Joba
32 Koa tsy niezaka namaly an’i Joba intsony izy telo lahy. Resy lahatra mantsy i Joba hoe manana ny marina izy.*+ 2 Tezitra be kosa i Eliho zanak’i Barakela Bozita,+ avy amin’ny fianakavian’i Rama. Tezitra mafy tamin’i Joba izy, satria niezaka nanaporofo i Joba hoe izy no marina fa tsy Andriamanitra.+ 3 Tezitra be tamin’ny naman’i Joba telo lahy koa izy, satria tsy nahita havaly izy ireo fa Andriamanitra indray no nolazainy hoe ratsy fanahy.+ 4 Niandry i Eliho vao namaly ny tenin’i Joba, satria izy ireo be taona kokoa noho izy.+ 5 Vao mainka sosotra be i Eliho rehefa hitany fa tsy nanan-kavaly intsony izy telo lahy. 6 Nanomboka niteny àry i Eliho zanak’i Barakela Bozita hoe:
Koa ho fanajana anareo, dia tsy niteny aho aloha+
Sady tsy sahy nilaza taminareo an’izay fantatro.
7 Nieritreritra aho hoe: ‘Aleo izay efa ela niainana* no hiteny,
Ary izay be taona no aoka hilaza fahendrena.’
8 Kanefa ny fanahin’Andriamanitra izay ao amin’ny olona,
Dia ny fofonain’ilay Mahery Indrindra, no manome azy fahiratan-tsaina.+
9 Tsy izay ela niainana ihany no manam-pahendrena,*
Ary tsy ny zokiolona ihany no mahalala an’izay tokony hatao.+
10 Koa izao no lazaiko: ‘Henoy aho,
Dia holazaiko aminareo koa izay fantatro.’
11 Niandry ny teninareo ho tapitra aho;
Nihaino anareo aho tamin’ianareo nandahatra ny hevitrareo,+
Sy nieritreritra an’izay holazainareo.+
12 Nihaino tsara anareo aho,
Kanefa tsy nisy taminareo nahavita nanaporofo hoe diso i Joba,*
Na nahatohitra ny heviny.
13 Koa aza miteny hoe: ‘Efa hitanay ny fahendrena;
Andriamanitra no manitsy azy fa tsy olona.’
14 Tsy izaho no nasiany tamin’ny teniny,
Koa tsy ny hevitrareo no hamaliako azy.
15 Ankona izy ireo ka tsy nanan-kavaly intsony;
Tsy nahita hotenenina intsony izy ireo.
16 Niandry aho, nefa tsy nanohy ny teniny izy ireo;
Nijoro teo fotsiny izy ireo, fa tsy namaly intsony.
17 Hamaly koa àry aho;
Holazaiko koa izay fantatro,
18 Fa manan-javatra be dia be holazaina aho.
Manery ahy ny fanahin’Andriamanitra ato anatiko.
19 Toy ny divay mandroadroatra tsy misy lalan-kivoahana ny ato anatiko,
20 Koa aleo aho hiteny mba ho maivamaivana!
Hosokafako ny vavako ka hamaly aho.