“Hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra”
“Ary amin’izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra, — araka ny voasoratra hoe: ‘Hivoaka avy any ziona ny mpanafaka, ary hampiala ny haratsiam-panahy amin’i Jakoba Izy.”’ — ROMANA 11:26
1. a) Inona avy no fanontaniana mipetraka rehefa mamaky ny Romana 11:26? b) Nahoana moa ny repoblikan’Isiraely no tsy mahaforona ny Isiraely tokony “hovonjena”?
‘NY AMIN’NY firenena inona no nasiana fitenenana tao amin’io andininy io? Amin’ny heviny ahoana izy io no hoe tokony hovonjena? Inona no ho vokatry ny famonjena azy eo amin’ireo firenena hafa? Tamin’ny 1948, rehefa tapitra ny fitantanana britanika an’i Palestina, dia naka tapany tamin’io tany io ny Jiosy mba hanorenana ny repoblikan’i Isiraely. Tamin’ny 1967, rehefa nahazo fandresena teo amin’ireo fahefana arabo izy ireo teo am-pifaranan’ny ady naharitra enina andro, dia mbola nitariny ihany ny sisin’ny faritaniny. Hatramin’ny namoronana azy anefa ny fanjakan’Isiraely dia tsy nisy raha tsy noho ny herin’ny fitaovam-piadiana. Na manangona baomba noklehera ho fitsinjovana ny fiarovana azy izy na tsia, ny marina dia hoe tsy mitoky amin’ilay “Mpanafaka” avy any Ziona izy. Ny porofo dia ny fananan’io fototra ara-politika azo lazaina hoe tanora io solontena ao amin’ny Firenena mikambana eo anilan’ireo fanjakana jentilisa. Tsy azo lavina fa Isiraely dia tsy ilay teokrasia nanomboka tamin’ny andron’i Mosesy, tamin’ny 1513 alohan’ny fanisantaona iraisana intsony.
2. Amin’ny ahoana moa ny famoronana ny repoblikan’Isiraely no hafa noho ny fiverenan’ny Jiosy tao an-tanindrazany tamin’ny 537 alohan’ny fanisan-taona iraisana.
2 Theodor Herzl, ilay Jiosy “hongrois” nanorina ny Fandaminana sionista maneran-tany tamin’ny 1897, dia nanambara fa nahaforona firenena iray ny Isiraelita ary nangataka ny hanomezana azy ireo faritany hamoronana fanjakana jiosy iray. Ny tantaran’ny repoblikan’ny Isiraely anefa dia tsy mifanitsy mihitsy amin’ny fiverenan’ny Jiosy tany an-tanindrazany tamin’ny 537 alohan’ny fanisan-taona iraisana, tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kyrosy Lehibe emperora persiana. Io fampodiana io tokoa dia fahatanterahan’ny fikasana voambaran’ilay Andriamanitry ny Isiraely atao hoe Jehovah, araka ny naharihariny mialoha ao amin’ny Isaia 45:1-5 (II Tantara 36:22, 23; Ezra 1:1-4). Ny repoblikan’Isiraely kosa anefa dia tsy teraka tao anatin’ny fiadanana na nanana finoana tanteraka an’ilay Andriamanitry ny Isiraely fahizay. Noho izany, dia tsy ho azo atao ny hihevitra an’io fisehoan-javatra io ho fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Soratra hebreo na ho famantarana mampiseho fa akaiky ny fahatongavan’ilay Mesia jiosy.
3. Ahoana moa taloha no niheveran’ny Mpianatra ny Baiboly ny famonjena ny “Isiraely rehetra”? Inona no niafaran’io fiheverana io tamin’ny 1932?
3 Hatreo amin’ny 1929, ireo anisan’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly iraisam-pirenena dia nihevitra foana ny Jiosy araka ny nofo ho vahoaka voafidin’Andriamanitra. Noheveriny fa ho voangona any Palestina ny Isiraelita na dia tao aza ny tsy fahampiam-pinoany ka any izy ireo dia hiova, hanaiky an’i Jesosy Kristy ho ilay Taranak’i Abrahama nampanantenaina ary ho tonga ny firenena voalohany eto an-tany ho fitahiana ny taranak’olombelona manontolo. Naseho anefa tamin’ny 1932 fa filazana hevitry ny faminaniana ao amin’ny Baiboly diso izany, indrindra fa ilay fanamarihana voasoratra ao amin’ny Romana 11:26 ny amin’ny famonjena ny “Isiraely rehetra”. — Jereo ny toko faha-8 amin’ilay boky hoe “Que ton règne vienne”, navoakan’ny Watch Tower Bible & Tract Society tamin’ny 1891.
“Ny Isiraely rehetra”
4. Amin’ny ahoana moa ny tarehin-javatra ankehitriny any amin’ny fanjakan’Isiraely no mampiseho fa izy io dia tsy mahaforona “ny Isiraelin’Andriamanitra”?
4 Izay nantsoin’ny mpanoratra jiosy ny taratasy ho an’ny Romana hoe “Isiraely rehetra”, dia nantsoiny koa hoe “Isiraelin’Andriamanitra” ao amin’ny Galatiana 6:16. Nefa raha toa ny Jiosy izay anisan’ny repoblikan’ny Isiraely sy ireo izay mbola miely maneran-tany ka tsy mahaforona ny “Isiraely rehetra”, iza àry no mahaforona an’io. Zava-dehibe indrindra io fanontaniana io amin’ny fotoana tsy ahafantaran’ny Jiosy intsony aza hoe anisan’iza amin’ireo foko roa ambin’ny folon’ny Isiraely izy ireo. Manana Raby tokoa izy ireo, nefa tsy manana fisoronana intsony na mpisoronabe eto an-tany. Afa-tsy izany koa, dia tsy manana tempoly na alitara any Jerosalema izy ireo mba hanolorana any ireo fanatitra notakin’ny lalàna nomen’Andriamanitra azy ireo taloha tamin’ny alalan’i Mosesy. Izany rehetra izany tokoa dia nanjavona tamin’ny taona 70, rehefa nandrava an’i Jerosalema ny Romana. Farany, dia tsy misy na inona na inona manaporofo fa ilay Andriamanitra izay laviny ny fanononana ny anarany dia mbola momba azy ireo ihany mba hanohanana ny fireneny. Na dia izany aza dia marina fa mbola manana Isiraely eto an-tany foana Jehovah amin’izao taonjato faha-20 izao. Iza no mahaforona azy io?
5, 6. Ahoana no teny nampisehoan’i Paoly fa tsy ampy ny ho Isiraelita araka ny nofo mba hahatongavana ho anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra?
5 Saoly avy any Tarsosy, ilay Jiosy izay nanana tombontsoa ho tonga ny apostoly Paoly tamin’ny fiovana hanaraka ny kristianisma, dia manome valiny mahafapo amin’io fanontaniana io. Tany amin’ny taona 56 izy dia nanoratra taratasy lava “ho an’izay rehetra any Roma, malalan’Andriamanitra sady voantso no masina”. (Romana 1:1-7.) Ao amin’io taratasy io anefa dia ampahafantariny ireo izay heverin’Andriamanitra ho tena Isiraelita, tsy araka ny nofo fa araka ny fanahy. Izao no vakintsika:
6 “Fa tsy izay rehetra avy amin’ny Isiraely no Isiraely. Ary na dia taranak’i Abrahama aza ireo, tsy dia ary zanany avokoa; fa ‘avy amin’Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao’. Izany hoe: Tsy ny zanaky ny nofo no zanak’Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka. (...) Ary Isaia milaza ny amin’ny Isiraely hoe: ‘Na dia toy ny fasika any amin’ny ranomasina aza ny isan’ny Zanak’Isiraely, dia izay sisa ihany no hovonjena; fa amin’ny fahatanterahana faingana no hanefan’i Jehovah ny teniny ambonin’ny tany’; ary araka izay nolazain’Isaia fahiny hoe: ‘Raha tsy Jehovah, Tompon’ny maro, no namela taranaka ho antsika, dia efa tonga tahaka an’i Sodoma sy tonga tahaka an’i Gomora isika.’ ” — Romana 9:6-9, 27-29.
7, 8. Nahoana ny Isiraelita ara-bakiteny no tsy hany mampiseho ny “sampany” rehetra amin’ny hazo oliva ara-panahy voalazalaza ao amin’ny Romana toko faha-11?
7 Eo aoriana kokoa, ao amin’ny Romana toko faha-11, i Paoly dia mampitaha ny firenen’Isiraely amin’ny hazo oliva izay ampifandraisiny amin’i Abrahama patriarka, “Sakaizan’Andriamanitra”. (Jakoba 2:23) Rehefa avy nanome azy porofon’ny fankatoavany io ‘sakaiza’ io, dia hoy Andriamanitra taminy: “Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, — satria nanaiky ny teniko hianao.” (Genesisy 22:18). Koa satria ny ankamaroan’ny Jiosy araka ny nofo tsy naneho finoana sahala amin’ny an’i Abrahama razambeny raha ny amin’ny fankatoavana an’Andriamanitra, dia “notapahina” hiala tamin’ny hazo oliva ara-panahy nanana an’i Jehovah, Abrahama Lehibe, ho fakany, izy ireo. Tsy Jiosy mpino no nandray ny toeran’izy ireo mba hamenoana ny isan’ny sampan’ny hazo oliva ara-panoharana. Ireo izay nasolo ny Isiraelita araka ny nofo dia tonga “taranak’i Abrahama” toy ny proselyta, toy ny Isiraelita amin’ny fananganana anaka ataon’Andriamanitra, dia Ilay lehibe noho Abrahama (Galatiana 3:26-29). Tamin’izany izy ireo dia Isiraelita ara-panahy, Isiraelita amin’ny heviny ara-panahy. Izany no antony anampian’i Paoly toy izao:
8 “Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy, (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry hianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan’ny jentilisa; ary amin’izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra, — araka ny voasoratra hoe: ‘Hivoaka avy any Ziona ny Mpanafaka, ary hampiala ny haratsiam-panahy amin’i Jakoba Izy; ary izao no fanekeko aminy, raha manaisotra ny fahotany Aho.” — Romana 11:25-27.
9. Na dia nifarana tamin’ny 1914 aza ny “fotoana voafetra ho an’ireo firenena”, manao ahoana ny toeran’ny repoblikan’Isiraely eo anoloan’ilay Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao?
9 Aoka homarihintsika fa tsy nilaza akory i Paoly hoe: “Mandra-pahatapitry ny fotoana voafetra ho an’ireo firenena”, fa hoe “mandra-piditry ny hafenoan’ny jentilisa.” Ny “fotoana voafetra ho an’ireo firenena” dia tapitra tamin’ny 1914, taona nipoahan’ny Ady Lehibe Voalohany (Lioka 21:24, MN ). Na dia izany aza, 70 taona atỳ aoriana, ny repoblikan’Isiraely sy ireo Jiosy miely patrana maneran-tany dia mbola tsy milaza foana ho voaray ao anatin’ny fanekena vaovao nampanantenain’i Jehovah fa hatao amin’ny taranak’Isiraely (Jeremia 31:31-34). Taonjato 19 mahery lasa izay, ny harivan’ny 14 Nisana taona 33, andro Paska jiosy, ilay ho Mpanalalana tamin’io fanekena io dia nanolotra ny kapoaka nisy divay ho an’ireo apostoliny nahatoky tamin’ny fanambarana hoe: “Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay aidina ho anareo.” (Lioka 22:20). Nefa, na dia tao aza ny fotoana lasa rehetra hatramin’izay, ny repoblikan’Isiraely dia mbola tsy manaiky an’i Jesosy Kristy foana ho Mpanalalana amin’ilay fanekena voalazalazan’ny faminanian’i Jeremia.
10. Manao ahoana ny hamaroan’ny Jiosy mpino ao amin’ny ‘taranak’i Abrahama natao hitahiana ny taranak’olombelona rehetra? Inona no vokatr’izany?
10 Araka ny filazan’ireo Isiraeliana, dia hoe mbola tsy tonga avy ao Ziona ilay “Mpanafaka” (Isaia 59:20; Romana 11:26). Tamin’ny andro Pentekosta taona 33 anefa, ny sisa amin’ny Isiraely taloha dia tena nandray tokoa an’i Jesosy ho Mesia. Tamin’izay ireo nahaforona azy dia nahazo ny fanahy masina nampanantenaina. Nampidirina tao anatin’ny fanekena vaovao nambara fa haorina izy ireo. Izany sisa izany anefa dia tsy afaka nahaforona irery ny “ampakarina” ara-panahin’i Kristy izay tokony ho 144 000 (Apokalypsy 7:1-8; 14:1-3; 21:9). Ny Isiraelita araka ny nofo dia tsy ampy isa mba hidirana ho ao amin’ny hazo oliva ara-panoharana izay ny fakany dia ilay Abrahama Lehibe, Ilay nampanantena soa ho an’ny fianakaviana rehetra amin’ny tany, jiosy sy tsy jiosy, noho ny ‘taranak’ilay’ patriarka.
11, 12. Ahoana no tokony handraisana ny fitenenana hoe “ny Isiraely rehetra”? Ahoana no azo ampisehoana izany amin’ny alalan’ny Soratra masina?
11 Amin’ny heviny ahoana àry “ny Isiraely rehetra” no “hovonjena” amin’ny alalan’ilay “Mpanafaka” nampanantenaina? Tsara ny manamarika fa tany amin’ny taona 56 no nanoratan’i Paoly ny taratasiny ho an’ny Romana. Tamin’izany fotoana izany izy dia efa nanoratra ny taratasiny ho an’ny Galatiana (tany amin’ny 50-52). Noho izany, ny teny voarakitra ao amin’ny Romana 11:25-27 dia taty aorian’ny fanamarihana voasoratra ao amin’ny Galatiana 6:16 ny amin’ny “Isiraelin’Andriamanitra”. Izany Isiraely izany anefa dia ilay voaray tao anatin’ny fanekena vaovao, tsy tamin’ny alalan’i Mosesy mpaminany fa tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Jesosy tokoa dia mandray ny anjara asan’ny Mpanalalana ho an’ny “firenena” kristiana iray, dia ny Isiraely ara-panahy iray izay teraka tamin’ny andro Pentekosta taona 33, rehefa nalatsaka teo amin’ny Jiosy izay nanaiky ny fanelanelanany tao amin’ny fanekena vaovao, ny fanahy masina.
12 Ny apostoly Petera dia anisan’ireo Jiosy tonga teo amin’io fotoana io. Taty aoriana izy dia hanoratra ho an’ireo “olom-boafidy araka ny fahalalana rahateo, izay an’Andriamanitra”: “Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, ‘fanjakà-mpisorona, firenena masina’, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, (...) dia hianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon’Andriamanitra.” (I Petera 1:1, 2; 2:9, 10). Hamarinin’izany fa ny Isiraely natao ‘hovonjena daholo’ dia tsy voaforon’ny repoblika isiraeliana na ny Jiosy miely patrana maneran-tany. Izany kosa dia Isiraely ara-panahy nateraka tamin’ny andro Pentekosta taona 33 tamin’ny alalan’ny fanahy avy amin’Andriamanitra. Eo amin’izany “Isiraelin’Andriamanitra” izany no tokony ho avy ilay Mpanafaka nampanantenaina.
13. a) Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nahatongavan’ilay Mpanafaka nampanantenaina avy ao Ziona? b) Iza no nampidirina ho anisan’ny “Isiraelin’Andriamanitra” taty aoriana?
13 Tonga tokoa io Mpanafaka io tamin’ny andro Pentekosta taona 33. Ahoana izany? Tamin’ny fandatsahana ny fanahy masina teo amin’ny mpianatra tokony ho 120 izay tafavory tao amin’ny efitrano ambony iray tany Jerosalema, renivohitry ny firenena jiosy. Tamin’izany ireo mpianatra ireo dia tonga mpikambana voalohany tao amin’ny “Isiraelin’Andriamanitra”, dia Isiraely nateraka ho amin’ny fiainana ara-panahy ka mamelona fanantenana fiainana mandrakizay any an-danitra, faritra misy ireo fanahy (esprits). Nitatra izany Isiraelita ara-panahy izany taty aoriana ka nahafaoka ny tsy Jiosy izay naneho finoana ani’lay Mpanafaka nampanantenaina. Oviana no nitranga izany? Voalohany indrindra dia tamin’ny nanovana ny Samaritana, avy eo dia tamin’ny an’ny Jentilisa amin’ny hevitry ny teny feno, nanomboka tamin’i Kornelio, kapiteny romana sy ny ankohonany ary ireo namany tonga kristiana tamin’ny taona 36. Jehovah, Abrahama Lehibe, dia nanangana ho zanaka ireny tsy Jiosy rehetra ireny izay nino ny Zanany lahitokana, Jesosy Kristy, ilay fototra ara-panoharan’ny hazo oliva ara-panahy. Tamin’izany fomba izany no nandraisan’ireo toeran’ny Jiosy tsy nanam-pinoana notapahina avy tamin’ilay hazo oliva nisy “sampany” 144 000. — Asa. toko faha-10; Asa. 15:14-21.
Vita ny fanatsofohana
14. Inona no rariny raha hoeritreretina ankehitriny ny amin’ny fanangonana “ny Isiraely rehetra”?
14 Valo amby efapolo sy sivinjato sy arivo taona no lasa hatramin’io fisehoan-javatra niavaka tamin’ny taona 36 io. Araka ny fandrindran-kevitra àry, ny asa famonjena tanterahin’ny Tsitoha ho an’ny “Isiraely rehetra” dia tokony ho efa lasa lavitra tokoa. Io vanim-potoana io tokoa dia mihoatra be dia be ny andron’ny jodaisma, dia ny fotoana tsy nanomezan’Andriamanitra tombontsoa afa-tsy ho an’ny Jiosy, izay nanomboka tamin’ny 1513 alohan’ny fanisan-taona iraisana, tamin’ny andron’i Mosesy ka nifarana tamin’ny 36 amin’ny fanisan-taona iraisana, tamin’ny fanovana ireo tsy Jiosy na Jentilisa tsy voafora voalohany. Tsy isalasalana mihitsy fa ampy halavana izany mba hamonjena “ny Isiraely rehetra”, na fara faharatsiny mba hanomezana isan’ny mpikambana ampy ao amin’io firenena io. Afa-tsy izany koa, ny zava-mitranga dia manome antsika antony tsara tokony hinoana fa tena izany tokoa no izy.
15. Araka ny faminanian’i Jesosy momba ny “famantarana” ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”, ahoana no tokony hanangonana ny “olom-boafidy”?
15 Nampahatsiahy an’io vanim-potoana io Jesosy Kristy tao amin’ny faminaniany izay sady nahakasika ny “fanatrehany” ara-panahy sy tsy hita maso no nahakasika “ny fifaranan’ny fandehan-javatra”. Izao no nolazainy: “Amin’izay dia hiseho eny amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona, ka hikapo-tratra ny foko rehetra amin’ny tany amin’ny fitolokoana, ary ho hitany ny Zanak’olona tonga eny amin’ny rahon’ny lanitra amin-kery sy voninahitra lehibe. Ary haniraka an’ireo anjeliny amin’ny feon-trompetra lehibe izy ka hanangona ireo olom-boafidiny avy any amin’ny vazan-tany efatra hatrany amin’ny faravodilanitra rehetra.” (Matio 24:3, 30, 31, MN ). Fa oviana no nanomboka ny ‘fanatrehan’i Kristy’?
16, 17. Oviana no nanomboka ny ‘fanatrehan’i Kristy’? Inona no fisehoan-javatra fahatsiaro nanaraka izany ho an’ireo “olom-boafidy” tafangona?
16 Ny ‘fanatrehan’i Jesosy’ dia nanomboka tamin’ny fahataperan’ny “fetr’andro” fiton’ny Jentilisa, tamin’ny fararanon’ny 1914 (Daniela 20-33 Da 4:23-36). Tamin’io daty io, ny Zanak’Andriamanitra nomem-boninahitra dia nampitodika ny sainy ho amin’ny fampiharana ny fanapahany amin’ny tany izay norotidrotehin’ny ady tamin’izay. Porofoin’ny Tantara tokoa fa tamin’ny 1919, tamin’ny fahavitan’ny ady, Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka efa nandray fiandrianana dia naniraka ireo anjeliny hanangona ny “olom-boafidiny” any amin’ny faritra rehetra amin’ny gilaoby. Teo ambany fitarihan’ny Fikambanana Watch Tower ireo dia tafaray naneran-tany mba hiara-miasa ho fanatanterahana ity faminanian’i Jesosy voatantara ao amin’ny Matio 24:14 (MN) ity: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; dia vao ho tonga ny farany.”
17 Tamin’ny fivoriambe nataony tamin’ny 1931, ireo mpanompon’Andriamanitra dia niray feo handany anarana vaovao. Hatramin’izay izy ireo dia fantatra amin’ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah. Narahina io fisehoan-javatra io, fotoana kelikely taty aoriana, tamin’ny famoahana boky iray mitondra ny lohateny hoe Jehovah izay nanazava ny anaran’Andriamanitra nireharehan’izy ireo aoka izany ny fitondrana azy. Tamim-pankasitrahana no nandraisan’ny Vavolombelona an’io boky io tamin’ny 1934, tamin’ny fotoana niezahan’ilay Führer nazia atao hoe Adolf Hitler handringana azy ireo tany Eoropa afovoany.
18. Fotoana kelikely taty aoriana, inona no nampiseho fa tratra ny isa fenon’ireo “olom-boafidy”?
18 Izay nitranga nanaraka izany dia nampiseho fa ny fanangonana ny “olom-boafidy”, ireo izay nanolo-tena ho an’Andriamanitra ka natao batisa ho amin’ny fiainana ao amin’ny Fanjakana any an-danitra dia nifarana. Nahoana? Satria tamin’ny 1935, ny saina sy ny fiezahan’ireny “olom-boafidy” ireny dia notarihina ho amin’ny “vahoaka maro be” voalazalaza ara-paminaniana ao amin’ny Apokalypsy 7:9-17 (Synodale). Tokony ho voaforon’iza izany “vahoaka maro be” na “olona betsaka” izany? Lehilahy sy vehivavy izay hanome laza sy voninahitra an’i Jehovah sy Jesosy Kristy, ka handray ho valisoa ny fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa an-tany, ary tsy hahita fahafatesana akory na dia ho ao aza ny “fahoriana” lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’olombelona rehetra. Ireny olona manana tombontsoa ireny dia fantatra ho ny “ondry hafa” eto an-tany, an’ilay Mpiandry tsara, Jesosy Kristy. Ankehitriny izy ireo dia mifaly satria mahaforona ‘andiany iray ihany’ miaraka amin’ireo anisan’ny “Isiraely” ara-panahy mbola eto an-tany. — Jaona 10:16.
Anjaranao ny mamaly...
◻ Nahoana moa ny repoblikan’Isiraely no tsy mahaforona ny “Isiraely” resahina ao amin’ny Romana 11:26?
◻ Nahoana moa ny “sampany” rehetra amin’ny hazo oliva ara-panahy no tsy mampiseho ireo Isiraelita araka ny nofo?
◻ Iza moa ilay Mpanafaka nampanantenaina? Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nahatongavany avy ao Ziona?
◻ Iza no mahaforona “ny Isiraely rehetra”? Oviana no tratra ny isa fenon’ireo anisany?
[Teny notsongaina, pejy 24]
Tamin’ny 1935, ny “ondry hafa” izay niaraka tamin’ny sisa amin’ny “Isiraely rehetra” dia fantatra ho ny “olona betsaka”
[Sary, pejy 23]
Tamin’ny Sakafon’ny Tompo, nampiseho inona ny “kapoaka”?
[Sary, pejy 24]
Ny mpanatrika be indrindra tamin’ny fivoriambe tany Washington, any Etazonia, tamin’ny 1935.