Ny tombon-tsoa ananan’ny vehivavy kristiana
1. Te-ho tonga vehivavy manao ahoana ny vehivavy kristiana manam-bady?
NY FILAZALAZANA natao ho fakan- tahaka momba ny vehivavy filamatra, dia hita ao amin’ny Baiboly ao amin’ny toko faha-31 amin’ny bokin’ny Ohabolana. Kanefa eo amin’ izao tontolo izao feno lehilahy sy vehivavy tsy tanteraka, dia saro-tadiavina ny vehivavy toy izany. Izany no nahatonga ny mpanoratra io toko ao amin’ny Soratra Masina nome-tsindrimandry io hanao izao fanamarihana izao: “Sambatra izay nahita vehivavy mahery fo, fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy. Matoky azy ny fon’ny lahy, ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy. Soa no ataon-dravehivavy aminy fa tsy ratsy amin’ny andro rehetra iainany.” (andininy faha-10 ka hatramin’ny faha-12, Sy). Te-ho tahaka izany karazam-behivavy izany ny vehivavy kristiana manambady,dia vehivavy azon’ny vadiny itokisana tanteraka ary hanasoa azy amin’ny andro rehetra iainany.
2. Ahoana no mety hahitana ao amin’ny tokan-trano iray ny herim-po ananan’ny vehivavy?
2 Misy fomba maro azon’ny vehivavy hanasoavana ny vady aman-janany, ka raha mampiasa izany izy, dia hahazo fifaliana sy fahafaham-po avy amin’izany. Ny tokan-trano madio sy milamina, dia mampiseho, mandrakariva, fa vehivavy mahery fo ilay mpikarakara azy. Ny filaminana manjaka ao dia porofo manambara fa “mitandrina tsara izay rehetra atao ao an-tokan-tranony izy ary tsy homana ny mofon’ny fahalainana”. Amin’ny vehivavy-mpitory mahatoky, dia anisan’ny vavolombelona manambara amin’ny manodidina izany, fa nanolo-tena ho amin’ny fanompoana an’i Jehovah izy. — Ohabolana 31:27, Sy.
3. Raha mpitory ny Fanjakan’i Jehovah koa ny lahy, inona no fotoana azon’ny vehivavy kristiana anehoana ny maha-vady tsara azy?
3 Raha vavolombelon’i Jehovah nanolo- tena koa ny vadiny, dia misy fomba maro azon’ny vehivavy kristiana anehoana ny maha-vady tsara azy. Afaka hanohana azy amin-kitsim-po izy amin’ny asa fitoriany, amin’ny fiarahany mitory aminy isan-trano, na mamangy indray ny olona te-hahafantatra ny hafatra sy mampianatra ny Baiboly azy ireny. Afa-tsy ny asany ivelan’ny fivavahana sy ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny fitoriana ampahibemaso, dia mety ho mpiandraikitra koa ny vadiny, na mpanampy ao amin’ny fikambanana, ary amin’izany dia tokony hanokana fotoana betsaka ho an’ny asany izy. Marina fa ny ankohonany no adidiny voalohany, ary marina koa fa tsy mendrika ny asa izy raha tsy manatanteraka tsara ny adidiny ao amin’ny ankohonany. Na izany aza anefa, dia hanampy azy be dia be ny fanohanana sy ny fitiavan’ny vadiny, amin’ny fanatanterahana tsara ny adraikiny hafa. Tokony hataon-dravehivavy izay hananany fotoana hahazoany manomana tsara ny tori-teny. Hanana ny fotoana tena ilaina ny vadiny sy izy koa, raha mandamina tsara ny asany ao an-trano ny vehivavy amin’ny fanajany ny ora fisakafoanana sy amin’ny fahavononany ara-potoana rehefa handeha hamonjy fivoriana. Tokony hanampy ny vadiny amin’ny fandaminana ny fandaharam-potoana fianarana ho fampandrosoana ao an-tokan- trano ny vehivavy. Misy fotoana ilan’ny lehilahy fampaherezana, na izay efa nanolo-tena aza, amin’ny fanatanterahana ny andraikiny samihafa, koa ny vehivavy manam-pahendrena sy mahay mandanjalanja, dia tokony hahay hanome azy izany amin’ny halemem-panahy sady hanaja koa ny fitsipika araka an’Andriamanitra, toy ny nampaherezan’i Debora vadin’i Lapidota an’i Baraka mba hanatanterahany ny asa nomen’i Jehovah hataony. — Mpitsara 4:8, 9.
4. Eo ambany fitarihan’ny vadiny, ahoana no fomba azon’ny vehivavy kristiana anoroana ny zanany ny làlana tokony harahina mba hahazoana sitraka amin’i Jehovah?
4 Eo ambany fitarihan’ny vadiny, dia tsara toerana ny vehivavy kristiana amin’ ny fampianarana ny zanany araka ny lalana tokony harahiny mba hankasitrahan’i Jehovah. Tokony ho zariny hanaja ny rainy izy ireo ary tsy tokony hanao na inona na inona izy, izay mety hanimba ny toeran’ny vadiny amin’ny maha-lohan’ny fianakaviana azy. Tokony hasehony ny zanany, tsy amin’ny teny ihany fa amin’ny ohatra koa, ny fomba hanarahana ny làlan’ny fitondrantena tsara. Tsy isalasalana fa eo akaikin’ny zanany amin’ny fotoana lavalava kokoa izy, tsy toy ny vadiny. Tokony hanararaotra izany fotoana izany izy mba hampijoro azy ireo amin’ny fitiavana ny fahamarinana, ny fandaminan’i Jehovah, ny fivoriana sy ny fitoriana ny vaovao tsara. Tokony hanampy azy ireo handray anjara amin’ny fivoriana sy ny asa fitoriana araka izay azony hatao izy. — I Timoty 5:10.
5. a) Toe-piainana manao ahoana no hiezahan’ny vehivavy kristiana hanjaka ao an-tokan-tranony, ary nahoana? b) Inona no valin’izany ho azy momba ny zanany sy ny vadiny?
5 Betsaka no zavatra azon’ny vehivavy kristiana hatao mba hahatonga fiainana sambatra sy feno fiadanana ao an-tokan-tranony. Fantany fa ny toe-javatra toy izany, dia manampy ny zanany hitombo hihamatotra ara-tsaina sy ara-panahy. Sady manohana ny fahefan’ny vadiny izy no manao izay hahasambatra ny mpianakavy amin’ny hatsaram-pony sy ny fahatakarany ny hevitry ny hafa. Feno fahendrena sy fandanjalanjana ny fomba fiteniny ary “anatra soa no eo am-bavany”. Handray valiny lehibe tokoa izy amin’ izany, satria hahita ny zanany manolo- tena an-tsitrapo ho an’i Jehovah mba hanao ny sitrapony, rehefa tonga amin’ny taona hananany andraikitra amin’ny tenany ihany izy ireny. Noho ny fahatsapan’izy ireo fa izy no nahavita izany, dia noho ny fa nampian’ny reniny, dia hilaza azy hoe: “sambatra” ny zanany, ary ny vadiny sady mpampianatra azy, dia hidera azy. Tsy azo lavina fa manome voninahitra ny vadiny ny vehivavy tsara, satria hitan’ny olona fa sady mpitory kristiana izy no loham-pianakaviana tsara. “Ny lahy dia hajaina eo am-bavahadin’ny tanàna raha miara-mipetraka amin’ny loholona.” — Ohabolana 31:26, 28, 23, Sy.
TOMBON-TSOA AO ANATIN’NY FIKAMBANANA
6. Ahoana no fomba hanasoavan’ny vehivavy-mpitory mahatoky ny fikambanana, ary inona no azony hatao hampitomboana ny fanampiany amin’ny asa momba ny Fanjakana?
6 Amin’ny fahatongavany ao amin’ny fikambanana fotsiny sy ny fiarahany miasa aminy amin’ny maha-mpitory ny vaovao tsara azy, dia mitondra voka-tsoa ho an’ny mpikambana hafa, ny vehivavy kristiana mahatoky. Ny fahazotoany mamonjy fivoriana sy mitory, dia ampy hamporisika ireo anadahiny amin’ny asa fitoriana, na dia tsy tsapan’izy ireo aza izany. Kanefa arakaraky ny hitomboan’ny vokatra azony amin’ny asa fitoriana, no hahazoany tombon-tsoa fanampiny koa. Ohatra, mety hoheverina fa afaka hanampy vehivavy kristiana hafa ao anatin’ny fikambanana izy ka hanoro azy ny fomba fitory ny vaovao tsara. Tokony hiezaka hanatsara ny fandraisany anjara amin’ny fivoriana koa izy, mba hamporisika ireo anadahiny ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara (Hebreo 10:23-25, MN). Ary raha afaka hanitatra ny tombontsoany izy ka ho tonga mpitory mandava-taona, dia mbola hisy fitahiana lehibe kokoa hiandry azy.
7. a) Amin’ny fifandraisany amin’ny fikambanana, inona no tokony ataon’ny vehivavy kristiana ao an- tsaina? b) Nahoana Jehovah no nijery ny fahasamihafan’ny lehilahy sy ny vehivavy, raha nandamina ny fikambanana?
7 Na amin’ny fotoana inona, na amin’ny fotoana inona anefa, dia tokony hijanona ao anatin’ny faritry ny toerana araka an’ Andriamanitra izay nofaritan’i Jehovah ho azy ny vehivavy kristiana. Tsy tokony hanahaka an’i Miriama anabavin’i Mosesy izy amin’ny fanomezany tsiny ny anadahiny na ny fitadiavany hifaninana aminy. Amin’ny toetrany sy ny fomba firesany, dia tokony hanohana ny fandaminana izy, ao anatin’izany ireo mpanompo ao an-toerana. Jehovah no Mpandamina lehibe. Fantany ny fomba hampiasana antsika miaraka amin’ny firaisana mba ho fifaliana sy ho fampandrosoana ny rehetra. Mahalala ny vehivavy mihoatra noho ny lehilahy na iza na iza, Izy, satria Izy no namorona ny vehivavy voalohany ary fantany ny toe-piainana mety hahasambatra ny vehivavy sy ny fomba hahafahany manompo Azy tsaratsara kokoa ho voninahiny. Izany no antony nijereny ny fahasamihafan’ny lehilahy sy ny vehivavy eo amin’ny fitsipika nomeny momba ny asa ao anatin’ny fandaminany.
8. Inona no famerana natao ho an’ny vehivavy tao amin’ny fikambanan’lsiraely ara-nofo, kanefa inona kosa no nosoratan’i Paoly mikasika ireo izay ao amin’i Jesosy Kristy?
8 Tamin’ny andron’’ny firenen’Isiraely, dia voafetra ny tombon-tsoa nananan’ny vehivavy, mikasika ny fombam-pivavahana natao tao amin’ny tempolin’i Jehovah. Ohatra, tsy nisy vehivavy nahazo nanao ny asan’ny mpisorona levita na nanolo-tena ho amin’ny fanompoana tao amin’ny tempoly, na nitoetra teo amin’ny seza fiandrianan’Isiraely. Ny hany vehivavy tsy nanaraka izany fitsipika izany dia Atalia, ary maty io vehivavy mpisandoka io noho ny firerehany (Nomery 3:1-10; II Mpanjaka 11:1-20). Raha nilaza ny amin’Isiraely ara-panahy ny apostoly Paoly ka niteny tamin’ny vehivavy toy ny tamin’ny lehilahy nanolo-tena koa, dia izao no nosoratany: “Fa hianareo rehetra dia zanak’ Andriamanitra amin’ny finoana an’i Kristy Jesosy. (...) Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy na vavy; fa iray, ihany hianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy. Ary koa, raha an’i Kristy hianareo, dia taranak’i Abrahama marina tokoa sy mpandova araka ny teny fikasana.” — Galatiana 3: 26, 28, 29, MN.
9. a) Inona no tombon-tsoa mikasika ny Fanjakana sy ny fisoronana izay nomena ny vehivavy kristiana? b) Noho ny asan’ny fanahy masina, inona no asa andraisan’ny vehivavy nanolo-tena anjara?
9 Arak’izany, ny vehivavy koa, toy ny lehilahy, dia mahazo manana fanantenana kanto, dia ny ho tonga mpiray lova amin’i Jesosy Kristy ao amin’ny Fanjakana any an-danitra. Nisy vehivavy sasantsasany voatokana ho mpanjaka sy mpisorona ary hiara-manjaka amin’i Jesosy Kristy sy ny sisa amin’ny 144.000 mpiara-mandova ny Fanjakana. Kanefa, tsy ho vehivavy intsony izy ireny fa ho zava-boahary ara-panahy be voninahitra, any an-danitra. (Romana 8:16, 17; Apokalypsy 20:6; 14:1). Hatramin’izao andro izao, ao anatin’ ny sisa amin’ny 144.000, dia mbola misy vehivavy mahatoky manana izany fanantenana kanto izany. Nandray ny hosotry ny fanahy masina izy ireo, ka tonga anisan’ny tenan’i Kristy, ary tonga “zanak’ Andriamanitra”, toy ny lehilahy anisan’ny sisa. Toy ny nisian’ny vehivavy tamin’ny Pentekosta, tamin’ny nandatsahana ny fanahy masina ka nahazoan’izy ireo nanao fahagagana koa, toy ny lehilahy, dia toy izany koa amin’izao fotoana izao, fa manana anjara koa ny vehivavy kristiana voahosotra amin’ny fanahy izay mitarika azy sy manosika azy ho amin’ny asan’i Jehovah, mba hahazoan’izy ireo manambara koa ny “zava-mahatalanjona avy amin’Andriamanitra”. — Joela 2:28, 29; Asan’ny Apostoly 1:14; 2:1-11, MN.
NY FITONDRANTENAN’NY VEHIVAVY AO ANATIN’NY FIKAMBANANA
10. Inona no toro-hevitra mikasika ny fitondrantena tokony ananan’ny vehivavy ao anatin’ny fikambanana, hita ao amin’ny I Timoty 2:11-13 sy I Korintiana 14:33, 34?
10 Marina fa tamin’ny andron’ny fikambanana kristiana voalohany, dia nateraky ny fanahy masina toy ny lehilahy koa ny vehivavy nanolo-tena sy vita batisa. Kanefa mbola tao amin’ny nofo izy tamin’ izany, noho izany, dia nanome azy tamin’ ny alalan’ny apostoly izao toro-hevitra izao Jehovah mba hitandroana ny filaminana araka an’Andriamanitra. Izao no voasoratra momba izany ao amin’ny I Timoty 2:11-13 (MN): “Aoka ny vehivavy hianatra mangingina ka hanaiky tsara. Fa ny vehivavy tsy avelako hampianatra na hanapaka ny lehilahy fa hangina ihany. Fa Adama no natao voalohany, vao Eva.” Izao koa no voalaza ao amin’ny I Korintiana 14:33, 34 (MN): ‘‘Fa Andriamanitra dia tsy Andriamanitry ny fikorontanana, fa an’ny fiadanana. Araka ny fanao ao amin’ny fikambanan’ny olona masina rehetra, dia aoka hangina ny vehivavy ao amin’ny fikambanana; fa tsy avela hiteny izy fa aoka hanoa tsara.”
11. a) Nahoana no tsy milaza akory izany toro-hevitra izany, fa tsy tokony hiteny mihitsy ny vehivavy ao amin’ny fivorian’ny fikambanana? b) Ahoana ary no tokony handraisana ny hevitry ny baiko mandidy hoe: “tokony hangina ny vehivavy ao amin’ny fikambanana’’?
11 Milaza ve izany fa tsy mahazo miteny mihitsy ny vehivavy ao amin’ny fivorian’ny fikambanana? Tsia dia tsia, satria tamin’ ny fotoana nanoratana ireo andininy ireo, dia nahazo ny fanomezan’ny fanahy masina toy ny lehilahy koa ny vehivavy, anisan’ izany ny fahaizana niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra sy ny faminaniana, ary ny fampiasana ireny fanomezana ireny dia nanery ny vehivavy hiteny tao amin’ny fikambanana. Ahoana ary no tokony handraisana ny hevitry ny baiko mandidy “ny vehivavy hangina ao amin’ny fikambanana”? Izany dia miharihary fa mikasika ny fotoana ampisehoana fa ny fitenenana, dia mariky ny tsy fanekena. Tsy tokony hanohitra ny rahalahy ny anabavy na hanitsy azy eny ampahibemaso amin’ny fivoriana na amin’ny fotoana hafa raha miresaka amin’ny olona ao anatin’ny fikambanana izy. Tsy tokony hanapaka ny rahalahy koa izy amin’ny fitadiavana hampianatra na hanoro hevitra azy. Raha manana fanontaniana hapetraka ny vehivavy, mikasika ny zavatra nolazain’ny rahalahy iray teo anatrehan’ny fikambanana, dia mahazo mamotopototra ny amin’izany miaraka amin’ny vadiny izy any an-trano. — I Korintiana 14: 35.
12. Ahoana no fomba ahazoan’ny vehivavy mandray anjara amin’ny fianarana sady manaja ny fitsipika araka an’Andriamanitra?
12 Kanefa tsy milaza akory izany fa tokony hangina ny vehivavy nanolo-tena. Ohatra, amin’ny fivorian’ny fikambanana dia mahazo mamaly ny fanontaniana apetraka izy mandritry ny fianarana na ny famerenana am-bava, ary amin’izany izy dia mandray anjara amin’izay hahatonga ny fivoriana ho velona sy hampandroso ny mpanatrika rehetra. Raha diso ny hevitra lazain’ny rahalahy iray mandritry ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, ka voatondro hanome valiny manaraka azy ny anabavy iray, dia tsy voatery hampifanaraka ny fanazavana omeny amin’ny hevitra diso nomen’ilay rahalahy izy akory. Kanefa kosa, tsy tokony hampiseho faniniana ilay rahalahy izy na amin’ny valin-teniny, na amin’ny fomba fiteny. Mahazo manondro amim-pandanjalanjana izay lazain’ny Tilikambo Fiambenana momba io fanontaniana io izy, ka hampialoha ny valin-teniny amin’ny fanamarihana toy izao: “Tsara homarihina izay lazaina ao amin’ny fehin-tsoratra momba izany.” Hita avy hatrany fa raha misy rahalahy efa matotra manatrika eo, dia tsara kokoa raha izy ireny no asain’ny mpitarika manitsy ny valin-teny diso nomen’ny rahalahy iray. Hahazo tombon-tsoa avy amin’ny fanazavana omen’izy ireo amin’izany ny mpanatrika rehetra, ary tsy hisy ho sendaotra na iza na iza.
13. Inona no fanirian’ny vehivavy-mahatoky rehetra, kanefa inona no fanontaniana mipetraka?
13 Ny vehivavy-mpitory mahatoky rehetra ao amin’ny fikambanan’izao tontolo izao vaovao, dia maniry hitondra tena mifanaraka amin’ny fitsipika momba ny fahefana araka an’Andriamanitra izay nomen’i Jehovah. Ny fahatsoram-pony amin’ izany, izay tena hafa noho ny fombam-piainan’ny vehivavin’izao tontolo izao, dia mitondra soa ho an’ny fikambanan’izao tontolo izao vaovao sady fototra lehibe mitarika ny firaisana sy fifandrindrana kanto izay manjaka eo aminy. Na izany aza anefa, indraindray dia misy fanontaniana mipetraka mikasika ny fahefana. Indraindray dia misy mametraka fanontaniana toy izao: Amin’ny fotoana toy inona no tokony hisaron-doha ny anabavy, raha ny tena marina? Rehefa maninona no mahazo mivavaka eo anatrehan’ny olon-kafa ny anabavy, ary rehefa manao izany izy, moa ve tsy maintsy hisaron-doha?
FITSIPIKA ARAKA NY BAIBOLY MOMBA NY FISARONAN-DOHA
14. Mikasika ny fitsipika inona no nandinihan’i Paoly ny momba ny fisaronan-doha, ary inona no nambarany momba izany no amin’ny I Korintiana 11:4-7?
14 Ny amin’ny hoe: tokony hisaron-doha ny vehivavy amin’ny fotoana sasantsasany homariky ny fanekeny, dia hita mazava tsara ao amin’ny Soratra Masina. Rehefa avy nanome ny fitsipika momba ny fahefana ny apostoly Paoly, ao amin’ny I Korintiana 11: 3, dia nampihatra io fitsipi-pitondrantena io tamin’ny raharahan’ny fikambanana. Ataovy ao an-tsaina fa tamin’izany fotoana nanomezana ireo torohevitra ireo izany koa, no namerana ny fampiasana ny fanomezana mahagaga avy tamin’ny fanahy masina. Na izany aza anefa, ny fitsipika momba ny fisaronan-doha, dia mbola azo ampiharina ao amin’ ny fikambanana amin’izao androntsika izao. Andeha hodinihintsika izao izay voasoratra ao amin’ny I Korintiana 11:4-7 (MN): “Ny lehilahy izay mivavaka na maminany ka misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ilay lohany; fa ny vehivavy izay mivavaka na maminany kosa ka tsy misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ilay lohany, sy voninahitr’Andriamanitra izy; fa ny vehivavy kosa no voninahitry ny lehilahy satria tena toy ny voaharatra ny lohany. Fa raha tsy misaron-doha ny vehivavy, dia aoka hohetezana izy; kanefa raha mahamenatra ny vehivavy ny hohetezana na hoharatana, dia aoka hisaron- doha izy. Ny lehilahy dia tokony tsy hisaron-doha satria endrika.”
15. a) Ahoana no tsy mahamety ny hisaronan’ny lehilahy loha raha mivavaka eo anatrehan’ny fikambanana izy na mitarika fivoriana? b) Nahoana kosa ny vehivavy no tokony hisaron-doha raha manao toy izany? d) Nahoana no nampitahain’i Paoly tamin’ny vehivavy manana loha voaharatra ny vehivavy kristiana mitari- pivavahana kanefa tsy misaron-doha?
15 Noho ny lehilahy, endrika sy voninahitr’Andriamanitra, dia nohariana ho solon-tenan’Andriamanitra eo anatrehan’ny vadiny sy ny fianakaviany izy ary tokony hanatanteraka ny andraikitra entin’ny fahefana natafy azy. Afa-tsy izany, ao anatin’ny fikambanana dia tokony hiseho ho solon-tenan’i Kristy izay lohan’ny fikambanana izy. Noho izany, rehefa mivavaka na mitarika fivoriana ao amin’ny fikambanana ny rahalahy, dia tsy mety raha misaron-doha toy ny mampiseho fanekena sy fanajana ny mpanatrika izy. Fa amin’ izany izy dia toy ny manafina ny fahefany sy mihevitra fa tsy ara-dalana ny nanaovany izany asa izany. Raha manao toy izany izy, dia tsy mendrika ny ho solon-tenan’i Kristy fa mahafa-boninahitra ny filohany, dia Kristy. Ny vehivavy kosa dia tokony hisaron-doha rehefa mivavaka na maminany eo anatrehan’ny fikambanana, ho fanajana ny fitsipika araka an’ Andriamanitra izay milaza fa anjaran’ny lehilahy izany asa izany raha ny tena tokony ho izy. Amin’izany dia tsy hoheverina fa mitady hisolo ny lehilahy na hisandoka ny toerany izy. Raha tsy izany no ataony, dia manala-baraka tsy ny rahalahy ao amin’ny fikambanana ihany izy fa ny vadiny koa, satria hoheverina fa toy ny tsy mety manaiky azy koa izy. Araka ny fanazavana nataon’i Paoly, raha manao toy izany ny vehivavy, dia mety aminy kokoa ny manety ny volony ho toy ny an’ny lehilahy na ny mpanompo. Nefa moa tsy zava-mahamenatra va izany? Na fomba ahoana na fomba ahoana dia nahamenatra ny toy izany tamin’ny andron’i Paoly, satria tamin’izany fotoana izany dia naharatana ny lohan’ny vehivavy ho marika fa mpanompo izy, na ho famantarana fa tratra tsy afa-nihetsika nanao fitondrantena maloto na nijangajanga izy. Mariky ny fanalam-baraka eo imason’ny olona izany.
16. Noho ny fitsipika inona no tokony hisaronan’ny vehivavy loha, ary inona no fampianarana omen’ny natiora antsika momba izany?
16 Tamin’ny andron’ny kristiana voalohany, araka ny fomban-tany dia tsy maintsy misaron-doha ny vehivavy rehefa miseho vahoaka. Izay mivoaka ny trano ka tsy misaron-doha dia noheverina ho toy ny vehivavy tsy zarizary fitondrantena, ka tsy manaja ny fahefan’ny rainy na ny an’ny vadiny. Kanefa tsy izany no tena zava-dehibe tamin’ny famelabelarana nataon’i Paoly. Tiany haharihary ny fitsipik’ Andriamanitra momba ny fahefana. Nanohy ny fanazavany Paoly, ka naka ohatra avy tamin’ny natiora. “Tsaraonareo ary izao: moa mety ve raha tsy misaron-doha ny vehivavy rehefa mivavaka? Ny zavatra vita-nanahary va tsy mampianatra antsika fa raha lava volo ny lehilahy, dia fahafaham-boninahitra ho azy izany; fa raha lava volo kosa ny vehivavy, dia voninahiny izany. Fa ny volony no nomena azy ho saron-dohany.” (I Korintiana 11:13-15, MN). Tsy milaza akory izany fa mahasolo ny saron-doha ny volo rehefa mivavaka na maminany eo anatrehan’ny fikambanana ny vehivavy; raha izany dia tsy hisy heviny akory ny andininy fahaenina. Ny volony dia mampahatsiahy kosa fa amin’ izany fotoana izany, dia tokony hisaron-doha izy mba hampiseho ny fanekeny.
17. Inona no tokony ho fantatry ny vehivavy manana fanetren-tena?
17 Tsy ho tsara tarehy angamba ny vehivavy raha voaharatra ny lohany? Toy izany koa, raha tsy maneho fanajana ny fandaharana araka an’Andriamanitra ny vehivavy (toy ny vehivavy kristiana izay naminany tsy nisaron-doha tao amin’ny fikambanana voalohany), dia tsy manana hatsarana izy eo imason’i Jehovah sy ny mpikambana hafa, noho ny tsy fananany fanetren-tena. Ny vehivavy mahatoky dia mahalala ny toerany ao amin’ny fandaharan’Andriamanitra. Izao no lazain’i Paoly momba izany ao amin’ny andininy faha-8 ka hatramin’ny faha-10 amin’io toko io ihany (MN): “Fa tsy ny vehivavy no nihavian’ny lehilahy fa ny lehilahy no nihavian’ny vehivavy; ary koa, tsy ny lehilahy no natao ho an’ny vehivavy, fa ny vehivavy no ho an’ny lehilahy. Izany no tokony hananan’ny vehivavy marika momba ny fahefana eo an-dohany, noho ny anjely.”
18. Ahoana no mety ho dikan’ny hevitr’i Paoly raha nilaza izy fa ny vehivavy, dia tokony “hanana marika momba ny fahefana eo an-dohany, noho ny anjely’’?
18 Nahoana no hoe: “noho ny anjely”? Tsy ho mariky ny fanekena azy ireo akory. Ao amin’ny I Korintiana 11:3, dia tsy nilaza akory Paoly fa manana fahefana amin’ny vehivavy ety an-tany ny anjely. Ny fitarihana ny fikambanana kristiana sy ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana, dia tsy anisan’ny andraikitry ny anjely akory. Ny fisaronan’ny vehivavy loha ary, dia tsy hoe ho fanajana ny anjely soloiny toerana. Fa ny lehilahy sy ny vehivavy nanolo-tena kosa, dia “fizahan’izao rehetra izao, na anjely na olona”. (I Korintiana 4:9, MN) .Arak’izany dia mety hanome ohatra tsara ho an’ny anjely ny vehivavy mahatoky. Amin’ny fanekeny ny vadiny sady filohany, amin-kitsimpo, araka ny fandaharana nataon’i Jehovah, sy amin’ny fanajany ny rahalahy ao amin’ny fikambanana, dia mampiseho ohatra tsara amin’ ny anjely izy ary mamporisika azy ireo hanaiky amim-pahatokisana hatrany an’i Jehovah sy ny Mpanjakany efa nandray ny fiandrianany, dia Jesosy Kristy.
19. Ahoana no nilazan’i Paoly ny momba ny fifandraisan’ny lehilahy sy ny vehivavy, ao amin’ny I Korintiana 11:11, 12, ary inona no hanampy ny lehilahy sy ny vehivavy hanaja amim-panetren-tena ny fandaharan’ Andriamanitra?
19 Na izany aza anefa, mba tsy hahatonga ny lehilahy ho diso fihevitra ka hino fa izy no zava-boahary ambony indrindra fa ny vehivavy kosa tsinontsino, dia nanohy nanoratra toy izao Paoly: “Kanefa koa, ao amin’ny Tompo, tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy. Fa toy ny nihavian’ny vehivavy avy tamin’ny lehilahy, dia toy izany koa no nihavian’ny lehilahy avy tamin’ny vehivavy; fa Andriamanitra kosa no ihavian’ny zavatra rehetra.” (I Korintiana 11:11, 12, MN). Ny hevitra tokony hataontsika ao an-tsaina dia izao: ny fandaharana natao momba ny fahefana, ny fifandraisan’ny lehilahy sy ny vehivavy ary momba ny fitondrantena sy ny filaminana tokony hanjaka ao amin’ny fikambanana, ireny fandaharana rehetra ireny, dia avy tamin’Andriamanitra fa tsy avy tamin’olombelona. Na lehilahy ny tena na vehivavy, ka tsy manadino izany toe-javatra izany, dia hitoetra tsara sy hanetry tena ary ho feno fankasitrahana an’i Jehovah noho ny soa rehetra nomeny.
20. Inona no mahamety ny handinihana ny momba ny fisaronan-doha amin’izao fotoana izao?
20 Toa nahatonga fifandirana ny momba ny toeran’ny vehivavy tao amin’ny fikambanana tany Korinto. Izany no nahatonga an’i Paoly handany fotoana tamin’ny famelabelarana ny fitsipika nampiharina mba hahamora ny fahazoan’ny rehetra izany, ary dia namarana ny teniny toy izao izy: “Kanefa raha misy olona toa miady hevitra hanohanana fanao mahazatra hafa, dia tsy manana fanao hafa isika, na ny fikambanan’Andriamanitra.” (I Korintiana 11:16, MN). Na dia tsy miteraka fifandirana aza izany foto-kevitra izany eo amin’ny vavolombelon’i Jehovah amin’izao fotoana izao, dia ataonay fa mety ny mandinika azy amin’ny antsipiriany mba hahitana ny fampiharana azy ao anatin’ny fikambanana kristiana. Noho izany, ao amin’ny nomerao manaraka amin’ny Tilikambo Fiambenana,dia
handinika ny sasantsasany amin’ny fotoana mahamety my hisaronan’ny vehivavy loha isika,mba hahafantaran’ny vehivavy-mpitory mahatoky ao amin’ny fikambanan’izao tontolo izao izay tokony hataony hifanaraka amin’ny Soratra Masina sy hifandrindra amin’ny feon’ny fieritreretana kristiana.