Tononkiran’i Solomona
1 Ny tononkira tsara indrindra* nataon’i Solomona:+
Sahala amin’ny menaka manitra araraka ny anaranao,+
Dia izany no itiavan’ny ankizivavy anao.
4 Ento* manaraka anao aho, dia andao isika hitsoaka,
Fa nentin’ny mpanjaka tao amin’ny efitranony anatiny aho!
Andao isika hiaraka hifalifaly sy hiravoravo.
Andao horesahintsika* ny fomba anehoanao fitiavana, fa tsara noho ny divay ireny.
Tsy mahagaga raha tian’ny ankizivavy ianao.
5 Mainty* aho nefa mahafatifaty, ry zanakavavin’i Jerosalema ô,
Hoatran’ny tranolain’i Kedara,+ hoatran’ny lamba nanaovana+ ny tranolain’i Solomona.
6 Aza jerijerena aho satria hoe mivalomainty,
Fa main’ny masoandro aho.
Tezitra tamiko ny zanakalahin’i Neny,
Ka nasainy niambina tanimboaloboka aho,
Nefa ny tanimboaloboko aza tsy mba nambenako.
7 Mba lazao ahy, ry ilay tena tiako,
Hoe aiza ny toerana iandrasanao ondry,+
Sy ny toerana ampatorinao ny andian’ondry, amin’ny mitataovovonana.
Fa maninona aho no handehandeha eny amin’ny andian’ondrin’ny namanao eny,
Hoatran’ny vehivavy manarona ny tarehiny amin’ny voaly?”*
8 “Raha tsy fantatrao, ry ilay tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy ô,
Dia mandehana manaraka ny dian’ondry,
Ka andraso eo akaikin’ny tranolain’ny mpiandry ondry ny zanak’osinao.”
9 “Mitovy amin’ny soavalivavy* mitarika ny kalesin’i Farao ianao, ry malalako.+
12 “Raha iny mbola mipetraka eo amin’ny latabany boribory iny ny mpanjaka,
13 Amiko ilay mamin’ny foko dia toy ny miora manitra eran’ny kitapo kely+
Eo anelanelan’ny nonoko mandritra ny alina.
15 “Tena tsara tarehy ianao, ry malalako.
Tena tsara tarehy ianao. Toy ny masom-boromailala ny masonao.”+
16 “Tena tsara tarehy ianao, ry ilay mamin’ny foko, sady mahafinaritra.+
Ravinkazo no fandrianantsika.