Toko Faha-17
Tokony Hiala Amin’ny Fianarana ve Aho?
SURVEILLANT tao amin’ny sekoly nandritra ny 25 taona mahery i Jack. Noho izany, dia ho sahirana mafy ny ankizy mpingitrika iray vao hahita fialan-tsiny mbola tsy ren’i Jack. “Nahare izao fialan-tsiny rehetra izao aho avy tamin’ireo ankizy ireo”, hoy izy, “toy ny hoe ‘Noheveriko fa harary aho anio’ (...) ‘Maty ny dadabenay any Alaska’.” Fa inona kosa no fialan-tsiny “tian’i Jack indrindra”? Dia ilay nolazain’ny ankizilahy telo izay nanao hoe: “Tsy nety hitanay ny sekoly fa feno zavona loatra.”
Ireo fialan-tsiny mampalahelo fa sarotra inoana ireo dia mampiseho tsara ny fankahalan’ny tanora maro ny sekoly. Ny sasany tsy miraharaha (“Tsy maninona angamba”), fa ny hafa kosa mankahala an-kitsirano izao (“Halako! Tsy misy itiavana azy mihitsy”). I Gary, ohatra, raha vao nifoha ho any am-pianarana, dia nahatsiaro ho narary kibo avy hatrany. Hoy izy: “Raha vao nanakaiky ny sekoly aho dia tsemboka sy hendratrendratra aoka izany (...) Tsy maintsy niverina nody tsotra izao aho.” Tanora maro no voan’ny tahotra ny sekoly raiki-tampisaka toy izany, izay antsoin’ny dokotera mihitsy hoe phobie, na tahotra, ny sekoly. Matetika izy io dia ateraky ny herisetra any an-tsekoly, ny halozan’ireo mitovy taona aminy ary ny fanerena hahazo naoty tsara. Mety hankany am-pianarana (noho ny fanosehana kely avy amin’ny ray aman-dreniny) ny tanora toy izany, kanefa mahatsapa horohoro mandrakariva ary fahoriana ara-batana mihitsy aza.
Tsy mahagaga raha mihamitombo amin’ny fomba mampanahy ny isan’ireo tanora mifidy ny tsy handeha hianatra mihitsy! Any Etazonia fotsiny, dia eo amin’ny roa tapitrisa sy sasany eo ho eo ny mpianatra any amin’ny sekoly ambaratonga voalohany sy ambaratonga faharoa no tsy tonga isan’andro! Ny lahatsoratra iray tao amin’ny The New York Times dia nanampy teny fa be dia be aoka izany (eo amin’ny ampahatelony eo ho eo) ireo voan’ny “areti-mitaizan’ny tsy fahatongavana”, any amin’ireo sekoly ambaratonga faharoa ao amin’ny tanànan’i New York, “hany ka mila tsy ho azo atao mihitsy ny mampianatra azy ireny”.
Ny tanora hafa dia manao dingana hentitra kokoa. “Nanorisory sy henjana loatra ny tany am-pianarana”, hoy ny zatovolahy iray antsoina hoe Walter. Nitsahatra tsy nankany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa intsony izy. Toy izany koa ny ankizivavy iray antsoina hoe Antonia. Sarotra taminy ireo entimodiny. “Ahoana no hahafahako hanao ilay entimody, nefa tsy azoko akory izay novakiko?”, hoy izy nanontany. “Tsy nanao afa-tsy ny nipetraka teo fotsiny aho, sy ny nihadondrona nihadondrona ihany, dia nadaboko any.”
Marina aloha fa misy zava-manahirana lehibe maro mamely ny rafitry ny sekoly maneran-tany. Kanefa moa ve izany antony tsy tokony hampisehoana fahalianana intsony amin’ny fianarana, ka hialana aminy? Inona no vokatra mety hoentin’ny fialana amin’ny fianarana eo amin’ny fiainanao any aoriana? Moa ve misy antony tsara tokony hanohizana handeha any an-tsekoly mandra-pahavitanao ny fianaranao?
Ny hasarobidin’ny fahitana fianarana
Niverina nankany an-tsekoly i Michael mba haka baccalauréat. Rehefa nanontaniana ny antony izy dia nanao hoe: “Takatro fa nilaiko ny hahita fianarana.” Inona marina anefa no atao hoe “mahita fianarana”? Ny fahaizana mamerina tsianjery fahalalana maro be ve? Izany dia tsy mahaforona ny atao hoe mahita fianarana, tsy misy hafa amin’ny antontam-biriky tsy mahaforona trano iray.
Ny fahitana fianarana dia tokony hanomana anao hanana fiainana mahomby rehefa tonga olon-dehibe. I Allen Austill, talen’ny sekoly nandritra ny 18 taona, dia niresaka ny amin’ny “fahitana fianarana izay mampianatra anao hieritreritra, handamina zava-manahirana, hanavaka izay azon’ny saina ekena sy izay tsy azon’ny saina ekena, ny fahaizana fototra hisaina amin’ny fomba mazava, hahafantatra ny ilana ny fanazavana iray sy ny fifandraisana misy eo amin’ireo tapany mahaforona ny zavatra iray sy ilay zavatra manontolo, hahay hanao faminavinana sy fanavahana, hianatra ny fomba fianatra”.
Ary inona no idiran’ny sekoly amin’izany? Taonjato maro lasa izay, dia nanoratra ohabolana i Solomona Mpanjaka “mba hanomezana hakingan-tsaina ho an’ny tsy ampy fanandraman-javatra, ary fahalalana sy fahaiza-misaina ho an’ny tanora”. (Ohabolana 1:1-4, NW ). Eny tokoa, tsy misaraka amin’ny fahatanorana ny tsy fahampiam-panandraman-javatra. Ny sekoly anefa dia afaka manampy anao hampitombo sy hamboly fahaiza-misaina. Izany dia ny fahaizana, tsy hamerina tsianjery fahalalana fotsiny, fa hamakafaka azy ireo sy hanatsoaka hevitra mamokatra avy aminy koa. Na dia maro aza no manakiana ny fomba fampianatra ampiasain’ny sekoly sasany, ny sekoly dia tena manery anao hampiasa ny sainao. Marina fa mety tsy hisy ifandraisany amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao ny lazaolana jeometrika na ny fitadidiana daty ara-tantara be dia be. Kanefa hoy ny nosoratan’i Barbara Mayer ao amin’ny The High School Survival Guide: “Tsy ny rehetra no hahatadidy ireo zava-misy sy fahalalana rehetra izay tian’ny mpampianatra erỳ ny mampiditra azy ao amin’ireo fitsapam-pahaizana, kanefa ireo fahaizana toy ny fianarana ny fomba fianatra sy ny fomba fanaovana drafitrasa, dia tsy hohadinoina na oviana na oviana.”
Ny mpampianatra telo any amin’ny oniversite izay nanadihady momba ireo vokatra maharitry ny fianarana dia nanatsoaka hevitra tahaka izany koa, fa “ireo izay nahita fianarana kokoa dia tena manana fahalalana mivelatra kokoa sy lalina kokoa, tsy momba ireo zavatra ao anaty boky fotsiny, fa momba izao tontolo izao ankehitriny amin’ny ankapobeny koa, ary koa fa azo inoana kokoa ny hitadiavan’izy ireo sy hanekeny fahalalana. (...) Ireo fahasamihafana ireo dia mbola hita ihany na dia nihalehibe sy nandao ny sekoly efa hatramin’ny taona maro aza ireo olona”. — The Enduring Effects of Education.
Ny zava-dehibe indrindra dia hoe afaka manomana anao hiantsoroka ireo andraikitrao kristiana ny fahitana fianarana. Raha nandray fahazarana mianatra tsara ianao ka mahay mamaky teny tsara, dia afaka mianatra ny tenin’Andriamanitra mora foana. (Salamo 1:2, NW ). Rehefa avy nianatra hilaza ny hevitrao ianao tany an-tsekoly, dia afaka mampianatra mora foana ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly amin’ny hafa. Ny fahalalana momba ny tantara, ny siansa, ny jeografia ary ny matematika dia ilaina toy izany koa ary hanampy anao hifandray amin’ny olona manana fiaviana sy zavatra mahaliana azy ary finoana samihafa.
Ny sekoly sy ny asa
Misy fiantraikany lehibe eo amin’ny fahafahanao hahita asa amin’ny hoavy koa ny sekoly. Amin’ny ahoana?
Nilaza toy izao momba ny mpiasa mahay iray i Solomona Mpanjaka hendry: “Eo anatrehan’ny mpanjaka no hitsanganany, fa tsy hitsangana eo anatrehan’ny olona ambany izy.” (Ohabolana 22:29). Mbola marina ihany izany ankehitriny. “Raha tsy manana ireo fahaizana ilaina ianao, dia tombontsoa maro no mety hidify anao eo amin’ny fiainana”, hoy i Ernest Green ao amin’ny Ministeran’ny Asa Amerikana.
Mora takatra àry raha toa ka kely dia kely ny fahafahana hahita asa ananan’ireo miala amin’ny fianarana. Voa i Walter (notononina teo aloha) vao nianatra ny maha-marina izany. “Imbetsaka aho no nangataka asa fa tsy nahazo satria tsy nanana diplaoma.” Niaiky toy izao koa izy: “Indraindray ny olona dia mampiasa teny tsy azoko, ka mahatsapa tena ho toy ny vendrana aho.”
Ny ampahan’ny tsy fananana asa eo amin’ireo eo anelanelan’ny 16 sy 24 taona izay niala tsy nianatra intsony teo amin’ny ambaratonga faharoa dia “kely sisa dia ho avo roa heny noho ny an’ireo mitovy taona aminy nahazo diplaoma, ary kely sisa dia ho avo telo heny noho ny an’ireo tsy manana asa rehetra”. (The New York Times). “Ireo izay tsy manohy ny fianarany dia manidy ny varavarana ho amin’ny fahafahana azony hararaotina”, hoy ny teny nanampin’i F. Philip Rice ao amin’ny bokiny hoe The Adolescent. Ny olona iray niala tsy nianatra intsony dia azo inoana fa tsy manana ireo fahaizana fototra ilaina mba hanaovana na dia ireo asa tsotra indrindra aza.
Manoratra toy izao ao amin’ny bokiny hoe The Literacy Hoax i Paul Copperman: “Ny fanadihadiana iray natao vao haingana dia mampiseho fa mitaky ny fahaiza-mamaky tenin’ireo mpianatra ao amin’ny kilasy fahadimy, fara faharatsiny, ny asan’ny mpahandro sakafo, ny fahaizan’ny mpianatra ao amin’ny kilasy fahefatra ny asan’ny mécanicien, ary ny fahaizan’ny mpianatra ao amin’ny kilasy fahatelo na faharoa ny asan’ny mpivarotra ao amin’ny tranom-barotra.” Manohy ny teniny toy izao izy: “Mino aho fa araka ny fandrindran-kevitra ny hanatsoahana hevitra avy amin’izany fa ny kely indrindra takin’ny asan’ny mpampianatra, mpitsabo mpanampy, comptable na enjeniera, dia fari-pahaizana ambony kokoa noho izany raha ny amin’ny fahaiza-mamaky teny.”
Miharihary àry fa ireo mpianatra izay tena miezaka hahazo ireo fahaizana fototra, toy ny fahaiza-mamaky teny, dia hanana fahafahana betsaka lavitra hahazo asa. Inona anefa no soa hafa eo amin’ny fiainana manontolo mety ho azo avy amin’ny fandehanana any an-tsekoly?
Olona tsara kokoa
Izany soa eo amin’ny fiainanao manontolo izany dia ny fahafantaranao ireo toetra tsaranao sy ireo fahalemenao. I Michelle, izay vao nahita asa ampiasana ordinatera, dia nanamarika toy izao: “Tany am-pianarana aho dia nianatra ny fomba fiasa eo ambany fanerena, nianatra ny hiatrika fitsapam-pahaizana ary nianatra ny hilaza ny hevitro.”
‘Nampianatra ahy handray ny tsy fahombiazana araka ny tokony ho izy ny sekoly’, hoy ny ankizivavy hafa iray. Taloha izy mantsy dia nirona hihevitra fa ny hafa, fa tsy ny tenany, no tompon’andraikitra tamin’ireo tsy fahombiazany. Ny hafa koa dia nandray soa avy tamin’ny fandaharam-potoanan’ny sekoly voafehy tsara. Maro no manakiana ny sekoly noho izany, satria hoe manapepo ireo saina mbola tanora izany. Nampirisika ny tanora ‘hahalala fahendrena sy fifehezana’ anefa i Solomona. (Ohabolana 1:2, NW ). Raha ny marina, ireo sekoly izay anjakan’ny fifehezana dia namokatra saina maro manaraka lalàm-pifehezana, kanefa mahay mamoron-javatra.
Noho izany, dia hampiseho fahendrena ianao raha manararaotra amin’ny fomba feno ireo taona andehananao any an-tsekoly. Ahoana no ahafahanao manao izany? Aoka hatombotsika amin’ireo entimodinao izany.
Fanontaniana Hiaraha-midinika
◻ Nahoana no tanora maro be aoka izany no tsy tia ny sekoly? Ahoana no fihevitrao momba izany?
◻ Ahoana no anampian’ny sekoly ny olona iray hampitombo ny fahaiza-misaina?
◻ Inona no mety ho fiantraikan’ny fialanao tsy hianatra intsony eo amin’ny fahafahanao hahita asa amin’ny hoavy, ary nahoana?
◻ Soa manokana hafa inona avy no mety ho azo avy amin’ny tsy fialana amin’ny fianarana?
[Teny notsongaina, pejy 135]
“Tsy nanao afa-tsy ny nipetraka teo fotsiny aho, sy ny nihadondrona nihadondrona ihany, dia nadaboko any”
[Teny notsongaina, pejy 138]
“Ny fanadihadiana iray natao vao haingana dia mampiseho fa, amin’ny ankapobeny, dia mitaky, fara faharatsiny, ny fahaiza-mamaky tenin’ireo mpianatra ao amin’ny kilasy fahadimy ny asan’ny mpahandro sakafo, ny fahaizan’ny mpianatra ao amin’ny kilasy fahefatra ny asan’ny ‘mécanicien’, ary ny fahaizan’ny mpianatra ao amin’ny kilasy fahatelo na faharoa ny asan’ny mpivarotra ao amin’ny tranom-barotra”
[Sary, pejy 136]
Ny fifehezana ianaranao any an-tsekoly dia afaka ny hitondra soa ho anao mandritra ny andro iainanao rehetra
[Sary, pejy 137]
Kely dia kely ny fanantenana hahita asa ho an’ireo izay tsy manana ireo fahaizana fototra ampianarina any an-tsekoly