Fitomaniana
5 Jehovah ô, tsarovy izay nanjo anay.
Jereo dia diniho ny fahafaham-baraka mahazo anay.+
2 Nomena ho an’ny vahiny ny lovanay, ary ho an’ny olona avy amin’ny firenen-kafa ny tranonay.+
3 Lasa kamboty ray izahay, ary toy ny mpitondratena ny reninay.+
4 Anay ny rano nefa tsy maintsy mandoa vola izahay vao afaka misotro,+ ary anay ny kitay nefa mividy izahay vao mahazo.
6 Manolotra ny tananay amin’i Ejipta+ sy Asyria+ izahay mba hahazoana sakafo ampy ho anay.
7 Efa tsy eo intsony ny razambenay izay nanota, nefa izahay no tsy maintsy mizaka ny fahadisoany.
8 Mpanompo izao no mifehy anay, ary tsy mba misy misintona anay eny an-tanan’izy ireo.
9 Manao vivery ny ainay izahay vao mahazo sakafo,+ noho ny olona mitana sabatra any an-tany efitra.
10 Lasa mahamay be toy ny lafaoro ny hoditray, satria mijaly izahay noho ny hanoanana.+
11 Natao afa-baraka* ny vehivavy manambady tao Ziona, sy ny virjiny tany amin’ireo tanànan’i Joda.+
12 Nahantona tamin’ny tanany ilany ny andriana,+ ary tsy nohajaina ny anti-panahy.+
13 Mibata vato fikosoham-bary ny tovolahy, ary tafintohina ireo ankizilahy milanja kitay mavesatra be.
14 Tsy eo am-bavahadin’ny tanàna intsony ny anti-panahy,+ ary tsy mitendry zavamaneno intsony ny tovolahy.+
15 Tsy falifaly intsony ny fonay, ary tsy mandihy intsony izahay fa misaona.+
16 Nianjera ny satroboninahitra teny an-dohanay. Idiran-doza izahay satria nanota!
17 Marary ny fonay+ noho izany,
Ary mihamanjavozavo ny masonay+ noho izany zavatra izany,
18 Satria lasa aolo ny Tendrombohitr’i Ziona,+ ka ny amboadia izao no mirenireny eny.
19 Ianao kosa Jehovah ô, mipetraka mandrakizay eo amin’ny seza fiandriananao,
Izay haharitra hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.+
20 Nahoana ianao no manadino anay mandrakizay, ka mahafoy anay ela be?+
21 Ampodio ho aminao izahay, Jehovah ô, dia hiverina aminao avy hatrany.+
Ataovy hoatran’ny taloha indray ny andronay.+
22 Nolavinao tanteraka anefa izahay.
Mbola tezitra be aminay foana ianao.+