“Tandremo ny Fihainonareo”
TAPANY lehibe iray amin’ny fianarana ny fihainoana. Miankina amin’izy io koa ny fahafahan’ny olona iray ho tafita velona. Nanome toromarika an’i Mosesy i Jehovah, rehefa niomana hanafaka ny vahoakany avy tamin’ny fahababoana tany Ejipta izy. I Mosesy indray kosa nilaza tamin’ireo anti-panahin’ny Isiraely ny zavatra tsy maintsy nataon’izy ireo mba hamonjena ny lahimatoany tsy ho voavonon’ilay anjely. (Eks. 12:21-23) Avy eo dia nampita ilay fanazavana tamin’ny ankohonana tsirairay ireo anti-panahy. Am-bava no nanaovana izany rehetra izany. Tsy maintsy nihaino tsara ilay vahoaka. Nanao ahoana ny fihetsiny? Hoy ny Baiboly hoe: “Nataon’ny Zanak’Isiraely rehetra izany; araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy sy Arona no nataony.” (Eks. 12:28, 50, 51) Ho vokany, dia nafahana tamin’ny fomba nahazendana ny Isiraely.
Ankehitriny, dia manomana antsika ho amin’ny fanafahana lehibe lavitra noho izany i Jehovah. Koa tena mendrika ny hohenointsika tsara àry ny toromarika omeny. Any amin’ireo fivoriantsika kristianina no anomezana izany toromarika izany. Mandray soa feno avy amin’ireny fiaraha-mivory ireny ve ianao? Miankina be dia be amin’ny fomba ihainoanao izany.
Mahatadidy ireo hevi-dehibe amin’ilay fampianarana omena any am-pivoriana ve ianao? Fahazaranao isan-kerinandro ve ny mitady fomba hampiharana ilay fampianarana azonao, na fomba hizarana azy amin’ny hafa?
Ampiomano ny fonao
Mila mampiomana ny fontsika isika mba handraisana soa feno avy amin’ilay fampianarana omena any amin’ireo fivoriana kristianina. Zava-dehibe izany, araka ny asehon’izay nitranga nandritra ny fanjakan’i Josafata, mpanjakan’ny Joda. Nahery fo izy niandany tamin’ny fivavahana marina. “Noravany tsy ho eo amin’ny Joda ny fitoerana avo sy ny Aseraha”, ary nasainy nampianatra ny Lalàn’i Jehovah tamin’ny olona tany amin’ny tanàna rehetran’ny Joda ny mpanapaka sy ny Levita ary ny mpisorona. Na izany aza, dia mbola teo ihany ireo fitoerana avo. (2 Tant. 17:6-9; 20:33) Niorim-paka tokoa ny fivavahana tamin’ny andriamani-diso sy ny fivavahan-diso natolotra ho an’i Jehovah tany amin’ireo fitoerana avon’ny mpanompo sampy, hany ka tsy voafongotra.
Nahoana no tsy nisy vokany naharitra ilay fampianarana nalamin’i Josafata? Hoy ny tohin’ilay fitantarana: “Ny olona tsy mbola nampiomana ny fony hitady an’Andriamanitry ny razany.” Nandre izy ireo, saingy tsy nanao araka izay zavatra reny. Angamba izy ireo nihevitra fa nanahirana ny nandeha hanolotra fanatitra tany amin’ny tempoly tany Jerosalema. Na ahoana na ahoana, dia tsy voatosiky ny finoana ny fon’izy ireo.
Mba tsy ho voataona hiverina any amin’ny fanaon’ny tontolon’i Satana, dia tsy maintsy mampiomana ny fontsika handray ilay fampianarana omen’i Jehovah amin’izao andro izao isika. Amin’ny fomba ahoana? Fomba iray lehibe ny vavaka. Tokony hangataka amim-bavaka mba handray ny fampianaran’Andriamanitra amim-pankasitrahana isika. (Sal. 27:4; 95:2) Hanampy antsika izany hankasitraka ny ezaka ataon’ireo rahalahintsika tsy lavorary nefa manaiky hampiasain’i Jehovah hampianatra ny vahoakany. Hanosika antsika hisaotra an’i Jehovah izany, tsy noho ireo zava-baovao ianarantsika fotsiny, fa noho isika afaka mampitombo ny fankasitrahantsika ireo zavatra efa nianarantsika taloha koa. Maniry hanao ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fomba feno isika, ka mivavaka hoe: “Ampianaro ny làlanao aho, Jehovah ô, . . . ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.”—Sal. 86:11.
Ampifantohy ny sainao
Be dia be ny vato misakana ny fihainoantsika tsara. Mety ho feno fanahiana ny saintsika. Mety hanelingelina antsika ny tabataba sy ny fihetsiketsehana eo amin’ny mpanatrika na any ivelan’ilay toeram-pivoriana. Mety ho sarotra amintsika ny mifantoka, raha tsy mahazo aina tsara isika ao amin’ilay toeram-pivoriana. Matetika ireo manan-janaka kely no voahelingelina. Inona no hanampy antsika hifantoka amin’ny fandaharana?
Misy heriny lehibe eo amin’izay ifantohan’ny saintsika ny masontsika. Jereo tsara ilay mpandahateny, mba hahafahanao hifantoka. Rehefa manonona andinin-teny iray izy, na dia andinin-teny efa fantatrao tsara aza, dia tadiavo ilay izy, ary araho ny famakiany azy. Tohero ny fakam-panahy hitodika isaky ny misy tabataba na fihetsiketsehana. Raha be loatra ny zavatra manelingelina ampidirin’ny masonao ao an-tsainao, dia ho be dia be ny zavatra lazaina avy eny amin’ny lampihazo tsy ho renao.
Raha misy “ahiahy” manasarotra ny fifantohanao amin’ny fandaharana, dia mivavaha amin’i Jehovah mba hahazoana saina sy fo tony izay ilaina mba hifantohana. (Sal. 94:19; Fil. 4:6, 7) Ataovy imbetsaka izany, raha ilaina. (Matio 7:7, 8) Fanomezana avy amin’i Jehovah ho an’ny vahoakany ireo fivoriana. Afaka matoky ianao fa tiany handray soa avy amin’izy ireny ianao.—1 Jaona 5:14, 15.
Rehefa mihaino lahateny
Azo inoana fa mahatsiaro hevitra sasany tena tianao, izay renao tamin’ny lahateny, ianao. Tsy mba hitadidiana hevitra manaitra sasany fotsiny anefa no antony hihainoana lahateny iray. Azo ampitahaina amin’ny fanaovana dia iray ny lahateny. Na dia mety hisy zavatra mahaliana sy tsara hojerena aza eny an-dalana, ny zava-dehibe dia ny toerana haleha, ny tanjona. Mety ho ny hitarika ny mpanatrika hanatsoaka hevitra iray na hanosika azy ireo hanao zavatra iray no tanjon’ilay mpandahateny.
Diniho ilay lahateny nataon’i Josoa tamin’ny firenen’ny Isiraely, hita ao amin’ny Josoa 24:1-15. Ny tanjony tamin’izay dia ny hanosika ilay vahoaka hiandany mazava tsara tamin’ny fivavahana marina, ka hihataka tanteraka tamin’ny fanompoan-tsampin’ireo firenena nanodidina. Nahoana izany no tena zava-dehibe? Satria fandrahonana lehibe ho an’ilay firenena ny fielezan’ny fivavahan-diso, ka nety ho nampiala azy tamin’i Jehovah. Namaly ny fiangavian’i Josoa toy izao ilay vahoaka: “Sanatria raha hahafoy an’i Jehovah izahay ka hanompo izay andriamani-kafa. . . . Izahay koa dia mba hanompo an’i Jehovah.” Ary nanao izany tokoa izy ireo!—Josoa 24:16, 18, 31.
Rehefa mihaino lahateny iray ianao, dia miezaha hahita ny zava-kendren’ilay izy. Diniho ny fomba ifandraisan’ireo hevitra avoakan’ilay mpandahateny amin’izany zava-kendrena izany. Manontania tena hoe mitaky ny hanaovanao inona ilay fanazavana.
Rehefa mihaino mandritra ireo fiaraha-midinika
Fiaraha-mandinika lahatsoratra ara-baiboly amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, sy ny Fianarana Boky, ary ny anjara sasany amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana.
Misy itoviana amin’ny fandraisana anjara amin’ny resaka iray ny fihainoana mandritra ny fiaraha-midinika iray. Mihainoa tsara mba handraisana soa feno. Jereo ny fandehan’ilay resaka. Mariho ny fanantitranteran’ilay mpitarika ny loha hevitra sy ireo hevi-dehibe. Valio an-tsaina ireo fanontaniany. Henoy ny hafa, rehefa manazava sy milaza ny fampiharana ireo hevitra izy ireo. Rehefa mandre ny hevitry ny hafa momba ny foto-kevitra iray efa fantatrao ianao, dia angamba hanana fomba fijery vaovao azy io. Mandraisa anjara amin’ilay fifanakalozan-kevitra, ka lazao izay tena inoanao.—Rom. 1:12.
Hanampy anao hifantoka tanteraka amin’ilay fiaraha-midinika sy hanaraka ny valin-tenin’ny hafa ny fianarana ilay lesona mialoha. Raha sarotra aminao ny mianatra ilay lesona amin’ny fomba lalina, noho ny toe-javatra misy anao, dia makà minitra vitsivitsy, fara faharatsiny, mba hijerena ny hevitra ambangovangony amin’ilay lesona, alohan’ilay fivoriana. Handray soa bebe kokoa avy amin’ilay fiaraha-midinika ianao, raha manao izany.
Rehefa mihaino any amin’ny fivoriambe
Azo inoana fa betsaka kokoa noho ny any am-pivoriana ny fanelingelenana any amin’ireo fivoriambe. Sarotra kokoa ny fihainoana any. Inona no hanampy antsika?
Fanampiana iray lehibe ny torimaso ampy tsara. Alohan’ny hanombohan’ny fandaharana isan’andro, dia tadidio tsara ny loha hevitra. Jereo ny lohatenin’ny lahateny tsirairay, ary eritrereto mialoha izay holazaina. Ampiasao tsara ny Baibolinao. Olona maro no mahita fa manampy azy hifantoka amin’ny fandaharana ny fakana an-tsoratra fohy ireo hevi-dehibe. Raiso an-tsoratra izay toromarika tianao hampiharina eo amin’ny fiainanao na ny fanompoanao. Miresaha momba ny hevitra sasantsasany, rehefa eny an-dalana ho any amin’ny fivoriambe na avy any, isan’andro. Hanampy anao hitadidy ilay fanazavana izany.
Ampiofano ny ankizy hihaino
Ny ray aman-dreny kristianina dia afaka manampy ny zanany—na dia ny mbola zazakely aza—mba ‘ho hendry ho amin’ny famonjena’, amin’ny fitondrana azy any amin’ny fivoriana sy ny fivoriambe. (2 Tim. 3:15) Tsy maintsy manampy ireo zanany hianatra hihaino tsara ny ray aman-dreniny satria miovaova ny toe-pon’ny ankizy sy ny fotoana ifantohan’ny sainy. Mety hanampy anao ireto fanoloran-kevitra ireto.
Any an-trano, dia mandamìna fotoana mba hipetrahan’ireo zanakao kely tsara sy hamakiany ireo bokintsika na hijereny sary ao. Any am-pivoriana, dia aza omena kilalao izy ireo mba hipetrahany tsara. Toy ny teo amin’ny Isiraely fahiny, ny ankizy kely amin’izao andro izao koa dia mamonjy fivoriana mba “hihainoany sy hianarany.” (Deot. 31:12) Misy ray aman-dreny manome iray amin’ilay zavatra ianarana, na dia ho an’ireo zanany mbola kely aza, isaky ny azo atao. Rehefa lehibe kokoa izy ireo, dia ampio hiomana handray anjara amin’ireo fandaharana misy fahafahana hanao izany.
Asehon’ny Soratra Masina fa mifandray akaiky ny fihainoana an’i Jehovah sy ny fankatoavana azy. Hita izany amin’ireto tenin’i Mosesy tamin’ny firenen’ny Isiraely ireto: “Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, . . . dia ny ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao . . . ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy.” (Deot. 30:19, 20) Tena ilaina ankehitriny ny fihainoana ny fampianarana omen’i Jehovah, arahin’ny fankatoavana sy ny fampiharana izay ianarana, raha maniry ny fankasitrahan’i Jehovah sy ny fiainana mandrakizay isika. Tena iankinan’ny aina àry ny hanarahantsika ny torohevitr’i Jesosy hoe: “Tandremo ny fihainonareo”!—Lioka 8:18.