ISRAELIN’ANDRIAMANITRA
Teny hita indray mandeha monja ao amin’ny Baiboly, ary ilazana ny Israely ara-panahy, fa tsy ny taranak’ilay Jakoba novana anarana hoe Israely. (Ge 32:22-28) Resahin’ny Baiboly ny amin’ny “Israely araka ny nofo” (1Ko 10:18) sy ny Israely ara-panahy. Tsy voatery ho taranak’i Abrahama ireo anisan’io Israely ara-panahy io. (Mt 3:9) Nohazavain’ny apostoly Paoly koa fa tsy zava-dehibe ny hoe voafora na tsia ireo anisan’ny “Israelin’Andriamanitra.”—Ga 6:15, 16.
Nilaza i Hosea mpaminany fa holavin’Andriamanitra ny firenen’Israely ara-nofo ka hosoloany firenena ara-panahy, izay hisy hafa firenena. Hilaza ‘amin’izay tsy olony’ àry Andriamanitra hoe: “Oloko ianao.” (Ho 2:23; Ro 9:22-25) Nesorina tamin’ny firenena jiosy tokoa ny Fanjakan’Andriamanitra, ka nomena an’ilay firenena ara-panahy mamokatra ny voan’ilay Fanjakana. (Mt 21:43) Marina fa nisy Jiosy lasa anisan’ny Israely ara-panahy. Jiosy sy olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy daholo ireo apostoly sy ireo mpianatra (120 teo ho eo) nahazo ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta taona 33, sy ireo lasa mpino (3000 teo ho eo) tamin’iny andro iny, ary ireo lasa mpino tatỳ aoriana ka nahatonga ny isan’ny lehilahy ho 5000 teo ho eo. (As 1:13-15; 2:41; 4:4) “Sisa tavela” tamin’ilay firenena nolavin’Andriamanitra anefa izy ireny, hoy i Isaia.—Is 10:21, 22; Ro 9:27.
Misy andininy hafa koa manazava izany. Notapahina ny “tena sampany” sasany tamin’ilay hazo oliva an’ohatra, ary natao grefy teo amin’ilay hazo ny tsy Israelita “olivadia”, mba tsy hisy fanavakavahana foko na firenena eo amin’ireo “tena taranak’i Abrahama, sady mpandova araka ny fampanantenana.” (Ro 11:17-24; Ga 3:28, 29) “Tsy izay rehetra avy amin’ny Israely no tena ‘Israely.’” “Tsy izay miseho etỳ ivelany no maha Jiosy ny olona iray, ary tsy ny famorana azy eo amin’ny nofo no maha voafora azy. Fa ny ao anaty no maha Jiosy azy, ary voafora fo izy ka ny fanahy no namorana azy.” (Ro 9:6; 2:28, 29) Tsy nahafeno an’ilay isa noferan’Andriamanitra ny Israely ara-nofo, ka izany no ‘nanombohany nihevitra ny hafa firenena mba hangalany olona avy amin’ireo mba hitondra ny anarany.’ (As 15:14). ‘Tsy firenena izy ireny taloha, fa firenen’Andriamanitra kosa ankehitriny.’ (1Pe 2:10) Izay nolazaina tamin’ny Israely ara-nofo no nampiharin’ny apostoly Petera tamin’ny Israely ara-panahy. Nilaza izy fa izy io no tena “firazanana voafidy, sady mpisorona no mpanjaka, firenena masina, olona nataon’Andriamanitra ho fananany manokana.”—Ek 19:5, 6; 1Pe 2:9.
Maromaro ny antony ilazana fa io Israely ara-panahy io ireo foko 12 atao lisitra ao amin’ny Apokalypsy toko faha-7. Voalohany, tsy mitovy amin’ny lisitry ny Israely ara-nofo ao amin’ny Nomery toko 1, io lisitra io. Faharoa, efa ela be talohan’ny nahazoan’i Jaona an’ilay fahitana tamin’ny taona 96 ny tempolin’i Jerosalema no rava tanteraka. Tsy nisy mpisorona intsony koa, sady efa potika ny tetirazan’ireo fokon’ny Israely. Fahatelo, misy ifandraisany amin’izay nitranga tamin’ny Pentekosta taona 33 sy taorian’izay ny fahitana azon’i Jaona. Hitan’i Jaona tao amin’ilay fahitana fa 144 000 ireo anisan’ny Israely ara-panahy “novidina avy teo amin’ny olombelona”, ary mitsangana eo amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra miaraka amin’ny Zanak’ondry (izay nolavin’ny Israely ara-nofo) izy ireo.—Ap 7:4; 14:1, 4.