Ny Fomba Ahitana ny Tena Fahasambarana
TSY mpahandro mahay ihany no ilaina raha tiana hatsiro ny sakafo, fa boky misy fomba fandrahoan-tsakafo tsara koa! Mitovitovy amin’izany ny fahasambarana. Tsy zavatra iray monja no ilaina mba hananana azy io, fa maro. Anisan’izany ny asa, lalao, fiarahana amin’ny fianakaviana sy ny namana, ary ny fanompoana an’Andriamanitra. Tsy izay ihany anefa, fa mbola misy zavatra hafa tsy hita etỳ ivelany, toy ny toe-tsaina sy faniriana ary tanjona.
Soa ihany fa tsy voatery hitady irery ny fomba ahitana ny tena fahasambarana isika. Nahoana? Nomen’ny Mpamorona boky ahitana toromarika tena tsara isika, dia ny Baiboly. Misy amin’ny fiteny sy fitenim-paritra 2 377 izy io, na izy manontolo na ny ampahany, izany hoe be lavitra noho ny boky hafa rehetra eto an-tany!
Midika izany fa ny olona rehetra mihitsy no tian’Andriamanitra ho sambatra sy hifandray tsara aminy. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35; 17:26, 27) Hoy Andriamanitra: ‘Izaho ... no mampianatra anao hahita soa.’ Mampanantena izy fa ho “tahaka ny ony” ny fiadanantsika, raha mankatò ny didiny isika.—Isaia 48:17, 18.
Mampahatsiahy antsika an’ilay tenin’i Jesosy tao amin’ny lahatsoratra teo aloha io fampanantenana io. Hoy izy: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” (Matio 5:3) Tsy mody miseho ho mpivavaka be ny olona mahatsapa fa mila an’Andriamanitra. Hita eo amin’ny fiainany manontolo kosa fa mila an’Andriamanitra izy. Vonona hihaino an’Andriamanitra sy hampianariny izy, satria ekeny fa mahafantatra azy kokoa noho ny tenany Andriamanitra. Hoy i Errol, izay efa nianatra Baiboly nandritra ny 50 taona mahery: “Mahomby foana ny fampianaran’ny Baiboly rehefa ampiharina! Izany no tena nahatonga ahy ho resy lahatra fa avy amin’Andriamanitra izy io.” Jereo, ohatra, ny torohevitra tena tsara omen’ny Baiboly momba ny fikatsahana harena sy fahafinaretana.
Tari-dalana feno fahendrena momba ny vola
Hoy i Jesosy: “Na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.” (Lioka 12:15) Tsy miankina amin’ny habetsahan’ny harenanao tokoa ny tena hasarobidinao, indrindra fa eo imason’Andriamanitra. Mampitombo ny adin-tsaina kosa aza matetika ny fikatsahana harena, ka mampihena ny fifaliana sy mandany ny fotoana tokony hanaovan-javatra ilaina kokoa.—Marka 10:25; 1 Timoty 6:10.
Nilaza i Richard Ryan, mpampianatra psikolojia any Etazonia, fa arakaraka ny ikatsahan’ny olona harena no vao mainka tsy mahafa-po azy. Izao no fomba nilazan’i Solomona, mpanoratra Baiboly, an’izany: “Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin’ny fitomboan-karena.” (Mpitoriteny 5:9) Azo oharina amin’izay mitranga amin’ny hoditra voakaikitry ny moka izany. Vao mainka mangidihidy ilay izy arakaraka ny hanaotraorana azy, ary maratra amin’ny farany.
Mampirisika antsika ny Baiboly mba hiasa mafy, ka hankafy ny vokatr’izany. (Mpitoriteny 3:12, 13) Mahatonga antsika hahatsiaro tena ho misy vidiny izany, izay zavatra hafa tena ilaina mba hahasambatra. Mety ho afaka hankafy zavatra sasany mahasoa koa isika, rehefa manam-bola. Tsy midika anefa izany fa tokony hataontsika loha laharana eo amin’ny fiainana ny fikatsahana harena.
Tsy tokony ho loha laharana ny fahafinaretana
Handray soa be indrindra avy amin’ny fialam-boly sy ny zavatra hafa mahafinaritra isika, raha ataontsika loha laharana ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Niara-nifaly tamin’ny olona i Jesosy indraindray, ka nihinana sy nisotro. (Lioka 5:29; Jaona 2:1-10) Tsy ireo zavatra ireo mihitsy anefa no tena nahafaly azy, fa ny fanaovany ny sitrapon’Andriamanitra. Anisan’izany ny fanampiana ny olona hianatra momba an’Andriamanitra sy ny fikasany.—Jaona 4:34.
Nanandrana nanao izay nahafinaritra azy i Solomona Mpanjaka, mba hahitana raha tena mahasambatra izany. Hoy izy: “Hanaram-po amin’ny fahafinaretana aho, ary hanao izay hahafaly ahy.” Tsy nihafihafy mihitsy io mpanjaka nanan-karena io nanao izany. Tena nanaram-po tamin’ny fahafinaretana izy! Inona anefa no tsapany avy eo? Hoy izy: “Zava-poana koa izany.”—Mpitoriteny 2:1, Baiboly Anglisy Vaovao.
Tsy afa-po tokoa matetika ny olona tsy manao afa-tsy ny mikatsaka fahafinaretana. Nampitahain’ny mpikaroka tamin’ny fikatsahana fahafinaretana ny asa mahafa-po, ny fanompoana an’Andriamanitra ary ny fiarahana amin’ny fianakaviana. Hitan’izy ireo fa ny fikatsahana fahafinaretana no tsy mahasambatra indrindra.
Aoka ianao ho tia manome sy hahay hisaotra
Tia manome sy miahy ny hafa ny olona sambatra, fa tsy tia tena. Hoy i Jesosy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Tsy zavatra ihany no azontsika omena, fa ny fotoanantsika sy ny herintsika koa. Ireo no sarobidy kokoa amin’ny olona, indrindra amin’ny olona ao an-tranontsika. Mila manokana fotoana iarahana, ohatra, ny mpivady, mba hampahatanjaka sy hahasambatra hatrany ny tokantranony. Mila manokana fotoana be dia be ho an-janany koa ny ray aman-dreny, ka hiresaka sy haneho fitiavana aminy ary hampianatra azy. Ho sambatra ny tokantrano ary handeha tsara ny fiainan’ny mpianakavy rehetra, rehefa samy tia manome amin’ireo lafiny ireo izy ireo.
Etsy an-danin’izany, moa ve ianao ‘mampiseho fa mahay misaotra’, rehefa misy olona manome anao ny fotoanany sy ny heriny na zavatra hafa? (Kolosianina 3:15) Hanatsara ny fifandraisantsika amin’ny olona izany, ary tena hahafaly antsika. Tsy sambatra tokoa ve ianao, rehefa misy olona misaotra anao amin’ny fony manontolo?
Mihamahatsapa ny zavatra tsara eo amin’ny fiainantsika koa isika, rehefa mahay misaotra. Nisy mpikaroka tany amin’ny Oniversiten’i Kalifornia, any Etazonia, nanasa olona maromaro hanoratra ao anaty diary ny zava-drehetra nankasitrahan’izy ireo. Hita fa nahatsiaro tena ho sambatra kokoa ireo olona ireo, rehefa afaka iray volana sy tapany.
Inona no lesona avy amin’izany? Mianara mieritreritra izay zavatra tsara eo amin’ny fiainanao, na inona na inona mitranga. Mampirisika antsika hanao izany ny Baiboly. Izao no voalaza ao: “Mifalia mandrakariva. ... Misaora amin’ny zava-drehetra.” (1 Tesalonianina 5:16, 18) Mazava ho azy fa mila miezaka mafy mitadidy ny zavatra tsara eo amin’ny fiainantsika isika, vao afaka manao izany. Nahoana raha atao tanjona izany?
Tena mahasambatra ny fitiavana sy fanantenana
Voalaza fa mila fitiavana ny olona raha vao teraka ka mandra-pahafatiny, ary marina izany. Mijaly izy raha tsy mahazo azy io. Fa inona marina no atao hoe fitiavana? Be dia be ny famaritana ny fitiavana ankehitriny. Tena tsara anefa ny famaritan’ny Baiboly azy io. Hoy izy: “Ny fitiavana mahari-po sy tsara fanahy. Ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady izay hahasoa ny tenany, tsy mora tezitra, tsy mitana lolompo, tsy mifaly noho ny tsy fahamarinana fa mifaly noho ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zava-drehetra, mino ny zava-drehetra, manantena ny zava-drehetra, miaritra ny zava-drehetra.”—1 Korintianina 13:4-8.
Tsy tia tena ny olona tena tia! Izay hahasambatra ny hafa no tadiaviny voalohany, satria “tsy mitady izay hahasoa ny tenany” izy. Mampalahelo fa mihavitsy hatrany ny olona toy izany. Nilaza mantsy i Jesosy tao amin’ilay faminaniany miavaka momba ny fifaranan’ity tontolo ity fa “hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro.”—Matio 24:3, 12; 2 Timoty 3:1-5.
Tsy hitohy mandrakizay anefa izany, satria manala baraka ny Mpamorona, izay Andriamanitra fitiavana! (1 Jaona 4:8) Tsy ho ela dia hesoriny eto an-tany ny olona rehetra mankahala ny hafa, na tia harena tafahoatra. Izay miezaka mafy maneho ilay fitiavana voalaza etsy aloha ihany no havelany ho velona. Hanjaka eran-tany àry ny fiadanana sy fahasambarana. Ho tanteraka tokoa ny fampanantenan’ny Baiboly hoe: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; handinika ny fonenany hianao, fa tsy ho hita izy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.”—Salamo 37:10, 11.
Eritrereto hoe “hiravoravo” foana ianao isan’andro! Tsy mahagaga raha miteny ny Baiboly hoe: “Mifalia amin’ny fanantenana.” (Romanina 12:12) Tianao ve ny hahalala bebe kokoa ny fampanantenana tena tsara omen’Andriamanitra ny olona mankatò? Vakio àry ny lahatsoratra manaraka.
[Teny notsongaina, pejy 7]
“Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asan’ny Apostoly 20:35
[Efajoro/Sary, pejy 5]
Sambatra Tokoa ve Izy Ireny?
Mandre isika indraindray fa misy olona nijaly be tamin’ny mbola kely, nefa niady mafy tamin’ny fiainana araka izay fara heriny, ka lasa nanan-karena be. Hoy ny gazety amerikanina iray momba izany: “Ny tantara toy ireny indraindray dia entina anaporofoana, fa niady mafy tamin’ny fiainana araka izay vitany ilay olona, ka lasa sambatra, na dia nijaly aza tamin’ny mbola kely. Sarotra inoana anefa izany, satria hita tamin’ny fikarohana natao fa toa tsy tena sambatra akory ilay olona. Lasa nanan-karena fotsiny izy.”
[Efajoro/Sary, pejy 6]
Mahasalama ny Hafaliana
Salama ny olona falifaly. Hoy ny gazety Fotoana: ‘Toa tsy dia atahorana hiakatra tosidra, na ho voan’ny diabeta, sery, aretim-po, na aretin’ny taovam-pisefoana, ny olona falifaly, na ny olona manana toe-tsaina hafa mifandray amin’izany, toy ny fanantenana sy ny fahaiza-mianina. Mety ho voan’ireo aretina ireo ihany izy, saingy tsy voa mafy loatra.’ Ankoatra izany, dia hita tamin’ny fandinihana natao tany Holandy nandritra ny sivy taona, fa tsy dia atahorana ho faty ny zokiolona marary, raha falifaly sy be fanantenana!
Mbola tsy mazava aloha hatramin’izao hoe inona no vokatry ny toe-tsaina eo amin’ny vatana. Hita tamin’ny fikarohana anefa, fa kely kokoa ny hormonina cortisol ao amin’ny olona be fanantenana. Fantatra mantsy fa mampihena ny hery fiarovana io hormonina io.
[Sary, pejy 4, 5]
Matsiro ny sakafo raha manaraka fomba fandrahoan-tsakafo tsara isika. Ho sambatra koa isika raha manaraka ny tari-dalan’Andriamanitra