Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
Mihaino ny Feony ny Ondrin’i Jesosy
ARAKARAKA ny itaran’ny asa fitoriana any amin’ny faritra rehetra eto an-tany, dia mitarika ireo mpanompony i Jehovah ho any amin’ireo olona toy ny ondry, amin’ny alalan’ny anjeliny. Mandre ny feon’i Jesosy izy ireo ary mianatra ny manompo azy amin’ny fanantenana fiainana mandrakizay. Hoy i Jesosy ao amin’ny Jaona 10:27, 28: “Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay”. Mariho ny fomba nihainoan’ireo olona tso-po teto Madagasikara ny feon’i Jesosy.
Nisy Vavolombelon’i Jehovah nanome ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany sy ilay boky hoe Ny Fahatanoranao — Ny Fomba Handraisan-tsoa be Indrindra avy Amin’izany ho an’ilay dokotera tonga mba hizaha ny rainy narary.
Protestanta ilay dokotera ary nanohitra fatratra ireo Vavolombelona, kanefa dia namaky ilay boky izy ary nohamarininy tao amin’ny Baiboliny ireo andinin-teny. Ny vadiny izay katolika sady dokotera koa, dia namaky imbetsaka ilay boky hoe Ny Fahatanoranao satria toa natao ho azy mihitsy, hono, ilay izy. Nanaitra ny sain’izy roa ny fanazavana miorina amin’ny Baiboly nomen’ny Fikambanana momba ny maha-lehibe ny taona 1914. Nifandray tamin’ilay Vavolombelona nanome azy ireo boky ilay lehilahy. Nanome azy ilay boky hoe La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création? ilay Vavolombelona ary nanao fandaharana mba hitsidika azy sy ny vadiny mba hamaliana ny fanontanian’izy ireo. Rehefa nitsidika azy ireo izy, dia nanomboka fianarana ny Baiboly tsy tapaka niaraka tamin’ilay mpivady sy ny zanany telo. Haingana dia haingana ny fandrosoana teo amin’ny fahatakarana ny Baiboly.
Taorian’ny fianarana voalohany, dia nanomboka nanatrika ny fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana ilay fianakaviana iray manontolo, ary tsy ela taorian’izay dia nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika. Nisy fihatsarana lehibe teo amin’ny fitondrantenan’ireo ankizy. Tamin’ny fianarany ny Baiboly dia fantatr’izy ireo fa tsy fomba kristiana ny fankalazana ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana sy ireo fety ara-pivavahana hafa; noho izany, dia nitsahatra tsy nitandrina izany izy ireo. Tsy nety nanome ny rany ho an’ny havany ilay lehilahy na dia mbola tsy nodinihina tao amin’ny fianarana ny Baiboly akory aza ilay foto-kevitra. Tsy ela dia nanjavona tao amin’ny fitoeran’akanjony ilay fanamiana fitondrany rehefa manao karate; nalefany tany amin’ny mpanjaitra izy io mba hanaovana akanjo ho an-janany. Nodorany avokoa ireo gazety sy bokiny momba ny fizahana vintana. Telo volana monja taorian’ny nanombohany nianatra ny Baiboly, dia samy niala tamin’ny fiangonana nisy azy avy izy mivady, ary nilaza ny faniriany handray anjara amin’ny asa fitoriana. Vita batisa izy ireo izao.
◻ Nitady ny fahamarinana ny vehivavy iray tany Thailande. Na dia Bodista aza izy, dia tsy mba nanokan-tena ho an’ny fivavahany mihitsy, satria nahita fihatsarambelatsihy sy fieremana be loatra izy. Tetsy an-danin’izany, dia nisy fombafomba isan-karazany izay hitany fa mahatafintohina. Leon’izany rehetra izany izy.
Tamin’izay dia nisy mpifanila trano taminy nampirisika azy hanandrana ny fivavahana kristiana ary nitondra azy tany amin’ny fiangonan’ny Pentekotista. Nandritra ny fotoam-pivavahana anefa, dia naniry mafy ny hivoaka sy handeha hody ilay vehivavy noho ny tabataba, satria izay rehetra teo dia nivavaka tamin’ny feo mafy avokoa. Farany tamin’izay no nandehanany tany amin’io fiangonana io.
Tatỳ aoriana dia nandramany ny eglizy Katolika Romana. Rehefa avy niangona tany imbetsaka anefa izy dia nahatsikaritra indray fihatsarambelatsihy sy fieremana, ary koa fomba fiaina be haitraitra fatratra nananan’ny pretra. Nanjary tofoka izy ary tsy nankany intsony. Ta hahafantatra ny antony nialany ilay pretra. Rehefa fantany ny antony, dia hoy izy tamim-panesoana: “Raha maniry hiaraka amin’ny olona tena hentitra tokoa ianao, dia mandehana mankany amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.” Nanontany ilay vehivavy hoe: “Aiza no misy azy ireo?” Namaly ilay pretra hoe: “Eo akaikin’ilay toeram-piasana mikarakara ny rano.” Ny ampitson’iny izy dia nitady azy ireo fa tsy nahita. Diso fanantenana izy, kanefa dia nieritreritra foana ny amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah.
Indray andro izy dia nandre tsy nahy mpifanila trano aminy niteny tamim-panesoana toy izao tamin’ny iray hafa: “Tsy ho ela koa ianao dia ho tonga Vavolombelon’i Jehovah!” Raha vao nandre izany ilay vehivavy dia nihazakazaka tany amin’ilay mpifanila trano aminy ary nanontany hoe: “Misy Vavolombelon’i Jehovah angaha etỳ amin’ny manodidina etỳ?” “Eny”, hoy ny valinteny. “Hisy ho avy etỳ amin’ny manodidina etỳ hitory isan-trano. Ho fantatrao izy ireo amin’ny fomba fitafiny madio sy milamina.” Tamin’izay dia nihazakazaka nivoaka izy mba hitady azy ireo. Tamin’ny voalohany aloha dia tsy nahita azy ireo izy, fa rehefa niverina nankany an-tranony izy dia nahamarika vehivavy roa nitafy tsara niresaka tamin’olona. Nanatona izy ary nanontany raha Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Rehefa nilaza ireo fa Vavolombelona ny tenany, dia niangavy toy izao izy: “Mba tongava re any an-tranoko e. Te hiresaka aminareo aho.”
Natomboka ny fianarana ny Baiboly, ary na dia teo aza ny fanoherana sy ny fanarabiana avy tamin’ireo anisan’ny fianakaviana, dia nanomboka nanatrika fivoriana sy nanao fanambarana tamin’ny havany io ramatoa io.
Mahafantatra marina tokoa ny ondriny i Jesosy, ary manangona azy ireny ho ao amin’ny fandaminany mba ho tafita velona ao amin’ilay tontolony vaovao anjakan’ny fahamarinana.