Mahavokatra ny “nosin’ny zava-manitra”
MITSATOKA eo amin’ny rano mafana sy manjelanjelatra ao amin’ny ranomasina Karahiba ny “nosin’ny zava-manitra” bitika. Mitondra ny anarana hoe Grenade koa izy io ary 311 kilaometatra toradroa monja ny velarany. Na dia isaina koa aza ireo nosy miankina aminy, Carriacou sy Martinika kely, dia 344 kilaometatra toradroa monja ny fitambaran’ny velarany. Mendrika ny anaram-bosotra hoe “nosin’ny zava-manitra” i Grenade satria ahitana zava-manitra be dia be toy ny kanelina, karafoy, “tonka” sy “noix muscade”.
Misy tendrombohitra mitomandavana mamaky an’ilay nosy avy any avaratra mianatsimo, ka midina mideza ao an-dranomasina, indrindra fa eo andrefana. Misy ony sy riaka madio mikoriana mankany an-dranomasina, ary be dia be ny ala tropikaly mirobona. Amin’ny vanin-taona maina, ireo fidinana amin’ny tendrombohitra sy ireo lohasaha tery dia rakotry ny vony mena sy mavo antitra an’ny “immortelles” dia sy ny “hazo poui”. Izany zavatra jerena miloko izany dia hatsarain’ny zavamaniry mamony maro karazana aoka izany, toy ny laingomena, ny songosongo samy hafa loko sy ny belakariva manitra.
Miavaka amin’ny morontsirany voafefin’ny palmie sy ny torapasiny fotsy kanto i Grenade. Hatramin’izay ny toe-karena dia tohanan’ny fanondranana akondro, kakaô sy “noix muscades”, ampian’ny fizahan-tany sy ny vola alefan’ny havana nifindra monina ho any Aruba, Curaçao, Angletera, Trinite, Etazonia sy Venezuela. Ireo mponina 112 000 any Grenade dia sariaka sy mora mitsikitsiky. Manana talenta mamoaka hevitra avy amin’ny fehezanteny tsotra dia tsotra izy ireo.
Nafafy ny voan’ny fahamarinana
Ny voan’ny fahamarinana dia nafafy tao amin’io nosy mahafinaritra io tamin’ny 1914, daty nipoahan’ny Ady Lehibe Voalohany. Tafaverina avy tany Panama tamin’izay i Elias James, mponina tany Grenade. Nivahiny tany tamin’ny naha-mpiasa avy any an-tany hafa izy ka nanaiky ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra ary tonga minisitra nanolo-tena ho an’i Jehovah sy vita batisa. Tsy andriny izay hamafazana ny voan’ny fahamarinana teo amin’ireo mponina malemy fanahy any amin’ny “nosin’ny zava-manitra”. Taoriana kelin’ny niverenany tao amin’ny nosy, dia lasa izy nitsidika an’Atoa Briggs, avy any Barbade fa nonina tany Grenade. Vetivety dia nanaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana Atoa Briggs ary tonga ny vokatra voalohany tao amin’ny “nosin’ny zava-manitra”. Noho ny fahatsapany fa nilaina ny hananana toerana hanaovana ireo fivoriana, dia natolony ny tao ambany rihana amin’ny fonenany izay tonga toerana voalohany fanaovan’ny olon’i Jehovah fanompoam-pivavahana tany Saint George’s, renivohitra.
Mpitory be fandavan-tena sy mpandahateny nahay tokoa i Elias James. Nanampy olona tso-po maro izy, anisan’izany Chriselda zaobaviny, hahalala ny fahamarinana. Amin’izao andro izao i Chriselda dia 88 taona, ary izy io ihany no olona ao amin’ilay nosy milaza tena fa kristiana voahosotra. Nitaiza zanaka sivy izy, ary na dia nanohitra ny fahamarinana foana aza ny vadiny, dia tonga Vavolombelon’i Jehovah vita batisa daholo izy sivy ireo. Telo no maty hatramin’izay, nefa mbola mpitory marisika ihany ny hafa. Manao ny asan’ny mpitory maharitra ny anankiroa aminy, ary mpitory maharitra manokana sady loholona ny anankiray.
Rehefa nahavita ny fihazakazahany teto an-tany Elias James, dia nanao asan’ny mpitory maharitra lehibe izy raha ny amin’ny fampielezana ny voan’ny fahamarinana tao Grenade. Amin’izao andro izao, dia miisa ho enina ny kongregasiona ao amin’io nosy io ary anankiray any Carriacou, amin’ny tampon’isan’ny mpitory ilay Fanjakana 353.
Nandritra ireo taona nisian’ny fitomboana niadana nefa tsy tapaka, dia imbetsaka no nahitan’ireo Vavolombelona nahatoky fiovan’ny tarehin-javatra ara-politika. Zanatanin’ny fanjakana britanika aloha ilay nosy ary nahazo ny fahaleovantenany tamin’ny 1974. Nandritra izany vanim-potoana izany, dia tsy nisy fanoherana ny vaovao tsara voamarika, ary mandrakariva ny olona dia niseho ho vonona ny hihaino ny hafatra, na dia noho ny fahalalam-pomba fotsiny aza no nanaovany izany indraindray. Tamin’ny 1979, ny fikomiana napoakan’ireo izay nitady hanao fanovana ara-politika dia nitondra ho eo amin’ny fahefana, fitondram-panjakana revolisionera entim-bahoaka. Na dia olona be dia be aza no nieritreritra fa ilay fitondram-panjakana vaovao nirona ho amin’ny sosialisma dia hampihatra fifehezana ireo asa ara-pivavahana, dia tsy izany akory no nitranga, ary nandroso ny asa famoazana ny voan’ilay Fanjakana.
Voakorontana tamin’ny fomba nahagaga ny sehatra ara-politika tamin’ny 19 oktobra 1983, daty hotsaroan’ny mponina any Grenade maharitra. Nandray ny fitarihana ny fitondram-panjakana ny CMR (Filan-kevitra ara-tafika revolisionera) tamin’izay. Maromaro tamin’ny anisan’ny fitondram-panjakana sy sivily sasany no notifirina.
Nanaraka izany avy hatrany, dia nisy “couvre-feu” feno naharitra 4 andro nahafahan’ireo manam-pahefana nitifitra ankitsirano, nodidiana hatao. Zavatra vaovao tanteraka izany fikorontanana izany ho an’ireo mponin’ny nosy tia filaminana ka niteraka tahotra sy fisalasalana teo amin’ny ankapoben’olona. Fitsapana lehibe izany ho an’ny mponina tao Grenade rehetra, satria nahiboka tao an-tranony izy ireo, nefa ho an’ny marary sy ny olona be taona indrindra.
Vao maraina be ny talata 25 oktobra 1983, dia mponina maro tany Grenade no notairin’ny firohondrohon’ny maoteran’ny fiaramanidina tsy fandre, notapatapahin’ny fipoahana mafy sy ny fitefohana mitsitapitapy avy amin’ny fitifirana maharitra. Ren’izy ireo taty aoriana tao amin’ny radiao teo an-toerana fa nisy tafika hafa firenena tonga tao amin’ny nosy. Ny tafiky ny OECO (Fandaminan’ireo fanjakan’i Karaiba atsinanana) dia nivondrona tamin’ny Tafika an-dranomasin’i Etazonia mba handray anjara, azo heverina fa taorian’ny nangatahan’ny “administrateur général” fanampiana. Tao anatin’ny ora vitsivitsy, ny seranam-piaramanidina roa (Pearls sy Point Salines) dia teo ambany fifehezan’ny tafik’i Etazonia sy Karaiba. Teo afovoan’ny maraina, dia noresahina tamin’ny vaovao maneran-tany i Grenade.
Nisy ady nahery vaika nampifanohitra ireo tafika hafa firenena sy ny an’ny CMR, ary izany dia tao amin’ny faritr’i Saint George’s indrindra. Mponina maro tao amin’io tanàna io no nandany ireo andro nisamboaravoara ireo tao ambany farafara. Ny sasany raiki-tahotra aoka izany ka tsy nankany an-dakozia akory aza mba hanomana sakafo ho an’ny fianakaviany. Soa ihany fa tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah naratra mihitsy nandritra ny ady. Saika maty anefa ny sasany.
Ny herim-po kristiana mandritra ny fikorontanana
Nitantara ny loholona iray teo an-toerana fa ‘kely foana no tsy nahafaty’ ny anabavy iray. Izao no fanazavana nomeny: ‘Nitady fialofana tao an-tranon’olona teo akaikiny izy satria nieritreritra fa tsy hanana ahiahy kokoa ao. Nandre ny poa-basy avy any amin’ny havoana iray teo ambony teo indrindra izy sy ireo olon-kafa tao an-trano. Nanomboka nitifitra teo amin’ilay trano ny Tafika an-dranomasina amerikana noho ny fiheverana fa avy ao ny poa-basy. Nianjera tamin’ny tany ny rehetra tao an-trano. Rehefa nitsahatra ny tifitra variraraka, ilay lehilahy tompon-trano dia nihazakazaka nivoaka tany alatrano, very hevitra aoka izany, nitana lamba. Nanaraka azy ny tao an-trano rehetra, anisan’izany ilay anabavintsika raiki-tahotra. Raha mbola tao an-tokotany izy ireo, dia natodika nankany amin’izy ireo ny tifitra variraraka hafa, nefa avy any amin’ilay havoana nanombohan’ny fitifirana tamin’ny voalohany. Teo ambanin’ny bala niraraka no nitarihan’ny Tafika an-dranomasina haingana ireo teo an-trano ho any amin’ny toerana azo antoka. Mahagaga fa tsy nisy naratra. Tsara vintana tokoa ireo tao an-trano hoy ny nambaran’ireo anisan’ny Tafika an-dranomasina. Saika hanapoaka ilay trano indrindra tokoa izy ireo, satria noheveriny ho tao ny miaramilan’ny CMR nitifitra azy ireo. Rehefa nitony ny tarehin-javatra, dia tsikaritr’ilay anabavintsika fa nisy tsilo 5 santimetatra tao amin’ny tongony. Tsy nahatsiaro naharary akory izy fony niditra tao amin’ny nofony izany.’
Nandritra ireo ady, ny zanakavavin’ny loholona iray, dimy taona, dia potraka tao an-tranony ka tapaka ny sandriny havia. Tsy azo natao anefa ny nahazo fanampiana ara-pitsaboana tamin’izay fotoana izay. Tsy afaka nanome afa-tsy ‘cachets’ ny zanany ireo ray aman-dreny mba hanamaivanana ny fanaintainany. Niverina ny filaminana rehefa afaka andro maromaro taty aoriana ka nentin’izy ireo hozahan’ny manam-pahaizana manokana momba ny taolana ilay zanany. Nampiharihary fahatapahan-taolana maromaro ny fandinihana. Efa naka toerana sahady anefa ireo taolana, tsara fizotra ny fahasitranana ary tsy natahorana hisy vokany hafa mihitsy. Tsy ilaina ny milaza mazava fa faly aoka izany ireo ray aman-dreny.
Ny anabavy malemilemy iray dia gaga nahatsapa ny hery ara-batana nety ho nananany. Voan’ny aretin’ny be siramamy ny vadiny ary tokony ho avy roa heny noho ny azy ny lanjany. Nandritra ny “couvre-feu” dia tsy nahatsiaro tena izy ka nitorovoka teo amin’ny tany. Ny vadiny no hany olon-dehibe tao an-trano, ary tsy azo natao ny nitady fanampiana avy any ivelany. Inona no hatao? Nanazava toy izao izy: “Nitalaho tamin’i Jehovah aho ary nangataka fanampiana taminy. Miaiky amim-pahatsorana tokoa aho fa ren’i Jehovah ny fitalahoako. Tamin’ny fiezahana mafy, dia afaka nanarina ny vadiko sy nampipetraka azy aho mandra-pahatsiarovany saina indray. Ny hany azoko lazaina dia hoe avy amin’i Jehovah ny hery nananako tamin’io fotoana io.”
Fohy ny ady nefa nafana, ary nandritra izany vanim-potoana izany ireo loholona dia nanana fahafahana maro hampiseho fa ‘fialofana tamin’ny ranonoram-baratra’ izy ireo. (Isaia 32:1, 2.) Rehefa nandeha nitsidika rahalahy maro mba hanampy azy ireny sy hampahery azy izy ireo dia nisetra loza ary nanao vy very ny ainy, indrindra fa tany amin’ireo faritra nirehetan’ny ady.
Anisan’ireo olona an-jatony maro navoaka avy tao an-tranony sy napetraka tany amin’ny tobin’ny mpialokaloka ny loholona iray sy ny ankohonany. Tsy maintsy nizaka ny fipoahan’ny tafondro be nankarenin-tsofina izy ireo. Ny anankiray tamin’izany dia nampianjera ara-bakiteny ilay loholona sy ny vadiny ary ny zanany vavy. Rehefa nanontaniana izy hoe ahoana no nahafahany nijanona ho tony nandritra izany fitsapana mafy izany, dia izao no nambaran’ilay rahalahy: “Noho ny taona maromaro nandalinana ny Tenin’Andriamanitra no nahafahako niseho ho be herim-po sy nitana ny fahatoniako. Nanatanjaka ahy ny fianarana ary nanomana ahy ho amin’ny tarehin-javatra maningana tahaka izany.” Afaka nampitony sy nampionona ireo Vavolombelona tao amin’io toby io àry io loholona io.
Herinandro vitsivitsy taty aoriana, ny filan-kevitra mpanatanteraka vonjimaika iray dia natsangan’ny tafik’i Etazonia sy Karaiba izay nifehy ny nosy manontolo. Somary tsy niovaova io vanim-potoana io ka azo nanaovana fifidianana, dia fifidianana nitranga ny 3 desambra 1984. Ny Antokom-pirenena vaovao notarihin’i Herbert Blaize praiminisitra, dia toa nampanadino ny lasa nisamboaravoara, ary maro no nieritreritra fa tsinjo ho tsara ny ho avy.
Nohatanjahina ho amin’ny asa mbola tokony hotontosaina
Ireo fisehoan-javatra vao nitranga dia nanatanjaka ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra tany Grenade. Tsapan’ireo fa afaka miaro ny mpanompony i Jehovah ka tapa-kevitra izy ireo ny hampitombo ny fiezahany hitory ilay Fanjakana. Olona tso-po sy mahitsy maro izay naneho fankafizana mafy ny hafatra momba ilay Fanjakana no anisan’ireo mpanatrika 914 tamin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy ny 4 aprily 1985. Koa satria miisa ho 350 ny Vavolombelona ao amin’ilay nosy, dia nila ho avo roa heny noho ny isan’ny Vavolombelona ny olona tsara fikasa tamin’io fankalazana io. Izany ka manambara fahatsinjovana fitomboana tsara.
Ny hasoan’i Grenade araka ny natiora dia manome sary an-tsaina kely antsika ny amin’ny hoe hanao ahoana ny Paradisa nampanantenaina ho eto an-tany. Ny tenan’i Jehovah, Mpamorona ny tany, mihitsy no manaiky hanorina io Paradisa io hanerana ny gilaoby manontolo. Tsy ho ela ny marina dia “handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay”. (Salamo 37:10, 11, 29.) Faly ny Vavolombelona ary tsy andriny izay hanambarana io hafatra fanantenana mampihetsi-po io amin’ny mponina rehetra ao Grenade miely patrana ao amin’ny “nosin’ny zava-manitra”.