TOKO FAHENINA AMBIN’NY FOLO
Ataovy Azo Antoka fa Hanana Hoavy Maharitra ny Fianakavianao
1. Inona no fikasan’i Jehovah momba ny fandaharana ny amin’ny fianakaviana?
REHEFA nampiray an’i Adama sy i Eva tao amin’ny fanambadiana i Jehovah, i Adama dia naneho ny fifaliany tamin’ny filazana ilay tononkalo hebreo tranainy indrindra voarakitra an-tsoratra. (Genesisy 2:22, 23). Kanefa, mihoatra noho ny fanomezana fahafinaretana ho an’ireo zanany olombelona fotsiny ny tao an-tsain’ilay Mpamorona. Naniry ny hanaovan’ny mpivady sy ny fianakaviana ny sitrapony izy. Hoy ny nolazainy tamin’ilay mpivady voalohany: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.” (Genesisy 1:28). Asa fanendrena lehibe sady nahafa-po re izany! Ho sambatra toy inona moa izy ireo sy ireo zanany ho avy, raha nanao ny sitrapon’i Jehovah tamim-pankatoavana feno i Adama sy i Eva!
2, 3. Ahoana no ahafahan’ny fianakaviana mahita ny fahasambarana lehibe indrindra amin’izao andro izao?
2 Amin’izao andro izao koa, ireo fianakaviana dia sambatra indrindra rehefa miara-miasa mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “Ny [fifikirana amin’Andriamanitra, NW ] no mahasoa amin’ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.” (1 Timoty 4:8). Ny fianakaviana iray miaina amim-pifikirana amin’Andriamanitra ary manaraka ny tari-dalan’i Jehovah voarakitra ao amin’ny Baiboly, dia hahita fahasambarana amin’ny “fiainana ankehitriny”. (Salamo 1:1-3; 119:105; 2 Timoty 3:16). Na dia mpianakavy iray monja aza no mampihatra ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly, dia efa tsara kokoa ny zava-drehetra noho ny hoe tsy misy mihitsy.
3 Itỳ boky itỳ dia niresaka fotopoto-pitsipiky ny Baiboly maro izay anisan’ny mitarika ho amin’ny fahasambaram-pianakaviana. Azo inoana fa voamarikao fa ny sasany amin’izy ireny dia niverimberina tato amin’itỳ boky itỳ. Nahoana moa? Satria izy ireny dia mampiseho fahamarinana mahery izay hahasoa ny rehetra eo amin’ny lafiny maro samihafa amin’ny fiainam-pianakaviana. Ny fianakaviana iray izay mikely aina mampihatra ireny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ireny dia mahita fa tena ‘manana teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny’ tokoa ny fifikirana amin’Andriamanitra. Andeha isika hijery indray ny efatra amin’ireny fotopoto-pitsipika lehibe ireny.
NY HASAROBIDIN’NY FIFEHEZAN-TENA
4. Nahoana no zavatra lehibe dia lehibe ny fifehezan-tena ao amin’ny fanambadiana?
4 Hoy i Solomona Mpanjaka: “Tanàna rava tsy misy mànda ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny.” (Ohabolana 25:28; 29:11). ‘Ny fanindriana ny fanahin’ny tena’, izany hoe ny fifehezana ny tena, dia zavatra lehibe dia lehibe ho an’ireo izay maniry hanana fanambadiana sambatra. Ny fanekena ho resin’ny fihetseham-po mandrava, toy ny fisafoahana na ny filana maloto, dia hiteraka fanimbana izay hila taona maro vao ho voavoatra — raha ho azo amboarina akory aza.
5. Ahoana no ahafahan’ny olombelona tsy tanteraka mamboly fifehezan-tena, ary inona avy no soa entin’izany?
5 Mazava ho azy fa tsy misy taranak’i Adama afaka mifehy ny nofony tsy tanteraka amin’ny fomba feno. (Romana 7:21, 22). Na dia izany aza, ny fifehezan-tena dia vokatry ny fanahy. (Galatiana 5:22, 23, NW ). Noho izany, ny fanahin’Andriamanitra dia hamokatra fifehezan-tena ao amintsika, raha mivavaka mba hahazoana io toetra io isika, sy mampihatra ilay torohevitra mifanentana hita ao amin’ny Soratra Masina, ary mifanerasera amin’ny hafa izay maneho azy io ka manalavitra ireo izay tsy manao izany. (Salamo 119:100, 101, 130; Ohabolana 13:20; 1 Petera 4:7). Ny fanarahana ny lalana toy izany dia hanampy antsika ‘handositra ny fijangajangana’, na dia rehefa alaim-panahy aza isika. (1 Korintiana 6:18). Hanilika ny herisetra isika ary hanalavitra na handresy ny alkaolisma. Ankoatra izany, dia hiatrika amim-pahatoniana kokoa ny fihantsiana sy ny tarehin-javatra sarotra isika. Enga anie ny rehetra — anisan’izany ny ankizy — ka hianatra hamboly io vokatry ny fanahy tena lehibe dia lehibe io. — Salamo 119:1, 2.
NY FOMBA FIHEVITRA ARAKA NY TOKONY HO IZY MOMBA NY FAHEFAN’IZAY LOHANY
6. a) Ahoana no filaharan’ny fahefan’izay lohany naorin’Andriamanitra? b) Inona no tsy maintsy tadidin’ny lehilahy iray, raha tiany hitondra fahasambarana ho an’ny fianakaviany ny fahefany?
6 Ny fotopoto-pitsipika lehibe faharoa dia ny fanekena ny fahefan’izay lohany. I Paoly dia nilazalaza ny filaharan-javatra araka ny tokony ho izy, rehefa nilaza hoe: “Tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan’ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan’i Kristy.” (1 Korintiana 11:3). Midika izany fa ny lehilahy dia mitari-dalana ao amin’ny fianakaviana, ny vadiny manohana azy amim-panehoana tsy fivadihana, ary ny zanaka mankato ny ray aman-dreniny. (Efesiana 5:22-25, 28-33; 6:1-4, NW ). Mariho anefa fa ny fahefan’izay lohany dia tsy mitarika ho amin’ny fahasambarana raha tsy rehefa ampiharina araka ny tokony ho izy. Ny lehilahy miaina amim-pifikirana amin’Andriamanitra dia mahalala fa tsy fanaovana jadona akory ny fahefan’izay lohany. Manahaka an’i Jesosy, izay Lohany, izy. Na dia hatao ho ‘lohany hanapaka ny zavatra rehetra’ aza i Jesosy, dia “tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo”. (Efesiana 1:22; Matio 20:28). Toy izany koa, ny lehilahy kristiana dia mampihatra ny fahefany, tsy mba handraisan’ny tenany soa akory, fa mba hikarakarana ny tombontsoan’ny vady aman-janany. — 1 Korintiana 13:4, 5.
7. Fotopoto-pitsipika araka ny Soratra Masina inona avy no hanampy ny vehivavy iray hanatontosa ny anjara asany natokan’Andriamanitra ho azy ao amin’ny fianakaviana?
7 Raha ny amin-dravehivavy kosa, ny vehivavy miaina amim-pifikirana amin’Andriamanitra dia tsy mifaninana amin’ny vadiny, na mitady hanjakazaka eo aminy. Faly izy manohana azy sy miara-miasa aminy. Ny Baiboly indraindray dia miresaka momba ny vehivavy manambady ho toy ny ‘fananan’ny’ vadiny, ka tsy mamela fisalasalana fa hoe lohan-dravehivavy ralehilahy. (Genesisy 20:3, NW ). Noho ny fanambadiany, dia manjary eo ambanin’ny ‘lalàn’ny vadiny’ izy. (Romana 7:2, NW ). Etsy an-danin’izany koa, ny Baiboly dia miantso azy hoe “mpanampy” sy hoe “fameno”. (Genesisy 2:20, NW ). Manampy toetra tsara sy fahaizana izay tsy ananan’ny vadiny izy, ary manome azy ny fanohanana ilainy. (Ohabolana 31:10-31). Milaza koa ny Baiboly fa “namana”, izay miasa eo anilan’ny vadiny ny vehivavy. (Malakia 2:14). Ireo fotopoto-pitsipika araka ny Soratra Masina ireo dia manampy ny tsirairay amin’ny mpivady hahatakatra ny toerana tanan’ny ankilany sy hifampitondra amim-panajana sy fahamendrehana araka ny tokony ho izy.
‘AOKA IANAO HALADY HIHAINO’
8, 9. Hazavao ny fotopoto-pitsipika sasany izay hanampy ny rehetra ao amin’ny fianakaviana hanatsara ny fahaizany mifampiresaka amin’ny hafa.
8 Ato amin’itỳ boky itỳ dia asongadina matetika ny ilana hifampiresaka. Nahoana moa? Satria mandeha tsara kokoa ny zava-drehetra rehefa mifampiresaka sy tena mifampihaino ny olona. Nantitranterina niverimberina fa ny fifampiresahana dia tsy mandeha ila. Nilaza izany amin’izao fomba izao i Jakoba mpianatra: ‘Aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra’. — Jakoba 1:19.
9 Zava-dehibe koa ny hitandremana ny fomba itenenantsika. Tsy fifampiresahana mahomby ny teny tsy voahevitra, tia ady, na manakiana mafy. (Ohabolana 15:1; 21:9; 29:11, 20). Na dia marina aza izay lazaintsika, raha tenenina amin’ny fomba mandratra, feno avonavona, na tsy mitsimbina ny fihetseham-pon’ny ankilany ilay izy, izany dia azo inoana fa hanimba, fa tsy hahasoa. Ny fitenintsika dia tokony hampiseho fahaiza-mifidy zavatra, “ho mamy sira”. (Kolosiana 4:6). Ireo tenintsika dia tokony ho toy ny “poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra”. (Ohabolana 25:11). Ireo fianakaviana izay mianatra ny hifampiresaka tsara dia efa nanao dingan-dava ho amin’ny fahazoana fahasambarana.
NY ANJARA ASA LEHIBE DIA LEHIBEN’NY FITIAVANA
10. Karazam-pitiavana inona no tena lehibe dia lehibe ao amin’ny fanambadiana?
10 Ny teny hoe “fitiavana” dia niverimberina tato amin’itỳ boky itỳ. Tadidinao ve ilay karazam-pitiavana nasiana firesahana be indrindra? Marina fa ny fitiavana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy (Grika: eʹros) dia manana anjara toerana lehibe ao amin’ny fanambadiana, ary ao amin’ireo fanambadiana vanona, dia mitombo koa ny firaiketam-po lalina sy ny fisakaizana (Grika: phi·liʹa) eo amin’ny mpivady. Mbola lehibe kokoa anefa ilay fitiavana asehon’ilay teny grika hoe a·gaʹpe. Izy io dia ilay fitiavana ambolentsika ho an’i Jehovah sy ho an’i Jesosy ary ho an’ny mpiara-belona amintsika. (Matio 22:37-39, NW ). Izy io dia ilay fitiavana asehon’i Jehovah amin’ny olombelona. (Jaona 3:16). Mahafinaritra toy inona moa ny ahafahantsika mampiseho io karazam-pitiavana io amin’ny vady aman-janatsika! — 1 Jaona 4:19.
11. Amin’ny ahoana ny fitiavana no hahasoa ny fanambadiana iray?
11 Ao amin’ny fanambadiana, io fitiavana ambony io dia tena “fehy fampiraisana tonga lafatra” marina. (Kolosiana 3:14, NW ). Mamehy ny mpivady miaraka izy io, ary mahatonga azy ireo haniry hanao izay tsara indrindra ho an’izy samy izy sy ho an’ny zanany. Rehefa tojo tarehin-javatra sarotra ny fianakaviana, ny fitiavana dia manampy azy ireo hiatrika ny zava-drehetra amim-piraisan-tsaina. Rehefa mihantitra ny mpivady, ny fitiavana dia manampy azy ireo hizaka izany sy hanohy hifankasitraka. “Ny fitiavana (...) tsy mitady ny azy, (...) mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra. Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay”. — 1 Korintiana 13:4-8.
12. Nahoana ny fitiavan’ny mpivady an’Andriamanitra no manatanjaka ny fanambadian’izy ireo?
12 Ny firaisam-panambadiana dia matanjaka indrindra rehefa voafatotra mafy, tsy amin’ny alalan’ny fitiavana eo amin’izy mivady fotsiny, fa amin’ny alalan’ny fitiavana an’i Jehovah voalohany indrindra. (Mpitoriteny 4:9-12). Nahoana moa? Hoy ny nosoratan’ny apostoly Jaona: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.” (1 Jaona 5:3). Araka izany, ny mpivady dia tokony hampiofana ny zanany hanana fifikirana amin’Andriamanitra, tsy satria fotsiny hoe tia lalina ny zanany izy, fa satria izany kosa no didin’i Jehovah. (Deoteronomia 6:6, 7). Tokony handositra ny fahalotoam-pitondran-tena izy ireo, tsy satria fotsiny hoe mifankatia izy ireo, fa satria tia an’i Jehovah, izay “hitsara ny mpijangajanga sy ny mpanitsakitsa-bady”, indrindra indrindra kosa. (Hebreo 13:4, NW ). Na dia mahatonga zava-manahirana mafy ao amin’ny fanambadiana aza ny andaniny, ny fitiavana an’i Jehovah dia hanosika ny ankilany hanohy hanaraka ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Endrey ny fahasambaran’ireo fianakaviana izay atambatry ny fitiavany an’i Jehovah ny fifankatiavan’ny mpianakavy!
NY FIANAKAVIANA IZAY MANAO NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA
13. Amin’ny ahoana ny fahatapahan-kevitra hanao ny sitrapon’Andriamanitra no hanampy ny isam-batan’olona hibanjina ireo zavatra tena lehibe marina?
13 Ny fiainan’ny Kristiana iray manontolo dia mifantoka amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. (Salamo 143:10). Izany no tena hevitry ny fifikirana amin’Andriamanitra. Ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra dia hanampy ny fianakaviana hibanjina ireo zavatra tena lehibe marina. (Filipiana 1:9, 10, NW ). Ohatra, hoy ny nampitandreman’i Jesosy: “Tonga Aho hampifandrafy olona amin’ny rainy, ary ny zanakavavy amin’ny reniny, ary ny vinantovavy amin’ny rafozanivavy; ary ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony.” (Matio 10:35, 36). Araka ny fampitandreman’i Jesosy tokoa, dia maro amin’ireo mpanara-dia azy no nenjehin’ny mpianakaviny. Tarehin-javatra mampalahelo sy mampanaintaina toy inona moa izany! Na dia izany aza, ny fatoram-pianakaviana dia tsy tokony hihoatra ny fitiavantsika an’i Jehovah Andriamanitra sy an’i Jesosy Kristy. (Matio 10:37-39). Raha miaritra ny olona iray, na dia eo aza ny fanoheran’ny fianakaviany, ireo mpanohitra dia mety hiova rehefa mahita ny vokatra tsaran’ny fifikirana amin’Andriamanitra. (1 Korintiana 7:12-16; 1 Petera 3:1, 2). Na dia tsy mitranga aza izany, dia tsy misy soa maharitra azo amin’ny fitsaharana tsy hanompo an’Andriamanitra noho ny fanoherana.
14. Amin’ny ahoana ny faniriana hanao ny sitrapon’Andriamanitra no hanampy ny ray aman-dreny hanao zavatra izay hitondra soa be indrindra ho an’ny zanany?
14 Ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra dia hanampy ny ray aman-dreny handray fanapahan-kevitra tsara. Ohatra, any amin’ny fiaraha-monina sasany, ny ray aman-dreny dia mirona hihevitra ny zanaka ho toy ny fampiasam-bola, ary miankina amin’ny zanany izy ireo mba hikarakara azy amin’ny fahanterany. Na dia tsara sy araka ny tokony ho izy aza ny hikarakaran’ny zanaka efa olon-dehibe ny ray aman-dreniny mihantitra, ny fiheverana toy izany dia tsy tokony hahatonga ny ray aman-dreny hitaona ny zanany hikatsaka fomba fiaina manantitrantitra ny zavatra ara-nofo. Tsy hitondra soa ho an’ny zanany ny ray aman-dreny izay mitaiza azy ireo hihevitra ny fananana ara-nofo ho sarobidy kokoa noho ny zavatra ara-panahy. — 1 Timoty 6:9.
15. Tamin’ny ahoana i Eonika, renin’i Timoty, no ohatra faran’izay tsara ny amin’ny reny nanao ny sitrapon’Andriamanitra?
15 Ny ohatra tsara dia tsara iray amin’io lafiny io dia i Eonika, renin’i Timoty, ilay namana tanoran’i Paoly. (2 Timoty 1:5). Na dia tsy mpino aza ny vadin’i Eonika, izy sy i Loisa, reniben’i Timoty, dia niara-nitaiza an’i Timoty tamim-pahombiazana mba hikatsaka ny fifikirana amin’Andriamanitra. (2 Timoty 3:14, 15). Rehefa ampy taona i Timoty, i Eonika dia namela azy hiala tao an-trano ka ho misionera naman’i Paoly, hanao ny asa fitoriana ilay Fanjakana. (Asan’ny Apostoly 16:1-5). Tsy maintsy ho nientan-kafaliana toy inona moa izy, rehefa tonga misionera niavaka ny zanany! Ny fifikirana amin’Andriamanitra nananan’i Timoty tonga olon-dehibe dia nanome taratra tsaran’ny fampiofanana azy tany am-boalohany. Azo antoka fa nahita fahafaham-po sy fifaliana i Eonika nahare tatitra momba ny fanompoana nataon’i Timoty tamim-pahatokiana, na dia azo inoana aza fa nalahelo azy izy. — Filipiana 2:19, 20.
NY FIANAKAVIANA SY NY HOAVINAO
16. Tamin’ny naha-zanaka azy, fiahiana araka ny tokony ho izy inona no nasehon’i Jesosy, nefa inona no zava-kendreny voalohany indrindra?
16 I Jesosy dia notezaina tao amin’ny fianakaviana tia an’Andriamanitra, ary rehefa olon-dehibe izy, dia nampiseho fiahian-janaka an-dreniny araka ny tokony ho izy. (Lioka 2:51, 52; Jaona 19:26). Kanefa, ny zava-nokendren’i Jesosy voalohany indrindra dia ny hanatontosa ny sitrapon’Andriamanitra, ary taminy izany dia nahafaoka ny fanokafana ny lalana hahazoan’ny olombelona fiainana mandrakizay. Izany no nataony fony izy nanolotra ny ain’olombelona tanteraka nananany ho avotra ho an’ny olombelona mpanota. — Marka 10:45; Jaona 5:28, 29.
17. Fahatsinjovan-javatra be voninahitra inona avy no nosokafan’ny lalam-pahatokiana narahin’i Jesosy, ho an’ireo izay manao ny sitrapon’Andriamanitra?
17 Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, i Jehovah dia nanangana azy ho amin’ny fiainana any an-danitra, ary nanome azy fahefana lehibe, tamin’ny fametrahana azy ho Mpanjaka ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra tamin’ny farany. (Matio 28:18; Romana 14:9; Apokalypsy 11:15). Ny soron’i Jesosy dia nahatonga hety ny fifantenana olombelona sasany hiara-manjaka aminy ao amin’izany Fanjakana izany. Izy io koa dia nanokatra ny lalana mba hahazoan’ny sisa amin’ny olombelona mahitsy fo, fiainana tonga lafatra eto amin’ny tany hamerenana ny toe-piainana paradisa indray. (Apokalypsy 5:9, 10; 14:1, 4; 21:3-5; 22:1-4). Ny iray amin’ireo tombontsoa lehibe indrindra ananantsika amin’izao andro izao dia ny hilaza io vaovao tsara be voninahitra io amin’ny mpiara-belona amintsika. — Matio 24:14, NW.
18. Fampahatsiahivana inona ary fampaherezana inona no omena ny fianakaviana sy ny isam-batan’olona?
18 Araka ny nasehon’ny apostoly Paoly, ny fiainana amim-pifikirana amin’Andriamanitra dia manana ilay teny fikasana hoe afaka mandova ireo fitahiana ireo ao amin’ny fiainana “ho avy” ny olona. Azo antoka fa izany no fomba tena tsara indrindra hahitana fahasambarana! Tadidio fa “mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay”. (1 Jaona 2:17). Noho izany, na zanaka ianao na ray (na reny), na lehilahy manambady na vehivavy manambady, na olon-dehibe tsy manambady ka manan-janaka na tsy manan-janaka, dia mikeleza aina mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Na dia rehefa ao anatin’ny fanerena aza ianao, na hoe tojo zava-tsarotra faran’izay mafy, dia aza hadinoina mihitsy fa mpanompon’ilay Andriamanitra velona ny tenanao. Araka izany, dia enga anie ireo zavatra ataonao ka hitondra fifaliana ho an’i Jehovah. (Ohabolana 27:11). Ary enga anie ny fitondran-tenanao ka hitondra fahasambarana ho anao dieny ankehitriny sy fiainana mandrakizay ao amin’ilay tontolo vaovao ho avy!