Andriamanitra
Famaritana: Ilay Fisiana Fara Tampony manana anarana hoe Jehovah. Milaza hery, haja, voninahitra, ary hatsarana ny teny hebreo ilazana ny hoe “Andriamanitra.” Ankoatra an’ilay tena Andriamanitra, dia misy koa ny andriamani-diso. Nanandra-tena ho andriamanitra ny sasany amin’izy ireny, ary ny hafa kosa nataon’ny olona ho andriamanitra.
Misy antony marim-pototra inoana an’Andriamanitra ve?
Sal. 19:1: “Ny lanitra manambara ny voninahitr’Andriamanitra, ary ny habakabaka milaza ny asan’ny tanany.”
Sal. 104:24: “Maro be tokoa ny zava-bitanao, Jehovah ô! Tamim-pahendrena no nanaovanao azy rehetra. Heniky ny zavatra nataonao ny tany.”
Rom. 1:20: “Ny toetrany tsy hita maso ... dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony.”
Hoy ny Mpahay Siansa Vaovao: “Maro no mihevitra fa voaporofon’ny mpahay siansa hoe ‘diso’ ny fivavahana. Heverin’izy ireo fa tsy mino an’Andriamanitra ny mpahay siansa. Noporofoin’i Darwin, hono, fa tsy mitombina ny finoana an’Andriamanitra, ka toy ny hoe naleviny Izy ary tsy antenaina hitsangana amin’ny maty intsony, raha jerena ny fandrosoan’ny siansa sy ny teknolojia. Diso hevitra tanteraka anefa ireny olona ireny.”—anglisy, 26 Mey 1977, p. 478.
Nisy mpikambana tao amin’ny Akademia Frantsay Momba ny Siansa nilaza hoe: “Tsy noforonin’ny sain’olombelona na noforonin’ny manam-pahaizana ny lamina eo amin’izao rehetra izao. ... Matoa misy lamina dia misy saina mpandamina. Tsy an’iza akory izany saina izany fa an’Andriamanitra.”—Misy ve Andriamanitra? Eny! (frantsay, Paris 1979), Christian Chabanis, namerina ny tenin’i Pierre-Paul Grassé, p. 94.
Diniho ny lela. Misy tambatsela antsoina hoe tsapatsiro izy io. Misy sela mpandray tsiro 100 ny tsapatsiro tsirairay. Mandre tsiro iray ny sela mpandray tsiro tsirairay: na marikivy, na masira, na mamy, na mangidy. Mifandray amin’ny selam-pitatitra ny sela mpandray tsiro. Misy taharo simika ny sakafo rehetra hanintsika, ary ireny no manaitra ny selam-pitatitra. Ireo sela ireo indray no mampita hafatra any amin’ny atidoha. Dia ho vokatry ny kisendrasendra fotsiny izany?
Fanoharana: Miaiky avy hatrany isika rehefa mahita fakan-tsary na radio na ordinatera, fa nisy olona kinga saina nanao azy ireo. Be kojakojany lavitra noho ireo anefa ny maso sy ny sofina ary ny atidohan’olombelona. Koa tsy tokony hiaiky àry ve isika fa nisy nanao koa ireny sady tena kinga saina ilay nanao azy?
Jereo koa ny pejy 150-152, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Famoronana.”
Ny fisian’ny faharatsiana sy ny fijaliana ve manaporofo fa tsy misy Andriamanitra?
Diniho ireto ohatra ireto: Aoka hatao hoe namonoana olona ny antsy iray. Midika ve izany fa tsy nisy nanamboatra ilay antsy? Ary raha ampiasaina handatsahana baomba ny fiaramanidina iray, midika ve izany fa tsy nisy namorona izy io? Sa ny fomba ampiasana an’ireo fitaovana ireo no mahatonga ny olona hijaly?
Moa ve tsy ny fahazaran-dratsin’ny olona sy ny fanimbany ny tontolo iainana no miteraka aretina maro? Tsy ny ady ataon’ny olona ve no antony iray lehibe mahatonga azy hijaly? Marina fa olona an-tapitrisany no mosarena, kanefa tondraka koa ny sakafo any amin’ny tany sasany. Koa tsy ny fitiavam-bola àry ve no tena fototr’ilay olana? Tsy manaporofo mihitsy anefa izany rehetra izany hoe tsy misy Andriamanitra. Asehon’izany kosa fa tsy ampiasain’ny olona araka ny tokony ho izy ny fahaizana nomen’Andriamanitra azy ary simban’izy ireo ny tany.
Tena miahy ny olona ve Andriamanitra?
Eny! Izao no porofo: Milaza ny Baiboly fa nomen’Andriamanitra fiainana lavorary ny olona tany am-piandohana. (Gen. 1:27, 31; Deot. 32:4) Tsy maintsy nankatò an’ilay Mpamorona anefa izy ireo, raha te hahazo sitraka aminy foana. (Gen. 2:16, 17) Raha nankatò izy ireo, dia ho lavorary foana ny fiainany, izany hoe tsy ho narary na nijaly na maty izy. Ho nanome ny tari-dalana nilainy ilay Mpamorona, ary ho niaro azy tamin’ny loza. Nolavin’ny olombelona anefa ny tari-dalan’Andriamanitra. Nifidy ny hitondra samirery ny fiainany izy ireo. Nidi-kizo izy ireo tamin’izay, satria tsy noforonina ho toy izany. (Jer. 10:23; Mpito. 8:9; Rom. 5:12) Efa taonjato maro anefa izao Andriamanitra no maneho faharetana amin’ny olona. Mitady olona te hanompo azy izy, dia ireo tia azy sy ny fitsipiny. Mampanantena izy fa homeny azy ireo ny fitahiana rehetra nafoin’ny olona vokatry ny tsy fahalavorariana sy ny tsy fahaiza-mitondra. (Apok. 21:3-5) Nanome ny Zanany izy mba hamonjena ny olona ho afaka amin’ny ota sy ny fahafatesana. Izany no porofo fa tena tian’Andriamanitra ny olombelona. (Jaona 3:16) Efa nanendry fotoana izy handringanana an’izay manimba ny tany, sy hanomezana fiainana lavorary ho an’ireo tia ny rariny, araka ny efa nokasainy tany am-boalohany.—Apok. 11:18; Sal. 37:10, 11; jereo koa ny loha hevitra hoe “Fijaliana” sy “Faharatsiana.”
Manana vatana ve Andriamanitra?
Heb. 9:24: “Tsy toerana masina nataon-tanana ... no nidiran’i Kristy, fa ny lanitra mihitsy, mba hisehoany ankehitriny eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika.”
Jaona 4:24: “Andriamanitra dia Fanahy.”
Jaona 7:28: “Tena misy ilay naniraka ahy”, hoy i Jesosy.
1 Kor. 15:44: “Raha misy vatana ara-nofo, dia misy koa ara-panahy.”
Manana fihetseham-po toy ny an’olombelona ve Andriamanitra?
Jaona 16:27: ‘Tia anareo ny Ray, satria ianareo efa tia ahy ka nino fa avy tamin’ny Ray aho sady solontenan’ny Ray.’
Isaia 63:9: “Ory izy nandritra ny fahoriana rehetra nanjo an’ireo ... Noho ny fitiavany sy ny fangorahany no nanavotany azy.”
1 Tim. 1:11: “Ilay Andriamanitra falifaly.”
Nanam-piandohana ve Andriamanitra?
Sal. 90:2: “Talohan’ny nahaterahan’ny tendrombohitra, sy ny niterahanao ny tany mbamin’ny tany lonaka, dia efa Andriamanitra ianao hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay.”
Mitombina ve izany? Mety tsy ho takatsika tsara ny hoe tsy nanam-piandohana Andriamanitra, nefa tsy hoe tsy azo inoana akory izany. Ireto misy ohatra: 1) Fotoana: Tsy misy olona afaka milaza hoe oviana marina no niandoha ny fotoana. Rehefa maty ny olona, dia mifarana hatreo ny fiainany, fa ny fotoana kosa mitohy foana. Tsy lavintsika anefa hoe tena misy ny fotoana, na dia tsy azontsika tsara aza ny mombamomba azy io. Ampifanarahantsika amin’izy io kosa ny fiainantsika. 2) Ny any ambony tsy taka-maso: Tsy hitan’ny manam-pahaizana hatramin’izao hoe aiza no miandoha izany ary aiza no mifarana. Eken’izy ireo anefa fa izay no zava-misy, ary maro no milaza fa midadasika be tsy misy fetrany ny any ambony tsy taka-maso any. Tokony hekentsika toy izany koa ny fisian’Andriamanitra.
Ohatra hafa: 1) Milaza ny manam-pahaizana fa mahatratra 15 000 000 degre ny hafanana eo afovoan’ny masoandro. Tsy ekentsika ve izany, satria fotsiny hoe tsy tena takatry ny saintsika? 2) Milaza koa izy ireo fa mivelatra be ny Vahindanitra Mivolondronono (Voie Lactée), ka 100 000 taona vao mahavita mamakivaky azy io ny hazavana mandeha 300 000 kilaometatra isan-tsegondra. Tena takatry ny saintsika ve izany elanelana izany? Ekentsika anefa izany, satria voaporofon’ny mpahay siansa.
Inona no azon’ny saina ekena kokoa: Misy Mpamorona velona sy kinga saina nanao an’izao rehetra izao ve? Sa tongatonga ho azy teo fotsiny izany, avy tamin’ny zavatra tsy mananaina sy tsy manan-tsaina? Aleon’ny sasany mino an’io hevitra farany io, satria tsy te hiaiky izy ireo hoe misy ny Mpamorona. Tsy tena takatr’izy ireo mantsy ny toetrany. Mariho fa tsy tena takatry ny mpahay siansa ny fomba fiasan’ny fototarazo ao anaty sela, sy ny fomba fitombon’ny sela, ary ny fomba fiasan’ny atidoha, kanefa ekentsika rehetra fa misy izy ireny. Koa ho takatsika daholo koa ve ny mombamomba an’ilay Mahery Indrindra, izay namorona an’izao rehetra izao midadasika sy be pitsiny?
Zava-dehibe ve ny ampiasana ny anaran’Andriamanitra?
Rom. 10:13: “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.”
Ezek. 39:6: “Tsy maintsy ho fantatra fa izaho no Jehovah.”
Hoy i Jesosy tamin’ny Rainy: “Efa nampahafantariko azy [ny tena mpianany] ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany.”—Jaona 17:26.
Jereo koa ny pejy 287, 288, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Jehovah.”
Tsy mampaninona ve izay Andriamanitra ivavahantsika, rehefa manana fivavahana fotsiny isika?
1 Kor. 10:20: “Izay zavatra atolotry ny hafa firenena ho sorona dia ataony sorona ho an’ny demonia, fa tsy ho an’Andriamanitra.”
2 Kor. 4:4: “Ny andriamanitr’ity tontolo ity no manajamba ny sain’ny tsy mino, mba tsy hamirapiratra amin’izy ireo ny fahazavan’ny vaovao tsara be voninahitra, dia ilay vaovao tsara momba an’i Kristy, izay endrik’Andriamanitra.” (Antsoina hoe ‘andriamanitra’ eto ny Devoly. Jereo ny 1 Jaona 5:19; Apokalypsy 12:9.)
Mat. 7:22, 23: “Maro no hilaza amiko [Jesosy Kristy] amin’izany andro izany hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô, moa ve izahay tsy efa naminany tamin’ny anaranao, sy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao, ary efa nanao fahagagana maro tamin’ny anaranao?’ Hotsoriko aminy anefa amin’izay fotoana izay hoe: Tsy fantatro mihitsy ianareo! Mialà amiko, ianareo mpandika lalàna.” (Na dia milaza tena ho Kristianina aza isika, dia tsy voatery ho ilay tena Andriamanitra no tompointsika.)
Jereo koa ny pejy 250, 251, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Fivavahana.”
Raha i Jehovah no “ilay hany tena Andriamanitra”, amin’ny heviny ahoana i Jesosy no “Andriamanitra”?
Nantsoin’i Jesosy hoe “ilay hany tena Andriamanitra” ny Rainy. (Jaona 17:3) I Jehovah mihitsy koa no nilaza hoe: “Tsy misy Andriamanitra afa-tsy izaho.” (Isaia 44:6) Nanoratra koa ny apostoly Paoly fa “tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana ihany” amin’ny tena Kristianina, “dia ny Ray.” (1 Kor. 8:5, 6) Tsy manan-tsahala àry i Jehovah. Hafa tanteraka izy fa tsy toy ny sampy, na olona atao andriamanitra kely, na Satana, izay ivavahan’ny olona. Andriamani-diso daholo ireny.
Antsoin’ny Baiboly hoe “andriamanitra” na koa hoe “Andriamanitra Mahery” i Jesosy. (Jaona 1:1; Isaia 9:6) Tsy lazaina mihitsy hoe Andriamanitra Mahery Indrindra anefa izy, fa i Jehovah irery no antsoina toy izany. (Gen. 17:1) Voalaza fa “taratry ny” voninahitr’Andriamanitra i Jesosy. Ny Ray anefa no manana izany voninahitra izany. (Heb. 1:3) Tsy nitady haka ny toeran’ny Rainy mihitsy i Jesosy. Hoy izy: “I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.” (Lioka 4:8) “Fanahy tahaka an’Andriamanitra” izy, ary namoaka didy ny Ray ‘mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra.’ Atao “ho voninahitr’Andriamanitra Ray” anefa izany rehetra izany.—Fil. 2:5-11; jereo koa ny pejy 292-296.
Raha misy milaza hoe:
‘Tsy mino an’Andriamanitra aho’
Azonao valiana hoe: ‘Efa hatramin’izay ve ianao no tsy mino an’Andriamanitra?... Efa nisy porofo tena nampiaiky anao ve fa tsy misy tokoa Izy?’ Azonao ampiana hoe: ‘Tena mahaliana ahy ny resaka momba an’Andriamanitra, ary efa nandalina momba izany aho. Ireto misy hevitra tena nanampy ahy: ... (Jereo ilay lohatenikely hoe “Misy antony marim-pototra inoana an’Andriamanitra ve?”, pejy 36; jereo koa ny pejy 150-152, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Famoronana.”)’
Na hoe: ‘Te hilaza ve ianao fa tsy mino hoe misy ny Mpamorona? Sa tsy mino izay ampianarin’ny fivavahana intsony ianao, satria hitanao fa fihatsarambelatsihy fotsiny ny any?’ Raha io farany io no lazainy, dia azonao ampiana hoe: ‘Samy hafa tanteraka ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina sy ny tena Fivavahana Kristianina. Nampijaly vahoaka ireo mihambo ho Kristianina, fa ny tena Kristianina kosa tsy mba nanao izany. Nandray anjara tamin’ny ady koa ireo mihambo ho Kristianina, sady tsy nanome tari-dalana momba izay fitondran-tena mety. Tsy mankasitraka ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina ny Baiboly, fa manameloka azy kosa.’
Na hoe: ‘Efa niresaka tamin’olona tsy mino an’Andriamanitra aho. Nisy tamin’izy ireny nilaza fa sarotra aminy ny mino an’Andriamanitra, satria be loatra ny fijaliana sy ny faharatsiana. Izany koa ve no hevitrao? (Raha izay, dia ampiasao ny fanazavana ambanin’ilay lohatenikely hoe “Ny fisian’ny faharatsiana sy ny fijaliana ve manaporofo fa tsy misy Andriamanitra?”, pejy 37, 38.)’
‘Tsy mino afa-tsy izay hitan’ny masoko aho, nefa Andriamanitra mbola tsy hitako’
Azonao valiana hoe: ‘Maro ny olona mitovy hevitra aminao. Ny anton’izany angamba dia satria antitranterina be loatra ankehitriny ny fananana zavatra hita maso. Mino anefa aho fa olona mijery ny zava-misy ianao.’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Misy zavatra tsy hitan’ny masontsika ve nefa inoantsika hoe misy, satria hitantsika ny porofon’izany? Ahoana, ohatra, ny amin’ny rivotra? Fantatsika fa misy ny rivotra rehefa mitsoka. Azontsika fenoina rivotra koa ny havokavotsika, na dia tsy hitantsika aza ny rivotra. Tsy rariny ve raha mino isika hoe misy ny rivotra, satria hitantsika ny vokany?’ 2) ‘Tsy hitantsika koa ny hery misinton’ny tany, nefa mahita porofon’ny fisian’izy io isika rehefa mandatsaka zavatra. Io hery io mantsy no misintona an’ilay zavatra ho amin’ny tany. Tsy mahita fofona koa isika, nefa ren’ny orontsika izany. Tsy hitantsika koa ny onjam-peo, nefa mahare feo ny sofintsika. Koa mino ny zavatra tsy hitantsika isika, rehefa mahita porofo marim-pototra ny amin’izany.’ 3) ‘Misy porofo àry ve manamarina fa tena misy ny Andriamanitra iray tsy hita maso? (Ampiasao ny fanazavana eo ambanin’ilay lohatenikely hoe “Misy antony marim-pototra inoana an’Andriamanitra ve?” pejy 36, 37.)’
‘Manana ny hevitro momba an’Andriamanitra aho’
Azonao valiana hoe: ‘Mahafinaritra hoe efa nieritreritra momba an’Andriamanitra ianao sady mino azy. Azoko fantarina ve hoe ahoana no fiheveranao azy?’ Azonao ampiana hoe: ‘Manaiky angamba ianao fa tokony hifanaraka amin’izay lazain’Andriamanitra ny zavatra inoantsika momba azy. Afaka mamaky andinin-teny iray momba an’Andriamanitra ve aho? (Sal. 83:18)’