Tononkiran’i Solomona
8 “Raha mba hoatran’ny anadahiko mantsy ianao,
Ka ninono tamin’i Neny,
Dia hanoroka anao aho+ raha mahita anao eny ivelany eny,
Nefa tsy hisy olona hanome tsiny ahy.
Horosoako divay nasiana zava-manitra ianao,
Sady homeko ranon’ampongabendanitra vao avy natao.
4 Ry zanakavavin’i Jerosalema ô! Asaiko mianiana ianareo
Mba tsy hitady hanaitra na hampitsiry fitiavana ato amiko, fa avelao ilay izy hitsiry ho azy.”+
5 “Iza iny miakatra avy any an-tany efitra iny,
Iny mitehina amin’ny malalany iny?”
“Teo ambany paoma ianao no nofohaziko.
Teo ny reninao no nihetsi-jaza niteraka anao.
Teo ilay niteraka anao no nihetsi-jaza.
6 Ataovy hoatran’ny tombo-kase eo amin’ny fonao aho,
Hoatran’ny tombo-kase eo amin’ny sandrinao.
Fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana,+
Ary tsy mety milefitra mihitsy hoatran’ny Fasana* ny fitiavan’ny olona tokam-po.
Toy ny lelafo miredareda izany, dia lelafo avy amin’i Jah.*+
Raha misy olona manome ny harena rehetra ao an-tranony mba hividianana fitiavana,
Dia tena hatao tsinontsinona izany.”*
Hataonay ahoana izy
Rehefa misy mangataka indray andro any?”
9 “Raha manda izy,
Dia hanorenantsika tampony volafotsy eo amboniny.
Fa raha varavarana kosa izy,
Dia hosakanantsika amin’ny hazo fisaka sedera.”
10 “Manda aho,
Ary hoatran’ny tilikambo ny nonoko.
Mijery ahy ilay malalako,
Dia hitany hoe milamin-tsaina aho.
11 Nanana tanimboaloboka+ tany Bala-hamona i Solomona,
Ary nisy olona nasainy nikarakara an’ilay izy.
Samy nanome volafotsy arivo sekely avy izy rehetra, rehefa niakatra ny vokatra.
12 Anao, ry Solomona, ny volafotsy arivo sekely,*
Ary ny roanjato kosa an’izay mikarakara ny vokatra.
Fa izaho kosa manana tanimboaloboka azoko ampiasaina amin’izay itiavako azy.”
Izaho koa te haheno ny feonao.”+