Tantara Voalohany
22 Dia hoy i Davida: “Eto no hasiana ny tranon’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, ary eto no hasiana alitara hanoloran’ny Israely fanatitra dorana.”+
2 Ary nasain’i Davida novorina ny vahiny+ tao amin’ny tanin’ny Israely ka notendreny ho mpipai-bato. Hikapa sy hanefy vato hanorenana ny tranon’ilay tena Andriamanitra izy ireo.+ 3 Nanomana vy be dia be i Davida mba hanaovana fantsika ho an’ny vavahady sy vy fametahan-javatra. Nanomana varahina be dia be efa tsy voalanja intsony koa izy,+ 4 ary hazo sedera+ tsy hita isa. Nitondra hazo sedera be dia be ho an’i Davida mantsy ny olona avy any Sidona+ sy Tyro.+ 5 Dia hoy i Davida: “Mbola kely sady tsy dia nahita fiainana*+ i Solomona zanako. Trano faran’izay kanto+ anefa no haorina ho an’i Jehovah, mba ho fantatry ny olona any amin’ny tany rehetra+ ny lazan’ilay trano sy ny hatsaran-tarehiny.+ Hanomana an’izay ilain’i Solomona àry aho.” Dia nanomana fitaovana be dia be i Davida talohan’ny nahafatesany.
6 Nampiantso an’i Solomona zanany koa izy, ka nilaza taminy mba hanorina trano ho an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely. 7 Dia hoy i Davida tamin’i Solomona zanany: “Mba nirin’ny foko ny hanorina trano ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamanitro.+ 8 Niteny tamiko anefa i Jehovah hoe: ‘Efa betsaka ny ra nalatsakao sy ny ady nataonao. Tsy hanorina trano ho an’ny anarako ianao,+ satria be loatra ny ra nalatsakao tamin’ny tany teo anatrehako. 9 Hiteraka lahikely ianao,+ ary hiadana* izy. Hovonjeko amin’ny fahavalo rehetra manodidina azy izy ka hataoko milamin-tsaina.+ Hantsoina hoe Solomona*+ mantsy izy, ary hataoko miadana sy milamina ny Israely amin’ny androny.+ 10 Izy ilay hanorina trano ho an’ny anarako.+ Ho zanako izy ary izaho ho rainy.+ Dia hataoko mafy orina mandrakizay ny seza fiandrianany sy ny fanjakany eo amin’ny Israely.’+
11 “Izao àry, anaka: Enga anie hanampy anao i Jehovah, dia hahomby ianao rehefa manorina ny tranon’i Jehovah Andriamanitrao, araka izay efa nolazainy momba anao.+ 12 Hanampy anao ho malina sy hahira-tsaina anie i Jehovah,+ rehefa omeny fahefana hitondra ny Israely ianao! Amin’izay ianao dia hanaraka ny lalàn’i Jehovah Andriamanitrao.+ 13 Dia hahomby ianao raha manaraka tsara ny fitsipika+ sy ny didim-pitsarana nasain’i Jehovah nampitain’i Mosesy tamin’ny Israely.+ Manàna herim-po ary mahereza! Aza matahotra na mihorohoro.+ 14 Tsy nitandro hasasarana aho nanomana volamena 100 000 talenta,* sy volafotsy 1 000 000 talenta, ary varahina sy vy+ be dia be izay tsy voalanja intsony ho an’ny tranon’i Jehovah. Efa nanomana hazo sy vato+ koa aho, nefa mbola mila ampianao ireo. 15 Efa manana mpiasa betsaka ianao, dia mpipai-bato, mpanao vato,+ mpandrafitra, ary mpiasa mahay isan-karazany.+ 16 Tsy voalanja intsony koa ny volamena, ny volafotsy, ny varahina, ary ny vy.+ Atombohy àry ny asa, ary hanampy anao anie i Jehovah!”+
17 Dia nasain’i Davida nanampy an’i Solomona zanany ny andriana rehetra teo amin’ny Israely, ka hoy izy: 18 “Angaha moa tsy ampian’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, sady efa nataony milamina tanteraka ny taninareo? Fa efa natolony teo am-pelatanako ny mponina teto amin’ity tany ity, ary resin’i Jehovah sy ny vahoakany ity tany ity. 19 Miezaha mafy àry hitady an’i Jehovah Andriamanitrareo amin’ny fonareo manontolo sy ny herinareo manontolo.+ Dia atombohy ny fanorenana ny toerana masin’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra.+ Amin’izay dia ho azo entina ao amin’ilay trano haorina ho an’ny anaran’i Jehovah+ ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah, sy ny fitaovana masin’ilay tena Andriamanitra.”+