Genesisy
46 Dia nentin’i Israely ny ankohonany sy ny fananany rehetra* ka niainga izy. Ary nanao sorona ho an’ilay Andriamanitr’i Isaka+ rainy izy rehefa tonga tao Beri-sheba.+ 2 Dia niteny tamin’i Israely, tao amin’ny fahitana tamin’ny alina, Andriamanitra hoe: “Jakoba, Jakoba!” Dia hoy izy: “Intỳ aho, tompoko!” 3 Ary hoy Andriamanitra: “Izaho no tena Andriamanitra, ilay Andriamanitry ny rainao.+ Aza matahotra ny hidina any Ejipta, fa hataoko firenena lehibe ianao rehefa any.+ 4 Izaho mihitsy no hidina hiaraka aminao any Ejipta, ary izaho koa no hitondra anao hiverina avy any.+ Ny tanan’i Josefa no hanakimpy ny masonao rehefa maty ianao.”*+
5 Taorian’izay, dia niala tao Beri-sheba i Jakoba. Ary nentin’ny zanak’i Israely tamin’ny sarety nalefan’i Farao hitondrana azy i Jakoba rainy sy ny zanak’izy ireo ary ny vadin’izy ireo. 6 Nentin’izy ireo koa ny biby fiompiny sy ny fananana voangony tany Kanana. Dia tonga tany Ejipta i Jakoba sy ny fianakaviany rehetra niaraka taminy. 7 Ary nentiny niaraka taminy nankany Ejipta ny zanany lahy sy ny zanany vavy ary ny zafikeliny rehetra, izany hoe ny fianakaviany rehetra.
8 Ireto avy ny anaran’ny zanak’i Israely tonga tany Ejipta,+ dia ny anaran’ny zanak’i Jakoba: I Robena+ no lahimatoan’i Jakoba.
9 Ny zanakalahin’i Robena dia i Hanoka, Palo, Hezrona, ary Karmy.+
10 Ny zanakalahin’i Simeona+ dia i Jemoela, Jamina, Ohada, Jakina, Zohara, ary Saoly+ zanakalahin’ny vehivavy kananita.
11 Ny zanakalahin’i Levy+ dia i Gersona sy Kehata ary Merary.+
12 Ny zanakalahin’i Joda+ dia i Era, Onana, Sela,+ Pereza,+ ary Zera.+ Maty tany Kanana anefa i Era sy Onana.+
Ny zanakalahin’i Pereza dia i Hezrona sy Hamola.+
13 Ny zanakalahin’i Isakara dia i Tola, Pova, Joba, ary Simrona.+
14 Ny zanakalahin’i Zebolona+ dia i Sereda sy Elona ary Jahalela.+
15 Ireo no zanakalahin’i Lea naterany tamin’i Jakoba tany Padana-arama, ankoatra an’i Dina zanany vavy.+ Nisy 33 ny taranany rehetra avy amin’i Lea.*
16 Ny zanakalahin’i Gada+ dia i Zifiona, Hagy, Sony, Ezbona, Ery, Aroda, ary Arely.+
17 Ny zanakalahin’i Asera+ dia i Jimna, Jisva, Jisvy, ary Beria. I Sera no anabavin’izy ireo.
Ny zanakalahin’i Beria dia i Hebera sy Malkiela.+
18 Ireo no zanakalahin’i Zilpa,+ ilay mpanompovavy nomen’i Labana an’i Lea zanany vavy. Ireo no naterany tamin’i Jakoba. Nisy 16 izy rehetra.
19 Ny zanakalahin’i Rahely vadin’i Jakoba dia i Josefa+ sy Benjamina.+
20 Ny naterak’i Josefa tany Ejipta dia i Manase+ sy Efraima,+ izay naterak’i Asenata+ taminy. Zanakavavin’i Potifera mpisorona tao Ona* io Asenata io.
21 Ny zanakalahin’i Benjamina+ dia i Bela, Bekera, Asbela, Gera,+ Namàna, Ehy, Rosy, Mopima, Hopima,+ ary Arda.+
22 Ireo no zanakalahin’i Rahely naterany tamin’i Jakoba. Nisy 14 izy rehetra.
23 Ny* zanakalahin’i Dana+ dia i Hosima.+
24 Ny zanakalahin’i Naftaly+ dia i Jazila, Gony, Jezera, ary Silema.+
25 Ireo no zanakalahin’i Bilaha, ilay mpanompovavy nomen’i Labana an’i Rahely zanany vavy. Ireo no naterany tamin’i Jakoba. Fito izy rehetra.
26 Nisy 66 ny olona rehetra naterak’i Jakoba, izay niaraka taminy nankany Ejipta, ankoatra ny vadin’ireo zanany lahy.+ 27 Ary roa lahy ny zanak’i Josefa naterany tany Ejipta. Nisy 70 àry ny olona rehetra tao amin’ny ankohonan’i Jakoba tonga tany Ejipta.+
28 Ary nirahin’i Jakoba nandeha mialoha i Joda,+ dia nasainy nilaza tamin’i Josefa hoe efa eny an-dalana ho any Gosena izy. Tamin’izy ireo tonga tany Gosena àry,+ 29 dia efa nasain’i Josefa nomanina ny kalesiny, ka niakatra hitsena an’i Israely rainy tany Gosena izy. Rehefa nampahafantatra ny tenany i Josefa, dia tonga dia namihina* ny rainy izy, ka nitomany elaela* teo. 30 Dia hoy i Israely tamin’i Josefa: “Tsy maninona intsony na ho faty aza aho. Efa nahita anao mantsy aho, sady fantatro hoe mbola velona ihany ianao!”
31 Ary hoy i Josefa tamin’ny rahalahiny sy ny ankohonan-drainy: “Aleo aho hiakatra hilaza amin’i Farao+ hoe: ‘Efa tonga atỳ amiko ny rahalahiko sy ny ankohonan-draiko tany Kanana.+ 32 Mpiandry ondry+ ry zareo sady mpiompy.+ Ary nentiny atỳ ny ondriny sy ny ombiny ary ny fananany rehetra.’+ 33 Rehefa mampiantso anareo àry i Farao ka manontany hoe: ‘Inona no asanareo?’, 34 dia lazao hoe: ‘Efa mpiompy foana izahay mpanomponao hatramin’ny fahazazanay ka hatramin’izao, na izahay na ny razambenay.’+ Amin’izay ianareo ho afaka hipetraka eto Gosena,+ satria maharikoriko amin’ny Ejipsianina ny mpiandry ondry rehetra.”+