‘Samy eo amin’ny toerany avy’
Manome fitaovana ho antsika Andriamanitra
11. Karazam-pitaovana inona moa no ampiasain’ireo mpanompon’Andriamanitra amin’izao andro izao?
11 Fantatr’ilay Gideona Lehibe ny hoe fitaovana inona no ilain’ireo miaramilany. Tsy misy ilantsika fiadian’olombelona, satria tsy olona akory no iadiantsika. Ara-panahy ny ady ataontsika, ka noho izany, ny fiadiantsika dia “mahery amin’Andriamanitra handrava fiarovana mafy (...) fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra (...) ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’i Kristy”. (II Korintiana 10:4, 5.) Na manao ahoana na manao ahoana fanoherana hitany, ireo mpiady kristiana mahatoky dia tokony hanjary ho kinga amin’ny fahaiza-mampiasa ny fitaovana omen’Andriamanitra, mba hahaizana manahaka ny apostoly Paoly sy ‘mitory ny saina rehetra natolotr’Andriamanitra’. — Asa. 20:27.
12. a) Inona no nahatonga ny andian-tafika kelin’i Gideona hahita fahombiazana? b) Nahoana moa no mahita fahombiazana toy izany amin’izao andro izao ireo mpanompon’i Jehovah?
12 Ireo miaramilan’i Gideona dia voatery niasa tao anatin’ny firaisan-tsaina tanteraka sy nampiasa ny fitaovany tamin’ny fomba hahazoana ny vokatra nirina. Rehefa namakivaky an’ireo siny lehibe telonjato izy ireo, ka nanainga avo dia avo ny fanilo telonjato, nandefa fanairana tamin’ny anjomarany telonjato, ka re avy any amin’ny lafiny rehetra nandrotidrotika ny fahatonian’ny alina ny horakorak’ireo telonjato lahy, dia nandrava aoka izany ny vokany teo amin’ny tobin’ny Midianita. Moa ve tsy marina fa amin’izao andro izao koa ny fanambarana ilay Fanjakana sy ny famalian’Andriamanitra ataon’ireo mpitory miasa ao anatin’ny firaisan-tsaina tsy mitarika ny fahavalo hanitatra ny hafatra sy ny loza ambarany? Nahoana no misy izany fihetsika izany? Satria ny fandaminan’ireo mpanompon’i Jehovah manontolo dia manaja amim-pifaliana ny fandaharana noferan’ilay Gideona Lehibe ho amin’ny fanambarana hafatra manokana, dia fandaharana ampahafantariny amin’ny alalan’ny ‘mpanompony’ voatendry. Nefa kosa raha ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay avy no manapa-kevitra irery ny amin’ny fotoana sy fomba tokony hanambarany ny hafatr’Andriamanitra, ahoana no mety hanaovana ny fanambarana maneran-tany? Mazava fa ny sitrapon’i Jehovah dia ny ‘hampiray hevitra antsika araka an’i Kristy Jesosy [ilay Gideona Lehibe], mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an’Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika’. — Romana 15:5, 6.
13, 14. Inona no manome hery ny hafatra entin’ireo mpanompon’i Jehovah?
13 Ny fanahin’i Jehovah sy ny Teniny, ny Baiboly, dia mahaforona hery mampiray antsika. Soa ihany fa hampianatra ny heviny manokana momba ny hafatra ao amin’ny Baiboly ny tsirairay avy amintsika. Jehovah dia nanome antsika tamin’ny alalan’ny boky maro be, fanampiana ampy mba hahazoana tsara ny hevitry ny Teniny ary mba hananantsika rehetra hevitra sy fampianarana mitovy. Noho izany antony izany, eo anivontsika dia tsy misy fisarahana mampidi-doza sy fampianarana mifanipaka tsy tambo isaina toy ny hita ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana sy ny mpanompo sampy. Tsy vonointsika na ataontsika mihamalefaka ny hafatra alefan’Andriamanitra ho an’ireo firenena, dia hafatra fanantenana, marina izany, nefa koa hafatra milaza famaliana sy valin’ny natao. Tsapantsika tanteraka fa ny trompetrantsika dia tokony hampandre feo mahery sy mazava dia mazava. — I Korintiana 14:8.
14 Tokony hankamamintsika rehetra àry ny vidin’ny fitaovana omen’i Jehovah antsika mba hanaovana ny ady kristiana! Ambonin’izany, Jehovah dia mampianatra antsika mba hampiasa tsara an’io fitaovana io, mba hahafahantsika manao fanambarana mandaitra amin’ny olona sy ireo firenena. Tsy feon’olona miantsoantso any an’efitra velively izay re ankehitriny fa fanambarana mahery manakoako maneran-tany. Eny, ‘ataon’i Jehovah re tokoa ny feony eo anoloan’ny miaramilany’. — Joela 2:9, 11, MN.
‘Samy eo amin’ny toerany avy’
15. Inona no tsy tokony hoheverina raha ny amin’ireo lehilahy niaraka tamin’i Gideona?
15 Raha ny amin’ny mikasika an’ireo telonjato lahy niaraka tamin’i Gideona, dia tsy mety ny hoe rehefa avy nahazo toerana ny anankiray taminy dia handa izany, hitady hifanova amin’olon-kafa, na ny tenany ihany no hifidy ny toerana noheveriny fa nahitana tombontsoa indrindra. Ny miaramila izay ho nanao toy izany dia ho nametraka ny hevitry ny tenany manokana talohan’ny an’i Gideona, lehilahy nofidin’i Jehovah hitarika ny fanafihana. Ambonin’izany, dia tsy ho ampy fanetren-tena izany olona izany ary hampiseho fa tsy niantehitra tamin’i Jehovah izy mba hanaovana fiovana amin’ny fotoana noferany. Ahoana no ho nahafahan’ny miaramila toy izany hiantsoantso amim-pahatsorana miaraka amin’ireo namany toy izao: “Ny sabatr’i Jehovah sy Gideona!”
16. Amin’ny ahoana moa ny fanetren-tena no hanampy antsika hiantsoroka ny andraikitsika?
16 Ao anatin’ny fandaharan-javatra naorin’i Jehovah, ny tsirairay avy amintsika dia tokony hitadidy ao an-tsaina indrindra ny fikasan’Andriamanitra sy ny tombontsoan’ny fanjakany rehetra. Na manao ahoana na manao ahoana toerantsika ao anatin’ny fandaminana, dia tokony hiantsoroka amim-pahatokiana ny andraikitra ankinina amintsika isika (I Korintiana 4:2). Tokony haneho fanetren-tena isika, dia toetra hanosika antsika tsy hizahozaho. Izao fotopoto-pitsipika manaraka izao, nambaran’i Jesosy Kristy, dia mihatra amin’ny tarehin-javatra rehetra: “Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.” (Matio 23:12). Fa raha ny amin’i Jakoba, dia izao no voasoratra: “Manetre tena [tsy eo imason’ny olona ihany, fa] eo anatrehan’ny Tompo [Jehovah, MN ], dia hanandratra anareo Izy.” — Jakoba 4:10.
17. Moa ve Jehovah mihevitra manokana ny tsirairay avy amintsika?
17 Takatsika izao ny hevitry ny fitenenana hoe ‘samy eo amin’ny toerany avy’. (Mpitsara 7:21.) Noho isika anisan’ny fandaminan’i Jehovah, dia aoka isika ho faly hanompo ao amin’izay ametrahana antsika ary aoka hotontosaintsika amim-pahatokiana araka izay azo atao ny asantsika. Aoka isika hino mafy fa Ilay mahamarika ny fianjeran’ny tsintsina iray dia mihevitra be lavitra antsika izay manompo azy amim-pahatokiana, na inona na inona asa tontosaintsika (Matio 10:29-31). Fantany ny hoe fampiofanana inona no ilaintsika ary asa inona no mety amintsika indrindra, ka manao amintsika araka izany izy. Mahazo matoky isika fa tsy manadino antsika izy. — I Petera 5:10.
18. Nahoana moa isika no manana fitokisana lehibe an’i Jehovah toy izany?
18 Amin’izao andro izao, ny mpanompon’Andriamanitra rehetra dia eo ambany fitarihan’ilay Gideona Lehibe, Jesosy Kristy. Hiray saina daholo isika ka tiantsika ny hanompo ho fanamarinana ny anaran’i Jehovah amin’ny fananana fanetren-tena hatrany ‘samy eo amin’ny toerany avy’, manaiky ny baikon’Andriamanitra. Matoky isika fa ny fahaizan’i Jehovah mitondra tafika no hiantoka ny fandresena farany. Miaiky koa isika fa hitan’i Jehovah ny fankatoavantsika amim-pahatokiana ka homeny antsika ny valisoan’ny “tena fiainana” ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenainy, satria manambara toy izao ny Teniny: “Miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.” — I Timoty 6:19; I Korintiana 15:58.
Tadidinao ve?
◻ Nahoana mo ny tetikadin’i Gideona no tsy nitovy firy tamin’ny tsangan-kevitr’ireo jeneraly olombelona?
◻ Inona no nahatonga an’i Gideona ho afaka hahazo fandresena feno?
◻ Ahoana no ifandraisan’i Jehovah amin’ireo mpanompony amin’izao andro izao?
◻ Ahoana moa no tokony hiheveran’ireo miaramilan’i Kristy amin’ny andro ankehitriny ny toerana nanankinana azy ireo?
[Loharanon-kevitra]
Fehintsoratra 11-18, fanontaniona sasany, ary “Tadidinao ve?” ihany (nisy teny nahavaozina)