Volavolain’ny fitsipika mba hitera-bokatra
AZO ATAO ny mampitaha ny minisitra kristiana iray amin’ny mpanofa tany izay mamboly voa anankiroa dia: ny voan’ny fanahy, voalaza ao amin’ny Galatiana 5:22, 23 sy ny voan’ny Fanjakana izay nolazain’ny Tompontsika Jesosy tamin’ny fanoharana ny mpamafy, voalaza ao amin’ny Matio 13:18-23.
Ny kristiana arak’izany dia tokony hankatò ny fitsipika, satria raha tsy eo ny fitsipika dia tsy hiteraka ireo voa roa karazana ireo, izy. Toy izao no voasoratra: “Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy izy.” — Hebreo 12:11a.
Inona no atao hoe fitsipika? Ny fitsipika, amin’ny ankamaroan’olona, dia heveriny fotsiny avy hatrany fa famaizana, nefa tsy izany velively. Tsy ahitana famaizana hatrany akory ao amin’ny fitsipika, toy ny tsy ananan’ny famaizana endriky ny fitsipika hatrany. Ohatra, ny Soratra Masina dia milaza amintsika fa holevonin’i Jehovah ny ratsy fanahy. Famaizana izany fa tsy endrika fitsipika akory. — Salamo 145:20.
Ny teny hoe fitsipika aloha dia maneho hevitra fampianarana, famolavolana, fanofanana. Izao no tokony ho fantatra amin’ny hoe fitsipika: tsy maintsy misy fanamarinana atao, satria mba hanatratrarany ny zava-kendreny, dia manana lalàna sy fepetra koa ny fitsipika ary koa ny fitandroana ny fanarahana ireo. Indraindray izany dia malefadefaka ihany ary indraindray koa dia henjana. Ny fitsipika arahana any an-tsekoly dia zava-malefaka tokoa amin’ny ankizy tia fianarana sy hendry, na dia eo ambany fanapahan’ny fitsipika aza io zaza io, kanefa kosa dia henjana izany amin’ny mpianatra kamo sy be sitrapo. ‘Ny fitaizana ny zaza hanaraka ny lalàna tokony halehany’, dia fampanarahana azy fitsipika. — Ohabolana 22:6.
Ny fitsipika dia mety ho tonga amintsika amin’ny endrika samihafa. Ny Tenin’ Andriamanitra dia “mahasoa (...) ho fitaizana amin’ny fahamarinana”. Hitaiza antsika tokoa ny Tenin’Andriamanitra raha tahiny vakintsika amim-pitandremana fatratra, miaraka amin’ny fitiavana hahatakatra ny heviny, ary raha mikely aina isika mba hampihatra azy amin’ny fiainantsika. Ny fitsipika dia azontsika koa avy amin’ny endriky ny famolavolana nomen’ny boky sy gazety izay manampy antsika hahatakatra ny hevi-tenin’ny Baiboly sy hahay mampihatra ny fitsipiny amin’ny fiainantsika amin’izao fotoana izao. — II Timoty 3:16, 17.
Raha ifikirana ny fitsipika, dia tsy vitan’ny hoe mitondra vokatra betsaka fotsiny fa hain’ny tena atao koa ny manome haja ny tena. Koa ny olombelona tsy mety hanisy fitsipika ny fiainany, dia iafara amin’ny tsy fahaiza-manaja ny tenany sady tsy ahita fifaliana koa manarak’izany, satria arakaraka ny hiainoana ny tena no vao mainka koa hangetahetana ihainoana ny tena, ary io fomba fanao io dia mitondra any amin’ny fijaliana sy ny fahafatesana amin’ny farany.
Misy olona sasany, toy ny mpampianatra ohatra, manana andraikitra amin’ny fampanarahana fitsipika hafa. Ny ray amandreny, ary indrindra indrindra ny ray, dia manana adidy hampanaraka fitsipika ny zanany, “hitaiza azy amin’ny famaizana sy ny fananaran’i Jehovah”. Ny mpikarakara kristiana dia manana andraikitra hampanaraka fitsipika ny mpikambana ao amin’ny fikambanana misy azy: “Mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.” — Efesiana 6:4; II Timoty 4:2.
Ny fitsipika koa dia mety ho tonga amintsika amin’ny endriky ny halemem-panahy ataon’ny anankiray amin’ireo rahalahintsika kristiana, na iniany atao izany na tsia: “Izay mandà anatra dia manary tena, fa izay mihaino ny fananarana no mahazo fahalalana”, izany hoe antony tsara. Nefa izany fitsipika na fananarana izany dia avy amin’ny toro-hevitra omen’ny “mpanompo mahatoky sy malina” no tena ahazoantsika azy, dia avy amin’ireo izay miandraikitra, eto an-tany, ny zavatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny fanekena an-tsitrapo ny fitsipika dia fomba mahafinaritra tokoa hahaizana mifikitra aminy sady hananana fahaizana manaja ny tena koa. — Ohabolana 15:32; Matio 24:45-47.
Amin’ireo fomba marobe izay ahazoantsika mampiseho ny fankatoavantsika ny fitsipika araka an’Andriamanitra, dia hita ao ny fanatrehana ireo fivoriana dimy “fanaraham-pitsipika”, izay ahazoana toro-hevitra sy fampianarana ary natao indrindra mba hanasoa ireo minisitra nanolo-tena sy ho amin’ny fandraisana anjara amin’ny raharaham-pitoriana kristiana, arakaraka izay amelan’ny fotoana antsika hanao izany. Amin’ny fanoloranao tena mba hanaraka fitsipika amin’ny fomba matotra kokoa, moa ve tsy ho azonao atao ny hanoka-tena hanao ny asam-pitorian-teny amin’ny fotoana feno? Raha eny no valin- teninao, dia ilaina ny tsy maintsy hana-rahanao fitsipika.
Amin’ny fiheverana ny fitsipika izay azontsika amin’ny endriky ny toro-hevitra na fanamarihana omen’ny rahalahintsika kristiana, dia aoka tsy ho hadinointsika fa porofon’ny fitiavany antsika ireny, no sady avy amin’i Jehovah sy Jesosy Kristy koa: “Fa izay tian’i Jehovah no faizany, ary izay zanaka rehetra raisiny no kapohiny.” “Izay rehetra tiako [Jesosy Kristy] no anariko sy faizako.” — Hebreo 12:6; Fanambarana 3:19, MN.
Raha ekentsika ny hamolavolana antsika amin’ny fitsipika, dia ho azontsika atao tokoa ny hamokatra ny voan’ny fanahy, dia ny: “fitiavana, ny fifaliana, ny fiadanana, ny fahari-po, ny fahamoram-panahy, ny famindram-po, ny finoana, ny fahalem-panahy, ny fahononam-po”. Amin’izany no hananantsika fandrosoana mitondra ho amin’ny fahamatorana, no sady hahazoan-tsika koa manana betsaka ny voan’ny Fanjakana, ‘avy telo-polo heny, enim-polo heny, ary avy zato heny’, satria ny famolavolana ateraky ny fanarahana ny fitsipika dia ahazoantsika mampitombo ny fahalalantsika sy ny fahazoantsika mitory teny. Sambatra arak’izany ireo izay mety ho volavolain’ny fitsipika mba hitondra vokatra! — Galatiana 5:22, 23; Matio 13:23, MN.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha te-hanadihady izany amin’ny an-tsipiriany, dia jereo “Ny Tilikambo Fiambenana’’ amin’ny teny frantsay tamin’ny 1 Septambra 1963.