Joba
33 “Henoy anefa izao ny teniko, ry Joba, azafady indrindra;
Henoy daholo izay lazaiko.
5 Valio aho raha azonao atao;
Resaho amiko ny hevitrao, ka miomàna hiaro ny tenanao.
7 Koa tsy tokony hatahotra be ahy ianao,
Ary tsy tokony hanavesatra anao izay holazaiko.
8 Reko anefa izay nolazainao.
Henoko foana ianao niteny hoe:
9 ‘Madio aho, tsy nandika lalàna;+
Madio aho, tsy nanao fahadisoana.+
12 Tsy marina anefa izany teninao izany, ka hovaliako ianao:
Lehibe lavitra noho ny olombelona mety maty Andriamanitra.+
13 Nahoana ianao no mitaraina momba Azy?+
Satria ve hoe tsy nisy novaliany ny teninao?+
14 Fa tsy indray tsy indroa Andriamanitra no miteny,
Nefa tsy misy miraharaha.
15 Miteny ao amin’ny nofy izy, na ao amin’ny fahitana amin’ny alina,+
Rehefa renoky ny torimaso ny olona,
Ka matory eo am-pandrianany.
16 Dia sokafany ny sofin’izy ireo,+
Ary antitranteriny* amin’izy ireo ny toromarika omeny,
17 Mba hahatonga ny olona hiala amin’ny fanao ratsy,+
Sy hiarovana azy tsy hirehareha.+
19 Mananatra ny olona koa ny fanaintainany eo am-pandrianany
Sy ny fijaliany tsy an-kiato noho ny taolany manakotsako,
20 Ka mankaloiloy azy* ny mofo,
Ary tsy tiany na dia ny sakafo matsiro aza.+
21 Mihalany ny nofony ka tsy misy hojerena,
Ary lasa mitrakitraky* izao ny taolany nefa tsy hita izany taloha.
23 Fa raha misy iraka* alefa any aminy,
Mpiaro iray ao anatin’ny arivo,
Mba hampahafantatra ny olona an’izay mahitsy,
24 Dia hiantra azy Andriamanitra, ka hilaza hoe:
Efa nahita vidim-panavotana aho!+
25 Aoka ho tsara* noho ny an’ny tanora ny nofony,+
Ary aoka hiverina aminy indray ny heriny tamin’ny fahatanorany.’+
26 Hitalaho amin’Andriamanitra+ izy, ka hahazo sitraka aminy,
Dia hihorakoraka sy ho faly izy rehefa mahita ny tarehiny,
Ary heken’Andriamanitra ho marina indray ny olombelona mety maty.
27 Hilaza* amin’ny olona izany lehilahy izany hoe:
‘Efa nanota aho+ sady nanao ny tsy rariny,
Nefa tsy nahazo an’izay sahaza ahy.*
29 Ataon’Andriamanitra tokoa izany rehetra izany,
Ataony indroa na intelo ho an’ny olona,
30 Mba hampiverina azy tsy ho any an-davaka,*
Ka ho afaka hanazava azy ny hazavan’ny fiainana.+
31 Henoy ny teniko, ry Joba! Henoy aho.
Aoka ianao hangina, fa mbola hiteny aho.
32 Raha manan-kolazaina anefa ianao, dia valio aho.
Mitenena, fa te hanaporofo aho hoe manana ny marina ianao.
33 Raha tsy manan-kolazaina kosa ianao, dia mihainoa ahy;
Aoka ianao hangina, fa hampianatra fahendrena anao aho.”