Ny fijinjana amin’ny “andro farany”
“Ny fijinjana dia ny fahataperan’izao tontolo izao [fifaranan’ny fandehan-javatra iray, MN ]”. — Matio 13:39.
NY FIJINJANA tsara iray dia antony mahafaly sy maha-velom-pankasitrahana foana. Io no fotoana fijinjana ny vokatry ny asa naharitra sy mafy iray. Ny fijinjana izay noresahin’i Kristy ao amin’ny fanoharany momba ny “vary” sy ny “ahidratsy” dia hanome ho an’ny olombelona antony roa sosona hifaliana. Nahoana? Voalohany dia satria izany hilaza fanangonana ny isa takina amin’ny “zanaky ny fanjakana”, dia ny “olo-masina” izay hiara-mizara amin’i Kristy ny “fanapahana mandrakizay” sy hiantoka fitondram-panjakana tsara iray ho an’ny tany. Nefa io “fijinjana” io dia hitondra koa ny porofo fa ho tonga eo amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra iray” isika ary eo an-katoky ny fandaharan-javatra iray vaovao sy marina. — Dan. 7:14, 27; Matio 13:38, 39; II Pet. 3:13.
“[SYN·TEʹLEI·A]” SY “[TEʹLOS]”
2 Mifanohitra amin’izay tian’ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany hampinoana antsika, Jesosy dia tsy nilaza fa ny “fijinjana” dia nampiseho ny “faran’izao tontolo izao”. (Baibolin’i Segond; Baibolin’i Jerosalema; Baibolin’i Crampon.) Ireo fandikan-teny ireo dia tsy manisy fanavahana amin’ny teny grika [syn·teʹlei·a] sy [teʹlos]. W. Vine dia milaza toy izao mikasika ny [syn·teʹlei·a] (ao amin’ny bokiny Expository Dictionary of New Testament Words): “Io teny io dia tsy manondro fiafarana iray, fa kosa fivoaran’ny toe-javatra iray ho amin’ny fara tampony.” Rehefa niteny ny amin’ny “fijinjana” ho toy ny “fifaranan’ny [[syn·teʹlei·a]] fandehan-javatra iray” i Jesosy, dia nieritreritra ny amin’ny fotoam-piasana iray izay hanana fiandohana sy fiafarana izy. Ao amin’ny Matio 13:30, Jesosy dia niresaka ny amin’ny “fotoam-pijinjana”, fitenenana tsy isalasalana fa manondro fe-potoana iray, dia izay nantsoin’ny mpaminany Daniela hoe “andro farany”. (Dan. 12:4.) Homarihintsika ankoatra izany fa ireo mpandika teny ny soratra grikan’ny Septante dia nampiasa ny teny grika [syn·teʹlei·a] mba handikana ny andininy voalazan’i Daniela teo aloha.
3 Hita indray koa io teny io ao amin’ny Matio 24:3 (MN ), izay anontanian’ny mpianatra an’i Jesosy toy izao: “Lazao aminay: Rahoviana no ho tonga izany zavatra izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny [[syn·teʹlei·a]] fandehan-javatra?” “Ny fotoam-pijinjana” àry dia misy fifandraisana amin’ny fanatrehan’i Kristy tsy hita maso amin’ny maha-Mpijinja. Ho valin’ny fanontanian’ny mpianany, Jesosy dia niresaka ny amin’ny ady iraisam-pirenena, ny mosary, ny areti-mandringana, ny horohorontany lehibe, ny tsy fankatoavan-dalàna sy ny rivo-piainana feno tahotra (Jereo ny fitantarana mitovy ao amin’ny Matio, toko faha-24, Marka, toko faha-13, ary Lioka, toko faha-21. Avy eo, raha nampiseho Jesosy fa hisy farany io “fotoam-pijinjana” io, dia nanampy toy izao: “Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany [[teʹlos]].” (Matio 24:14). Ny teny hoe [teʹlos] dia azo adika hoe “farany”, fetra fahataperana, fitsaharana (...) tapany farany, famaranana, fifaranana — indrindra fa ny an’ny zavatra faramparany — fizarana farany amin’ny tantara mampangitakitak’izao rehetra izaoa”.
4 Ny zava-misy ara-tantara nitranga [nanomboka tamin’ny] 1914 ho fanatanterhana ny faminaniana araka ny Baiboly dia mampiseho fa ny “andro farany” na “fifaranan’ny” ([syn·teʹlei·a]) fandehan-javatra ankehitriny dia efa niroso tokoa. Raha raisina indray ny fitenenan’i W. Vine, isika dia manatrika “ny fivoaran’ny toe-javatra iray ho amin’ny fara tampony” na ho amin’ny farany ([teʹlos]). Eo am-pahatanterhana àry ny “fijinjana” ao amin’ilay fanoharana. Efa hita tanteraka ve, [nanomboka tamin’ny] 1914, ireo fisehoan-javatra hafa nambara tao amin’ny tohin’ilay fanoharana?
[Fanamarihana ambany pejy]
a A Greek-English Lexicon of the New Testament and Other Early Christian Literature, nataon’i W. Bauer, nadikan’i W. Arndt sy F. Gingrich amin’ny teny anglisy.
[Loharanon-kevitra]
Fehintsoratra 1-4 ihany. (Nisy teny nohavaozina)