Ny fomba hahitana fifaliana eo amin’izao tontolo izao mikorontana
“MIFALIA mandrakariva amin’ny Tompo, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly; hoy izaho indray: Mifalia.” (Filipiana 4:4). Mampalahelo anefa fa ho an’ny olona maro, dia fihetseham-po mihelina sy tsy voatana foana ny fifaliana. ‘Ahoana no azo iainana ao anatin’ny fifaliana, hoy izy ireny anakampo, rehefa mihatra amin’ny tena ny fahantrana, ny tsy fananana asa, ny fakam-panahy mahazo ny nofo, ny tsy fisian’ny fifehezana eo amin’ireo mpiara-miasa amin’ny tena na ny fitaoman’ny mpiara-mianatra amin’ny tena?’
Tsy hety loatra ny hieritreretana fa mitaky fifaliana foana amin’ireo mpanompony Andriamanitra. Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, dia nanambara i Paoly fa hahita “andro mahory” isika. (II Timoty 3:1-5.) Asehon’ny Baiboly mazava anefa fa na dia ao anatin’ny toe-javatra ratsy indrindra aza, dia azo atao ny hahatsapa fifaliana sasany. Araka izany, Jesosy dia “naharitra ny hazo fijaliana” sy “ny fanoherana nataon’ny mpanota taminy”. Azo antoka fa tsy nanovo fifaliana be akory izy tamin’ny vosoboso-dratsy nataon’ny vahoaka, na tamin’ny fanaintainana tsapany rehefa nohomboana tamin’ny hazo izy. Araka ny filazan’i Paoly, dia mafy aoka izany ny fijaliany ka voatery nitalaho tamin’Andriamanitra tamin’ny “fitarainana mafy sy ny ranomaso be” izy. Ary anefa dia afaka nizaka izany fitsapana rehetra izany izy ‘mba hahazoana ny fifaliana napetraka teo anoloany’. — Hebreo 12:2, 3; 5:7.
Toy izany koa, ireo kristiana voalohany dia ‘niaritra ny ady mafy tamin’ny fahoriana (...) indraindray raha natao ho fizaha noho ny fanaratsiana sy ny fampahoriana’. Araka ny nosoritan’i Paoly anefa dia nekeny ‘tamim-pifaliana ny fandrobana ny fananany’. (Hebreo 10:32-34.) Fa ahoana no nahafahany ho tonga tamin’izany?
Avy atỳ ivelany ve sa avy ao anatiny ny fifaliana?
Tsy miankina amin’ny toe-piainana ivelany ny tena fifaliana. Toe-po izany (jereo Ohabolana 17:22). Marina fa misy zavatra tena mitranga ivelan’ny tenantsika, toy ny fianakaviantsika, ny namantsika, ary na dia ny sakafo tiantsika aza, mety hitondra karazam-pifaliana sasany ho antsika (Asan’ny apostoly 14:16, 17). Afa-tsy izany koa, ny fiandrasana fotsiny ny zavatra hiseho mahafinaritra iray dia efa antom-piravoravoana (jereo Ohabolana 10:28). Mandrakariva anefa dia tsy maharitra ny fifaliana raisina avy amin’ny fananana eo amin’izao tontolo izao na ny toe-javatra miseho.
Mifamadika amin’izany, ny tarehin-javatra misy antsika dia mety hampanary antsika ny fifaliantsika. Ohatra, ny zazalahy iray atao hoe Jim dia nilazalaza tamin’izao teny izao ny fihetseham-po nateraky ny asany taloha: “Halako ilay asako (...). Tsy afaka nanapa-kevitra ny hanokana ny fahavelomako rehetra ho fampandrosoana fikambanana iray toa tsy nihevitra tanteraka ny anjarako aho. Ambonin’izany, dia maro be tamin’ireo mpiara-miasa tamiko no nanana fikasan-dratsy sy vonona foana ny hifandramatra.” Tena nanandrana nitady fifaliana tamin’ny fomba tsy araka ny natiora i Jim, nefa tsy nitarika azy na ho amin’inona na ho amin’inona izany. Hoy ny fitantarany: “Nanomboka teo amin’ny fahafolo taonako, dia nanandrana izao karazan-javatra mahadomelina rehetra izao aho. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nahavery lalana ahy tanteraka izany. Tofoka noho ny fiainana nananako izay tsy nihodinkodina afa-tsy teo amin’ny fisotroana sy ny zavatra mahadomelina ary ny fahafinaretana aho. Tsy nisy heviny na zava-kendrena tamin’ny fahavelomako. Nanontany tena tokoa aho raha hahita zavatra tsaratsara kokoa indray andro any.”
Mampahatsiahy ny an’i Solomona ny zavatra hitan’i Jim. Tsapan’izy io koa fa tsinontsinona aoka izany ny fitadiavana fifaliana amin’ny fahafinaretana. Izao tokoa no teniny:
“Hoy izaho anakampo: Aoka mba hizahako toetra amin’ny hafaliana hianao, ka dia mifalia amin’ny fahitana ny fahafinaretana; kanjo, indro, zava-poana koa izany. Hoy izaho, miantso ny fihomehezana: Fahadalana, ary ny fifaliana hoe: Mahefa inona? Nisaina tao am-poko hamalifaly ny nofoko tamin’ny divay aho (ny foko anefa mbola hitondra azy amin’ny fahendrena ihany) ary hitana ny fahadalana, mandra-pahitako izay tsara ho an’ny zanak’olombelona ka tokony hataony atỳ ambanin’ny lanitra amin’ny andro vitsy iainany. Nanao asa lehibe ho ahy aho, nanao trano, nanao tanimboaloboka, nanao tanimboly sy saha aho (...). Ary na inona na inona nirin’ny masoko dia tsy nisy narovako taminy (...). Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon’ny tànako sy ny fisasarana izay nisasarako, ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany”. — Mpitoriteny 2:1-5, 10, 11.
Misy fomba fiaina tsy zava-poana àry ve, izay mitondra fifaliana na dia ao anatin’ireo tarehin-javatra sarotra indrindra aza?
Ny loharanon’ny tena fifaliana
“Ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo”, hoy i Nehemia (Nehemia 8:10). Avy amin’ilay Andriamanitra Tsitoha tokoa ny fifaliana. Izy tokoa no namorona ny zavatra tsara rehetra mety hiteraka fifaliana mendrika izany anarana izany. “Hery sy hafaliana no ao amin’ny fitoerany”, hoy ny vakintsika (I Tantara 16:27). Ny hany fomba hahitana tena fifaliana àry dia ny famatorana amin’Andriamanitra, fifandraisana azo ampitahaina amin’izay nampiray azy tamin’i Abrahama, raha lazaina amin’ny teny indraim-bava dia amin’ny fahatongavana ho sakaizany (Jakoba 2:23). Mitondra fifaliana ve ny fisakaizana toy izany? Hevero amin’izao teny nataon’ny mpanao salamo iray tamin’ny Mpamorona izao izany: “Tsara noho ny fiainana ny fisakaizana aminao.” (Salamo 63:3, The Bible in Living English). Aoka holazaina kely aloha fa takatr’i Jim io fahamarinana io taty aoriana, ary amin’izao andro izao izy io dia kristiana falifaly.
Fa ahoana no itondran’ny fisakaizana amin’Andriamanitra fifaliana? Mety voalohany indrindra ny hampahatsiarovana fa “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy” Andriamanitra. (Hebreo 11:6.) Izay manompo an’Andriamanitra àry dia tsy tokony hatahotra ny hoe very maina foana ny fiezahany na tsy hita. Heverin’Andriamanitra ho sarobidy tokoa ny fanaovan-javatra manaporofo ny fifikirantsika amin’ny tenany, na dia tsinontsinona aza izany (jereo Marka 12:41-44). Ambonin’izany, dia nitahy an’ireo sakaizany mahatoky izy; ary anefa ny fitahiany dia “mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany”. (Ohabolana 10:22.) Farany, ireo izay tia an’Andriamanitra dia afaka mamelona fanantenana ny hahita ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao iray ‘hitoeran’ny fahamarinana’. (II Petera 3:13.) Antom-pifaliana lehibe ho an’ny kristiana izany ho avy izany.
Aoka tsy hohadinointsika koa fa vokatry ny fanahin’Andriamanitra “ny fifaliana”, ary manome amim-pahalalahan-tanana ny fanahiny ho an’ireo sakaizany izy rehefa mangataka izany aminy ireo (Galatiana 5:22; Lioka 11:13). Noho izany no mahatonga izao fanamarihan’ny mpanao salamo iray izao: “Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny.” — Salamo 144:15.
Ny fomba hitanana ny fifalian’ny tena
Na dia ao aza izany rehetra izany, na dia ny kristiana voahosotra izay velona tamin’ny andron’i Paoly aza dia nahatsiaro tena ho ketraka indraindray (I Tesaloniana 5:14). Amin’izao andro izao, dia vao mainka mandrava kokoa ihany ny fihenjanana eo amin’ny fiainana andavanandro. Na dia izany aza, noho ny fifaliana mitoetra ao amin’ny lalina indrindra amin’ny fo, dia tsy tokony hampanary toky antsika ireny fanerena ireny. Aoka isika hitodika indray any amin’i Jesosy Kristy. Araka ny efa nomarihinao, dia ‘naharitra ny hazo fijaliana izy mba hahazoana ny fifaliana napetraka teo anoloany’. (Hebreo 12:2.) Na dia tsy azo lavina aza fa fitsapana mafy ny nanomboana azy tamin’ny hazo, dia ampy fahamafisana ny fifandraisana notanany tamin’ny Rainy any an–danitra mba hisakanana azy tsy hitsetra noho ny nanjo ny tenany. Miharihary tokoa fa ny eritreriny dia nitodika talohan’ny zavatra rehetra ho amin’ny “fifaliana napetraka teo anoloany”, dia: ny tombontsoa hanamarina ny anaran’i Jehovah, ny fanantenana ny hanafaka ny taranak’olombelona amin’ny fahotana sy ny voninahitra ho tonga Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Na dia tao anatin’ireo orany nanjombona indrindra aza, dia afaka nieritreritra izany rehetra izany i Jesosy ka nahatsapa fifaliana lehibe.
Ireo kristiana voalohany koa dia afaka nizaka ny fanenjehana sy ‘niaritra tamim-pifaliana ny fandrobana ny fananany’. Tsy hoe satria nahita fahafinaretana noho ny fijaliana tao anatin’ny fahoriany izy ireny, fa satria ny sainy nifantoka tamin’ireo antony nahatonga azy hiharan’izany fisedrana izany. Faly izy ireo “satria natao mendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr’izany anarana izany [ny an’Andriamanitra]” ka manana eo anoloany ny “fanantenana ny fiainana mandrakizay”. — Asan’ny apostoly 5:41; Titosy 1:2.
Amin’izao andro izao koa, dia mety haharitra ny fifaliantsika, na dia rehefa tsy maintsy misetra zava-manahirana lehibe aza isika. tsy tokony hiforitra isika ka hahatsiaro foana ireo zava-manahirana antsika, fa ho tsara ny hiezahantsika hitadidy ireo soa noraisintsika noho ny fisakaizan’i Jehovah sy ny fanohanan’ireo rahalahintsika sy ireo anabavintsika amim-piraiketam-po. Matetika izany dia ho ampy hanamaivana ny alahelontsika. Nanazava izany fanamarihana izany tamin’izao teny izao i Jesosy: “Manam-pahoriana ny vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany; fa rehefa velon-jaza izy, dia tsy tsaroany intsony ilay fahoriany, noho ny fifaliany fa misy zaza nateraka ho ambonin’ny tany.” — Jaona 16:21.
Ny kongregasiona kristiana dia manome antsika ohatra maro ny amin’ny lehilahy sy vehivavy mamela ny fifaliany hitombo ka hanilika ny zava-manahirana azy any aoriana. Araka izany, Evelyn dia nandalo tamin’ny aretina isan-karazany, anisan’izany ny homamiadana. Sarotra taminy ny nandeha, ary matetika izy no hita fa nijaly. Manatrika tsy tapaka ireo fivoriana anefa izy, ary saika hazavain’ny tsiky amim-pahamiramiranana foana ny endriny. Ny tsiambaratelony? “Miantehitra amin’i Jehovah aho”, hoy ny tiany havaly rehefa anontaniana ny amin’izany izy. Eny, tsy nitaraina noho ny nanjo azy izy, fa manao fiezahana mba hampitodika ny eritreriny amin’ireo antony tokony hifaliany. Izany no manome azy hery hahazakana ny fahoriany.
Marina fa vetivety dia verin’ny tena ny fifaliana. Misy manaiky ho rembin’ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo na ny fikatsahana fahafinaretana. Manjary tapaka amin’ireo fivoriana kristiana izy ireny, manao tsirambina ny fianarana manokana sy mampiadana ny fitoriana. Tsy mitondra fifaliana ho an’ny tenany izay resin’ny fitiavan-karena fatratra fa ‘manindrona ny tenany amin’ny alahelo be’. — I Timoty 6:10.
Mety hanimba ny fifaliana koa ny tena rehefa resin’ny “asan’ny nofo”. Marina fa ny fijangajangana, ny fahalotoana sy ny fijejojejoana dia mety hitondra fahafinaretana mihelina ho an’izay manaraka izany. Kanefa izy ireny dia manalavitra indrindra ny fanahin’Andriamanitra izay fototry ny tena fifaliana (Galatiana 5:19-23). Marina tokoa fa izay latsaka ao anatin’ny fahotana dia mety ho tafasaraka foana amin’i Jehovah, Loharanom-pifaliana.
Tsara lavitra àry ny hiarovana amim-pahasarotam-piaro ny fifalian’ny tena. Raha toa, noho ny antony iray na noho ny antony hafa ka voamarikao fa manjavona ny fifalianao, dia eritrereto izay ho azonao atao mba hamelomana azy indray. Angamba hahasoa anao ny hanokana fotoana bebe kokoa amin’ny fianarana sy ny fisaintsainana ny Baiboly. Mila foana ny mahatsiaro ny fanantenantsika tokoa isika mba hahafahana ‘hifaly amin’ny fanantenana’ na dia rehefa misetra fahasahiranana aza (Romana 12:12). Mety hilainao koa ny handraisana anjara amim-paharisihana kokoa amin’ny fitoriana ny “vaovao tsaran’ny fanjakana”. (Matio 24:14, MN.) Izay ‘manome’ amin’izany fomba izany dia mahalana no tsy mampitombo ny fifaliany. — Asan’ny apostoly 13:48, 52; 20:35.
Mbola hiteraka zava-manahirana ho antsika foana izao tontolo izao mikorontana. Kanefa, raha tsy mitsahatra ny manatona ilay Sakaizantsika any an-danitra isika, dia ho tonga amin’ny fitanana ny fifaliantsika ka hahita ny fandaharan-javatra vaovao hanjavonan’izay rehetra manarona azy mandrakizay. — Apokalypsy 21:3, 4.