“Tanteraho amin’ny fomba feno ny fanompoanao”
“Eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty (...) no ananarako anao mafy: (...) tanteraho [amin’ny fomba feno, MN] ny fanompoanao.” — II TIMOTY 4:1, 5.
1. Inona no fifandraisana notanan’i Paoly tamin’i Timoty?
FONY nanoratra ny taratasiny faharoa ho an’i Timoty ny apostoly Paoly dia efa minisitra hatramin’ny telopolo taona teo ho eo ny tenany. Rehefa nanatratra ny zava-kendrena natolotra azy izy dia efa nandray soa maro avy tamin’i Jehovah (II Timoty 1:2). Noho izy naka an’i Timoty ho namana tamin’ny dia nataony sady mpiara-miasa akaiky teo amin’ny asan’ny kongregasiona, dia niara-nandany taminy taona maro nampitombo fahalalana indrindra izy. — Asa. 16:1-5.
2. Ahoana no tokony handraisana ny tenin’i Paoly voasoratra ao amin’ny II Timoty 4:6-8?
2 Nadiva hifarana anefa ny fanompoan’i Paoly. Koa nanoratra toy izao ilay apostoly: “Fa izaho dia efa hatolotra sahady, ary efa mby akaiky ny andro fialako. Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahako aho; nitahiry ny finoana aho; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin’izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny fisehoany koa.” (II Timoty 4:6-8). Araka ny miharihary amin’ireo teny ireo, dia antomotra ny fahafatesan’i Paoly. Iaraha-manaiky fa novonoina izy tamin’ny 66, tamin’ny fanenjehana napoakan’i Néron. Teo anoloan’ny fahatsinjovana izany, inona ireo hevitra tonga tao an-tsainy? Angamba izy nanontany tena indraindray raha nanao tsara ny asany. Rehefa fakafakaina farany anefa, dia niaiky mafy izy fa nanatontosa ny fanompoany, araka ny porofoin’ny fanambarana nataony. Natanjaka ny finoany, ka nino mafy izy fa hahazo ny lokan’ny antson’ny lanitra. Tsy azo lavina fa rariny tokoa ny niderany tena satria tsy nanaiky ho voavily mihitsy hiala tamin’ny asa nampiandraiketina azy izy.
3. Inona no mbola azon’i Paoly natao ho an’i Timoty koa talohan’ny hahafatesanay?
3 Mbola nanana fotoana kely teo anoloany i Paoly mba hanatanterahana asa tsara. Talohan’ny hatoriana tao amin’ny fahafatesana, inona no azony natao ho an’ilay namany taloha? Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, dia homeny azy ireo torohevitra lehibe indrindra hitantsika ao amin’ny taratasy faharoa ho an’i Timoty. Izany no fandraisana anjara farany nentiny tao amin’ny Soratra masina mba hahasoa antsika.
4. Inona avy no toromarika nataon’i Paoly ho an’i Timoty?
4 Mbola tsy tonga tamin’ny faran’ny fanompoany kosa anefa i Timoty. Izany no antony nilazan’i Paoly taminy hoe: “Eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin’ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; ary hampiala ny sofiny amin’ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin’ny anganongano. Fa hianao kosa mahonona tena amin’ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan’ny evanjelista, tanteraho [amin’ny fomba feno, MN] ny fanompoanao.” — II Timoty 4:1-5.
5. Nahoana ny torohevitr’i Paoly no mahaliana antsika manokana?
5 Tsy maintsy ho nahasoa tokoa an’i Timoty ireo torohevitra tsara dia tsara ireo. Ary isika, hahay handray soa avy amin’izany ve isika? Miaina ao anatin’ny “am-parany” noresahin’i Paoly isika izao. Olona be dia be no manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa mandà ny heriny’. (II Timoty 3:1-5.) Ireo dia tsy mihaino afa-tsy ny “mpampianatra” izay vonona ny hampahafinaritra ny sofina. Ny kristiana marina anefa dia tsy tokony hianina amin’ny fitoriana ny teny ao anatin’ny faritry ny kongregasionany. Manana andraikitra koa izy ireny hiresaka amin’ny rehetra, ampahibemaso, ka hitady ireo izay miseho ho mora mandray “ny teny”. Koa mbola manan-kery foana ho an’ny vavolombelona kristian’i Jehovah ireo toromarik’i Paoly.
Ny fomba hanatanterahana ny fanompoan’ny tena amin’ny fomba feno
6. a) Nahoana isika no tokony ‘hitory ny teny’? b) Inona avy no soa ho azontsika amin’ny fisehoana ho mitandrina ny fanompoantsika?
6 Misy lafiny maromaro amin’ny fanompoana kristiana. Raha ny marina, ny minisitra tsirairay avy dia manana asa maro ho tontosaina. Voalohany indrindra, dia niresaka ny amin’ny ‘fitoriana ny teny’ i Paoly. Izany dia ny teny tian’i Jehovah haharihary tokoa amin’ireo mpanompony, dia ny teny fahamarinana nambaran’ny tenan’i Jesosy. Ahariharin’i Jehovah tokoa ny hevitra raketin’ny hafatra ataony ho an’ny olombelona ao anatin’ny vanim-potoana voatondro iray, amin’ny fanendrena an’ireo vavolombelony mba hampahafantatra ny fiheverany eto an-tany. Tafiditra ao anatin’ny fotopoto-pitsipiny ny fampitandremana alohan’ny handraisana anjara (II Tantara 36:15, 16; Isaia 42:9; 43:12; Jona 3:2-4). Mahasoa an’ireo izay mihaino azy ny hafatra avy aminy, satria noho izy dia afaka mitoetra eo amin’ny toerana tsy ahitana ahiahy izy ireo. Nefa kosa, ireo olona tsy mihaino izany dia tokony hanampo ny hizaka ny vokatry ny fihetsiny rehefa miasa Jehovah ho fampiharana ny fitsarany. Tokony hiantsoroka ny andraikiny izy ireo (Asa. 20:20, 21, 26, 27). Na ahoana na ahoana, dia haneho fahendrena ny minisitr’Andriamanitra amin’ny fanarahana izao torohevitra izao: “Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’izany; fa raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.” — I Timoty 4:16.
7. Nahoana no mety ny hitoriana mafy na dia ao anatin’ny toe-javatra tsy mora aza?
7 Na toy inona na toy inona toe-piainana anaovana azy, dia tokony handroso ny asa fitoriana. Ilaina ny handraisana anjara amin’izany “na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana”, raha raisina indray ny fitenenana nampiasain’i Paoly. Ny hafatr’Andriamanitra dia manana fahefana hamonjy aina. Noho izany, na toy inona na toy inona tarehin-javatra misy azy, ny minisitra mahatoky dia mihevitra izany ho ilaina maika dia maika, mendrika ny fikirizana, ary hahita fomba hampielezana ny teny izy raha tojo fanoherana ny fitoriany. Izany no miharihary mazava amin’ny ohatra nomen’i Jesosy sy ny filazana ara-tantara ao amin’ny Asan’ny apostoly.
8. a) Inona no hanampy ny minisitra kristiana hitory ny teny? b) Nahoana moa ny fanompoantsika no mety hitarika antsika hananatra?
8 Mba hahafahana mitory ny teny, na ao anatiny na any ivelan’ny kongregasiona, ny minisitra rehetra dia tokony hahalala tsara ny Soratra masina. Ilainy ny manokana fotoana ho amin’ny fianarana, ny fieritreretana sy ny fisaintsainana mba hahatakarana tsara ny Tenin’Andriamanitra. Ny fitoriana dia milaza fahalalana lalina ny fahamarinana. Tao amin’ny taratasiny ho an’i Titosy, dia nosoritan’i Paoly fa ny mpiandraikitra dia tokony ‘hitana ny teny marina araka ny efa nampianarina, mba hahaizany hananatra amin’ny fampianarana tsy misy kilema sady handresy lahatra ny mpanohitra”. (Titosy 1:9.) Noho ny Tenin’Andriamanitra no azo ananarana sy anitsiana mba hahasoa an’ireo izay tsy manaraka ireo fepetra takin’i Jehovah. Izany koa dia anisan’ny fanompoana feno tsara.
Ny fananarana
9. Nahoana no ilaina ny fananarana?
9 Ilaina indraindray ny hanomezana fampahatsiahivana sy fampitandremana ho an’ireo izay tsy manao ny tokony hataony rehetra na tsy mampiseho fitiavana sy zotom-po ampy ho an’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah. Ireo kristiana tia tokoa ny Andriamaniny dia mandray amim-pankasitrahana ny fananarana toy izany. Faly izy ireny mandre ny tenin’i Jehovah ka manaiky fa sakafo ara-panahy tondraka izany (Isaia 55:3; Hebreo 12:5, 6). Fanampiana tsara ho an’ireo mpiara-miasa kristiana sy ho an’ireo olona miomana hivavaka amin’i Jehovah àry ny fananarana azy ireny amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra. Ny tenan’i Paoly koa aza dia nanome fananarana be dia be nandritra ny fanompoany. — Romana 15:30; 16:17; I Korintiana 1:10, 11; I Timoty 4:13; 6:11, 12; Hebreo 10:24.
10. Nahoana moa no ilaina ny hanehoana fahari-po rehefa mananatra olona?
10 Ny minisitra rehetra izay nanolo-tena ho an’Andriamanitra dia tokony hianatra hamboly ny vokatry ny Fanahiny koa. Ilaina indraindray ny faharetana sy ny fikikirana mba hananarana ireo izay tsy mandray tsara avy hatrany. Ny sasany aza mety tsy haneho fankasitrahana mihitsy noho ny fiezahana atao mba hananarana sy hampaherezana azy ireny. Tokony hotanterahina anefa io adidy io, ary andraikitry ny loholona rehetra indrindra ny miantsoroka izany. Tafiditra koa ny fahaiza-mampianatra. Arakaraka ny ampiasana ny Tenin’Andriamanitra no mahatonga ho kinga kokoa amin’ny fampiasana azy. Afa-tsy izany koa, rehefa mahafantatra tsara ny mpianany ny mpampianatra iray, dia tokony ho moramora kokoa aminy ny hampita amin’izy io izay fantany. Asehon’i Paoly amintsika tsara ny fomba hahatongavana amin’izany rehefa nanambara toy izao izy ao amin’ny I Tesaloniana 5:14: “Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin’ny olona rehetra.”
Ny antony hialana amin’ny mpivadi-pinoana
11. Inona no fihetsika tsara raha arahina eo anoloan’ireo mpivadi-pinoana?
11 Tian’i Paoly ny hitanan’i Timoty ny fijoroany amin’ny zavatra rehetra. Tsy tiany ny hanjary hitoviany amin’ireo izay tsy mahazaka ny fampianarana mahasoa ka mampiala ny sofiny amin’ny fahamarinana. Ny tena minisitr’Andriamanitra dia tsy be fanahiana loatra na manaiky ho voakorontana amin’ny asany rehefa tsapany fa ny sasany amin’ireo namany dia miala amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fampianarany mahasoa. Nampiomanina isika fa hisy mpivadi-pinoana sy olona izay ny hany faniriany dia ny handre zavatra mahafinaritra ny sofina. Ireo toromarika voarakitra ao amin’ny II Jaona 9-11, ao amin’ny I Korintiana 5:11-13 sy ao amin’ny II Timoty 3:5 dia tsy mamela antsika hifankazatra amin’ireo izay miala amin’ny fanompoam-pivavahana marina. Tsy hety koa ny hividianantsika na hamakiantsika ireo zavatra voasorany. Betsaka ny olona ta-handre ny fahamarinana, ka ireny no tokony hifaneraserantsika. — I Timoty 6:20, 21.
12. Nahoana moa ny minisitra kristiana rehetra no tokony handray toerana hentitra toy izany?
12 Nampitandrina an’i Timoty i Paoly: “Fa ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina.” (II Timoty 3:13). Noho ny fanazavan’io fampitandremana ara-paminaniana io, ny minisitra kristiana dia mahafantatra fa tsy tokony hanaraka izany karazan’olona izany izy. Heveriny kosa izao torohevitra tsara nomen’ilay apostoly izao: “Fa hianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany; fa hatry ny fony vao zaza hianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (II Timoty 3:14-17). Ny fianarana tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra dia tena sarobidy tokoa ho an’izay rehetra miezaka hanatontosa tsara ny fanompoany.
Ny soa azo avy amin’ny fifaneraserana kristiana tsara
13. Tamin’ny ahoana ny ohatra nomen’i Paoly no nahasoa an’i Timoty? Ahoana no azontsika andraisan-tsoa avy amin’izany?
13 Nandray soa lehibe avy amin’ireo taona laniny niarahana tamin’i Paoly i Timoty. Azony natao ny nandinika tao aminy ny fihetsiky ny minisitr’Andriamanitra mahatoky sy matotra iray. Nampahatsiahy ny fahatsiarovana niombonan’izy ireo i Paoly raha nanambara hoe: “Fa hianao kosa dia efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondrantenako, ny fisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako, ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia ny fanenjehana izay niaretako; ary ny Tompo nahafaka ahy tamin’izany rehetra izany. Eny, izay rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina.” (II Timoty 3:10-12). Na dia tsy afaka miaraka manokana amin’ny apostoly Paoly aza isika, dia afaka manatsoaka fianarana tsara dia tsara avy amin’ny filazalazana amin’ny antsipiriany soritan’ny Baiboly amintsika ny aminy.
14. Nahoana moa no ilaina ny ho vonona hiaritra ny zava-dratsy?
14 Matoa i Paoly nampahatsiahy ny amin’ireo fanenjehana sy fahoriana niaretany, dia mba hampisehoana fa ny minisitra kristiana dia tokony ho vonona ny hiaritra ny zava-dratsy (II Timoty 4:5). Ireo izay manatontosa amin’ny fomba feno ny fanompoany dia matetika no enjehina amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa. Tombontsoa anefa ny mampifaly ny fon’i Jehovah amin’ny tsy fivadihana hatrany ao anatin’ny fitsapana (Ohabolana 27:11). Izany koa dia mety hitarika fanambarana ho fiderana azy.
Ny asa fitoriana ny filazantsara
15. Manao ahoana ny toerana tanan’ny fitoriana ny filazantsara eo amin’ny fanompoantsika?
15 Mitana tapany lehibe amin’ny fotoanan’ireo minisitra kristiana mahatoky ny fitoriana ny filazantsara. Nilaza toy izao tokoa Jesosy: “Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha.” (Marka 13:10). Nanazava izy fa tsy ho avy ny farany raha tsy efa ampy ny fampielezana ny vaovao tsara. Raha ny amin’i Paoly, dia nanana tombontsoa izy nampita ny hafatra tamin’ny olona maro nandray tsara nanerana ny Empira romana. Noho ny asany, dia nisy kongregasiona vaovao niforona, ka nisy mpiandraikitra notendrena tao. Ireo dia nitory ny filazantsara teo anilan’ireo rahalahiny sy anabaviny tao amin’ny finoana, mba hanitarana bebe kokoa ihany ny asa fanaovana fanambarana. Araka ny filazan’ilay apostoly, io asa io dia natao indrindra ‘hampianarana teo imason’ny olona sy tao amin’ny isan-trano.’ (Asa. 20:20.) Raha nisy vokany izany fomba izany tamin’izay fotoana izay, dia mitondra vokatra tsara dia tsara koa izany amin’izao androntsika izao izay nanitarana ny fitoriana kristiana maneran-tany. — Jaona 14:12.
16. Ahoana no ahafantarantsika fa misy olona maro mampihatra ny torohevitr’i Paoly voasoratra ao amin’ny II Timoty 4:5?
16 Amim-pinoana, dia maro be amin’izao andro izao no manararaotra ny fahafahana atolotra azy ireo mba handraisana anjara amin’ny fomba feno kokoa amin’ny asa fitoriana ny filazantsara. Kristiana an’arivony maro no tonga misionera, ary ana hetsiny maro hafa no nanomboka ny asan’ny mpitory maharitra amin’ny anankiray amin’ireo endriny samihafa. Ankehitriny dia miisa ho 2 650 000 mahery ny mpitory ny filazantsara miely patrana any amin’ny kongregasiona 46 000 mahery sy any amin’ny tany 205. Ary tsy mitsahatra ny mitombo ny isan’izy ireo. Izany fandrosoana mahagaga izany dia manamarina fa ireo mpanompon’i Jehovah izay nanolo-tena ho azy, dia mandray am-po ny asa nanendren’Andriamanitra azy ireo, ary ‘tanterahina amin’ny fomba feno’ ny fanompoan’izy ireo.
Aoka hotontosaintsika ny asantsika
17. Mba hahazoana sitraka amin’i Jehovah, fihetsika manao ahoana no tokony harahin’ny kristiana eo anoloan’ny asa nankinina tamin’izy ireo?
17 Nanankina fanompoana tamin’ireo mpanompony voahosotry ny masina Jehovah. Miara-miasa eo anilan’izy ireo koa ny “olona betsaka”. Araka ny filazalazana ara-paminaniana sy ara-panoharana voasoratra ao amin’ny Ezekiela toko fahasivy, ny isan’izy ireo dia hanamarika amin’ny handrina ny olona izay misento sy mitoloko. Mampahafantatra antsika koa izany andinin-teny izany fa hilaza toy izao ilay lehilahy nitondra fitoeran-dranomaintin’ny mpanoratra: “Efa vitako izay nandidianao ahy.” Mahafaly an’i Jehovah ny mahita ireo mpanompony manaraka ny baikony toy izany. — Ezekiela 9:4, 11; Genesisy 6:22; I Korintiana 4:2.
18, 19. Amin’ny fomba ahoana no azo ampiharana ny fananaran’i Paoly hita ao amin’ny II Timoty 4:1-5?
18 Arakaraka ny anatanterahan’ireo fisehoan-javatra ny faminaniana mahakasika ny andro farany, dia voatery isika miaiky fa ilaina maika dia maika ny asa nanendrena antsika. Misy aina tandindomin-doza. Efa atao ny fijinjana, ary manafaingana izany amin’ny fotoany Jehovah (Isaia 60:22). Amin’izany , na inona na inona andraikitra tokony hiantsorohanao ao anatin’ny faritry ny asanao ho an’i Jehovah, dia ataovy izany mba hahazoana sitraka aminy tanteraka (Kolosiana 1:10; 3:23, 24). Aza hadinoina na oviana na oviana ny andraikitra nankinina taminao ary manandrama manatontosa tsara izany. Raha tokony hikarakara asa sasany ao amin’ny Efitrano Fanjakana ianao, dia ataovy tsara izany. Raha notendrena ao amin’ny fianarana boky iray ianao, dia miaraha miasa akaiky amin’ireo anisan’ny antokon’olona misy anao; anaro sy ampaherezo izy ireo. Raha mpitory maharitra na misionera ianao, dia miezaha hanatratra ireo zava-kendrena noferanao. — Romana 12:6-9.
19 Ho tsara ny hanontanianao tena hoe: “Inona no mbola azoko atao koa mba hanampiana sy hanatanjahana ireo rahalahiko kristiana, indrindra fa ireo mpikambana vaovao ao amin’ny kongregasiona?” Raha toa ao anatin’ny faritry ny fanompoanao ka manao ny asan’ny loholona eo anivon’ny kongregasiona iray ianao, dia miezaha hahafantatra tsara ny “andian’ondry” sy hikarakara izay rehetra mahaforona azy. Mitandrema mba tsy hisy mihitsy hanjary tsy hiasa na tsy hahavokatra raha ny amin’ny fahalalana marina an’i Jesosy Kristy Tompontsika (II Petera 1:5-8). Ambonin’ny zavatra rehetra, dia asio ny fiheverana ilaina rehetra ny asa fitoriana ny filazantsara. Amin’izay dia ‘hahatanteraka amin’ny fomba feno ny fanompoanao ianao’.
Tadidinao ve?
◻ Tao anatin’ny tarehin-javatra nanao ahoana i Paoly fony izy nanoratra ny taratasiny faharoa ho an’i Timoty?
◻ Nahoana no ilaina ny hitoriana ny teny?
◻ Ao anatin’ny toe-javatra manao ahoana no ilaina ny hananarana?
◻ Inona no fihetsika tokony harahina eo anoloan’ireo mpampianatra sandoka?
◻ Nahoana moa no zava-dehibe tokoa ny asa fitoriana ny filazantsara amin’izao androntsika izao?
[Sary, pejy 16, 17]
Ny taratasy faharoa noraisin’i Timoty avy amin’i Paoly dia nanampy azy be dia be ‘hanatanteraka ny fanompoany tamin’ny fomba feno’.