Nihetsi-po tamin’ny zavatra hitany
◆ Nisy vehivavy anankiray nandefa telefaona tamin’ny olona voatokana hiandraikitra ny fandraisan’olona na zavatra ao amin’ny biraon’ny Fikambanan’ny Watch Tower ao Brooklyn, ka toy izao no nolazainy: “Moa va azonao hatao ny milaza amiko ny momba ny vavolombelon’i Jehovah sy ny finoany. Fivavahana jiosy no ataoko nefa dia mila hery ara-panahy aho. Nandre tokoa aho ny amin’ny fivoriambe nataonareo ary hitako koa ireo olona tsy tambo isaina izay tonga manatevin-daharana ny fikambananareo. Tiako ny hahafantatra izay antony mahatonga ireny olona sesehena ireny ho voatarika hankao. Roa amby roapolo taona no nipetrahako teo amin’ny faritany misy anareo (tsy lavitra loatra ny toerana misy ny biraon’ ny Fikambanana) ary narahiko maso koa ny firoboroboana mahafinaritry ny fikambananareo, izay nanomboka tamin’ny tsy misy, kanefa nanjary nirobona aok’izany. Betsaka ny vavolombelon’i Jehovah no mamangy ahy tsy tapaka, indray mandeha isan-kerinandro fara-fahakeliny; tsy miova ny valin-teny ataoko amin’izy ireny, dia ny hoe: ‘Tsy maharisika ahy izany’. Tonga eo amin’ny fotoana izay ilako fahalalana bebe kokoa ny amin’ny vavolombelon’i Jehovah anefa aho izao.”
Koa satria sarotsarotra ihany ny hanome fanazavana amin’ny telefaona an’ilay vehivavy momba ny fampianaran’ny vavolombelon’i Jehovah, dia nataon’ilay Vavolombelona izay namangiana ilay vehivavy nony alahady manaraka. Nambaran’ity vehivavy ity an’ilay Vavolombelona fa Eglizy marobe no efa noratoviny, kanefa dia samy niendahany avokoa ireny noho ny fahosan’izy ireny tsirairay amin’izay hidirany. Nisy minisitra protestanta anankiray, izay nangatahany fanampiana, namaly azy tamin’izao teny izao: “Ramatoa P..., Tsy ho haiko atao ny andeha handray anao amin’ny tanako, fa raha tahiny tianao marina ny hanao zavatra, dia hanokany adiny roa isan-kerinandro hamalianao ireo antso an-telefaona tonga ao amin’ny Eglizy”. Nahakivy ilay vehivavy izany valin-teny izany, na dia efa namafisiny aza ny tsy fahitany fahafaham-po ao amin’ny Eglizy tsidihany, satria tsy ninoany fa Jesosy no Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra ary efa fantany koa fa ny ankamaroan’ny fampianarana ny ‘’kristianisma”, dia nadika tamin’ny fampianaran’ny mpanompo sampy avokoa. “Inona no azoko atao, hoy izy mantsy ilay Vavolombelona, mba ahatonga ahy ho isan’ny fikambananareo? Dia nokarakaraina izay hanaovana fampianarana ny Baiboly tao an-trano nitoerany; novidian’ilay vehivavy ny boky mitondra ny lohateny hoe: Du paradis perdu an paradis reconquis ary ny Traduction du monde nouveau; androtr’io ihany ilay vehivavy dia nanatrika ny konferansa ho an’ny be sy ny maro natao tao amin’ny Trano Fianarana Soratra Masina. Amin’izao fotoana izao ilay vehivavy, dia tonga tsy tapaka manatrika ny fivoriana; misy fianarana ny Baiboly atao ao an-tranony indray mandeha isan-kerinandro. “Tena mikolokolo tsara ahy tokoa izy ireo!” hoy izy mantsy ireo vavolombelon’i Jehovah miara-mianatra aminy. Izany dia ohatra iray amin’ny fitahiana raisina rehefa miezaka amim-pahazotoana mba hamahana ny “ondry kely”, na dia ilana ny famangiana ny olona isan-kerinandro, na isan-taona aza ny fanaovana izany mba hanambarana aminy ny Fanjakan’Andriamanitra.—Jaona 21:17, MN.
◆ Nisy vavolombelon’i Jehovah anankiray, avy any New Jersey, nitantara ny fanampiana nataony tamin’ny olona anankiray nanana risi-po ary nividy ny boky Du paradis perdu au paradis reconquis. sy ny Traduction du monde nouveau, hoe: “Niangaviako izy hanatrika ny konferansa natao ho an’ny be sy ny maro tao amin’ny Trano Fianarana Soratra Masina; dia tonga nanatrika tao izy ary nahatsiaro hasambarana ka hatramin’izay dia tonga manatrika hatrany ny fivoriana. Dia niangaviako koa izy raha tiany ny hiaraka amiko hamangy ireo olona izay anaovako fampianarana ny Baiboly, dia nekeny izany. Nony afaka fotoana vitsivitsy dia nanontany ahy izy ny fotoana mba ahazoany mandray anjara amin’ny fitorian-teny isam-baravarana. Roa volana taorian’ny fivoahana voalohany nataony amin’ny fitorian-teny, dia niangaviako koa izy hitsidika ny trano fanontam-printin’ny Fikambanana ao Brooklyn. Nanokana andro iray tsy niasana izy, ary toy izao no vakin’ny andalan-teny iray tamin’ny taratasy nanehoany ny fihetsem-pony tamin’io fitsidihana ny trano fanaovam-printy io:
“Izao dia hitako fa misy lehilahy sy vehivavy marobe miara-miasa sy miara-miaina amim-pirindrana sy fiadanana izay miendrika ny paradisa arapanantenain’ny Soratra Masina antsika. Mety hisy ve ny paradisa toy izany eto amin’ity izao tontolo izao ankehitriny ity? Azonao atao ny mametraka io fanontaniana io miverina in-arivo, saingy ao amin’ny fikambanana araka an’Andriamanitra no ahafantarantsika ny valiny. Anio, ary voalohany izao, dia masoko mihitsy no nahita fa misy izany. Niangavy aho hitsidika ny trano fanaovam-printy ny Watch Tower izay anontana sy ivoahan’ny boky mampahafantatra ny olona ny fampianaran’ny vavolombelon’i Jehovah, ka tao no nahitako zavatra nihoatra ny zavatra rehetra ninoako, ary hain’ny olombelona atao eo ambany fitarihana sy fitahian’i Jehovah. Ho talanjona tokoa, toa ahy, ny olona tonga mitsidika ao, amin’ny fahitana ny filaminana sy fahadiovana manjaka ao amin’io toerana io, noho ny mpiasa tsirairay minisitr’i Jehovah. Ny marina dia izao, toy ny tana-maherin’i Jehovah no nanoratra ny Teniny ho an’ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany. Raha nanana fisalasalana kely aho taloha ny ho Vavolombelona, dia tsy manana izany intsony na kely aza, ary tsy mbola nanana faniriana miredareda ohatr’izao mihitsy aho, dia ny hanolorako ny tenako ho an’i Jehovah mba ahatonga ahy koa ho minisitry ny Teniny.”
Mbola misy koa toerana maro, dia any Tiorkia, any Afrika, any Amerika Atsimo sy any Atsinanana, misy trano fanaovam-printin’ny Fikambanana Watch Tower izay anontana sy ivoahan’ny boky fampianaran’ny vavolombelon’i Jehovah. Ireo minisitra nahazo alalana miisa 1461 izay miasa an-tsitrapo ao amin’ireo trano fanaovam-printy ireo sy any amin’ireo trano sampan’ny Fikambanana eto amin’izao tontolo izao. dia samy mihevitra fa tombontsoa ny fanompoana an’Andriamanitra sahala amin’izany mba hampandrosoana ny Fanjakany.
“Mitadiava an’i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, izay efa manaraka ny fitsipiny: tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho vaafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.”—Zefania 2:3