Ny Fiheveran’ny Baiboly
Ratsy ve ny Mampijaly Biby?
TAO amin’ny kianja filalaovana iray tany Amerika Afovoany, ny maso rehetra dia nifantoka tanteraka tany amin’ny akoholahy roa: ny iray mena, ary ny iray fotsy. Nihoraka ny vahoaka rehefa namely an’ilay akoholahy fotsy ilay mena, izay nisy zava-maranitra toy ny hareza, nafatotra teo amin’ny tongony. Noraisin’ny mpitsara ireo akoho roa. Lany hery sy tsy nihetsika intsony ary nitete ra ilay akoholahy fotsy. Vita ilay adin’akoholahy.
Tany amin’ny faritra atsimon’i Philippines, dia nisy nampiady lahin-tsoavaly roa. Nisy mpijery maro ilay fampisehoana nampihoron-koditra, raha mbola nifanaikitra teo amin’ny sofina, vozona, orona ary tamin’ny faritra hafa tamin’ny vatany, ireo soavaly. Na dia nety ho mbola velona aza ireo soavaly roa rehefa niala avy teo amin’ny ringa, dia nety ho kilemaina na jamba na naratra ny iray taminy, fara fahakeliny, ka ho faty ihany tamin’ny farany.
Nifamely ny alika roa tany Rosia. Tao anatin’ny fotoana fohy, dia nipotsaka ny masony ary rovitra ny sofiny. Nihodinkodina teo izy ireo, nefa tapaka ny tongony, tataka sy nivoa-dra ny nofony.
Efa hatramin’ny taonjato maro ny olombelona no nampiady biby, noho ny fanatanjahan-tena, kanefa matetika ny filokana no antony manosika azy ireo. Mbola eo koa ny tolon’omby, ny fihazana amboahaolo, ary na dia ny fampiadiana hala aza. Biby maro, fanampin’izany, no mijaly, amin’ny anaran’ny siansa. Ary ambonin’izany, dia biby tsy hita isa no mijaly, satria tsy raharahain’ny tompony, na fanahy iniana izany, na tsia.
Any amin’ny tany sasany, dia misy lalàna mamepetra ny fomba fitondrana ny biby sy mandrara ny fampijaliana azy ireny. Tamin’ny 1641, fony nandrafitra ny rijan-tenin’ny “The Body of Liberties” (fitambaran-jo) ny Massachusetts Bay Colony (tany ao amin’ny helodranon’i Massachusetts), dia efa nilaza toy izao: “Tsy misy na iza na iza mahazo mampihatra Famoretana, na Halozana, amin’ny Biby na inona na inona, izay ampiasain’ny olombelona mazàna.” Nanomboka tamin’izay, dia nisy lalàna nolanina sy fikambanana natsangana mba hisakanana ny fampijaliana biby.
Na izany aza, dia tsy mihevitra ny tenany ho mpampijaly biby ny olona maro izay mampirisika ny fampiadiana biby, voatonona etsy ambony. Milaza ny sasany fa tia ireo biby ampijaliny na vonoiny, izy. Manantitrantitra ireo tia adin’akoholahy fa ela velona kokoa noho ny akoho tsotra natao hohanina ny akohony. Tsy mampionona ny saina velively akory izany!
Nahoana no ratsy ny mampijaly biby?
Avelan’i Jehovah handray soa avy amin’ny biby isika. Mamela antsika hamono biby ny foto-pitsipiky ny Baiboly, mba hohanina sy hanaovana fitafiana na mba hiarovan-tena. (Genesisy 3:21; 9:3; Eksodosy 21:28). Masina eo anatrehan’Andriamanitra anefa ny aina. Tsy maintsy atao amim-pahaiza-mandanjalanja àry ny fanjakantsika eo amin’ny biby, mba hampisehoana fanajana ny aina. Ny Baiboly dia manameloka ny lehilahy iray nantsoina hoe Nimroda, izay miharihary fa namono biby, ary angamba olona koa, noho ny fientanentanana fotsiny avy tamin’izany. — Genesisy 10:9.
Izao no teny nanambaran’i Jesosy ny fiahian’Andriamanitra ny biby: “Tsy eranambatry va no vidin’ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra ireny na dia iray akory aza.” (Lioka 12:6). Afa-tsy izany koa, rehefa niova hevitra Andriamanitra, ka tsy nandringana indray ny tanàna iray feno mpanao ratsy izay nibebaka, dia nilaza toy izao mihitsy ny tenany: “Moa Izaho tsy mba halahelo an’i Ninive, ilay tanàna lehibe va, izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy, (...) sady be biby fiompy koa?” (Jona 4:11). Miharihary fa tsy mihevitra ny biby ho zavatra fanary fotsiny, araka izay tiana, Andriamanitra.
Rehefa nanome lalàna ny Isiraelita Andriamanitra, dia nampianatra azy ireo hiahy ny biby, araka ny tokony ho izy. Notakiny ny hamerenan’izy ireo amin’ny tompony ny biby iray izay nania, sy ny hanampiany biby nila vonjy. (Eksodosy 23:4, 5). Tokony handray soa avy amin’ny Sabata fialan-tsasatra, tsy misy hafa amin’ny olombelona, ny biby. (Eksodosy 23:12). Nisy lalàna nifehy ny fomba fitondrana araka ny tokony ho izy ny biby izay nampiasaina teo amin’ny fambolena. (Deoteronomia 22:10; 25:4). Miharihary fa natao hokarakaraina sy harovana ny biby, fa tsy hanjakazakana tsy ara-drariny kosa.
Milaza mazava ny fomba fiheveran’Andriamanitra ny Ohabolana 12:10, manao hoe: “Ny marina mitsimbina ny ain’ny bibiny; fa fahasiahana kosa no famindrampon’ny ratsy fanahy.” Toy izao no nilazan’ny lehilahy iray mpivaofy teny momba ny Baiboly an’io andinin-teny io: “Mihatra, na dia amin’ny biby moana aza, ny hatsaram-panahin’ny olo-marina, fa lozabe kosa ny ratsy fanahy, na dia rehefa mihevi-tena ho faran’izay tsara fanahy aza.” — Believer’s Bible Commentary, nataon’i William MacDonald.
Mitondra ny biby amin-katsaram-panahy sy mitady izay hahafantarana ny zavatra ilainy ny olo-marina. Mety hilaza ny olona iray ratsy fanahy fa tia biby izy, nefa ny ‘famindram-pony’, raha manana aza izy, dia halozana, raha ny tena marina. Mampiharihary ny antony manosika feno fitiavan-tena ao an-tsainy ny zavatra ataony. Tena marina tokoa izany ny amin’ireo izay mampiady biby amin’ny fanantenana ny hahazo vola!
Fanamaivanana ho an’ny biby
Marina fa ny ‘hanjakan’ny olona amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany’ no fikasan’Andriamanitra, tamin’ny voalohany. (Genesisy 1:28). Tsy tao amin’izany fikasany izany mihitsy ny hampijaliana ny biby. Tsy hitohy mandrakizay ny fitondrana ny biby amin’ny fomba tsy mifaditrovana. Manana antony inoana isika fa hatsahatr’Andriamanitra ny fijaliana tsy ilaina rehetra. Amin’ny fomba ahoana anefa?
Mampanantena izy fa hanaisotra ny olona ratsy fanahy sy lozabe. (Ohabolana 2:22). Momba ny biby, dia hoy ny Hosea 2:20: “Raha mby amin’izany andro izany, Izaho dia hanao fanekena ho azy amin’ny bibi-dia sy amin’ny voro-manidina ary amin’ny biby mandady sy mikisaka amin’ny tany (...), dia hataoko mandry fahizay izy”. Hahatalanjona erỳ ny hiaina mandritra izany fotoana izany, izay hisian’ny toe-piainana feno filaminana, ka tsy ny olona mahitsy ihany no handray soa avy amin’izany, fa ny biby koa!
[Sary, pejy 10]
“Tolon’omby ao Amin’ny Vohitra Iray”, nataon’i Francisco Goya