Tantara Voalohany
25 Ary natokan’i Davida sy ny lehiben’ny antoko-mpanompo ny sasany tamin’ny taranak’i Asafa sy Hemana ary Jedotona,+ mba hanao fanompoana ka sady haminany izy ireo no hampiasa harpa sy zavamaneno fitendry+ ary kipantsona.+ Ireto avy ireo lehilahy voatendry hanao fanompoana ireo: 2 Ny avy amin’ny taranak’i Asafa dia i Zakora, Josefa, Netania, ary Asarela. Zanak’i Asafa ireo, ka i Asafa no niandraikitra azy. Naminany teo ambany fiandraiketan’ny mpanjaka i Asafa. 3 Ny avy amin’i Jedotona+ dia i Gedalia, Zery, Jesaia, Simey, Hasabia, ary Matitia.+ Zanak’i Jedotona izy enina ireo. I Jedotona rainy no niandraikitra azy ireo. Sady naminany i Jedotona no nampiasa harpa rehefa nisaotra sy nidera an’i Jehovah.+ 4 Ny avy amin’i Hemana+ dia i Bokia, Matania, Oziela, Seboela, Jerimota, Hanania, Hanany, Eliata, Gidalty, Romamti-ezera, Josbekasa, Maloty, Hotira, ary Mahaziota. Zanak’i Hemana izy ireo. 5 Ireo rehetra ireo no zanakalahin’i Hemana. I Hemana no nampita tamin’ny mpanjaka ny fahitana hitany, dia ny hafatr’ilay tena Andriamanitra mba hiderana Azy.* Dia nomen’Andriamanitra zanakalahy 14 sy zanakavavy 3 izy. 6 Izy rehetra ireo dia teo ambany fiandraiketan’ny rainy rehefa nihira tao an-tranon’i Jehovah, ary nampiarahina tamin’ny kipantsona sy ny zavamaneno fitendry ary ny harpa+ ny hirany. Izany no fanompoana nataony tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra.
Ny mpanjaka no niandraikitra an’i Asafa sy Jedotona ary Hemana.
7 Ary 288 ny isan’izy ireo sy ny rahalahiny, izay nampianarina hihira ho an’i Jehovah, ka efa tena mahay izy rehetra. 8 Dia nanao antsapaka izy ireo+ hizarana ny andraikiny, na ho an’ny kely sy ny lehibe, na ho an’ny efa tena mahay sy ny vao mianatra.
9 Rehefa natao ny antsapaka dia i Josefa avy amin’ny taranak’i Asafa no voalohany,+ ary Gedalia no faharoa.+—Nisy 12 izy sy ny rahalahiny ary ny zanany lahy.— 10 I Zakora+ sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny kosa no fahatelo: 12 izy ireo. 11 I Jizry sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no fahefatra: 12 izy ireo. 12 I Netania+ sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no fahadimy: 12 izy ireo. 13 I Bokia sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no fahenina: 12 izy ireo. 14 I Jesarela sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no fahafito: 12 izy ireo. 15 I Jesaia sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no fahavalo: 12 izy ireo. 16 I Matania sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no fahasivy: 12 izy ireo. 17 I Simey sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no fahafolo: 12 izy ireo. 18 I Azarela sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-11: 12 izy ireo. 19 I Hasabia sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-12: 12 izy ireo. 20 I Sobaela+ sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-13: 12 izy ireo. 21 I Matitia sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-14: 12 izy ireo. 22 I Jeremota sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-15: 12 izy ireo. 23 I Hanania sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-16: 12 izy ireo. 24 I Josbekasa sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-17: 12 izy ireo. 25 I Hanany sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-18: 12 izy ireo. 26 I Maloty sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-19: 12 izy ireo. 27 I Eliata sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-20: 12 izy ireo. 28 I Hotira sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-21: 12 izy ireo. 29 I Gidalty+ sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-22: 12 izy ireo. 30 I Mahaziota+ sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-23: 12 izy ireo. 31 I Romamti-ezera+ sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-24: 12 izy ireo.