TONONKIRAN’I SOLOMONA
Tononkalo ao amin’ny Soratra Hebreo mitantara ny fitiavana tsy mety lefy tsapan’ny tovovavy solemita iray avy any ambanivohitra (avy any Sonema na Solema) ho an’ny tovolahy iray mpiandry ondry. Niezaka mafy nambabo ny fony i Solomona Mpanjaka saingy niala maina. Antsoina hoe “tononkira tsara indrindra” io tononkalo io. (To 1:1) Tononkira iray ihany izy io, fa tsy tononkira maromaro.
Nosoratan’i Solomona izy io. (To 1:1) Hita hoe nahalala tsara ny zavaboarin’Andriamanitra ilay mpanoratra rehefa dinihina ilay tononkira. Toy izany mihitsy i Solomona. (1Mp 4:29-33) Voaresaka imbetsaka ao amin’ilay boky ny zavamaniry, biby, vatosoa, ary metaly. (To 1:12-14, 17; 2:1, 3, 7, 9, 12-15; 4:8, 13, 14; 5:11-15; 7:2, 3, 7, 8, 11-13) Nahalala tsara ny tanin’ny Israelita koa ilay mpanoratra (tsy mahagaga izany raha i Solomona Mpanjaka ilay izy), satria niresaka momba ny lemaka amoron-tsiraka; lemaka iva (2:1); ny tandavan-tendrombohitra Libanona, Hermona, Amana, Karmela (4:8; 7:5); ny tanimboalobok’i En-jedy (1:14); ary ‘ny dobo tany Hesbona, teo akaikin’ny vavahadin’i Bata-rabima’ (7:4).
Efa nanana vady 60 sy vadikely 80 i Solomona tamin’izy nanoratra an’ilay tononkalo. (To 6:8) Vao nanjaka kelikely àry izy tamin’izany, satria nanana vady 700 sy vadikely 300 izy rehefa nifarana ireo 40 taona nanjakany (1037-998 T.K.).—1Mp 11:3.
Tany Atsinanana no nisehoan’ilay tantara ao amin’ilay tononkira, tokotokony ho 3 000 taona lasa izay, ka mety ho hafahafa be amin’ny mpamaky sasany ny fanehoam-pitiavana resahiny.
Olona voaresaka. Ilay Solemita no tena resahina betsaka ao amin’ilay tononkira. Voaresaka ao koa ilay mpiandry ondry tia azy (To 1:7), ny reniny sy ny anadahiny (1:6; 8:2), i Solomona Mpanjaka (3:11), ny “zanakavavin’i Jerosalema” (tovovavy tao an-dapan’i Solomona), ary ny “zanakavavin’i Ziona” (vehivavy nonina tao Jerosalema) (3:5, 11). Ny tenin’izy ireo na izay lazaina aminy no ahafantarana hoe iza no miteny na iresahana. Mora ny nanavaka izany tamin’ny teny hebreo, satria matetika no fantatra amin’ny fitsipi-pitenenana hoe lahy sa vavy ilay miteny, ary maro sa tokana. Voatery manampy teny kely àry ny teny malagasy matetika, mba hazava tsara ny hevitra. Toy izao, ohatra, ny Tononkiran’i Solomona 1:5 amin’ny teny hebreo, raha adika ara-bakiteny: “Mainty aho, nefa tsara tarehy.” Amin’ny endriny milaza vavy ny teny hebreo nadika hoe “mainty” sy “tsara tarehy” eo. Hoy àry ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao: “Ankizivavy mainty aho, nefa tsara tarehy.”
Ilay tantara. Tany amin’ny toerana nahaterahan’ilay mpiandry ondry no nahitan’ilay Solemita azy. (To 8:5b) Niezaka ny hiaro an’ilay Solemita anefa ireo anadahiny satria nanahy sao ho resin’ny fakam-panahy izy. Tezitra taminy izy ireo rehefa nitady handehandeha hiaraka amin’ilay mpiandry ondry hijery ny hakanton’ny voary amin’ny lohataona izy. (2:8-14) Nirahin’izy ireo hiambina ny tanimboaloboka amin’ireo amboadia kely àry izy satria efa namoa ny voaloboka tamin’izay. (1:6; 2:15) Nivalomainty ilay Solemita rehefa nodanihin’ny hainandro.—1:5, 6.
Nankany amin’ny saha feno voanjoala ilay Solemita, ka sendra ny tobin’i Solomona Mpanjaka. (To 6:11, 12) Nahita azy angamba ny mpanjaka na nisy olon-kafa nahita azy ka niresaka momba azy tamin’ny mpanjaka. Nentina tao an-toby àry izy. Nidera ny hatsaran-tarehiny i Solomona. Tsy taitra taminy anefa ilay Solemita, ary nilaza fa manina an’ilay mpiandry ondry tia azy. (1:2-4, 7) Nampirisika azy handeha hitady an’ilay olon-tiany àry ireo “zanakavavin’i Jerosalema.” (1:8) Tsy namela azy handeha anefa i Solomona, fa nidera ny hatsaran-tarehiny sady nampanantena fa hanamboarany firavaka volamena boribory misy haingony volafotsy izy. (1:9-11) Notsorin’ilay Solemita taminy àry fa efa tia olon-kafa izy.—1:12-14.
Tonga tao amin’ilay toby ilay mpiandry ondry, ary nitory fitiavana tamin’ilay Solemita. Nanome toky azy koa ilay Solemita fa tia azy. (To 1:15–2:2) Nilaza tamin’ireo “zanakavavin’i Jerosalema” izy fa toy ny hazo fihinam-boa maniry eo anivon’ny hazo any an’ala ilay olon-tiany. Nasainy nianiana tamin’ny zavatra tsara sy kanto àry izy ireo mba tsy hanery azy ho tia olon-kafa. (2:3-7) Mbola manina an’ilay olon-tiany foana izy na dia rehefa alina aza. Nampahatsiahy an’ireo “zanakavavin’i Jerosalema” izy fa efa nianiana izy ireo hoe tsy hampitsiry fitiavana ao anatiny, fa hamela izany hitsiry ho azy.—2:16–3:5.
Nentin’i Solomona niaraka taminy tany Jerosalema ilay Solemita. Nahatazana an’ilay mpanjaka sy ny mpanotrona azy ny “zanakavavin’i Jerosalema” vitsivitsy, ka niresaka momba ny hakanton’izy ireo. (To 3:6-11) Nanaraka azy ireo nankany Jerosalema ilay mpiandry ondry. Niresaka tamin’ilay Solemita izy, nidera ny hatsaran-tarehiny, ary nanome toky fa tia azy. (4:1-5) Nilaza razazavavy hoe te hiala tao amin’ilay tanàna (4:6), fa ilay olon-tiany kosa mbola nidera azy. (4:7-16a) “Aoka hiditra ao an-jaridainany ny malalako, ka hihinana ny voankazo faran’izay tsara ao”, hoy ilay Solemita. (4:16b) Namaly ilay olon-tiany hoe: “Efa niditra ato an-jaridainako aho, rahavako, ry ilay ampakariko.” (5:1a) Nampirisika azy roa ny vehivavy tao Jerosalema hoe: “Mihinàna, ry sakaiza! Misotroa, ary aoka ianareo ho mamon’ny fanehoam-pitiavana!”—5:1b.
Notantarain’ilay Solemita tamin’ny “zanakavavin’i Jerosalema” ny nofy ratsiny, ary nolazainy fa azon’ny tazom-pitia izy. (To 5:2-8) Nanontanian’izy ireo àry izy hoe inona loatra no nampiavaka an’ilay olon-tiany. Nientanentana erỳ ilay Solemita nidera ny hakanton’ny malalany. (5:10-16) Rehefa nanontaniana izy hoe nankaiza ilay olon-tiany, dia novaliany hoe niandry ondry teny an-tsaha. (6:1-3) Nidera an’ilay Solemita indray i Solomona. (6:4-10) Nilaza ilay Solemita hoe tsy izy no nitady an’i Solomona (6:11, 12), fa izy io kosa niangavy azy hiverina. (6:13a) Nanontany àry ilay Solemita hoe: ‘Fa inona loatra no hitanareo amiko?’ (6:13b) Nohararaotin’i Solomona izany mba hiderana azy indray. (7:1-9) Tsy nampihontsina azy anefa izany, ary nilaza tamin’ireo “zanakavavin’i Jerosalema” izy mba tsy hanaitra fitiavana ao anatiny, fa hamela izany hitsiry ho azy.—7:10–8:4.
Toa navelan’i Solomona hody ihany ilay Solemita. Nahita azy nanatona ny anadahiny, ka niteny hoe: “Iza iny vehivavy miakatra avy any an-tany efitra iny, izay mitehina amin’ny malalany?” (To 8:5a) Tsy nampoizin’izy ireo hoe tokam-po toy izany ilay anabaviny. Hoy ny iray tamin’izy ireo, taona maro talohan’izay: “Manana anabavy kely mbola tsy misy nono izahay. Hataonay ahoana izy rehefa hisy hangataka indray andro any?” (8:8) Namaly ny iray hoe: “Raha toy ny manda izy, dia hanorenantsika tilikambo volafotsy eo an-tampony. Fa raha toy ny varavarana kosa izy, dia hosakanantsika amin’ny hazo fisaka sedera.” (8:9) Nahatohitra ny fakam-panahy rehetra anefa ilay Solemita sady nianina tamin’ny tanimboalobony no tsy nivadika tamin’ilay olon-tiany (8:6, 7, 11, 12), ka afaka niteny hoe: “Manda aho, ary sahala amin’ny tilikambo ny nonoko. Koa vehivavy milamin-tsaina àry ny fahitany ahy.”—8:10.
Farany, nilaza ilay mpiandry ondry fa te handre ny feony. (To 8:13) Namaly ilay Solemita fa te hahita azy mihazakazaka miampita an’ireo tendrombohitra nanasaraka azy ireo izy.—8:14.
Sarobidy. Manasongadina ny hatsaran’ny fitiavana maharitra sy tsy miovaova ilay boky. Toy izany ny fifankatiavan’i Kristy Jesosy sy ny ampakariny. (Ef 5:25-32) Mandrisika an’ireo anisan’ny ampakarin’i Kristy àry ilay boky mba tsy hivadika amin’ilay mpampakatra azy any an-danitra.—Ampit. 2Ko 11:2.
[Efajoro, pejy 1065]
HEVITRA MISONGADINA: TONONKIRAN’I SOLOMONA
Tsy nety lefy mihitsy ny fitiavan’ilay Solemita an’ilay mpiandry ondry, na dia niezaka ny hambabo ny fony aza i Solomona Mpanjaka
Nosoratan’i Solomona tamin’izy vao nanjaka kelikely
Tao amin’ny tobin’i Solomona ilay Solemita (1:1–3:5)
Manina an’ilay mpiandry ondry malalany izy, ka tiany hitondra azy lavitra ny tobin’ny mpanjaka izy io
Nohazavainy tamin’ireo vehivavy tao an-dapa fa nivalomainty izy satria main’ny hainandro rehefa niandry ny tanimboaloboky ny anadahiny
Nampanantena i Solomona fa hanome azy firavaka volamena sy volafotsy; izy kosa nanizingizina fa ilay malalany ihany no tiany
Tonga ilay mpiandry ondry ary nilaza fa tsara tarehy toy ny lisy eny amin’ny tsilo izy
Nilaza tamin’ny vehivavy tao an-dapa ilay Solemita fa toy ny hazo paoma ilay mpiandry ondry, ka tiany erỳ ny eo ambany alokalony; nampianiana azy ireo izy mba tsy hanery azy ho tia an’i Solomona; tsaroany fa nanasa azy hiaraka taminy ilay olon-tiany; nasain’ny anadahiny niaro ny tanimboaloboka tamin’ny amboadia kely anefa izy
Nanonofy nitady sy nahita an’ilay malalany izy rehefa alina
Fitsapana tao Jerosalema (3:6–8:4)
Niverina nody tany Jerosalema i Solomona sy ny mpanotrona azy
Tafaresaka tamin’ilay Solemita (efa misarona voaly) indray ilay mpiandry ondry, ary nilaza fa tsara tarehy toy ny zaridaina mifefy feno zavamaniry manitra izy
Nasain’ilay tovovavy niditra tao an-jaridainany izy ka hihinana ny voankazo tao
Notantarainy tamin’ny vehivavy tao an-dapa ny nofy ratsiny: Tao am-pandriana izy no tonga ilay malalany; lasa anefa izy io raha mbola tsy voavahany ny varavarana; nitady azy tao an-tanàna izy fa tsy nahita; nokapohin’ireo mpitily izy
Nanontany momba an’ilay malalany ny zanakavavin’i Jerosalema, ka nientanentana erỳ izy nidera azy
Nitory fitiavana tamin’ilay Solemita i Solomona, nilaza fa tsara tarehy noho ireo vadiny 60 sy vadikeliny 80 izy
Tsy nihontsina ilay Solemita, namaly fa nirahina ho eny an-tsaha izy no sendra tonga teny akaikin’ilay toby
Nandokadoka ny hatsaran-tarehiny i Solomona nefa tsy roboka ilay Solemita, nantitranteriny fa efa an’ilay malalany izy
Niverina nody ilay Solemita, tsy nivadika izy (8:5–14)
Nody ilay Solemita, nitehina tamin’ny malalany
Nanontany tena ireo anadahiny talohan’izay raha ho mafy orina toy ny manda izy, na ho mora vohaina toy ny varavarana ka idiran’ity olon-drehetra ity
Nolavin’ilay Solemita izay rehetra natolotr’i Solomona azy, ka hita fa ilay malalany irery no tiany; mahery toy ny fahafatesana ny fitiavany, ary toy ny lelafo avy amin’i Jah ny firedaredan’izy io