Manontany ny Tanora Hoe...
Ahoana no Ahafahako Misoroka ny SIDA?
“MAHATEZITRA ahy mihitsy ny namelako an’izao hitranga”, hoy i Kaye. “Ireo safidy nataoko dia nanaisotra tamiko ireo safidy mety ho nananako atỳ aoriana.” (Gazetiboky Newsweek, 3 Aogositra 1992). Teo amin’ny faha-18 taonany i Kaye dia voan’ny virosin’ny SIDA.
I Kaye dia iray monja amin’ireo olona maherin’ny iray tapitrisa any Etazonia tratran’ny virosy mahafaty VIH (Virus d’Immunodéficience Humaine) — dia ilay virosy lazain’ny dokotera fa miteraka ny SIDA, ilay aretina atahorana aoka izany.a Tsy misy tena mahalala hoe firy marina ny tanora voany, kanefa mazava fa voakasika ireo tanora. Ny fandinihana natao iray dia nampiseho fa, eo amin’ireo tanora anglisy, dia ny SIDA no zavatra mampanahy azy ireo lehibe indrindra. Na dia eo aza izany fanahiana izany, dia hoy ny Foibe Amerikana Manara-maso ny Aretina: “Zatovo maro no manohy milaza fa manaraka fitondran-tena mety hahazoana ny VIH.”
Mazava fa mahafaty foana ny SIDA, mihanaka maneran-tany amin’ny hafainganam-pielezan’ny areti-mifindra. Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao miaro ny tenanao?
Ny SIDA — Fanavahana ny angano sy ny tena izy momba azy io
Hoy ny hazavain’ny bokikely iray nomanin’ny Foibe Amerikana Manara-maso ny Aretina: “Tsy ‘tongatonga ho azy’ akory ny aretina avy amin’ny VIH. Tsy afaka ny ‘hahazo’ azy io toy ny fahazoana sery na gripa akory ianao.” Noho izany, ny fifampikasohana tsotra isan’andro amin’olona voan’ny SIDA dia toa tsy mampidi-doza. Tsy mila ny hanahy ny ho voan’ny SIDA avy amin’ny iray kilasy iray efa voany ianao satria fotsiny hoe mipetraka eo akaikiny. Ary satria tsy virosy eny amin’ny rivotra ny VIH, dia tsy voatery hanahy ianao raha mikohaka na mievina ny olona iray voan’ny SIDA. Raha ny tena izy aza, ireo fianakaviana misy mpianakavy voan’ny SIDA dia niara-nampiasa taminy servieta sy fitaovana fisakafoana ary na dia fiborosiana nify aza, kanefa tsy nampiely ilay virosy.b
Izany no izy satria ilay virosy mahafaty dia ao amin’ny ra, ny tsirilahy na ny tsirivavin’ny olona iray no mitoetra. Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra àry, ny SIDA dia mifindra amin’ny alalan’ny firaisana — ataon’ny samy lehilahy sy ny samy vehivavy na ataon’ny lahy sy ny vavy.c Olona maro voan’ilay aretina koa no nahazo azy io tamin’ny fiaraha-mampiasa fitaovam-panindronana tamin’olona iray voan’ny VIH, matetika teo amin’ny fampiasana zava-mahadomelina.d Ary na dia milaza aza ireo dokotera fa “madiva ho tanteraka ny fanafoanana” ny loza noho ny fitarafana fatratra atao amin’ny ra, ny SIDA dia mifindra amin’ny alalan’ny fampidiran-dra koa.
Koa na iza na iza àry manao firaisana alohan’ny fanambadiana na manandrana mitsindrona zava-mahadomelina dia tena rahonan’ny SIDA. Marina fa mety ho toa tsy hita ho marary ny olona iray mety ho tianao hanaovana firaisana. Kanefa mampahatsiahy toy izao ny bokikely Voluntary HIV Counseling and Testing: Facts, Issues, and Answers: “Tsy hitanao avy amin’ny fijerena olona iray raha voan’ny VIH izy na tsia. Afaka ny hiseho sy hahatsiaro tena ho salama tsara ny olona iray kanefa voan’ilay virosy. Noho izany antony izany, ny ankamaroan’ny olona voan’ny VIH dia tsy mahalala akory fa voa ny tenany.”
“Firaisana tsy ahitana loza” tokoa ve?
Noho izany dia mampirisika ny fampiasana condoms (kapaoty anglisy) ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpanabe maro.e Ireo dokam-barotra amin’ny televiziona, peta-drindrina ary lahateny any am-pianarana dia nampiely ilay hafatra fa hoe ny fampiasana io fomba tsy mampiteraka io dia mahatonga ny firaisana ho “tsy ahitana loza” — na fara faharatsiny “tsy ahitana loza loatra”. Ny sekoly sasany aza dia nizara condoms ho an’ireo mpianatra. Voarisiky ny fampielezan-kevitra toy izany ny tanora, ka betsaka lavitra noho ny hatramin’izay no mampiasa azy io.
Na dia izany aza, tena tsy ahitana loza tokoa ve ny hoe “firaisana tsy ahitana loza”? Hoy ny lazain’ny bokikely iray nataon’ny Vokovoko Mena Amerikana: “Afaka mampitombo ireo fahafahanao tsy ho voan’ny aretina ny condoms.” Hahatsiaro tena ho voaro ve anefa ianao raha toa ianao ka tsy manao afa-tsy ny “mampitombo ireo fahafahanao” tsy ho voan’ny aretina izay hita fa mahafaty foana? Miaiky toy izao ny Foibe Amerikana Manara-maso ny Aretina: “Efa voaporofo fa ny condoms vita amin’ny fingotra dia manampy mba hisakanana tsy ho voan’ny VIH na ny aretina hafa mifindra avy amin’ny firaisana (...) Kanefa tsy hoe azo itokiana amin’ny fomba feno izy ireny.” Raha ny tena izy aza, dia mety ho vaky, rovitra na hitsoaka izy ireny mandritra ny firaisana. Araka ny gazety Time, ny condoms dia “afaka ny hahita tsy fahombiazana eo amin’ny 10% ka hatramin’ny 15%”! Moa ve ianao hanao vivery ny ainao eo anoloan’ny tsy fahombiazana toy izany? Ary vao mainka mampanahy fa latsaka ny antsasak’ireo tanora mpanao firaisana tsy tapaka any Etazonia no mampiasa condoms.
Tena mety tsara àry ny torohevitra ao amin’ny Ohabolana 22:3 manao hoe: “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.” Ny iray amin’ireo fomba tsara indrindra tsy hahavoan’ny SIDA dia ny fifadiana tanteraka ny zava-mahadomelina sy ny firaisana maloto. Mora lazaina fa sarotra tanterahina ve? Maro no mihevitra izany, indrindra fa raha heverina ireo fanerena goavana atrehin’ny tanora.
Ireo fanerena
Mandritra ny “fivelaran’ny fahatanorana”, ireo faniriana eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy dia mahery aoka izany. (1 Korintiana 7:36, NW ). Anampio izany koa ny fitaoman’ny televiziona sy ny sarimihetsika. Araka ny fandinihana sasany, ny zatovo dia mijery televiziona maherin’ny adiny dimy isan’andro — ka betsaka amin’izany no mampiseho firaisana an-karihary. Araka ny tontolon’ny televiziona izay tsy araka ny fiainana tena izy anefa, ny firaisana dia tsy misy vokany firy. Ny fandinihana iray dia nampiharihary fa ny televiziona amerikana dia mampiseho “lehilahy sy vehivavy tsy mpivady manao firaisana in’efatra ka hatramin’ny imbalo matetika kokoa noho ny tena mpivady. Saiky tsy resahina na ampiasaina mihitsy ny fomba tsy mampiteraka, kanefa mahalana vao bevohoka ireo vehivavy; tsy fahita firy ny lehilahy sy vehivavy voan’ny aretina mifindra avy amin’ny firaisana, raha tsy hoe vehivavy janga na lehilahy mpandry amin’ny lehilahy na vehivavy mpandry amin’ny vehivavy angaha izy”. — Foibe ho An’ny Safidin’ny Mponina.
Moa ve ny fijerena fandaharana be dia be toy izany mety hisy fiantraikany eo amin’ny fitondran-tenanao? Eny tokoa, araka ny fotopoto-pitsipika ara-baiboly ao amin’ny Galatiana 6:7, 8 manao hoe: “Aza mety hofitahina hianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany. Fa izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo”. Ny fandinihana natao tamina tanora 400 dia nahitana fa “ireo izay nijery televiziona ‘mampiseho firaisana’ be dia be dia azo ninoana kokoa fa tonga mpanao firaisana tsy tapaka noho ireo izay tsy nijery izany firy”.
Ny fitaomana mahery hafa iray dia ny faneren’ireo mitovy taona amin’ny tena. “Nitady antokon’olona ho azoko iarahana aho, kanefa dia sarotra izany”, hoy ny fieken’ny zatovo iray antsoina hoe David. “Tafiditra tao amina tarehin-javatra tena nampidi-doza imbetsaka aho. (...) Hita fa voan’ny virosin’ny SIDA aho.” Toy izany koa, ireo tanora tamin’ny andron’ny Baiboly matetika dia niharan’ny faneren’ireo nitovy taona taminy. Inona no torohevitry ny Baiboly? “Anaka”, hoy ny mpanoratra ny Ohabolana, “raha taomin’ny mpanota hianao, aza manaiky.” — Ohabolana 1:10.
Ny fanaovana hoe “Tsia”
Ireo mampirisika ho amin’ny “firaisana tsy ahitana loza” dia milaza fa tsy mifanaraka amin’ny tena izy ny fifadiana. Kanefa, amin’ny farany, tena manampy tokoa ve ny fanalana tsiny ny fahalotoam-pitondran-tena? Miaiky toy izao ny zatovo iray fa izany dia mampisafotofoto ny tanora fotsiny: “Milaza aminay izy ireo hoe manaova hoe ‘Tsia’ amin’ny fanaovana firaisana ary koa hoe tsara ny fitoerana ho madio. Miaraka amin’izay koa anefa izy ireo dia mizara [condoms] sady milaza aminay ny fomba fanaovana firaisana kanefa tsy hizaka ny vokany.”
Aza manaiky ho voan’ny fisafotofotoana ara-pitondran-tena toy izany. Ny Baiboly — na dia toa mety ho tsy araka ny toetr’andro aza — dia mampirisika anao mba handositra fitondran-tena izay mety hahatonga anao ho voan’ny SIDA. Raha mankato ny baikon’ny Baiboly mba ‘hifady ny ra’ ianao, dia tsy ho voan’ny SIDA amin’ny alalan’ny fampidiran-dra. (Asan’ny Apostoly 15:29). Araho ny fandraran’ny Baiboly tsy hampiasa “zava-mahadomelina”, dia tsy hila ny hatahotra ny hahazo aretina avy amin’ny fitaovam-panindronana voaloto ianao. (Galatiana 5:20; Apokalypsy 21:8; The Kingdom Interlinear). Ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fari-pitondran-tena eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy indrindra no tena hanampy anao. “Mandosira ny fijangajangana”, hoy ny baikon’ny Baiboly. “Izay fahotana rehetra ataon’ny olona dia eny ivelan’ny tena ihany; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin’ny tenany.” (1 Korintiana 6:18). Ny zava-tsarotra mifandray amin’ny SIDA dia manamafy ny maha-feno fahendrena ireo teny ireo.
Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny tanora iray ‘mandositra’ ny fahalotoam-pitondran-tena? Nandritra ny taona maro, ireo lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora hoe (...)” dia nanome fanoloran-kevitra azo ampiharina maro, anisan’izany ny fiarahana amin’ankizilahy na ankizivavy eo anivon’olon-kafa, ny fandosirana ny toe-javatra mety hampidi-doza (toy ny rehefa irery miaraka amin’ny olona iray tsy lahy na tsy vavy tahaka ny tena ao amin’ny efitrano na trano na fiara mijanona iray), ny fanisiana fetra amin’ny fanehoana fitiavana, ny tsy fampiasana alkaola (izay mazàna manakantsakana ny fahaiza-mitsara zavatra), ary ny fanaovana hoe “Tsia” amin’ny fomba hentitra raha mahatonga anao hahatsapa fihetseham-po mafy ny tarehin-javatra.f Na manao ahoana na manao ahoana, dia aza mamela na iza na iza hanery anao hanana fitondran-tena izay tsy vitan’ny hoe hampidi-doza ara-batana fa hanimba ara-panahy koa. (Ohabolana 5:9-14). “Tianao ve ny hametraka ny ainao ho eo an-tanan’iny olona iny?”, hoy ny nanontanian’ny ankizivavy iray antsoina hoe Amy, voatonona tao amin’ny lahatsoratra iray tao amin’ny gazety Newsweek. Nahazo ny VIH avy tamin’ny ankizilahy iray niarahany izy talohan’ny nahavitan’ny fianarany tany amin’ny lise. Hoy ny fanontaniana mivantana nataony: “Mendrika ny hahafatesanao ve iny ankizilahy na ankizivavy iny? Tsy mino izany aho.”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora hoe (...) Ny SIDA — Mety Hiharan’io Loza Io ve Aho?”, eo amin’ny pejy faha-13 amin’itỳ gazety itỳ.
b Namaly ireo olona tsy mino izany tamin’izao teny izao ny Dr. C. Everett Koop, minisitry ny fahasalamana teo aloha tany Etazonia: “Ireo olona voan’ny SIDA voalohany dia fantatra tamin’ny 1981 teto amin’itỳ firenena itỳ. Tokony ho efa fantatsika izao raha toa ka ampitain’ny fifampikasohana tsotra, tsy amin’ny alalan’ny firaisana, ny SIDA.”
c Tafiditra amin’izany ny firaisana amin’ny vava sy ny firaisana amin’ny lava-pitombenana.
d Manome izao fampitandremana fanampiny izao ny Foibe Amerikana Manara-maso ny Aretina: “Raha mikasa ny hitevika ianao (...), dia ataovy azo antoka fa olona mahay tsara sy mampiasa fitaovana vaovao tanteraka na stérilisées no halehanao. Aza matahotra ny manontany.”
e Manazava toy izao ny gazetiboky FDA Consumer: “Ny condom dia fonon-javatra iray manarona ny maha-lahy manontolo. Miaro amin’ny MST [aretina azo avy amin’ny firaisana] izy io satria toy ny fefy, na rindrina, misakana ny tsirilahy sy ny ra ary ny ranoka avy amin’ny maha-vavy tsy hifindra avy amin’ny olona iray ho amin’ny iray hafa.”
f Jereo, ohatra, ny lahatsoratra hoe “Les jeunes s’interrogent (...)” ao amin’ny Réveillez-vous! tamin’ny 22 Aprily 1986 sy 22 Aprily 1989 ary 22 Aprily 1992.
[Sary, pejy 30]
Afaka ny hitarika ho amin’ny fahazoana SIDA ny fanekena ho resin’ny fanerena hanao firaisana