Amosa
4 “Henoy izao, ry ombivavin’i Basana
Eo amin’ny tendrombohitr’i Samaria,+
Dia ianareo vehivavy manambaka ny madinika+ sady mampahory ny mahantra,
Ary milaza amin’ny vadinareo* hoe: ‘Mitondrà zavatra hosotroina!’
2 Masina i Jehovah Tompo Fara Tampony ka mianiana hoe:
‘“Ho avy ny andro hanaingany anareo amin’ny faraingon’ny mpivaro-kena,
Ary hanaingany ny sisa aminareo amin’ny lelam-pintana.
3 Eo amin’ny manda voagorobaka no hivoahanareo, eo amin’izay mifanitsy aminareo avy.
Ary horoahina ho any Harmona ianareo”, hoy i Jehovah.’
5 Dory ny mofo misy lalivay, izay ataonareo fanatitra fisaorana an’Andriamanitra.+
Ataovy fanta-bahoaka fa manao fanatitra an-tsitrapo ianareo,
Satria izany no efa tianareo, ry vahoakan’Israely ô’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.
6 ‘Nandefasako mosary ny* tanàna rehetra nipetrahanareo,
Ary nataoko tsy nisy sakafo tany amin’ny trano rehetra nisy anareo.+
Tsy niverina tamiko anefa ianareo’,+ hoy i Jehovah.
7 ‘Tsy nomeko orana koa ianareo, telo volana talohan’ny fijinjana.+
Nandatsahako orana ny tanàna iray, fa ny iray kosa tsy nandatsahako.
Nahazo orana ny saha iray,
Fa ny iray kosa maina satria tsy nisy orana.
8 Nivembena nankany amin’ny tanàna iray ny olona tao amin’ny tanàna roa na telo mba hisotro rano,+
Nefa tsy afa-ketaheta.
Tsy niverina tamiko anefa ianareo’,+ hoy i Jehovah.
9 ‘Nataoko mainan’ny rivotra mahamay sy tratran’ny aretin-javamaniry ny volinareo.+
Nataonareo be dia be ny zaridaina sy ny tanimboalobokareo,
Saingy lanin’ny valala ny hazo aviavy sy ny hazo olivanareo.+
Mbola tsy niverina tamiko ihany anefa ianareo’,+ hoy i Jehovah.
10 ‘Nandefasako areti-mandringana hoatran’ilay tany Ejipta ianareo,+
Ary novonoiko tamin’ny sabatra ny tovolahy teo aminareo,+ sady nalaiko ny soavalinareo.+
Dia nataoko lasa maimbo be ny tobinareo, noho ireo faty tao.+
Tsy niverina tamiko anefa ianareo’, hoy i Jehovah.
Ary lasa hoatran’ny kitay nesorina haingana avy tao anaty afo ianareo.
Tsy niverina tamiko anefa ianareo’,+ hoy i Jehovah.
12 Izany àry no haveriko aminao, ry Israely ô!
Izany mihitsy no hataoko aminao,
Ka miomàna hifanatrika amin’ny Andriamanitrao, ry Israely ô!