99 Lasa Mpanjaka i Jehovah.+ Aoka hangovitra ireo firenena.
Mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana eo ambonin’ny kerobima+ izy. Aoka hihovotrovotra ny tany.
2 Tena miavaka i Jehovah ao Ziona,
Ary ambony noho ny firenena rehetra izy.+
3 Aoka izy ireo hidera ny anaranao be voninahitra,+
Fa mendrika hatahorana sy masina izy io.
4 Mpanjaka mahery izy sady tia rariny.+
Nataonao mafy orina ny fahitsiana.
Nampihatra ny rariny sy ny hitsiny+ tamin’i Jakoba ianao.
5 Asandrato i Jehovah Andriamanitsika,+ ary miankohofa eo amin’ny fitoeran-tongony;+
Masina izy.+
6 Anisan’ny mpisorony i Mosesy sy Arona,+
Ary anisan’ny niantso ny anarany i Samoela.+
Niantso an’i Jehovah izy ireo,
Dia namaly azy ireo izy.+
7 Niresaka tamin’izy ireo tao anatin’ny andry rahona+ izy.
Narahin’izy ireo ny fampahatsiahivana sy ny didy nomeny+ azy.
8 Namaly azy ireo ianao, Jehovah Andriamanitray ô!+
Andriamanitra namela ny helok’izy ireo ianao,+
Nefa koa nanasazy azy ireo noho ny ratsy nataony.+
9 Asandrato i Jehovah Andriamanitsika,+
Ary miankohofa eo anoloan’ny tendrombohiny masina,+
Fa masina i Jehovah Andriamanitsika.+