Valisoan’i Joba — Loharanom-panantenana
“Jehovah nitahy ny niafaran’i Joba mihoatra noho ny voalohany”. — JOBA 42:12.
1. Inona no ataon’i Jehovah amin’ny vahoakany na dia rehefa misy fisedrana mampahalemy azy ireo mafy aza?
“MPAMALY soa izay mazoto mitady Azy” i Jehovah. (Hebreo 11:6). Manosika ny vahoakany be fandavan-tena mba hanao fanambarana amin-kerim-po koa izy, na dia misy aza fisedrana mampahalemy azy ireo toy ny olona maty. (Joba 26:5; Apokalypsy 11:3, 7, 11). Hita fa marina izany tamin’ny ohatr’i Joba izay nijaly. Na dia noharatsin’ireo mpampionona sandoka telo lahy aza izy, dia tsy nangina noho ny tahotra olona. Nanao fanambarana feno fahasahiana kosa izy.
2. Na dia nizaka fanenjehana sy zava-tsarotra aza ny Vavolombelon’i Jehovah, dia ahoana no nahatafavoaka azy tamin’ny fisedrana azy?
2 Vavolombelon’i Jehovah maro amin’izao andro izao no nizaka fanenjehana sy zava-tsarotra lehibe aoka izany ka saiky maty mihitsy. (2 Korintiana 11:23). Sahala amin’i Joba anefa, dia naneho fitiavana an’Andriamanitra izy ireo ary nanao ny fahamarinana. (Ezekiela 14:14, 20). Tafavoaka tamin’ireo fisedrana azy koa izy ireo, tapa-kevitra ny hampifaly an’i Jehovah sy nahazo tanjaka mba hanao fanambarana feno fahasahiana sy fanantenana marina.
Nanao fanambarana feno fahasahiana i Joba
3. Karazana fanambarana inona no nataon’i Joba tao amin’ny lahateniny farany?
3 Tao amin’ny lahateniny farany i Joba dia nanao fanambarana mbola lehibe kokoa noho ilay nataony teo aloha aza. Nampangina tanteraka ireo mpampionona azy sandoka izy. Hoy izy tamim-panesoana nanindrona: “Endrey! nanohana ny tsy manan-kery hianao”! (Joba 26:2). Nankalaza an’i Jehovah izay manan-kery hampihantona ny bolan-tanintsika amin’ny tsy misy eo amin’ny habakabaka sy hampihantona ny rahona vesaran-drano eo ambonin’ny tany, i Joba. (Joba 26:7-9). Kanefa dia nilaza i Joba fa ‘vao sisintsisin’ny alehan’i Jehovah’ ihany izany zava-mahagaga izany. — Joba 26:14.
4. Inona no nolazain’i Joba mahakasika ny tsy fivadihana, ary nahoana izy no afaka niteny toy izany?
4 Nahazo antoka ny amin’ny tsy fananany tsiny i Joba ka nanambara hoe: “Mandra-pialan’ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho.” (Joba 27:5). Mifanohitra amin’ireo fiampangana lainga natao taminy, dia tsy nanao na inona na inona mendrika izay nanjo azy izy. Fantatr’i Joba fa tsy mandre ny vavaka ataon’ny mpivadi-pinoana i Jehovah fa hamaly soa kosa ny mpihazona tsy fivadihana. Izany dia mety hampahatsiaro antsika tsara fa tsy ho ela ny fisafotofotoana tampoka ao Haramagedona dia hanaisotra ny ratsy fanahy amin’ny toeram-pahefany ary tsy ho afa-mandositra ny tanan’Andriamanitra tsy hiantra, izy ireo. Mandra-pahatongan’izany dia handeha amin’ny tsy fivadihany ny vahoakan’i Jehovah. — Joba 27:11-23.
5. Ahoana no namaritan’i Joba ny tena fahendrena?
5 Alao sary an-tsaina ireo telo lahy nahira-tsaina teo amin’ny raharaha ara-nofo ireo, nihaino rehefa nasehon’i Joba fa ny olona dia nampiasa ny fahaizany mba hahitana volamena sy volafotsy ary zava-tsoa hafa tao anaty tany sy tao anaty ranomasina. “Fa ny fahazoana fahendrena”, hoy izy, “dia mihoatra noho ny voahangy.” (Joba 28:18). Tsy afaka nividy ny tena fahendrena ireo mpampionona sandoka an’i Joba. Ny loharanon’izany dia ilay Mpamorona ny rivotra sy ny orana sy ny tselatra ary ny varatra. Marina tokoa fa “ny fahatahorana [feno fanajana] ny Tompo no fahendrena, ary ny fialana amin’ny ratsy no fahalalana”. — Joba 28:28.
6. Nahoana i Joba no niresaka ny amin’ny fiainany teo aloha?
6 Na dia teo aza ireo fijaliany, dia tsy nitsahatra nanompo an’i Jehovah i Joba. Tsy niala tamin’ny Avo Indrindra io lehilahy tsy nivadika io fa nanembona mafy kosa ny “fisakaizan’Andriamanitra” nananany taloha. (Joba 29:4). Tsy nandoka tena akory i Joba rehefa namerina nitantara ny fomba ‘namonjeny ny ory sy ny nitafiany fahamarinana ary ny naha-tena ray azy ho an’ny malahelo’. (Joba 29:12-16). Nilaza kosa ireo zava-nisy teo amin’ny fiainany tamin’ny naha-mpanompo nahatokin’i Jehovah azy izy. Nampitombo tsikelikely tantaram-piainana tsara dia tsara toy izany ve ianao? Mazava ho azy fa nahariharin’i Joba koa ny naha-lainga ireo fiampangana nataon’ireo mpisoloky mpihatsaravelatsihy telo lahy.
7. Karazana olona nanao ahoana moa i Joba taloha?
7 I Joba dia nihomehezan’ireo lehilahy tanora kokoa, ‘zanak’ireo izay nolaviny tsy ho isan’ny amboa niandry ny ondriny akory aza’. Natao toy ny zava-betaveta sy nororana izy. Na dia efa ory mafy aza i Joba, dia tsy nanehoana fiheverana. (Joba 30:1, 10, 30). Noho izy be fandavan-tena tanteraka ho an’i Jehovah anefa, dia nanana feon’ny fieritreretana nadio i Joba ka afaka niteny hoe: “Enga anie ka holanjain’Andriamanitra eo amin’ny mizanan’ny fahamarinana aho! Dia ho fantany ny tsi-fananako tsiny”. (Joba 31:6). Tsy mpaka vadin’olona na mpanao teti-dratsy akory i Joba, ary tsy mba tsy nanampy ireo sahirana izy. Na dia nanankarena aza izy, dia tsy nitoky mihitsy tamin’ireo harena ara-nofo. Ambonin’izany dia tsy niditra tamin’ny fanompoan-tsampy i Joba, tamin’ny fivavahana manokana tamin-javatra tsy manana aina toy ny volana. (Joba 31:26-28). Noho izy nitoky tamin’Andriamanitra, dia namela ohatra tsara dia tsara tamin’ny naha-mpihazona tsy fivadihana izy. Na dia teo aza ny fijaliany rehetra sy ny fisian’ireo mpampionona sandoka, dia niaro tena tamim-pahakingana i Joba ary nanao fanambarana tsara dia tsara. Rehefa nifarana ny teniny dia nitodika tany amin’Andriamanitra ho Mpitsara sy Mpamaly soa azy izy. — Joba 31:35-40.
Niteny i Eliho
8. Iza moa i Eliho, ary ahoana no nampisehoany fanajana sy herim-po?
8 Tsy lavitra teo ilay zatovolahy natao hoe Eliho, taranak’i Boza zanakalahin’i Nahora, ka araka izany dia havan-davitr’i Abrahama sakaizan’i Jehovah. (Isaia 41:8). Nampiseho fanajana an’ireo zokiolona i Eliho tamin’ny fihainoana ny andaniny avy tao amin’ilay ady hevitra. Niteny tamin-kerim-po anefa izy rehefa diso izy ireo. Nirehitra, ohatra, ny fahatezerany fony i Joba “nanao ny tenany ho marina noho Andriamanitra”. Niantefa indrindra tamin’ireo mpampionona sandoka ny fahaviniran’i Eliho. Toa nanandratra an’Andriamanitra ny filazan’izy ireo, kanefa raha ny marina dia nanome tsiny azy tamin’ny fiandaniana tamin’i Satana tao amin’ilay ady hevitra. “Feno teny” sy natosiky ny fanahy masina i Eliho ka dia vavolombelon’i Jehovah tsy nizaha tavan’olona. — Joba 32:2, 18, 21.
9. Ahoana no nilazan’i Eliho tsy nivantana famerenana ho amin’ny laoniny indray ho an’i Joba?
9 Nanjary niahy bebe kokoa ny amin’ny fanamarinana ny tenany manokana noho ny an’Andriamanitra, i Joba. Raha ny marina, dia niady tamin’Andriamanitra izy. Raha nanakaiky anefa ny fahafatesan’i Joba, dia nisy filazana famerenana ho amin’ny laoniny indray. Amin’ny fomba ahoana? Voatosika hilaza i Eliho fa namindra fo tamin’i Joba i Jehovah, tamin’ilay hafatra hoe: “Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra Aho, dia ho tsara noho ny an’ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin’ny andro nahatanorany izy”. — Joba 33:24, 25.
10. Hatraiza no tsy maintsy hizahan-toetra an’i Joba, kanefa afaka mahazo antoka ny amin’inona isika noho ny 1 Korintiana 10:13?
10 Nanitsy an’i Joba i Eliho noho ny nilazan’io fa tsy nisy tombony ny fahitana fahafinaretana tamin’Andriamanitra, tamin’ny fitanana ny tsy fivadihana. Hoy i Eliho: “Lavitra an’Andriamanitra ny hanao ratsy! Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka! Fa ny nataon’ny olona ihany no ampanodiaviny azy”. Nanao zavatra tsy tamim-piheverana i Joba tamin’ny fanantitranterana ny fahamarinan’ny tenany manokana, kanefa nanao izany izy, tamin’ny tsy fananana fahalalana ampy sy fahatakarana hevi-dalina ampy. Nanampy teny toy izao i Eliho: “Enga anie ka hizahan-toetra [hatramin’ny fetra farany, NW ] Joba noho ny famaliana ataony araka ny fanaon’ny ratsy fanahy”. (Joba 34:10, 11, 35, 36). Mitovy amin’izany koa fa, tsy afaka ny ho voaporofo amin’ny fomba feno ny finoantsika sy ny tsy fivadihantsika, raha tsy ‘zahan-toetra hatramin’ny fetra farany’ isika amin’ny fomba sasany. Na dia izany aza, dia tsy hamela antsika halaim-panahy mihoatra noho izay zakantsika ny Raintsika be fitiavana any an-danitra. — 1 Korintiana 10:13.
11. Inona no tokony hotadidintsika rehefa zahan-toetra mafy isika?
11 Raha teo am-panohizana ny teniny i Eliho, dia nasehony indray fa nanantitrantitra be loatra ny amin’ny fahamarinan’ny tenany manokana i Joba. Tokony hafantoka amin’ilay Mpanao antsika ny saina. (Joba 35:2, 6, 10). “Tsy mitsimbina ny ain’ny ratsy fanahy Izy [Andriamanitra], fa manome rariny ho an’ny ory”, hoy i Eliho. (Joba 36:6). Tsy misy afaka manadina an’Andriamanitra ny amin’ny lalany ka hilaza fa tsy marina izy. Lehibe izy ka tsy takatry ny saintsika, ary tsy hita isa ny taonany. (Joba 36:22-26). Rehefa zahan-toetra mafy isika, dia aoka isika hitadidy fa marina ilay Andriamanitsika mandrakizay, ary hamaly soa antsika izy noho ny asa ataontsika amim-pahatokiana izay mitondra fiderana azy.
12. Milaza inona mahakasika ny fanatanterahan’Andriamanitra ny didim-pitsarany amin’ny ratsy fanahy ireo teny famaranana nataon’i Eliho?
12 Raha mbola niresaka i Eliho, dia nisy tafio-drivotra niforona. Arakaraka ny nanatonany, dia nanomboka niemponempona sy nitepotepo ny fon’i Eliho. Niresaka ny amin’ireo asa lehibe nataon’i Jehovah izy ka niteny hoe: “Mihainoa izany, ry Joba; mijanòna, ka mba diniho ny fahagagana ataon’Andriamanitra.” Sahala amin’i Joba dia mila mandinika ireo asa mahagaga nataon’Andriamanitra sy ny fahamendrehany mahatahotra isika. “Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika”, hoy i Eliho. “Lehibe amin’ny hery [Izy ary ny rariny, NW ] mbamin’ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba [hataony tsinontsinona, NW ]. Koa izany no atahoran’ny olona Azy”. (Joba 37:1, 14, 23, 24). Ireo teny famaranana nataon’i Eliho dia mampahatsiaro antsika fa rehefa hanatanteraka tsy ho ela ny didim-pitsarany amin’ny ratsy fanahy Andriamanitra, dia tsy hanao tsinontsinona ny rariny sy ny fahamarinana izy, ary hitsimbina ireo izay matahotra azy, dia ireo mpivavaka aminy feno fanajana. Tombontsoa toy inona moa ny ho eo anivon’ny mpihazona tsy fivadihana toy izany, dia olona izay manaiky an’i Jehovah ho Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao! Miareta toy ny nataon’i Joba, ary aza mamela mihitsy ny Devoly hampiala anao amin’ny toeranao misy fitahiana eo anivon’ireo vahoaka sambatra ireo.
Namaly an’i Joba i Jehovah
13, 14. a) Mahakasika inona no nanombohan’i Jehovah nanontany an’i Joba? b) Hevi-dehibe inona avy no azo ianarana avy amin’ireo fanontaniana hafa nataon’Andriamanitra tamin’i Joba?
13 Tsy maintsy ho nitolagaga toy inona moa i Joba rehefa niresaka taminy avy tao anatin’ny tafio-drivotra i Jehovah! Asan’Andriamanitra io tafio-drivotra io, fa tsy sahala amin’ilay rivotra be izay nampiasain’i Satana mba handrodanana ilay trano ka namono ny zanak’i Joba. Tsy nahateny i Joba raha nanontany azy Andriamanitra nanao hoe: “Taiza ary hianao, fony Aho nanorina ny tany? (...) Iza no nametraka ny vato fehizorony, raha niara-nihira ny kintan’ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra?” (Joba 38:4, 6, 7). I Jehovah dia nandroso fanontaniana nisesy tamin’i Joba momba ny ranomasina, ny rahona fitafiany, ny maraina, ny vavahadin’ny fahafatesana, ny fahazavana sy ny haizina, ary ireo kintana. Tsy afaka niteny na inona na inona i Joba rehefa nanontaniana hoe: “Fantatrao va ny lalàn’ny lanitra?” — Joba 38:33.
14 Nisy fanontaniana hafa nilaza fa talohan’ny namoronana ny olona sy nanomezana azy fanapahana teo amin’ny hazandrano sy ny vorona sy ny biby ary ireo zavatra mandady na mikisaka, dia nanome azy ireny izay nilainy Andriamanitra, tsy nisy fanampiana na torohevitra avy amin’olombelona. Ireo fanontaniana fanampiny nataon’i Jehovah dia nanonona zavaboary toy ny ombimanga sy ny ostritsa ary ny soavaly. Nanontaniana toy izao i Joba: “Noho ny didinao va no iakaran’ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy?” (Joba 39:27). Mazava ho azy fa tsia! Alao sary an-tsaina ny fihetsik’i Joba rehefa nanontany azy toy izao Andriamanitra: “Hiady amin’ny Tsitoha va io mpanadidy Azy io?” Tsy mahagaga raha niteny toy izao i Joba: “Indro, tsinontsinona, aho ka inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao.” (Joba 40:2, 4). Koa satria marina foana ny an’i Jehovah, dia tokony “hitampim-bava” isika raha sanatria alaim-panahy hitaraina ny aminy. Ireo fanontaniana nataon’Andriamanitra dia nanandratra koa ny fahamboniany sy ny fahamendrehany ary ny tanjany araka ny miseho eo amin’ny famoronana.
Behemota sy Leviatana
15. Heverina ho biby inona moa ny Behemota mazàna, ary inona avy no toetra mampiavaka azy?
15 Nanaraka izany, i Jehovah dia nanonona ny Behemota, izay mazàna heverina ho ny lalomena na hipopotamosy. (Joba 40:15-24, fanamarihana ambany pejy). Miavaka noho izy makadiribe sy ny havesarany be ary ny hodiny maozatra, io biby mivelona amin’ny zavamaniry io, ary “mihinana ahitra”. Ny iavian’ny heriny sy ny tanjany dia eo amin’ny valahany sy ny hozatra amin’ny kibony. Ireo taolan-dranjony dia mafy toy ny “fantsom-barahina”. Tsy taitra amin’ny rano mivatravatra izy fa milomano mora foana manohitra ny riaka.
16. a) Mifanentana tsara amin’ny zavaboary inona ilay filazalazana ny amin’ny Leviatana, ary inona avy ireo zava-misy sasany momba azy io? b) Ny herin’ny Behemota sy ny Leviatana dia mety hanipy hevitra inona momba ny fanatanterahana ireo fanendrena eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah?
16 Nanontany an’i Joba toy izao koa Andriamanitra: “Mahasarika ny [Leviatana] amin’ny farango va hianao, na mahafatotra ny lelany amin’ny mahazaka?” Ilay filazalazana ny amin’ny Leviatana dia mifanentana tsara amin’ny mamba. (Joba 40:25–41:26, fanamarihana ambany pejy). Tsy hanao fanekem-pihavanana na amin’iza na iza izy io, ary tsy misy olona hendry ho sahisahy aoka izany ka hanaitra io biby mandady io. Tsy mampandositra azy ireo zana-tsipìka, ary “ihomehezany ny fanetsehana ny lefona”. Ny Leviatana iray tezitra mafy dia mampandevy ny lalina toy ny vilany misy menaka manitra mangotraka. Nanampy mba hampanetry tena an’i Joba ny naha-nahery lavitra ny Behemota sy ny Leviatana noho ny tenany. Isika koa dia tsy maintsy manaiky amim-panetren-tena fa tsy mahery ny tenantsika. Mila fahendrena sy hery avy amin’Andriamanitra isika mba hialana amin’ireo vangin’i Satana, ilay Menarana, sy mba hanatanterahana ireo fanendrena antsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. — Filipiana 4:13; Apokalypsy 12:9.
17. a) Tamin’ny ahoana i Joba no ‘nahita an’Andriamanitra’? b) Inona no voaporofo tamin’ireo fanontaniana izay tsy hain’i Joba novaliana, ary ahoana no ahafahan’izany manampy antsika?
17 Nanetry tena tanteraka i Joba ka nanaiky ny naha-diso ny fomba fijeriny ary niaiky fa niteny tsy tamim-pahalalana izy. Kanefa dia nilaza ny finoany izy fa “hahita an’Andriamanitra”. (Joba 19:25-27). Ahoana no mety hitrangan’izany, satria tsy misy olona afaka mahita an’i Jehovah ka ho velona ihany? (Eksodosy 33:20). Raha ny tena izy, dia nahita ny fampisehoana ny herin’Andriamanitra i Joba, nandre ny tenin’Andriamanitra, ary nanana ny mason’ny fahatakarany hevi-javatra nisokatra mba hahita ny fahamarinana mikasika an’i Jehovah. Noho izany, i Joba dia ‘niaiky sy nibebaka teo amin’ny vovoka sy ny lavenona’. (Joba 42:1-6). Ireo fanontaniana maro izay tsy hainy novaliana dia nanaporofo ny fahambonian’Andriamanitra tanteraka ary naneho ny fahakelezan’ny olona, na dia ny olona be fandavan-tena ho an’i Jehovah toa an’i Joba aza. Izany dia manampy antsika hahita fa ireo tombontsoantsika dia tsy tokony hoheverina ho lehibe kokoa noho ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah sy ny fanamarinana ny fiandrianany. (Matio 6:9, 10). Ny fiahiantsika voalohany dia tokony ho ny fitanana ny tsy fivadihana amin’i Jehovah sy ny fanomezam-boninahitra ny anarany.
18. Nila nanao inona ireo mpampionona sandoka an’i Joba?
18 Ahoana kosa ny amin’ireo mpampionona sandoka nihevi-tena ho marina? Azon’i Jehovah natao ara-drariny ny namono an’i Elifaza sy i Bildada ary i Zofara ho faty noho ny tsy nilazan’izy ireo ny fahamarinana momba azy, toy ny nataon’i Joba. “Makà vantotr’ombilahy fito sy ondrilahy fito ho anareo, ary mankanesa ao amin’i Joba mpanompoko”, hoy Andriamanitra, “ka manatera fanatitra dorana ho anareo; ary Joba mpanompoko no hifona ho anareo”. Voatery nanetry tena izy telo lahy mba hanarahana izany. Tokony hivavaka ho azy ireo i Joba izay nihazona tsy fivadihana, ary dia hitan’i Jehovah fa azo nekena ny vavaka nataony. (Joba 42:7-9). Fa ahoana ny amin’ny vadin’i Joba izay nampirisika azy mafy mba hanozona an’Andriamanitra ka ho faty? Miharihary fa nihavana taminy indray izy io noho ny famindram-pon’Andriamanitra.
Manome antsika fanantenana ireo valisoa nampanantenaina
19. Nifandray tamin’i Joba, ahoana no nanehoan’i Jehovah ny fahamboniany raha noharina tamin’ny Devoly?
19 Raha vao nitsahatra tsy nanahy ny amin’ny fijaliany i Joba ka velombelona indray teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, dia nanova ny toe-javatra nisy azy i Jehovah. Rehefa avy nivavaka ho azy telo lahy i Joba dia ‘nampody ny fiadanany’ Andriamanitra, ary nanome azy “indroa toraka izay nananany fahiny”. Naneho ny fahamboniany raha noharina tamin’ny Devoly i Jehovah tamin’ny fampijanonana ny famelezan’i Satana tamin’ny aretina sy tamin’ny fanasitranana an’i Joba tamin’ny fomba nahagaga. Nanosika ireo andiana demonia koa Andriamanitra ary nitana azy ireo tamin’ny fanisiana indray fefy nanodidina an’i Joba, dia ny fitobian’ireo anjeliny. — Joba 42:10; Salamo 34:7.
20. Tamin’ny fomba ahoana avy no namalian’i Jehovah soa an’i Joba sy nitahiany azy?
20 Ireo rahalahin’i Joba sy anabaviny ary olom-pantany fahiny dia tsy nitsahatra tonga niara-nihinana taminy sy nitsapa alahelo azy ary nampionona azy tamin’ilay loza navelan’i Jehovah hihatra taminy. Ny tsirairay tamin’izy ireo dia samy nanome an’i Joba vola sy kavim-bolamena. Nitahy ny niafaran’i Joba mihoatra noho ny voalohany i Jehovah, ka nanjary nanana ondry aman-osy 14 000 sy rameva 6 000 sy omby 2 000 ary borikivavy 1 000, izy. Nanjary nanan-janakalahy fito sy zanakavavy telo koa i Joba, dia nitovy isa tamin’ilay nananany teo aloha. Ireo zanany vavy — i Jemima sy i Kezia ary i Kerena-hapoka — no vehivavy tsara tarehy indrindra tao amin’ilay tany, ary nanome azy ireo lova niaraka tamin’ireo anadahiny i Joba. (Joba 42:11-15). Ambonin’izany, dia niaina 140 taona fanampiny i Joba, ary nahita taranaka efatra nifandimby avy tamin’ny taranany. Mamarana ny teniny toy izao ilay fitantarana: “Dia maty Joba, rehefa tratrantitra ka ela niainana.” (Joba 42:16, 17). Asa mahagaga nataon’i Jehovah Andriamanitra ny fanalavana ny fiainany.
21. Amin’ny ahoana ilay fitantarana ao amin’ny Soratra Masina momba an’i Joba no manampy antsika, ary tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika?
21 Ilay fitantarana ao amin’ny Soratra Masina momba an’i Joba dia mahatonga antsika hahafantatra bebe kokoa ireo fomba fiasan’i Satana sady manampy antsika hahita ny fomba ifandraisan’ny fiandrianana eo amin’izao rehetra izao sy ny tsy fivadihan’ny olombelona. Sahala amin’i Joba, dia tsy maintsy hozahan-toetra izay rehetra tia an’Andriamanitra. Afaka miaritra toy ny nataon’i Joba anefa isika. Tafavoaka tamin’ireo fisedrana azy tamim-pinoana sy tamim-panantenana izy, ary maro ny valisoany. Amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah antsika amin’izao andro izao, dia manana tena finoana sy tena fanantenana isika. Ary fanantenana lehibe toy inona moa no napetrak’ilay Mpamaly soa Lehibe eo anoloantsika! Ny fitadidiana ao an-tsaina ilay valisoa ho any an-danitra dia hanampy ireo voahosotra hanompo an’Andriamanitra amin’ny tsy fivadihana mandritra ny andro sisa hiainany eto an-tany. Olona maro manana fanantenana ny ho eto an-tany, no tsy ho faty mihitsy, fa ireo izay maty kosa dia hovalian-tsoa amin’ny fananganana amin’ny maty ao amin’ny Paradisa eto an-tany miaraka amin’ny tenan’i Joba mihitsy. Amin’ny fananana fanantenana marina toy izany ao am-po sy ao an-tsaina, dia aoka izay rehetra tia an’Andriamanitra hanaporofo fa mpandainga i Satana, amin’ny fiandaniana mafy amin’i Jehovah amin’ny maha-mpihazona tsy fivadihana, sy amin’ny maha-mpanohana tsy mihozongozona ny fiandrianany eo amin’izao rehetra izao.
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona avy ireo hevi-dehibe sasany nataon’i Joba tao amin’ny valin-teny farany nomeny an’ireo mpampionona azy sandoka?
◻ Tamin’ny ahoana i Eliho no hita fa vavolombelon’i Jehovah tsy nizaha tavan’olona?
◻ Inona avy no fanontaniana sasany nataon’Andriamanitra tamin’i Joba, ary inona no vokatr’izy ireny?
◻ Ahoana no nandraisanao soa tamin’ilay fitantarana ao amin’ny Soratra Masina momba an’i Joba?
[Sary, pejy 18]
Nanampy mba hampanetry tena an’i Joba ireo filazan’i Jehovah momba ny Behemota sy ny Leviatana