Fitomaniana
א [Alefa]
4 Indrisy! Lasa vasoka ilay volamena namirapiratra, dia ilay volamena tena tsara.+
Miparitadritaka eny an-joron-dalana* rehetra+ eny ny vato masina.+
ב [Beta]
2 Sarobidy toy ny volamena voadio ny zanakalahin’i Ziona izay tena tiana taloha,
Nefa indrisy fa heverina ho toy ny siny tany,
Asa tanan’ny mpanefy tanimanga!
ג [Gimela]
3 Na ny alikadia aza manome nono hampinonoana ny zanany,
Fa ny zanakavavin’ny fireneko kosa lasa masiaka be,+ hoatran’ny aotirisy any an-tany efitra.+
ד [Daleta]
4 Main’ny hetaheta ny zaza minono ka miraikitra amin’ny lanilaniny ny lelany.
Mangataka sakafo ny ankizy,+ nefa tsy misy manome.+
ה [He]
5 Mitsirara eny an-dalana ireo zatra nihinana sakafo matsiro satria maty noana.+
Nihosina teny amin’ny lavenona misavovona ireo nanao akanjo mena midorehitra hatramin’ny mbola kely.+
ו [Vao]
6 Ny sazin’ny* zanakavavin’ny fireneko dia lehibe noho ny sazin’i Sodoma vokatry ny fahotany,+
Dia i Sodoma izay noravana tao anatin’ny indray mipy maso, ary tsy mba nisy tanana namonjy.+
ז [Zaina]
7 Nadio noho ny lanezy ny Naziritan’i+ Ziona, sady fotsy noho ny ronono.
Mena noho ny haran-dranomasina* izy ireo, ary toy ny safira nokosehina hangirana.
ח [Heta]
Nikainkona sy niraikitra tamin’ny taolany ny hodiny,+ ary lasa maina toy ny kitay.
ט [Teta]
9 Tsara kokoa ny nanjo an’ireo matin’ny sabatra noho ny nanjo an’ireo matin’ny mosary,+
Izay nihareraka, ka toy ny hoe voatrobaka satria tsy ampy ny sakafo teny an-tsaha.
י [Yôda]
10 Ny tanan’ny vehivavy be fangoraham-po no nahandro ny zanany naterany.+
Lasa nataony sakafo* izy ireny nandritra ny fotoana naha voa mafy ny zanakavavin’ny fireneko.+
כ [Kafa]
Ary mandrehitra afo ao Ziona izy handevonana ny fototra iorenany.+
ל [Lameda]
12 Tsy nino ny mpanjakan’ny tany sy ny mponina rehetra amin’ny tany
Hoe hiditra eo amin’ireo vavahadin’i Jerosalema+ ny mpanohitra sy ny fahavalo.
מ [Mema]
13 Nitranga izany noho ny fahotan’ny mpaminaniny sy ny fahadisoan’ny mpisorony,+
Izay nandatsaka ny ran’ireo olo-marina teo anivony.+
נ [Nona]
14 Niraparapa toy ny jamba+ teny an-dalana izy ireo.
Mihosin-dra+ izy ireo,
Ka tsy misy afaka mikasika ny akanjony.
ס [Sameka]
15 Misy miantsoantso azy ireo hoe: “’Ndeha mandeha any! Maloto! ’Ndeha mandeha any! ’Ndeha mandeha any! Aza mikasika anay!”
Fa lasa tsy nanan-kialofana izy ireo ka nirenireny.
Hoy ny olona tany amin’ireo firenena: “Tsy afaka miara-mipetraka amintsika* eto ireny.+
פ [Pe]
Tsy hanaja an’ireo mpisorona+ ny olona, sady tsy hiraharaha an’ireo anti-panahy.”+
ע [Aina]
17 Na ankehitriny aza, dia mbola reraka ny masonay mitazana olona hanampy, saingy tsy misy.+
Nitady izahay ka nitady fanampiana avy any amin’ny firenena, izay tsy ho nahavonjy anay akory.+
צ [Tsade]
18 Nataon’izy ireo haza lambo izahay isaky ny nandeha,+ ka tsy afaka nankeny amin’ny tany malalaka intsony.
Kely sisa dia ho vita ny aminay; tapitra ny andronay, fa tonga ny faran’ny fiainanay.
ק [Kôfa]
19 Haingam-pandeha noho ny voromahery eny amin’ny lanitra ny mpanenjika anay.+
Nanenjika anay teny an-tendrombohitra izy ireo, ary niafina tany an-tany efitra mba hanafika anay.
ר [Resa]
20 Voasambotra tao amin’ny lavaka be nataon’izy ireo+ ilay voahosotr’i Jehovah,+ dia ilay fofonain’ny vavoronay,
Izy ilay nolazainay hoe: “Hipetraka eo ambany alokalony izahay any amin’ireo firenena.”
ש [Sina]
21 Mifalia sy miravoravoa, ry zanakavavin’i Edoma+ mipetraka any Oza.
Homena anao koa anefa ilay kaopy,+ ka ho mamo ianao ary hiboridana.+
ת [Tao]
22 Tapitra ny sazy vokatry ny fahadisoanao, ry Ziona zanakavavy ô!
Tsy halefany any an-tsesitany intsony ianao.+
Handinika ny fahadisoanao kosa izy, ry zanakavavin’i Edoma ô!
Haharihariny ny fahotanao.+