-
HarefoFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
HAREFO
[Heb.: ʼagmôhn].
Zavamaniry toy ny ahitra, maniry eny amin’ny honahona. Boribory sy poakaty matetika ny tahony, maniry tsitelotelo ny raviny toy ny bozaka, ary somary volontsôkôlà na maitso ny voninkazony kely. Mety ho harefo isan-karazany na zavamaniry toy ny ahitra ilay hoe ʼagmôhn (heb.).
Nandrehetana afo tao am-patana ny harefo taloha. (Jb 41:20) Mety ho tady vita tamin’ny harefo na tamin’ny fibra avy aminy ny “harefo” resahin’ny Joba 41:2.
An’ohatra ny ʼagmôhn resahin’ny andininy hafa. Tsy nankasitrahan’i Jehovah ny Israely mpikomy, izay nifady hanina sy nanondrika ny lohany toy ny harefo. (Is 58:5) Toa mpaminany sandoka (ny “rambo”) nilaza an’izay tian’ny mpitondran’ny firenen’Israely (ny “loha”, na “tsimoka”) ho re fotsiny ilay “harefo” resahin’ny Isaia 9:14.—Is 9:15; jereo koa ny 19:15 (toa ny Ejipsianina indray ilay “harefo” ao).
-
-
AhidratsyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Heverina fa zavamaniry sy ahidratsy misy tsilo, izay maniry eny an-tanimboly ary vetivety dia mandrakotra tany lao kosa, ny hoe hôhah (heb.). (Jb 31:40; Is 34:13; Ho 9:6) Toa ilazana koa ny tsilo anagorobahana ny taovam-pisefoan’ny trondro mba hitondrana azy ny hoe hôhah. (Jb 41:2) Noresahina tao amin’ny fampitahana koa izy io. (To 2:2) Mety handratra ny tenany sy ny hafa ny mamo mihazona tsilo. Toy izany koa ny tsisy saina mampiasa ohabolana tsy araka ny tokony ho izy, satria tsy hainy ny heviny. (Oh 26:9) Nilaza i Joasy mpanjakan’ny Israely fa toy ny tsilo mangataka ny hanao fifanarahana ara-panambadiana amin’ny sederan’i Libanona i Amazia mpanjakan’ny Joda, izay nirehareha ka te hiady taminy.—2Mp 14:8, 9; 2Ta 25:18.
-