BATENA
(Batèna) [Voanjombazaha].
Tanàna teo amin’ny sisin-tanin’i Asera, ary ny Josoa 19:25 ihany no miresaka azy io. Tsy tena fantatra ny toerana nisy azy io, satria tsy fantatra koa izay nisy an’ireo tanàna sasany ao amin’ilay lisitra. Maro anefa no mihevitra azy io ho i Kirbet Ibtina, tokotokony ho 17 km any atsimon’i Ako, ary 13 km any atsimoatsinanan’i Haïfa, any amin’ny faritra farany atsimo amin’ny Lemak’i Ako.