BATA-RABIMA
(Bàta-rabìma) [Zanakavavin’ny Maro].
Ampitahaina amin’ny “dobo any Hesbona, eo akaikin’ny vavahadin’i Bata-rabima” ny mason’ilay tovovavy solemita, ao amin’ny Tononkiran’i Solomona. (To 7:4) Tanàna tao amin’ny faritanin’i Gada i Hesbona fa nomena ny Levita. (Js 21:38, 39) Misy mihevitra an’i Bata-rabima ho anarana vavahady tao Hesbona izay manatrika ny tanànan’i Raba (Amman ankehitriny), ary mitodika mianavaratratsinanana. Misy kosa milaza fa ny hoe Bata-rabima (midika hoe “Zanakavavin’ny Maro”) dia ampiasaina an’ohatra mba hilazana ny tanànan’i Hesbona, izay be mponina. Nantsoina toy izany, hono, ilay vavahady satria maro be ny olona nivoaka sy niditra tao amin’ilay tanàna na nivory teo am-bavahady. Hita tao amin’ilay tanàna rava, fa nisy dobo sy fitehirizan-drano lehibe tao fahiny. Ny teny nampiasaina tao amin’ilay poezia dia mifanentana tsara amin’ny mason’ilay Solemita, izay madio manganohano sy mahafatifaty, ka ny handrin’ilay tovovavy angamba no tiana holazaina amin’ilay vavahadin’ny tanàna.