“Ambonin’ny Zavatra Rehetra, dia Mifankatiava Fatratra”
“Efa manakaiky ... ny faran’ny zava-drehetra. ... Ambonin’ny zavatra rehetra, dia mifankatiava fatratra.”—1 PETERA 4:7, 8.
FANTATR’I Jesosy fa tena sarobidy ny fotoana niarahany farany tamin’ny apostoliny. Fantany ny zavatra niandry azy ireo. Betsaka ny asa tokony hatao, nefa hankahalaina sy henjehina toa azy koa izy ireo. (Jaona 15:18-20) Naverimberiny tamin’iny alina iny fa mila ‘mifankatia’ izy ireo.—Jaona 13:34, 35; 15:12, 13, 17.
2 Teo ny apostoly Petera tamin’iny alina iny, ary azony tsara ny tian’i Jesosy holazaina. Nanoratra ho an’ny Kristianina izy taloha kelin’ny nandravana an’i Jerosalema, ary nohamafisiny fa tena ilaina ny mifankatia. Hoy izy: “Efa manakaiky ... ny faran’ny zava-drehetra. ... Ambonin’ny zavatra rehetra, dia mifankatiava fatratra.” (1 Petera 4:7, 8) Misy heviny lehibe ho an’ny olona miaina amin’ny “andro farany” ny tenin’i Petera. (2 Timoty 3:1) Inona no dikan’ny hoe ‘mifankatia fatratra’? Nahoana izany no tena ilaina? Ary ahoana no azontsika anehoana izany?
Inona no dikan’ny hoe ‘mifankatia fatratra’?
3 Maro no mihevitra fa fihetseham-po tonga ho azy ny fitiavana. Tsy ny karazana fitiavana rehetra anefa no noresahin’i Petera, fa ilay fitiavana ambony indrindra. Nadika avy amin’ny teny grika hoe a·gaʹpe ilay “fitiavana” ao amin’ny 1 Petera 4:8. Tsy misy fitiavan-tena izy io fa tarihin’ny toro lalana. Izao no lazain’ny boky iray: “Azo baikoina ny fanehoana ny fitiavana agape, satria tsy fihetseham-po fotsiny izy io fa finiavana hanao zavatra.” Efa ao amintsika ny fitiavan-tena, ka mila ampahatsiahivina foana isika mba hifankatia, mifanaraka amin’ny toro lalan’Andriamanitra.—Genesisy 8:21; Romanina 5:12.
4 Tsy adidy fotsiny akory ny fitiavana agape, fa misy hatsaram-panahy sy fihetseham-po. Nilaza i Petera fa tsy maintsy ‘mifankatia fatratra [ara-bakiteny: manenjana na manitatra]’ isika.a Ilana ezaka anefa izany. Hoy ny manam-pahaizana iray mahakasika ilay teny grika nadika hoe “fatratra”: “Izany dia mitovy amin’ny ezaka ataon’ny atleta, rehefa manenjana ny hozany araka izay fara heriny izy eo amin’ny dingana farany amin’ilay hazakazaka.”
5 Tsy amin’ny toe-javatra mora ihany, na amin’olona vitsy monja àry no tokony hanehoantsika azy io. Mila manitatra ny fitiavany ny Kristianina, ka haneho azy io na dia sarotra aza ny manao izany. (2 Korintianina 6:11-13) Mila miezaka hanana io fitiavana io isika, tsy misy hafa amin’ny atleta izay mila manao fanazaran-tena sy manatsara ny fahaizany. Tena zava-dehibe izany. Nahoana? Noho ny antony telo, fara fahakeliny.
Nahoana isika no tokony hifankatia?
6 Voalohany, “satria avy amin’Andriamanitra ny fitiavana.” (1 Jaona 4:7) I Jehovah no Loharanon’io toetra tsara io, ary izy no tia antsika taloha. Nilaza toy izao ny apostoly Jaona: “Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra tamintsika: Nirahiny ho amin’izao tontolo izao ny Zanany lahitokana mba hahazoantsika fiainana amin’ny alalany.” (1 Jaona 4:9) ‘Nirahin’Andriamanitra’ ny Zanany ka lasa olombelona, nanatontosa ny fanompoany, ary maty teo amin’ny hazo fijaliana. Natao izany rehetra izany “mba hahazoantsika fiainana.” Inona no azontsika atao ho setrin’izany fitiavana lehibe nasehon’Andriamanitra izany? Hoy i Jaona: “Raha izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia tsy maintsy mifankatia kosa isika.” (1 Jaona 4:11) Mariho tsara ilay teniny hoe: “Raha izany no nitiavan’Andriamanitra antsika.” Tsy ianao irery no tiany, fa isika. Raha tia ny mpiara-manompo amintsika àry Andriamanitra, dia tokony ho tia azy ireo koa isika.
7 Faharoa, tena mila mifankatia isika amin’izao andro izao, ka hanampy ireo rahalahy sahirana, satria ‘efa manakaiky ny faran’ny zava-drehetra.’ (1 Petera 4:7) Miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” isika. (2 Timoty 3:1) Miatrika zava-tsarotra isika noho ny toe-piainana eran-tany, ny loza araka ny natiora, ary ny fanenjehana. Rehefa ao anatin’ny toe-javatra sarotra indrindra isika no vao mainka tokony hifandray akaiky. Hahatonga antsika hiray saina sy “hifampiahy” ny fitiavana.—1 Korintianina 12:25, 26.
8 Fahatelo, mila mifankatia isika satria tsy tiantsika ‘homena toerana ny Devoly’, hanararaotra antsika. (Efesianina 4:27) Mailaka i Satana hampiasa ny tsy fahalavorarian’ny mpiray finoana, ny fahalemeny, ary ny fahadisoany, ho vato misakana antsika. Hiala amin’ny fiangonana ve isika noho ny teny tsy voahevitra, na fihetsika manafintohina nataon’ny mpiara-manompo? (Ohabolana 12:18) Tsy hanao izany isika raha mifankatia fatratra! Manampy antsika hampanjaka ny fiadanana sy hanompo an’Andriamanitra “amin’ny firaisan-kina” ny fitiavana toy izany.—Zefania 3:9.
Fomba anehoana fitiavana
9 Manomboka ao an-tokantrano ny fanehoana fitiavana. Nilaza i Jesosy fa marika amantarana ny tena mpanara-dia azy ny fifankatiavana. (Jaona 13:34, 35) Tsy eo anivon’ny fiangonana ihany no tokony hahitana ny fifankatiavana fa eo amin’ny mpianakavy koa, dia ny mpivady ary ny ray aman-dreny sy zanaka. Tsy ampy ny mahatsapa hoe tia, fa mila aseho izy io.
10 Ahoana no azon’ny mpivady ifanehoana fitiavana? Ny lehilahy tena tia ny vadiny dia mampahafantatra izany amin’ny teny sy ny atao, na eny imason’olona na mitokana. Manaja ny fahamendrehany izy, ary maneho fiheverana ny eritreriny sy ny fomba fiheviny ary ny fihetseham-pony. (1 Petera 3:7) Izay hahasoa ny vadiny no heveriny alohan’ny an’ny tenany. Manao izay rehetra azony atao izy mba hikarakarana izay ilain’ny vadiny ara-batana, ara-panahy, ary ara-pihetseham-po. (Efesianina 5:25, 28) Ny vehivavy tena tia ny vadiny dia ‘hanaja azy fatratra’, na dia tsy afaka manatontosa ny zavatra takiny aza ralehilahy indraindray. (Efesianina 5:22, 33) Manohana sy manaiky ny vadiny izy, ary tsy mangataka zavatra tafahoatra aminy. Miara-miasa aminy kosa izy mba ho loha laharana foana ny fanompoana an’i Jehovah.—Genesisy 2:18; Matio 6:33.
11 Ry ray aman-dreny, ahoana no azonareo anehoana fitiavana amin’ny zanakareo? Efa porofon’ny fitiavana ny fahazotoanareo miasa mafy mba hahazoan’izy ireo izay ilainy. (1 Timoty 5:8) Tsy sakafo sy fitafiana ary fialofana ihany anefa no ilain’ny ankizy. Mila ampiofanina eo amin’ny lafiny ara-panahy koa izy, mba ho tia sy hanompo an’ilay Andriamanitra marina rehefa lehibe. (Ohabolana 22:6) Mila manokana fotoana àry ianareo mianakavy mba hianarana Baiboly, hanaovana fanompoana, ary hamonjena fivoriana. (Deoteronomia 6:4-7) Maro ny zavatra tsy maintsy afoy mba hanaovana hatrany ireo zavatra ireo, indrindra amin’izao fotoan-tsarotra izao. Anisan’ny fanehoam-pitiavana ny fiezahanareo mikarakara izay ilain’ny zanakareo ara-panahy. Midika izany fa miahy ny hoaviny mandrakizay ianareo.—Jaona 17:3.
12 Tena ilaina koa ny ikarakaran’ny ray aman-dreny izay ilain’ny zanany ara-pihetseham-po. Marefo ny ankizy, ka mila omena toky hoe tiana, dieny mbola kely. Lazao aminy fa tia azy ianareo, ary omeo fitiavana be dia be izy. Amin’izay dia hahazo toky izy ireo hoe tiana ary misy vidiny. Omeo teny fiderana amim-pahatsorana izy, mba ho tsapany fa mijery sy mankasitraka ny ezaka ataony ianareo. Aoka ianareo hanafay azy amim-pitiavana. Ho fantany avy amin’ny fanitsiana toy izany fa mitsinjo ny hoaviny ianareo. (Efesianina 6:4) Izany fanehoam-pitiavana mahasoa rehetra izany no hahatonga ny fianakaviana ho sambatra sy hifampiahy, ka ho vonona kokoa hiatrika ireo zava-tsarotra amin’izao andro farany izao.
13 Manampy antsika tsy hifantoka amin’ny fahadisoan’ny hafa ny fitiavana. Sady nampirisika ny mpamaky ‘hifankatia’ i Petera, no nilaza fa tena ilaina izy io “satria manarona fahotana maro be ny fitiavana.” (1 Petera 4:8) Tsy midika hoe manafina fahotana lehibe anefa ny hoe “manarona.” Tokony holazaina amin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fiangonana ny fahotana toy izany. (Levitikosy 5:1; Ohabolana 29:24) Tsy fanehoam-pitiavana sady tsy araka ny Soratra Masina ny famelana ireo nanao fahotana lehibe hampalahelo, na hitondra fahavoazana ho an’ny tsy manan-tsiny.—1 Korintianina 5:9-13.
14 Tsy dia lehibe ny fahadisoan’ny mpiray finoana amintsika amin’ny ankapobeny. Samy manao fahadisoana amin’ny teny sy atao isika rehetra indraindray, ka mandiso fanantenana na mampalahelo ny hafa. (Jakoba 3:2) Tokony ho mailaka hampiely ny fahadisoana ataon’ny hafa ve isika? Hiteraka fisaratsarahana eo anivon’ny fiangonana fotsiny izany. (Efesianina 4:1-3) Tsy ‘hanala baraka’ ny mpiara-mivavaka amintsika isika, raha be fitiavana. (Salamo 50:20, Fandikan-teny Katolika) Manarona ny tsy fahalavorarian’ny hafa ny fitiavana, toy ny lalotra sy loko manarona ny tsy mety amin’ny rindrina.—Ohabolana 17:9.
15 Manosika antsika hanampy ny sahirana ny fitiavana. Miharatsy hatrany ny toe-piainana amin’ny andro farany, ka mety hila fanampiana amin’izay ilaina andavanandro ny mpiray finoana amintsika. (1 Jaona 3:17, 18) Misy olona sahirana ara-bola na very asa ve eo anivon’ny fiangonana misy antsika? Raha izany no izy dia azontsika atao ny manome fanampiana araka izay vitantsika. (Ohabolana 3:27, 28; Jakoba 2:14-17) Ilana fanamboarana ve ny tranon’ny mpitondratena be taona iray? Azontsika atao angamba ny manampy avy hatrany.—Jakoba 1:27.
16 Tsy ireo mipetraka eny amin’ny manodidina antsika ihany no tokony hanehoantsika fitiavana. Mety handre isika indraindray fa misy mpanompon’Andriamanitra tra-pahasahiranana any amin’ny tany hafa, noho ny rivo-doza, na horohoron-tany, na ady an-trano. Mety ho tena mila sakafo, na fitafiana, na zavatra hafa izy ireo. Tsy mampaninona izay firazanana na foko niaviany. ‘Tia ny rahalahy rehetra ao amin’ny finoana’ isika. (1 Petera 2:17) Manao toy ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany àry isika, ka vonona handray anjara rehefa misy fandaharam-panampiana atao. (Asan’ny Apostoly 11:27-30; Romanina 15:26) Hanamafy ilay fatorana mampiray antsika amin’izao andro farany izao ny fanehoam-pitiavana toy izany.—Kolosianina 3:14.
17 Manosika antsika hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ny fitiavana. Diniho ny ohatra navelan’i Jesosy. Nahoana moa izy no nitory sy nampianatra? “Nangoraka” an’ilay vahoaka izy, satria nahantra ara-panahy izy ireo. (Marka 6:34) Tsy niraharaha sady namitaka azy ireo ny mpitondra fivavahana, izay tokony ho nampianatra ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra sy nanome fanantenana azy. Tia an’ilay vahoaka tamin’ny fony manontolo i Jesosy sady nangoraka azy ireo, ka nampahery azy tamin’ny alalan’ny “vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra.”—Lioka 4:16-21, 43.
18 Maro koa ankehitriny ny olona tsy noraharahaina sy voafitaka ary tsy manana fanantenana. Raha manahaka an’i Jesosy isika, dia hahatsapa fa tena mila fanampiana ara-panahy ireo olona mbola tsy mahafantatra an’ilay Andriamanitra marina. Hanosika antsika hitory ny vaovao tsara amin’izy ireo ny fitiavana sy ny fangoraham-po. (Matio 6:9, 10; 24:14) Efa kely sisa ny fotoana tavela, ka ilaina maika noho ny hatramin’izay ny fitoriana an’io hafatra mamonjy aina io.—1 Timoty 4:16.
‘Efa manakaiky ny faran’ny zava-drehetra’
19 Izao no nolazain’i Petera talohan’ny nanomezany ilay torohevitra momba ny fifankatiavana: ‘Efa manakaiky ny faran’ny zava-drehetra.’ (1 Petera 4:7) Tsy ho ela dia hosoloana an’ilay tontolo vaovao anjakan’ny fahamarinana ity tontolo ratsy ity. (2 Petera 3:13) Tsy izao àry no fotoana tokony hahavarimbariana antsika. Hoy i Jesosy: “Mitandrema sao ny fonareo hovesaran’ny fihinanana tafahoatra sy ny fibobohan-toaka ary ny fanahiana eo amin’ny fiainana, ka tsy hampoizinareo ny hahatongavan’izany andro izany aminareo, fa ho tampoka toy ny fandrika.”—Lioka 21:34, 35.
20 Na ahoana na ahoana, dia tokony ‘hiambina hatrany’ isika, ka hitadidy fa efa tena akaiky ny farany. (Matio 24:42) Aoka isika hanohitra ny fakam-panahy rehetra alefan’i Satana. Aoka isika hifaneho fitiavana hatrany na dia tsy manam-pitiavana aza ity tontolo ity. Aoka isika hanatona akaiky kokoa an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, izay hamita tsy ho ela ny fikasany be voninahitra momba ny tany, amin’ny alalan’ny Fanjakan’ny Mesia.—Apokalypsy 21:4, 5.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Misy fandikan-teny sasany mampiasa ny hoe “amim-pahatsorana”, ny hafa hoe “lalina”, na “amin’ny fo manontolo”, miaraka amin’ny hoe fitiavana ao amin’io 1 Petera 4:8 io.
FANONTANIANA
• Inona no torohevitra nomen’i Jesosy ny mpianany talohan’ny nisarahany tamin’izy ireo, ary inona no mampiseho fa azon’i Petera tsara ny tiany holazaina? (Feh. 1, 2)
• Inona no dikan’ny hoe ‘mifankatia fatratra’? (Feh. 3-5)
• Nahoana isika no tokony hifankatia? (Feh. 6-8)
• Ahoana no azonao anehoana fitiavana? (Feh. 9-18)
• Nahoana no tsy fotoana tokony hahavarimbariana antsika izao? Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika? (Feh. 19, 20)
[Sary, pejy 29]
Vonona kokoa hiatrika ny zava-tsarotry ny andro farany ny fianakaviana mifampiahy
[Sary, pejy 30]
Manosika antsika hanampy ny sahirana ny fitiavana
[Sary, pejy 31]
Fanehoam-pitiavana ny fitoriana ny vaovao tsara amin’ny hafa