118 Misaora an’i Jehovah fa tsara izy;+
Be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.
2 Aoka ny Israely hilaza hoe:
“Be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.”
3 Aoka ny taranak’i Arona hilaza hoe:
“Be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.”
4 Aoka izay matahotra an’i Jehovah hilaza hoe:
“Be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.”
5 Niantso an’i Jah aho tao anatin’ny sarotra,
Dia namaly ahy i Jah ka nitondra ahy nankeo amin’ny toerana tsy mampidi-doza.+
6 Manohana ahy i Jehovah, ka tsy hatahotra aho.+
Inona moa no azon’ny olona atao amiko?+
7 Manohana ahy i Jehovah, ka izy no mpanampy ahy;+
Ho faly aho hahita hoe resy ny mpankahala ahy.+
8 Aleo mialoka amin’i Jehovah
Toy izay matoky olona.+
9 Aleo mialoka amin’i Jehovah
Toy izay matoky andriana.+
10 Nanodidina ahy ny firenena rehetra;
Tamin’ny anaran’i Jehovah anefa
No nanoherako azy ireny.+
11 Nanodidina ahy izy ireny, eny, voahodidina tanteraka aho;
Tamin’ny anaran’i Jehovah anefa
No nanoherako azy ireny.
12 Nitangorona tamiko toy ny tantely izy ireny,
Nefa vetivety dia maty hoatran’ny afon-tsilo.
Tamin’ny anaran’i Jehovah
No nanoherako azy ireny.+
13 Nisy nanosika mafy aho mba hianjera,
Nefa nanampy ahy i Jehovah.
14 I Jah no fialofako sy heriko,
Ary izy no lasa mpamonjy ahy.+
15 Feon’olona mifaly sy voavonjy
No re ao amin’ny tranolain’ny olo-marina.
Maneho ny heriny ny tanana ankavanan’i Jehovah.+
16 Misandratra ny tanana ankavanan’i Jehovah;
Maneho ny heriny ny tanana ankavanan’i Jehovah.+
17 Tsy ho faty aho fa ho velona,
Mba hanambara ny asan’i Jah.+
18 Nanafay mafy ahy i Jah,+
Nefa tsy namela ahy ho faty.+
19 Sokafy ireo vavahadin’ny fahamarinana,+
Dia hiditra aho ka hidera an’i Jah.
20 Ity ny vavahadin’i Jehovah.
Hiditra eo ny olo-marina.+
21 Hidera anao aho, fa namaly ahy ianao,+
Ary ianao no lasa mpamonjy ahy.
22 Ny vato tsy tian’ny mpanao trano
No lasa vato fehizoro lehibe indrindra.+
23 Avy amin’i Jehovah izany,+
Ka mahatalanjona eo imasontsika.+
24 Izao no andro nataon’i Jehovah;
Hifaly sy hiravoravo isika mandritra izany.
25 Jehovah ô, mba vonjeo re e! Miangavy re e!
Jehovah ô, mba ataovy maharesy re izahay e!
26 Hotahina anie ilay tonga amin’ny anaran’i Jehovah!+
Avy ao an-tranon’i Jehovah izahay no mitso-drano anareo.
27 I Jehovah no Andriamanitra;
Manome antsika hazavana izy.+
Mitondrà rantsankazo eny an-tananao, ary mandehana milahatra miaraka amin’ireo mpanao fety+
Hatreny amin’ny tandroky ny alitara.+
28 Andriamanitro ianao, ary hidera anao aho;
Hanandratra anao aho, ry Andriamanitro ô!+
29 Misaora an’i Jehovah+ fa tsara izy;
Be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.+