FIZARANA 1
‘Avia Jereo’ I Kristy
Efa 2 000 taona teo ho eo izay no lasa hatramin’ny niainan’i Jesosy tetỳ an-tany. Mbola afaka ‘mijery’ an’io Zanak’Andriamanitra io anefa isika ankehitriny. (Jaona 1:46) Azo sary an-tsaina tsara ny fomba iresahan’ny Filazantsara ny toetran’i Jesosy sy ny toe-tsainy ary ny fomba fanaovany zavatra. Hodinihintsika ato amin’ity fizarana ity ny sasany amin’ireo toetra miavaka nananany.