Genesisy
26 Ary nisy mosary tao amin’ilay tany, ankoatra an’ilay mosary voalohany tamin’ny andron’i Abrahama.+ Dia lasa nankany amin’i Abimeleka mpanjakan’ny Filistinina, tany Gerara, i Isaka. 2 Ary niseho taminy i Jehovah ka niteny hoe: “Aza midina any Ejipta, fa mipetraha any amin’izay tany hasehoko anao. 3 Ary aoka ianao hivahiny eto amin’ity tany ity,+ dia hanampy anao foana aho sady hitahy anao. Ianao sy ny taranakao mantsy no homeko an’ireo tany rehetra ireo.+ Dia hotanterahiko ilay fianianana nataoko tamin’i Abrahama rainao hoe:+ 4 ‘Hataoko lasa be dia be hoatran’ny kintana eny amin’ny lanitra ny taranakao,+ ary homeko ny taranakao ireo tany rehetra ireo.+ Dia hahazo fitahiana amin’ny alalan’ny taranakao ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany.’+ 5 Nihaino ny teniko mantsy i Abrahama ka nataony foana izay nampanaoviko azy, sady nankatò foana ny didiko sy ny fitsipiko ary ny lalàko izy.”+ 6 Dia mbola nipetraka tao Gerara i Isaka.+
7 Ary nanontany momba ny vadiny foana ireo lehilahy teo an-toerana, nefa hoy izy: “Anabaviko izy.”+ Fa natahotra izy hilaza hoe: “Vadiko izy”, satria nieritreritra izy hoe hovonoin’ireo lehilahy ireo noho ny amin’i Rebeka. Tsara tarehy mantsy i Rebeka.+ 8 Rehefa afaka elaela, dia nitazantazana teo am-baravarankely i Abimeleka mpanjakan’ny Filistinina, ka nahita an’i Isaka naneho fitiavana tamin’i* Rebeka vadiny.+ 9 Tonga dia niantso an’i Isaka i Abimeleka ka niteny hoe: “Hay vadinao izy! Koa naninona ianao no niteny hoe: ‘Anabaviko izy’?” Dia hoy i Isaka taminy: “Nilaza an’izany aho, sao hisy hamono noho izy.”+ 10 Hoy indray i Abimeleka: “Fa inona ity nataonao taminay?+ Raha sanatria nisy olona nanao firaisana tamin’ny vadinao mantsy, dia ho nanota izahay noho ianao!”+ 11 Dia namoaka didy ho an’ny olona rehetra i Abimeleka hoe: “Hovonoina ho faty izay mikasika an’io lehilahy io sy ny vadiny!”
12 Dia nanomboka namafy voa tao amin’izany tany izany i Isaka. Ary nahatratra avo 100 heny ny vokatra azony tamin’io taona io, satria notahin’i Jehovah izy.+ 13 Dia lasa nanan-karena i Isaka, ary nitombo be ny fananany, ka vao mainka lasa mpanankarena be izy. 14 Nahazo andian’ondry sy andian’omby ary mpanompo maro be izy,+ ka lasa nialona azy ny Filistinina.
15 Dia naka tany ny Filistinina ka nototofany ny lavadrano rehetra efa nolavahan’ny mpanompon’i Abrahama rain’i Isaka fony fahavelony.+ 16 Ary hoy i Abimeleka tamin’i Isaka: “Mialà eto aminay, fa lasa mahery lavitra noho izahay ianao.” 17 Niala tao àry i Isaka, dia nitoby teo amin’ny lohasahan’i* Gerara,+ ka nipetraka tao. 18 Dia nolavahan’i Isaka indray ireo lavadrano efa nolavahana tamin’ny andron’i Abrahama rainy, izay efa nototofan’ny Filistinina taorian’ny nahafatesan’i Abrahama.+ Efa nomen’ny rainy anarana avy izy ireny, dia izay ihany no niantsoany azy.+
19 Ary nahita lavadrano nisy rano madio tsara ny mpanompon’i Isaka, rehefa nandavaka teo amin’ilay lohasaha.* 20 Nifamaly tamin’ny mpiandry ondrin’i Isaka anefa ny mpiandry ondry tao Gerara, ka nilaza hoe: “Anay io rano io!” Dia nataon’i Isaka hoe Eseka* ny anaran’ilay lavadrano, satria nifamaly taminy izy ireo. 21 Nandavaka lavadrano hafa indray ny mpanompon’i Isaka, nefa nampifamaly azy ireo koa ilay izy. Dia nataon’i Isaka hoe Sitna* ny anaran’ilay izy. 22 Tatỳ aoriana, dia niala teo izy ka nandavaka lavadrano hafa indray. Tsy nampifamaly azy ireo intsony anefa ilay izy. Dia nataony hoe Rehobota* ny anaran’ilay izy, fa hoy izy: “Satria i Jehovah efa nanome antsika toerana malalaka, ka nataony lasa be dia be eto amin’ity tany ity isika.”+
23 Ary niala teo izy ka niakatra nankany Beri-sheba.+ 24 Niseho taminy i Jehovah tamin’iny alina iny, ka niteny hoe: “Izaho no Andriamanitr’i Abrahama rainao.+ Aza matahotra+ fa hanampy anao aho. Noho i Abrahama mpanompoko, dia hitahy anao aho ka hataoko lasa be dia be ny taranakao.”+ 25 Koa nanorina alitara teo i Isaka ka niantso ny anaran’i Jehovah,+ sady nanangana tranolay teo.+ Ary nandavaka lavadrano teo ny mpanompony.
26 Tatỳ aoriana, dia niainga avy any Gerara i Abimeleka, niaraka tamin’i Ahozata mpanolo-tsainy sy Pikola lehiben’ny tafiny,+ ka tonga teo amin’i Isaka. 27 Ary hoy i Isaka tamin’izy ireo: “Fa maninona ianareo no mankatỳ amiko, nefa ianareo aza efa nankahala ahy sady nandroaka ahy niala tany aminareo?” 28 Dia hoy ireo: “Satria tena hitanay fa manampy anao i Jehovah.+ Dia tapa-kevitra izahay fa hiteny aminao hoe: ‘Andao hanao fianianana isika, ary andao hanao fifanekena+ 29 hoe tsy hanisy ratsy anay ianao, satria izahay mbola tsy nanao ratsy taminao, fa navelanay handeha soa aman-tsara ianao. Ianao mantsy izao no tahin’i Jehovah.’” 30 Dia nanao fanasambe ho azy ireo i Isaka, ka nihinana sy nisotro izy ireo. 31 Ary nifoha maraina izy ireo ny ampitso, ka nianiana tamin’ny andaniny ny ankilany.+ Taorian’izay, dia navelan’i Isaka handeha izy ireo ka lasa soa aman-tsara.
32 Tamin’io andro io, dia tonga ny mpanompon’i Isaka ka nitantara taminy momba an’ilay lavadrano nolavahan’izy ireo.+ Hoy izy ireo: “Nahita rano izahay!” 33 Dia nataon’i Isaka hoe Shiba ny anaran’izy io. Izany no nahatonga ny anaran’ilay tanàna hoe Beri-sheba+ hatramin’izao.
34 Rehefa 40 taona i Esao, dia nalainy ho vady i Jodita zanakavavin’i Bery Hetita. Nalainy ho vady koa i Basemata zanakavavin’i Elona Hetita.+ 35 Nahatonga an’i Isaka sy Rebeka halahelo be* izy ireo.+