Ivoara — Manao Ahoana ny Vidiny?
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ATSY KENYA
Tao amin’ny kaonferansy niraisam-pirenena iray tany Harare, atsy Zimbabwe, nandritra ny volana Jona 1997, dia nisy solontenan’ny tany 138, nandatsa-bato ka nanaiky ny hanalefahana ny fandrarana ny varotra ivoara, dia fandrarana naneran-tany naharitra fito taona. Manome lalana firenena telo atsy atsimon’i Afrika — Botswana sy Namibia ary Zimbabwe — hivarotra ivoara amin’ny tany iray, dia i Japon, ilay hevitra tapaka taorian’ny ady hevitra nafana, kanefa arahina fepetra izany varotra izany. Nifaly noho ilay hevitra tapaka ireo solontena avy atsy atsimon’i Afrika, ka velon-kira. Ny solontena hafa kosa nanahy ny amin’izay mety ho dikan’izany ho an’ny elefanta afrikana.
REHEFA nihantsy ny tafik’i Roma i Hannibal tamin’ny taonjato fahatelo al.f.i., dia nitondra andiana elefanta afrikana voafolaka izy. Azo inoana fa niisa am-polo tapitrisany maro ny elefanta afrikana, tamin’izany fotoana izany, ary nitombo tsara, hatrany amin’ny cap de Bonne-Espérance ka hatrany Le Caire.
Niova ny tarehin-javatra. Hoy ny fanamarihan’ny mpandinika iray: “Vitsy ny olona ary maro be ny elefanta, teo aloha, kanefa ny elefanta indray izao no mihavitsy kely ary ny olona no maro be.” Arakaraka ny nitomboan’ny isan’ny olona no nahatonga ny elefanta hiha-tsy hanana tany honenana. Anton-javatra hafa iray nahatonga ny fihenan’ny isan’ny elefanta ny fitaran’ny Efitr’i Sahara mianatsimo.
Manoatra noho ireo antony ireo anefa ny fitadiavana ivoara. Tsy toy ny taolan-tigra sy ny tandroky ny tokantandroka ny ivoara, satria tsy mifamatotra amin’ny hevi-dravina hoe ilaina amin’ny fanamboaram-panafody. Na dia izany aza, dia enti-mirenty izy io, kanto, mateza, sy mora sokirina. Efa hatramin’ny andro fahiny no nisokajiana ny ivoara avy amin’ny vangin’ny elefanta ho anisan’ny zava-tsarobidy sy faniry.
Efajato taona taorian’i Hannibal, dia nandripaka ny elefanta tatsy avaratr’i Afrika ny Empira Romana, mba hanomezana fahafaham-po ny faniriany mafy ivoara. Mbola niredareda ihany izany faniriana mafy izany, indrindra fa tany amin’ny tontolo tandrefana. Teo am-piandohan’itỳ taonjato itỳ, dia nanjary notadiavina fatratra ny ivoara — tsy hoe mba hamokarana taozavatra ara-javakanto sy fitaovana ara-pivavahana loatra, toy ny teo aloha, fa mba hamokarana klavie-na piano kosa. Ivoara tokony ho 700 taonina (mampiseho elefanta 13 000 ripaka), araka ny voalazan’ilay boky hoe Battle for the Elephants, no nampiasaina mba hanaovana klavie 350 000 tany Etazonia, tamin’ny taona 1910 fotsiny.
Fihazana tsy ara-dalàna nanaranam-po be
Taorian’ny ady lehibe voalohany, dia nihena ny fitadiavana ivoara, nisy lalàna vaovao nolanina momba ny fiarovana ny bibidia, ary nanomboka nitombo isa indray ny elefanta. Teo am-piandohan’ireo taona 1970 anefa, dia nanomboka indray ny famonoana elefanta be dia be. Avy tamin’ireo firenena aziatika vao niroborobo ara-toe-karena ny fitadiavana ivoara, tamin’izany fotoana izany.
Tamin’itỳ indray mandeha itỳ, dia nisy anton-javatra roa izay fambara loza ho an’ny elefanta teto Afrika. Ny voalohany dia ny nitomboan’ny fahazoana fitaovam-piadiana maivana sady ary fomba. Tampoka teo, dia nanjary mora foana ny nitifitra, tsy elefanta tsirairay monja, fa andian’elefanta manontolo koa. Faharoa, ny fitaovana elektrika fanaovana sokitra dia nahafahana nanamboatra haingana, taozavatra vita tamin’ny ivoara, mba ho azo amidy. Tamin’ny lasa, dia nety ho nandany herintaona ny mpanao sokitra japoney iray vao nahavita sokitra vangy tokana monja. Amin’ny fampiasana fitaovana elektronika anefa, ao anatin’ny herinandro monja, dia afaka mandany vangin’ny elefanta 300 ny orinasa iray misy mpiasa valo izay manao firavaka sy hanko (fitomboka misy anaran’olona, izay be mpampiasa any Japon). Niteraka fisondrotan’ny vidin’ny ivoara ny fitomboan’ny fitadiavana azy. Mazava ho azy fa tsy niditra tao am-paosin’ny mpihaza tsy ara-dalàna ny vola be, fa tao am-paosin’ny mpiantoka sy ny mpivarotra, izay nanjary mpanefohefo be ny ankamaroany.
Nahatsiravina ny isan’ny elefanta nafoy. Tao anatin’ny roapolo taona teo ho eo, dia namoy ny 80 isan-jaton’ny elefantany i Tanzania, ka matin’ny mpihaza tsy ara-dalàna ny ankamaroany. Namoy ny 85 isan-jaton’ny elefantany i Kenya. Namoy 95 isan-jato i Ouganda. Teo am-boalohany, ny mpihaza tsy ara-dalàna dia tsy nitifitra afa-tsy ny elefantalahy efa lehibe, tamin’ny ankapobeny, satria ireny no nanana ny vangy lehibe indrindra. Rehefa nihavitsy kokoa anefa ny elefanta bebe taona, ny mpihaza tsy ara-dalàna dia nanomboka nitifitra, na dia ny elefanta kely aza, mba hahazoana ny vangy keliny. Elefanta maherin’ny iray tapitrisa no nety ho ripaka mba hahazoana ny ivoarany, nandritra izany fe-potoana izany, ka nampihena ho 625 000 ny isan’ny elefanta teto Afrika.
Fandrarana maneran-tany
Mampalahelo fa tsy nahomby ireo ezaka natao hanaraha-maso ny varotra ivoara sy hampitsaharana ilay fandripahana. Tamin’ny farany, tamin’ny Oktobra 1989, tao amin’ny kaonferansy iray tany Soisa, dia nandrara izay rehetra mety ho varotra ivoara teo anivon’ireo firenena mpikambana ao aminy ny Fifanarahana Momba ny Varotra Iraisam-pirenena Mikasika ny Karazan-javamaniry sy Biby Madiva ho Lany Tamingana. Ilay fandrarana dia nohamafisina tamin’ny alalan’ny fanomezana vola be dia be mba hiarovana ny elefanta.
Nisy nanambara mialoha fa hiteraka fiakaran’ny vidin’ny ivoara teo amin’ny varo-maizina ny fandrarana ny ivoara, ary hitombo ny fihazana tsy ara-dalàna. Ny nifanohitra tamin’izany no nitranga. Nidina be ny vidiny, ary nisy maty ny tsena nahazoan-tombony teo aloha. Tany Inde, ohatra, dia nidina 85 isan-jato ny varotra ivoara antsinjarany, ary voatery nitady asa hafa ny ankamaroan’ireo mpanao taozavatra tamin’ny ivoara tao amin’io tany io. Nihena be koa ny fihazana tsy ara-dalàna. Talohan’ilay fandrarana, dia nandripaka elefanta 2 000 isan-taona, fara fahakeliny, ny mpihaza tsy ara-dalàna teto Kenya. Tamin’ny 1995, dia nidina ho 35 ilay tarehimarika. Ankoatra izany, ny isan’ny elefanta izay 19 000 teto Kenya tamin’ny 1989, dia nitombo ka mahatratra 26 000 eo ho eo amin’izao fotoana izao.
Noho ireo antony ireo no nihobian’ny Environmental Investigation Agency (fikambanana mamotopototra momba ny tontolo iainana), any Londres, ilay fandrarana ny varotra ivoara hoe “iray amin’ireo fahombiazana lehibe teo amin’ny tantaran’ny fiarovana zavaboary tato ho ato”. Tsy ny rehetra anefa no manana izany hafanam-po izany, indrindra fa ny atsy atsimon’i Afrika.
Ireo elefantan’ny atsimon’i Afrika
Manana elefanta maherin’ny 200 000, izany hoe tokony ho ny ampahatelon’ny isan’ny elefanta afrikana rehetra, ireo tany atsy atsimon’i Afrika. Ny anton’izany dia noho ny fomba fiarovana mandaitra, etsy an-daniny, ary noho ireo tany ireo tsy nandalovan’ny andia-miaramila nirongo fiadiana be izay nandripaka ireo andian’elefantan’i Afrika Atsinanana sy Afovoany, etsy an-kilany.
Arakaraka ny ihamaroan’ny elefanta anefa, dia matetika no misy fifandonana eo amin’ny elefanta sy ny olona mipetraka any ambanivohitra. Rehefa heverina tokoa, ny elefanta lehibe iray dia mazoto homana be, ary mahalany zavamaniry hatramin’ny 300 kilaograma isan’andro. Raha misy elefanta mipetraka eny amin’ny manodidina anao, dia ho fantatrao izany.
Hoy ny Africa Resources Trust (fikambanana misahana ny loharanon-karena), atsy Zimbabwe: “Atahoran’ny ankamaroan’ny Afrikana tambanivohitra sy tsy itokiany ary ankahalainy ny elefanta. Ao anatin’ny ora vitsivitsy, ny elefanta dia afaka mandrava ny fiveloman’ny olona, amin’ny fihinanana ny voliny na amin’ny fanosihosena ny biby fiompiny ho faty. Manimba trano sy sekoly, tranom-biby, hazo fihinam-boa, tohodrano, sy ny toetoetry ny nofon-tany, koa izy ireny. Manao tatitra momba ny fanimbana ataon’ny elefanta ny gazety eo an-toerana, isan’andro.”
Mirehareha erỳ ireo firenena atsy atsimon’i Afrika fa mahazona ny isan’ny elefantany ho maro. Andaniam-bola be anefa ny fiarovana elefanta, ary tsy inoan’ireo firenena ireo hoe tokony ho voasazy miaraka amin’ireo tany afrikana hafa izay mahita olana, izy ireo. Ny fanaraha-maso ny varotra ivoara, hoy ny fanjohian-kevitr’izy ireo, no hahazoam-bola hampiasaina indray amin’ny ezaka fiarovana elefanta, ary hanampy mba hanonerana ny fatiantoky ny mpamboly tambanivohitra.
Tahirin’ivoara
Miavosa ny ivoara, any amin’ireo tany ivezivezen’ny elefanta. Avy tamin’ny elefanta novonoina mba hampihenana ny isany izy ireny, avy tamin’ny elefanta maty noho ny antony voajanahary, ary avy tamin’ny tahiry miafina tsy ara-dalàna noraofin’ny fanjakana. Inona no atao amin’ireny ivoara ireny?
Mandoro ny ivoarany i Kenya. Nanomboka tamin’ny Jolay 1989, i Kenya dia nandoro an-karihary, ivoara mbola tsy voavoatra, nitentina dolara an-tapitrisany maro, kanefa tsy nahazo fanonerana nivantana avy tany ivelany. Tamin’ny 1992, dia nandoro ny tahirin’ivoarany koa i Zambia. Nazava ilay hafatra: Tsy naniry handray anjara velively tamin’ny varotra ivoara i Kenya sy i Zambia.
Nitahiry ny azy mba ho vola mipetraka ho an’ny hoavy ny tany hafa. Tombanan’ny TRAFFIC, ilay fikambanana lehibe indrindra manara-maso ny bibidia, fa 462 taonina, fara fahakeliny, no tontalin’ny ivoara voatahiry ankehitriny atỳ amin’ny tany afrikana, mitentina 46 tapitrisa dolara. Mitana ivoara 120 taonina i Botswana sy i Namibia ary i Zimbabwe, ireo tany telo nahazo lalana izao mba hivarotra amin’i Japon. Maro àry no manontany hoe: ‘Ao amin’ny faritra iray maha-sahirana mafy ny olona ara-bola, nahoana no avela hanangom-bovoka fotsiny ao amin’ny trano fanatobiana azy ny ivoara? Nahoana no tsy amidy izy io ka hampiasaina indray kosa amin’ny fiarovana elefanta ny vola azo?’
Mbola misy ihany ny fanahiana
Na dia manjohy hevitra aza ny tany afrikana sasany fa hanampy amin’ny fiarovana elefanta ny fanalefahana ny fandrarana ivoara, ireo hafa kosa dia mino mafy fa ny fandrarana tanteraka ny varotra ivoara no hany fomba hisakanana ny fiverenan’ny fihazana tsy ara-dalàna amin-kadalana. Ireo fanahiana dia mifantoka amin’ny hoe hentitra tsara ve ny fanaraha-maso ilay varotra. Mety hamela hirika hidiran’ny ivoara azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna, ho ao amin’ny varotra ara-dalàna, ve ny rafitra ara-barotra? Afa-tsy izany koa, ahoana ny amin’ny fihazana tsy ara-dalàna izay antenaina fa hahazoan-tombony? Moa ve ny fanalefahana ilay fandrarana mety hidika fa hamono elefanta ka hanafina ny ivoara ireo izay manantena fa mety hohalefahina bebe kokoa ilay fandrarana amin’ny hoavy?
Manampy trotraka ireo fanahiana ireo ny fihamaroan’ny basy eto Afrika noho ny hatramin’izay. Nahatonga ny olona hahazo basy mifahana ho azy ny ady an-trano teto, ary vonona hampiasa azy ireny mba hahazoam-bola ny olona, izay teren’ny hamafin’ny fiainana. Nanoratra toy izao i Nehemiah Rotich, talen’ny East African Wildlife Society (fikambanana misahana ny fikarakarana ny bibidia): “Koa satria azo amidy indray ny ivoara [noho ilay varotra nohavaozina], dia tsy isalasalana fa hampiasaina amin’ny elefanta ireo basy ireo — rehefa heverina tokoa, dia mora lavitra ny mitifitra elefanta ao amin’ny vala midadasika iray noho ny mandroba banky ao amin’ny tanàna iray.”
Olana fanampiny koa itỳ: Tsy vitan’ny hoe andaniam-bola be ireo fomba iadiana amin’ny fihazana tsy ara-dalàna, fa sarotra koa. Mitaky vola be ny fisafoana ireo faritra midadasika ivezivezen’ny elefanta. Atỳ Afrika Atsinanana, dia saro-tadiavina izany.
Inona no hoavin’ny elefanta?
Mbola ho hita eo ihany izay ho vokatr’ilay hevitra tapaka momba ny fanalefahana ny fandrarana ny varotra ivoara. Kanefa, na dia handeha tsara aza ny zava-drehetra, dia tsy hanjavona akory ny loza mandrahona ny elefanta. Mandrahona ny elefanta koa ny fitomboan’ny isan’ny olona mila tany hovolena sy hanaovan-javatra hafa. Atsy atsimon’i Afrika fotsiny, ny olona dia mikapa ala eo amin’ny tany 850 000 hektara eo ho eo — mira amin’ny antsasaky ny haben’i Israely — isan-taona, mba hanaovana fambolena indrindra indrindra. Arakaraka ny ihamaroan’ny olona, dia azo antoka fa hihavitsy hatrany ny elefanta.
Hoy ilay gazetiboky hoe World Watch: “Misy hevitra iray iombonan’ny rehetra nandinika ilay olana: ho sarotra ny hoavin’ny elefanta afrikana. Azo antoka fa hidika ho fahafatesan’ny elefanta maro aloha be, na amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa, ny krizin’ny toerana onenana [noho ny fitomboan’ny isan’ny olona]. Raha tsy maty noho ny fihazana ahazoan-dalana na ny fampihenana ny isany — na ripaky ny mpihaza tsy ara-dalàna — izy ireny, dia maro kokoa no ho fatin’ny hanoanana, ka hanjary hihena tampoka ny isany.”
Tsy mihevitra, na ny fomba fijery na ny fikasan’i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona ny elefanta, io fahatsinjovan-javatra manjombona io. Hita miharihary avy amin’izao tenin’i Jesosy Kristy izao ny fiahian’Andriamanitra ireo zavaboary nataony: “Tsy eranambatry va no vidin’ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra ireny na dia iray akory aza.” (Lioka 12:6). Raha tsy manadino tsintsina bitika Andriamanitra, dia azontsika atao ny matoky fa tsy hoe tsy miraharaha ny fahorian’ny elefanta lehibe izy.
[Efajoro, pejy 24]
Momba ny Ivoara
“Tsy isalasalana fa zavatra kanto ny ivoara. Manana famirapiratana sy hafanana tsy toy ny an’ny zavatra hafa rehetra atao ravaka na sokitra izy io. Tsapako foana anefa fa hadinon’ny olona ny hoe vangin’elefanta ange ny ivoara e! Tsy ampifandraisin’ny saintsika amin’ny elefanta mihitsy ny teny hoe ivoara. Misy mampitovy lenta azy io amin’ny vato jaspy, ny hazovy, ny volombodimpona, ny hazo ambre, na amin’ny volamena sy ny volafotsy mihitsy aza, kanefa misy fahasamihafana lehibe amin’izy ireo: Tsy avy amin’ny biby ireo zavatra hafa ireo; vangy namboarina kosa ny ivoara. Rehefa mitana haba tsara tarehy na asa sokitra voakaly tsara vita amin’ny ivoara eny an-tanana ny tena, dia mila mieritreritra bebe kokoa vao mahatakatra fa io ivoara io dia avy tamin’ny elefanta iray izay niriaria taloha, nampiasa ny vanginy mba hihinanana, handavahana, hanindronana, hilalaovana, sy hiadiana, ary ankoatra izany, dia tsy maintsy novonoina aloha ilay elefanta mba hipetrahan’io ivoara io eny an-tanan’ny tena.” — Elephant Memories, nataon’i Cynthia Moss.
[Efajoro, pejy 27]
Momba ny Elefanta
Matanjaka be ny elefanta, ary rehefa tezitra izy ireo, dia mihovotrovotra ny tany. Afaka mibeda anao amin’ny orony ny elefanta iray ka manipy anao toy ny vato, eny amin’ny rivotra. Kanefa, afaka misafosafo anao amin’ny orony na maka sakafo moramora avy eny an-tananao koa izy. Kinga saina sy mampiseho fihetsika sarotra hazavaina ny elefanta, ary mampihomehy. Mampiseho tsy fivadihana mafy amin’ny fianakaviany izy ireo, mifampitsabo fery, miandry izay marary, ary manao zavatra ho setrin’ny fahafatesan’ny mpianakaviny. Na dia tsy miraharaha ny fatin’ny biby hafa aza izy ireo, dia mahafantatra ny taolam-patin’ny elefanta hafa, ka mampihahaka na mandevina izany no ataony amin’izay.
[Sary, pejy 26]
Tany roa no nandoro ny ivoarany; ny hafa nitahiry ny azy mba ho vola mipetraka