MADMANA
(Madmàna) [avy amin’ny fototeny midika hoe “zezika”].
1. Anarana ao amin’ny lisitry ny taranak’i Joda avy tamin’i Kaleba. Voalaza fa i Maka vadikelin’i Kaleba no niteraka an’i “Safa rain’i Madmana.” (1Ta 2:49) Milaza anefa ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa “nanorina an’i” no dikan’ny hoe “rain’i” eto. Lazain’izy ireo àry fa ilay tanàna eo amin’ny No. 2 i Madmana, ary i Safa no nanorina azy io na nanorina azy indray taorian’ny nahazoana azy. Tsara homarihina fa mitovitovy amin’izany ny fomba iresahana an’i Kiriata-jearima sy Betlehema, eo amin’ireo andininy manaraka.—1Ta 2:50, 54.
2. Tanàna tany amin’ny faritra atsimon’i Joda. (Js 15:21, 31) Marina fa mety ho mbola ao amin’ilay anarana hoe Omm Deimneh ilay anarana fahiny hoe Madmana, nefa tsy ahitana sisan-javatra ahafahana milaza izany ao Omm Deimneh. Vao haingana ny manam-pahaizana no nilaza an’i Madmana ho i Kirbet Tatrit, tokotokony ho 15 km any avaratratsinanan’i Beri-sheba. Rehefa ampitahaina ny Josoa 15:31 sy ny andininy mifanitsy amin’io ao amin’ny Josoa 19:5 sy ny 1 Tantara 4:31, dia toa i Madmana ihany no Beti-markabota. Mety ho anarana hafa niantsoana an’i Madmana ny hoe Beti-markabota (midika hoe “Tranon’ny Kalesy”).—Jereo BETI-MARKABOTA.