Azonao Atao ny Mifidy ny Hoavinao
NA DIA noheverina hoe “zava-bita lehibe ara-tsaina nanerana ny tontolo fahiny” aza ny fisikidianana, dia “fahaizana nohamavoin’ny mpaminany hebreo” kosa izy io, hoy ny fanamarihan’i Joan Oates, arkeôlôgy. Nahoana?
Na dia voahodidin’ny firenena nino ny anjara aza ny Isiraelita fahiny, dia nanilika ny hevitra ny amin’ny hery tsy misaina manapaka izay ho fiainan’izy ireo. Tao amin’ny toromarika nomeny ilay firenena dia nilaza tamin’izy ireo toy izao Andriamanitra: “Aoka tsy hisy eo aminao izay (...) mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody, na (...) mpanao hatsarana”. — Deoteronomia 18:10, 11.
Afaka natoky ny hoavy ny Isiraelita, satria tsy nahalala ny hevitra ny amin’ny anjara, ary tsy nankany amin’ny mpamantatra ny hoavy. Nanazava ny anton’izany ilay encyclopédie katolika frantsay hoe Théo, ka nilaza fa ilay firenena dia nino fa “tsy misy hery tsy misaina mihaza ny olombelona sy izao tontolo izao. Nanana fikasana ho an’ny olombelona Andriamanitra”. Inona izany fikasana izany?
Anjara sy safidy malalaka
Nampanantena fiadanana sy fahombiazana an’ireo Isiraelita Andriamanitra, raha nankato ny lalàny izy ireo. (Levitikosy 26:3-6). Fanampin’izany, dia niantehitra tamin’ny Mesia izay hanorina toe-piainana mahitsy eto an-tany izy ireo. (Isaia, toko faha-11). Kanefa, tsy hoe afaka nipetra-potsiny ny isam-batan’olona, ka namela ho avy izay ho avy, satria hoe efa nampanantena ireo zavatra ireo Andriamanitra. Mifanohitra amin’izany fa nilazana toy izao izy ireo: “Izay rehetra azon’ny tànanao atao dia ataovy amin’ny herinao”. — Mpitoriteny 9:10.
Ny hevitra fototra ao amin’izany dia ny hevitra ny amin’ny safidy malalaka. Afaka nanompo malalaka an’Andriamanitra sy nanapaka izay hoaviny ny Isiraelita. Nampanantena azy ireo toy izao Andriamanitra: “Raha hihaino tsara ny didiko izay andidiako anareo anio hianareo ka ho tia an’i Jehovah Andriamanitrareo sy hanompo Azy amin’ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra, dia halatsako eo amin’ny taninareo ny ranonorana amin’ny fotoany, dia ny loha-orana sy ny fara-orana, mba hanangonanao ny varinao sy ny ranomboalobokao ary ny diloilonao”. (Deoteronomia 11:13, 14). Nitahy ny Isiraely Andriamanitra, rehefa nankato izy ireo.
Taloha kelin’ny nidiran’izy ireo tao amin’ny tany nampanantenain’Andriamanitra azy, dia nanolotra safidy ho an’ny firenen’ny Isiraely Andriamanitra: “Indro efa nataoko teo anoloanao andro-any ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza”. (Deoteronomia 30:15). Ny hoavin’ny olona tsirairay dia niankina tamin’izay nataon’ny olona tsirairay sy ny fanapahan-keviny. Nidika ho fiainana sy fitahiana ny fanompoana an’Andriamanitra, nefa kosa nidika ho adim-piainana ny fandavana tsy hanao izany. Ahoana kosa ny amin’izao andro izao?
Ny antony sy ny vokany
Misy lalàna voajanahary maro izay napetrak’Andriamanitra mba hahasoa antsika, mifehy antsika. Iray amin’izany ny lalàn’ny antony sy ny vokany, na, araka ny ambaran’ny Baiboly hoe: “Izay afafin’ny olona no hojinjany”. (Galatiana 6:7). Raha vao ekentsika io fitsipika io, dia azo atao ny mandinika ny mety hitrangan’ny fisehoan-javatra ho avy sasany.
Raha tsy mitandrina isika fa mitondra fiarakodia amin’ny hafainganam-pandeha mafy, dia azo inoana kokoa hiharan-doza noho ny raha mitandrina. Raha mifoka sigara isika, dia azo inoana kokoa ho voan’ny kansera noho ny raha tsy mifoka. Marina aloha fa toa tsy azo inoana hitranga amintsika ny fanafihan’ny mpampihorohoro voalaza tao amin’ilay lahatsoratra fanokafana amin’ity fitohitohizan-dahatsoratra ity, ary tsy hisy heviny ny fikajiana ny mety hitrangany. Tsy hitondra antsika na aiza na aiza anefa ny finoana ny anjara. Tsy manazava ny ankehitriny na ny hoavy izany. Tsy tena manome toky indray ny amin’ny hoavy ny finoana hevi-diso. Toy izany koa ny fiheverana fa avy amin’Andriamanitra avokoa ny fisehoan-javatra rehetra.
Hanao ahoana ny hoavinao?
Tsy voasoratra mialoha ny hoavintsika, fa ny ankehitriny no manapaka izay hoavintsika. Na dia fanomezan’Andriamanitra aza ny fiainana, dia manambara mazava ny Baiboly fa manana anjara asa lehibe amin’ny fanapahana izay ho fiainantsika ankehitriny sy amin’ny hoavy isika. Manana safidy isika: na hampifaly an’Andriamanitra na, mifanohitra amin’izany, hampalahelo azy. Izany dia mampiseho fa misy fahefana ihany nomen’Andriamanitra antsika hifehezantsika ny fiainantsika. — Genesisy 6:6; Salamo 78:40; Ohabolana 27:11.
Fanampin’izany, dia manantitrantitra imbetsaka ny Soratra Masina fa mifamatotra amin’ny fiaretantsika sy ny lalam-piainantsika ny hoavintsika, ary tsy hisy dikany firy izany raha efa voalahatra mialoha ny zava-drehetra. (Matio 24:13; Lioka 10:25-28). Raha toa àry isika ka mifidy ny hankato sy ho mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra, hoavy manao ahoana no azontsika antenaina?
Ahariharin’ny Baiboly fa manana hoavy tena mamirapiratra ny taranak’olombelona. Hovana ho paradisa hanjakan’ny fiadanana sy ny filaminan-tsaina ny tany. (Salamo 37:9-11; 46:8, 9). Azo antoka io hoavy io, satria hanatanteraka ny fampanantenany ilay Mpamorona tsitoha. (Isaia 55:11). Tsy miankina amin’ny anjara anefa ny hoe ho sambatra hiaina ao amin’ny Paradisa isika; vokatry ny fanaovantsika ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fankatoavantsika azy amin’izao fotoana izao izany. (2 Tesaloniana 1:6-8; Apokalypsy 7:14, 15). Nanome antsika safidy malalaka Andriamanitra, ary mampirisika antsika hoe: “Mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao”. (Deoteronomia 30:19). Inona no hofidinao? Tsy napetraka amin’ny anjara akory ny hoavinao. Eo am-pelatananao ny hoavinao.
[Sary, pejy 10]
Nikasa ny hanome hoavy mahatalanjona ho an’ny olona mankato Andriamanitra