifiny.
16 Mifanetinety tsara ireny,
Ka tsy tafiditry ny rivotra eny anelanelany.
17 Mifampipetaka tsara ireny;
Ary mifamikitra ka tsy voasaraka.
18 Mampitselatra hazavana izy isaky ny mievina,
Ary ny masony dia toy ny taratry ny maraina vao mangiran-dratsy.
19 Misy tselatra mivoaka avy amin’ny vavany,
Misy tselatr’afo mipitipitika.
20 Mamoaka setroka ny vavorony,
Toy ny fatana mirehitra asiana harefo.
21 Mampiredareda vainafo ny fofonainy,
Ary misy lelafo mivoaka avy amin’ny vavany.
22 Matanjaka be ny vozony,
Ary mihazakazaka eo anoloany ny horohoro.
23 Mifampiraikitra tsara ny nofony mivalombalona;
Mafy be toy ny metaly narendrika izay nararaka teo aminy izany, ka tsy azo endahina.
24 Mafy toy ny vato ny fony,
Eny, mafy toy ny vato ambany amin’ny vato fikosoham-bary.
25 Rehefa mitsangana izy, dia mihorohoro na dia ny mahery aza;
Mampahatahotra ilay izy mihetsiketsika be iny!
26 Tsy maharesy azy izay sabatra mahavoa azy,
Ary toy izany koa na ny lefona, na ny zana-tsipìka kely, na ny lohan-jana-tsipìka.+
27 Aminy dia toy ny mololo ny vy,
Ary toy ny hazo lo ny varahina.
28 Tsy mampandositra azy ny zana-tsipìka.
Lasa toy ny mololo ny vatom-pilotra mahavoa azy.
29 Aminy dia toy ny mololo ny kibay,
Ary ihomehezany fotsiny ny feon’ny lefom-pohy ahetsiketsika.
30 Maranitra toy ny vakim-bilany tany ny kibony;
Ary mivalampatra ao anaty fotaka izy, toy ny hoe mamelatra fitaovana fanosihosena varimbazaha.+
31 Ataony mangotrakotraka toy ny ao am-bilany ny rano lalina,
Ary ny ranomasina dia ataony mandroadroatra toy ny ao anaty vilany fanaovana menaka fanosorana.
32 Mamela soritra mamirapiratra izy rehefa mandalo,
Ka hoatran’ny hoe misy volo fotsy ny rano lalina.
33 Tsy misy toa azy eny ambonin’ny tany,
Fa noforonina tsy hanan-tahotra izy.
34 Ivandravandrany daholo izay mirehareha.
Izy no mpanjakan’ny bibidia matanjaka rehetra.”